TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 24 may 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanatanterahana ny andiany faha-11 amin’ny Fikaonan-dohan’ny mpiara-miombon’antoka, eo amin’i Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana, izay hotontosaina ny 20 jona 2023 ho avy izao ao amin’ny efitrano fivorian’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny etsy Anosy.

    Lafiny telo mazava no hiompanan’ny dinika:

    - ny zava-misy ara-politika any ivelany sy ny eto Madagasikara

    - ny fijerena ireo tetikasa iarahan’ny 2 tonta ao anatin’ny NDICI-Global Europe sy ireo fanamby mipetraka eo amin’ny fiarahamiasan’I Madagasikara sy ny Vondrona Eoropeana mba hahafahana manatsara ny fanatanterahana ny tetikasa

    - ny fiarahamiasa ara-toekarena, ny zavamisy ara-toekarena eto amin’ny firenena ary ny tontolon’ny fandraharahana eto Madagasikara

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Minisiteran’ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa fampiasam-bolam-panjakana (PIP) taona 2023

    - Famitàna ny fanamboarana ireo birao manara-penitra ho an’ny Kaominina ambonivohitra miisa 3, kaominina ambanivohitra 3, ary biraon’ny fileovam-paritra miisa 2 izay efa natomboka ny taona 2020.

    - Fanamboarana ny asa fanajariana ny tokontany sy ny fefy amina birao manara-penitra ho an’ny kaominina ambonivohitra miisa 15 sy kaominina ambanivohitra miisa 28 ary biraon’ny fileovana miisa 8 efa natomboka tamin’ny 2020.

    - Ary ny fanamboarana biraon’ny distrikan’i Vohémar sy kaominina ambonivohitra Vohémar izay fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Ho fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika « fahasalamana ho an’ny rehetra ary amin’ny taona rehetra » dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hiroso amin’ny fanaovana ny dingana ara-panjakana sy ara-bola hanomezana ny fanampiana hizakana ny tahirim-bola vonjy aina (fonds d’urgence) eny anivon’ny Hopitalim-panjakana (CHU). Raha tsiahivina dia fandaharanasa nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ny hanaovana maimaim-poana ny fitsaboana vonjy aina voalohany rehefa tonga eny amin’ny sampan-draharahan’ny vonjy aina (service des urgences) amin’ny hopitalim-panjakana ny marary, mba hitsinjovana ireo fianakaviana tena sahirana.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Manoloana ny fahasahiranana lehibe izay lalovan’ny orinasa JIRAMA ankehitriny dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fitakiana ny trosa tokony hiditra amin’ny orinasa teo anelanelan’ny 2018 ka hatramin’ny 2022. Noho izany dia hatsangana eo anivon’ny orinasa ny sampandraharaha manokana hanao « recouvrement » ka raha ilaina dia azo heverina ny fakana ny traikefa avy amina orinasa tsy miankina na « consultant » efa matihanina amin’ny fitakiana vola hanampy amin’ny fananganana io sampandraharaha manokana io. Tafakatra hatrany amin’ny 200 miliara Ariary any ny trosan’ny orinasa JIRAMA vidin-jiro sy rano tokony haloan’ny mpanjifa kanefa tsy naloany tao anatin’ny 5 taona farany ka manampy trotraka ny fahasahiranana iainan’ny orinasa ankehitriny izany.

    Mbola ho famahana ny olan’ny orinasa JIRAMA ihany dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fitantanana ny fahaverezana ara-teknika amin’ny fitsinjarana herinaratra avy amin’ny orinasa. Ny fahaverezana ara-teknika tahaka izany moa dia fahita maneran-tany, eo ho eo amin’ny 10 ka hatramin’ny 15% ny herinaratra izay tsinjaraina no ahitana fahaverezana raha ny salan’isa maneran-tany, fa ho antsika eto Madagasikara dia tafakatra hatrany amin’ny 30% eo izany. Mitombana eo amin’ny 150 miliara Ariary isan-taona eo io fahaverezana ara-teknika io, goavana dia goavana ka mila ahena. Ny vahaolana dia ny fametrahana rafitra ara-kajy mirindra sy rindram-baiko hanaovana fanarahamaso sy fijerena ny famokarana, ny fitaterana ary ny fitsinjarana ny herinaratra. Misy orinasa manam-pahaizana manokana sy matihanina amin’izany rafitra ara-kajy mirindra izany maneran-tany, ka hiroso amin’ny fanaovana “appel à manifestation d’intérêt” ny JIRAMA mba hijerena izay orinasa tena manana ny teknolojia, ny traikefa ary manana tolotra tsara indrindra hamaly ny filantsika eto Madagasikara. Fomba fanomezana tsenan’asam-panjakana antsoina hoe “EPC+F” no hatao, izany hoe tsisy vola mivoaka avy amin’ny Fanjakana Malagasy fa ny orinasa izay ho voafantina no hitondra ny famatsiam-bola sy hanao ny asa dia ny fitrandrahana ilay rafitra ara-kajy mirindra izay hapetraka ihany no hampiditra vola ho azy. Rehefa tapitra ny fifanarahana amin’izay orinasa ho voafantina eto dia lasan’ny Fanjakana Malagasy avokoa izay fitaovana rindram-baiko sy rafitra ara-kajy mirindra ho ampiasainy eo.

    MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Araka ny voalazan’ny andininy faha-87 ny didim-panjakana lf:2006-910 tamin’ny 19 aogositra 2006 dia faritana isan-taona amin’ny alalan’ny didim-pitondrana ny sarany aloa amin’ny Fanjakana amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany (frais d’administration minière-FAM) isaky ny efamira trandrahana, izay ampifanarahana amin’ny sandan’ny DTS (droit de tirage spécial) faritan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena isan-taona ihany koa arakaraky ny sandan’ny vola Ariary. Tsiahivina fa ireo manana fahazoan-dalana eo amin’ny harena an-kibon’ny tany (fikarohana sy fitiliana ary fitrandrahana PR, PE, PRE) no mandoa io sarany io. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra araka izany ny firosoana amin’ny famaritana ny sarany aloa amin’ny Fanjakana ho an’ity taona 2023 ity (FAM 2023) amin’ny alalan’ny didim-pitondrana hataon’ny Minisitera misahana ny harena an-kibon’ny tany.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY HARENA AN-KIBON’NY TANY + MINISITERAN’NY FANOVANA SY NY FAMPANDROSOANA ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA ARY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola mikasika ny « Projet Connectivité Numérique et Energétique pour l’Inclusion à Madagascar (DECIM) » izay vita sonia teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana (IDA) tamin’ny 09 Aprily 2023. Ity tetikasa ity dia hahafahana mamatsy angovo sy fifandraisan-davitra ho an’ireo toerana mbola tsy misitraka izany eto Madagasikara.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTOZAFIARISOA Hasinatiana Ambinintsoa, ho "Coordonnateur Général du Programme de Réformes pour l’Efficacité de l’Administration (PREA)".

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 643 tamin’ny 24 jona 2023 manendry ny Colonel RAKOTOMANANA Jean Patrick, ho Directeur du Bureau Planification des Opérations de l’Etat-Major des Armées.

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 972 tamin'ny 03 may 2019 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMBOLOLONIAINAHARY Rolland Romuald, ho "Directeur des Affaires Financières et de la Gestion du Patrimoine"

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RALAINIRINA Razokiny Eric, ho "Directeur des Etudes, de la Recherche et de l’Assurance Qualité de l’Institut Supérieur de Technologie d’Ambositra"(IST-A).

    MINISITERAN'NY TANORA SY FANATANJAHANTENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAZANANTSOA Brassilive David, ho "Directeur de la Gouvernance et des Relations Internationales" (DGRI)
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 525 tamin'ny 13 aprily 2022 ary manendry an-dRamatoa RANTOANDRO Tokiniaina, ho "Secrétaire Permanent du Comité Interministériel de la Jeunesse" (SP/CIMJ)
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 997 tamin'ny 06 jolay 2022 ary manendry an-dRamatoa RAJAONARIVELO Faly Iharisoa, Directeur de la Jeunesse et Rayonnement International (DJRI)

 

Natao ny 24 may 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO