TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 31 may 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo taratasy ilain’ny Trano Printy Nasionaly (Imprimerie Nationale). Tamin’ny 17 Mey 2023 no efa tonga ao Toamasina ireo taratasy ireo. Marihana moa fa ao amin’ny Trano Printy Nasionaly no atonta ireo taratasy samihafa ilaina amin’ny raharaham-panjakana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana informatika ho an’ny sampana fisorohana sy fanohanana ny hamehana (Cellule de Prévention et d’appui à la Gestion des Urgences - CPGU) eo anivon’ny Fiadidiana ny Praiminisitra. Fanomezana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) ireo fitaovana informatika ireo, ao anatin’ny tetikasa AIED (Appui Institutionnel pour l’Effectivité de la Décentralisation).

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanondranana entana mankany ivelany, mikasika ny fandefasana ireo volamena hanamboarana ny vola volamena 50 ariary (pièce d’or) ho mari-pahatsiarovana ny faha-dimampolo taonan’ny Banky Foiben’i Madagasikara. Any Turquie no hatao ny fanontana ireo vola volamena, ka ny fandefasana azy any dia tafiditra ao anatin’ilay antsoina hoe « régime d’exportation temporaire pour perfectionnement passif », izany hoe famoahana vonjy maika ihany no hatao ary haverina eto Madagasikara ireo volamena rehefa vita fanontana hivadika ho vola volamena 50 Ariary. Tsiahivina ihany koa fa araka ny didim-panjakana efa tapaka tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 17 may 2023 nanome alalana ny fanaovana ny fanontana ireo vola volamena ho mari-pahatsiarovana ireo, dia hanana tombam-bidy ara-dalàna sy mifanaraka amin’ny vidiny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany ireo volamena ireo na dia efa maka endrika vola aza.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana fifampiraharahana andiany faha-12 amin’ny fandalinana ny Fifanarahana fiaraha-miombon’antoka ara-toekarena (Accord de Partenariat Economique) UE-AfOA izay hatao any Bruxelles ny 26 ka hatramin’ny 30 Jona 2023 ho avy izao. Solotena 2 avy amin’ny Vaomiera Nasionalin’ny Tsenan’asam-panjakana (CNM) sy ny Rafi-pahefana mandrindra ny Tsenan’asam-panjakana (ARMP) no hisolo tena an’i Madagasikara amin’izany fivoriana fifampiraharahana ara-teknika izany.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hananganana fotodrafitrasa vaovao ho foibe hiasan’ny rafi-pahefana nasionaly misahana ny Fepetra Fanitsiana ara-barotra (Autorité Nationale chargée des Mesures Correctives Commerciales - ANMCC). Amin’izao fotoana izao dia mbola ao amin’ny « Espace Conquête » Antanimena ny birao fiasan’ny ANMCC saingy tsy ho azony hampiasaina intsony izany. Nanapaka araka izany ny Filan-kevi-pitantanana tao anatin’ny drafi’asany isan-taona (PTA) fa hanangana trano vaovao, ary efa nanokana teti-bola ho amin’izany tamin’ny fanapahana lf : 07-2021/ANMCC/CA tamin’ny 04 Mey 2021. Nividy tany mirefy 1294 m2 hanaovana ny fananganana ny ANMCC ny volana Desambra 2021, eny Ifarihy Ambodiranon’Alasora araka ny kadasitra « lf :158 A sy 158 B Section G ». Koa satria mbola mila fanotofana ny tany alohan’ny asa fananganana trano dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana alalana manokana, hanototra io velaran-tany 1294 m2 io ny ANMCC hahafahana manomboka ny asa.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovam-pampianarana hozaraina ho an’ireo sekoly any amin’ny faritra Androy. Izany dia fanomezana avy amin’ny « Fondation Global Communities » tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa « MIANATRA ». Ho tonga tsy ho ela any amin’ny seranan-tsambon’i Tolagnaro ireo fitaovana ireo ary hozaraina avy hatrany amin’ireo sekoly misitraka ny tetikasa.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fitaovana ilaina amin’ny hamehana any an-tsekoly, sy fitaovana hanamboarana ny onjampeon’ny fampianarana (radio nationale scolaire) izay vatsian’ny UNICEF vola.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fampitaovana andiany faha-9 ka hatramin’ny faha-13 amin’ny tetikasa teleferika (transports par câble) Antananarivo. Ireo fampitaovana ireo dia ho entina hanamboarana ny andrimby lehibe (pylônes) eo amin’ny ampahany Anosy-Soarano sy ny gara Soarano G2a, mbola tafiditra ao anatin’ny zotra volomboasary Anosy-Ambatobe ihany.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana entina mankatoa ny fifanaraham-pindramam-bola eo amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny orinasa JIRAMA hahafahan’ny orinasa JIRAMA mandoa ny trosa ananan’ny orinasa TOZZI GREEN MADAGASCAR aminy, amin’ny famatsiana herinaratra. Haka endrika « Bons du Trésor Spéciaux -BTS » io findramam-bola io, izany hoe ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia hampindrana vola amin’ny alalan’ny fandrotsahana BTS amin’ny JIRAMA (BTS JIRAMA 3) ary harotsaky ny JIRAMA amin’ny orinasa TOZZI GREEN indray izany BTS izany avy eo. Ao anatin’ny fifanaraham-pindramam-bola hifanaovan’ny Minisitera sy ny JIRAMA kosa no hovoafaritra ny fomba hamerenan’ity farany ny vola amin’ny Fanjakana Malagasy. Efa nisy moa ny fifampidinihana mialoha teo amin’ny JIRAMA sy ny TOZZI GREEN mikasika ny totalin’ny trosa tokony haloa amin’ny alalan’io BTS JIRAMA 3 io ka izay efa tapaka tao anatin’ny fifampidinihana ary voarakitra an-tsoratra ihany no ho tetibidin’ny BTS haloa amin’ny TOZZI GREEN.

    MINISITERAN’NY ASA, FAMPANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    Volavolan-drijatenin-dalàna miisa 3 entina mankatoa ara-dalàna ny fifanarahana avy amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny asa (OIT) no nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra :

    - Fifanarahana lf : 155 (Convention n°155) mikasika ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa any amin’ny toeram-piasana tamin’ny taona 1981

    Fifanarahana lf : 187 (Convention n°187) mikasika ny drafitra lasitra entina mampiroborobo ny fiarovana sy ny fahasalaman’ny mpiasa any amin’ny toeram-piasana tamin’ny taona 2006

    Fifanarahana lf : 161 (Convention n°161) mikasika ny sampandraharaha misahana ny fahasalamana eny anivon’ny toeram-piasana tamin’ny taona 1985.

    Tsiahivina fa efa nanomezan’ny Filan-kevitry ny Minisitra alalana tamin’ny 17 Mey 2023 ny firosoana amin’ny fanaovana ireo volavolan-drijatenin-dalàna ireo.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAKOTONDRAINY Victorien, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao Melaky.

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 218 tamin'ny 26 febroary 2020 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMIHITSAKISA Timothée Roger, ho Préfet an'Ambovombe.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMAHERY Hanitsoa Ravo, ho Talen'ireo fiaraha-miasa sy ireo tetikasa (Directeur des Partenariats et des Projets)

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 992 tamin'ny 25 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMPENOHAJA Andriamanalina Razafimanana Jens, ho Talen’ny "Ecole de Génie en Agronomie et Environnement de l’Institut Supérieur de Technologie d'Ambositra".
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANTSALAMA Manan’Iala, ho "Directeur Administratif et Financier de l’Institut Supérieur de Technologie d’Ambositra" (IST-A).

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ANDRIANJANAKA Ranto Mahefason, ho Talen’ny Serasera.

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa EDALY, ho Tale Jeneralin'ny Ivotoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara (IFVM)

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1056 tamin'ny 13 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIATSIVERY Jean Rémi, ho "Directeur de l’Evaluation des Acquis"

 

Natao ny 31 may 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO