TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 17 may 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISTERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana fitaovana informatika avy amin'ny PNUD, ho an'ny tetikasa fanamafisana ny fahaiza-manaon'ny andrimpanjakana ho fampiroboroboana ny Fanjakana tan-dalàna

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana fankatoavana ara-dalàna na « ratification » an’ireo fifanarahana miisa efatra nifanaovana tamin’ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny asa (OIT) : ny fifanarahana lf 155 mikasika ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa, ny fifanarahana lf 161 momba ny tolotra ara-pahasalamana ao anaty ny sehatry ny asa, ny fifanarahana lf 187 momba ny rafitra fampiroboroboana ny fiarovana sy ny fahasalamana ao anaty ny sehatry ny asa, ary farany, ny fifanarahana lf 190 mikasika ny herisetra sy ny faneriterena.

    Ny firosoan’i Madagasikara amin’izany fankatoavana ara-dalàna izany dia hitarika amin’ny famaritana sy ny fampiharana ary ny fandinihana matetika ny politikam-pirenena mirindra eo amin’ny resaka fiarovana, fahasalaman’ny mpiasa sy tontolon’ny asa. Izany dia hampiarahana amin’ny fametrahana rafi-pirenena sy fandaharanasam-pirenena hikendry ny fisorohana ny loza sy ny tsy fahasalamana ateraky ny asa na mitranga mandritra ny asa. Tsy hatao ambanin-javatra ihany koa ny fanajana ny zon’ny mpiasa amin’ny fisitrahana tontolon’ny asa tsy misy herisetra sy faneriterena

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanajariana ny ivelan’ny Hopitaly Manarapenitra Ambohimahasoa, Beloha Androy ary Antsalova.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovana antso tolobidy iraisam-pirenena voafetra ho fividianana fitaovana fitiliana nono na « appareils mammographies » miisa 02.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana « MICRONUTRIMENT » sy « POLYPROPILENE » avy amin’ny UNICEF ho an’ny Sampandraharahan’ny Fanjarian-tsakafo (Fitaleavan’ny Fahasalaman’ny fianakaviana) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana « seringue » 0,5ml sy « safety box » ho an’ny « Direction du Programme Elargi de Vaccination » (DPVE) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ny taona 2023.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovana antso tolo-bidy amin’ny fividianana ireo fitaovana hampitaovana ireo campus sy efitrano fatorian’ny mpianatra. Campus miisa telo (03), ankehitriny no an-dalam-pahavitana ary campus sivy (9) hafa kosa no efa vonona hotokanana.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitana am-bava mahakasika ireo tetikasa tanterahina eny amin’ny Lalam-pirenena, izay tafiditra ao anaty ny fanatanterahana ny drafitr’asa napetraka tamin’ny volana martsa 2023. Ny fandaharam-potoana dia mitanisa amin’ny antsipiriany ny fandroson’ny asa.

    Ireo asa an-dalam-panamboarana :

    • RN 4 (Antananarivo - Mahajanga)
    • RN 6 (Ambanja - Ambilobe - Antsiranana)
    • RN 9 (Analimasampy - Bevoay Manja)
    • RN 12A (Taolagnaro - Ebakika: Masihanaka - Manambondro)
    • RN 13 (Ambovombe - Taolagnaro)
    • RN 24 (Andranomborondolo - Vohilava)
    • RN 44 (Marovoay - Vodihala) : RNS 5 (Toamasina - Foulpointe: Soanierana Ivongo - Vahibe) an’ny tetikasa CERC (Contingent Emergency Response Component)
    • RNS 12 (Irondro-Vangaindrano)
    • Ireo asa vonjimaika andiany 1

    Ireo asa an-dalam-panombohana

    • RN 2 (Antananarivo - Toamasina);
    • RN 5 (Marolambo-Tanifotsy);
    • RN 6 (Ambondromamy Ambanja), mila averina ny antso ;
    • RN 7 (Antananarivo - Manandona - Antsirabe) an-dalam-panaovana antso tolo-bidy vaovao satria tsy nahomby ny antso teo aloha
    • RN 10 (Andranovory - Ampanihy - Ambovombe);
    • RN 11 (Mahanoro-Mananjary);
    • RN 11 (Mananjary - Nosivarika - Mahanoro) : eo amin’ny dingan’ny antso tolo-bidy ;
    • RN 13 (lhosy- Ambovombe) eo amin’ny dingan’ny fanombohana ny antso tolo-bidy ;
    • RNT 14 (Ifanadina - Ikongo);
    • RN 23 (Tetikasa Sahofika) an-dalam-panombohana ny antso tolo-bidy ;
    • RN 31 (Antsohihy - Bealanana);
    • Lalan’Antananarivo
    • Ireo asa vonjimaika andiany 2 sy 3
    • Ireo tetikasa rehetra vatsian’ny Tahirim-bolan’ny Lalana vola

    Ireo tetikasa lehiben’ny Filohan’ny Repoblika

    • Voie Rapide Quest-Tana (VROT);
    • Fly-Over mampitohy an’Anosizato sy Andohatapenaka (Kianja Maki);
    • Lalambe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina:

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana tetezana « modulaire », izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana malagasy sy ny CERC an’ny « Projet de Développement Durable du secteur Routier » (PDDR).

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fanjakana an-tanana ny asa fanamboarana ireo « culées » miisa roa sy ny fandrafetana ny « pont Bailey » eo amin’ny PK 20 any amin’ny lalana RR-ALJ-20, tetezan’i Saharamy, Distrikan’i Mananara Avaratra – Faritra Analanjirofo

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fanjakana an-tanana ny asa fandaminana na « terrassement » ny lalana mampitohy an’i Vontovorona sy ny « complexe sportif » CNAPS.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanafoanana ny fifanaraham-pahazoan-dalana ho an’ny fanamboarana sy ny fametrahana toby famokarana sy fitsinjarana herinaratra any amin’ny kaominina ambanivohitra Andina, Kianjandrakefina sy Ambohimitombo II, Distrikan’Ambositra, Faritra moron’i Mania, Faritanin’i Fianarantsoa.

    Misy ny fahatarana miharihary voamarika noho ny tsy fanajan’ilay nahazo fahazoan-dalana ny fe-potoana fanatanterahana ny asa voalaza ao anatin’ny taratasy fifanarahana. Teo ihany koa ny fandalovan’ny rivodoza AVA tamin’ny 2017, izay niteraka fahasimbana teo amin’ireo fitaovana ka nahatonga ilay olona nahazo fahazoan-dalana niala ny toby. Nisy ny fihaonana sy fifampiresahana maro teo amin’ireo ankolafy voakasika nijerena vahaolana saingy tsy nisy ny fiovana voamarika.

    Ary araka ny voalazan’ny andininy faha 36 sy faha 38 ao amin’ireo fifanaraham-pahazoan-dalana dia efa nisy ny taratasy fampahatsiahivana na « mise en demeure » nalefa tamin’ny SRAFI ny 09 aprily 2019, sy ny fangatahana fampihavanana na « demande de conciliation », ny 11 novambra 2021, saingy tsy nisy nahitam-bokany izany. Noho izany dia nankatoavina ny fanomezana ny laharan’ny didim-pitondrana fanafoanana mba hanajana ny « principe du parallélisme des formes » andaniny, sy hanombohana ny fomba fiasa mifanaraka amin'izany ankilany, ho fiantohana ny fitohizan'ny fampisitrahana herinaratra any amin’ireo toerana ireo.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan'ny Fanjakana an-tanana ny hetra sy haban-tseranana amin'ny fanafarana ireo fitaovana manokana ilaina amin’ny fametrahana ireo andry (pylones) ho an’ny ampahan’ny zotra Anosy-Soarano sy ny ampahany amin’ireo fampitaovana ny « gare motrice » G1 Anosy, ao anaty ny asa fametrahana ny fitaterana an-tariby zotra volomboasary mampitohy an’Anosy sy Ambatobe.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana momba ny fanontana vola volamena 50 ariary mari-pahatsiarovana. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny fahadimampolo taonany hanomboka amin’ny Jona 2023 sy ho fampiharana ny andininy faha-8 sy ny fanarahana ny Lalàna n°2016-004 tamin’ny 29 Jolay 2016, nasiam-panovana tamin’ny Lalàna n° 2016-057 tamin’ny 2 Febroary 2017 momba ny ny sata mifehy ny Banky Foiben’i Madagasikara izay manome azy ny fahafahana mamoaka vola taratasy sy vola madinika eto amin’ny tany sy fanjakana, ny Banky Foiben’i Madagasikara na BFM, araka ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-pitantanana, dia maniry ny hamoaka vola volamena 50 Ariary. Fomba amam-panao mahazatra eo amin’ireo banky foibe sy vondrona mpamoaka vola ny fanontana vola volamena ho fanamarihana ireo tranga manan-tantara eo amin’ny firenena iray.

    Ny vola madinika volamena dia fitaovana iray eken'ny sehatra iraisam-pirenena ary mora ny mividy sy mivarotra azy manerana izao tontolo izao. Ireo vola madinika ireo dia hanana tombam-bidy ara-dalàna araka ny voafaritry ity didim-panjaka ity ary hamidy araka ny vidiny voatondro amin’ny vidin’ny volamena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena sy araka ny fomba azo ampiharina nofaritan’ny BFM.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ANGOVO SY AKORANAFO

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mankatoa ny fifanarahana fampindramam-bola laharana L338 teo amin’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Orinasa JIRO SY RANO MALAGASY ary ny fametrahana ireo fepetra amin’ny famoahana “bons du Trésor Speciaux” ho an’ny orinasa JIRO SY RANO MALAGASY antsoina hoe “BTS- JIRAMA-2”.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome alalana ny fankatoavana ny fampindramam-bola mifandraika amin’ny famatsiam-bola ny “Projet de Productivité et de Résilience des moyens de Subsistance en Milieu Rural”, nifarana ny 09 aprily 2023 teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny fampandrosoana (IDA)

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    Noraisina ny didim-panjakana mamaritra ny karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa sy ho an’ireo am-perinasa na « Salaires Minima d’Embauche et d’ancienneté » isaky ny sokajy arak’asa sy ny karama farany ambany isam-bolana na « Salaire Minimum Mensuel ».

    Taorian’ny fivoriana notanterahin’ireo mpiaramiombon’antoka ara-tsosialy, ny 17 janoary 2023, dia nisy ny fanovana ireo karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa sy ho an’ireo am-perinasa isaky ny sokajy arak’asa.

    Taorian’ny fanaovana ny fifanarahana dia nanome ny tolo-keviny tamin’ny Minisiteran’ny Asa ireo mpiaramiombon’atonka ara-tsosialy.

    Tafiditra ao anatin’izany ny karama farany ambany amin’ny fandraisana mpiasa sokajy MI-A izay nampiakarina ho 238 800 Ar raha 217 000 Ar izany ho an’ny sehatra hafa ankoatra ny sehatry ny fambolena ary nampiakarina ho 242 200 Ar kosa raha 220.200 Ar ho an’ny sehatry ny fambolena. Ireo karama ireo dia mihatra manomboka ny 1 janoary 2023. Ho fanajana ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny Repoblika, izay notanterahina tamin’ny alalan’ny fandraisana ny didim-panjakana lf 2022-626 tamin’ny 04 May 2022 sy ny didim-pitondrana lf 24545/2022 tamin’ny 21 Septambra 2022 izay namaritra ny karama farany ambany isam-bolana ho 250 000 Ar ho an’ireo sokajy MI hatramin’ny OPIB ho an’ny taona 2022, dia nifanaraka ireo mpiaramiombon’antoka ara-tsosialy fa atao 250 000 Ar ny karama farany ambany isam-bolana manomboka ny 1 may 2022. Io fanapahan-kevitra io dia noraisina taorian’ny fihaonana teo amin’ny Filohan’ny Repoblika sy ireo filohan’ny vondron’ny sehatra tsy miankina (GEM, SIM, GEFP, FIVMPAMA).

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova sy manampy ny didim-panjakana laharana faha 2023-098 tamin’ny 01 febroary 2023 manendry ireo mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny “Aviation Civile de Madagascar” (ACM).

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY FAMANTARANA NY TOETRANDRO + MINISITERAN’NY ASA, NY ASAM-PANJAKANA, NY FAMPANANA ASA ARY NY LALANA SOSIALY

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijan-tenin-dalàna manome alalana ny fankatoavana ny Fifanarahana momba ny asa an-dranomasina an'ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (Convention du travail maritime de l’Organisation Internationale du Travail MLC 2006) nasiam-panitsiana

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 530 tamin'ny 27 may 2020 ary manendry an-dRamatoa RAHELISOA Adèle Virginie, ho Talen'ny Serasera.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017- 1177 tamin'ny 20 desambra 2017 ary manendry ny Médecin Colonel MIANDRISOA Rija Mikhaël, ho Tale Lefitry ny Centre Hospitalier Soavinandriana.

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa AIME François, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao Anôsy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa LAHA Mahatratra William, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao Atsimo Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONIARY Tsaroana Harizay, ho "Directeur de l’Expropriation pour Cause d’Utilité Publique".
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAFIDIMANANTSOA Lovanirina, ho "Chef de la Cellule Stratégique du Foncier et de l’Aménagement".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1139 tamin'ny 3 aogositra 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAHARINJATOVO Vonjinirina Andriamahefa, ho "Directeur des Recherches et Développement du Fonds National Foncier" (FNF)
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 817 tamin'ny 1 jona 2022 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANASOLO RAZAFIMANDIMBY Anjarasoa, ho "Directeur de la Réforme et de la Modernisation Foncières".

    MINISITERAN'NY NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1539 tamin'ny 18 novambra 2020 manendry an'Andriamatoa RAKOTOARIDINA Dieudonné, ho Préfet an'Ambatondrazaka.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 593 tamin'ny 27 aprily 2022 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMANANTENASOA Haja Andrianiaina, ho Lehiben'ny Distrikan'Antsalova.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa MAHARITRA Gabriel, ho Lehiben'ny Distrikan'Ikongo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 036 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'Andriamatoa RALALAHARISON Oninirina Mamiko, ho Lehiben'ny Distrikan'i Betroka.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2013- 098 tamin'ny 19 febroary 2013 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIANANDRAINA Fanomezantsoa Tahiana, ho Directeur de la Logistique de l’Ecole Nationale d’Enseignement Aéronautique et de la Météorologie (ENEAM).

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana an-dRamatoa RAVONINAHITRINIARIVO Tinaniaina, ho Talem-paritry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana ao Betsiboka.

    MINISITERAN'NY TANORA SY FANATANJAHANTENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 523 tamin'ny 13 aprily 2022 ary manendry an-dRamatoa RABEARY Dimbiniaina Hantanirina, ho Directeur des Etudes Juridiques (DEJ)
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1363 tamin'ny 28 septambra 2022, nanendry ny Coordonnateur des Projets eo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana nanendry ny Tale Jeneralin’ny ONE

 

Natao ny 17 may 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO