TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 1 febroary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fampitaovana sy kojakoja hanamboarana ny angidimby sy fiaramanidin’ny Tafika Malagasy.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanoheran’ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola, ny fivarotana ny tanin’ny orinasam-panjakana SOTHEMAD amin’ny orinasa tsy miankina SIDEXAM. Ny orinasa SOTHEMAD dia orinasa ananan’ny Fanjakana Malagay petra-bola 100% nisahana ny resaka fambolena zava-maniry fanao dite.

    Tamin’ny datin’ny 17 jona 1992 dia nisy ny fifanarahana nataon’ny SOTHEMAD tamin’ny SIDEXAM nampanofana maharitra mandritra ny 50 taona ny tanin’ny orinasa mirefy 850 hektara, sy ny trano ary ny fitaovana teo amboniny. Ankehitriny anefa dia mangataka amin’ny orinasa SOTHEMAD ny SIDEXAM hivarotana aminy ny tany. Nangataka ny fanampian’ny Governemanta Malagasy ny SOTHEMAD satria tsy manana izany fahefana izany izy araka ny lalàna manan-kery. Koa satria tokoa ny Fanjakana Malagasy no hany tokana manana petra-bola ao anatin’ny SOTHEMAD, dia raisina ho fananam-panjakana ny fananany. Araka ny andininy faha-8 sy faha-10 ao amin’ny lalàna lf:2003-051 tamin’ny 23 desambra 2003 mikasika ny fisintahan’ny Fanjakana amin’ireo orinasany na ny “désengagement de l’Etat”, dia “heverina ho toy ny tafiditra ao anatin’ny fisintahan’ny Fanjakana ny fivarotana ny fananana orinasam-panjakana izany. Ka anjaran’ny Governemanta na izay solotenany ao anatin’ilay orinasa no mandray izay fanapahan-kevitra izay. Na manahoana na manahoana dia tsy maintsy ampahafantarina ny Governemanta Malagasy ary izy no tompon’ny fanapahan-kevitra feno manomboka amin’ny fanomanana ka hatramin’ny famaranana ny asa rehetra mila atao ao anatin’ny fisintahan’ny Fanjakana amin’ny orinasa, ao anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny sata mifehy ny orinasa”. Noho izany araka io lalàna manan-kery io dia ny Governemanta Malagasy no tompon’ny fanapahan-kevitra amin’ny fivarotana na tsia ny tany fananan’ny orinasam-panjakana rehetra, ka izay no nahatonga ny Filan-kevitry ny Minisitra nanapaka mazava fa tsy ho azo amidy amin’ny orinasa SIDEXAM ny tanin’ny SOTHEMAD.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampitaovana ny onjampeo Radio Maria Madagasikara andiany faharoa, araka ny antonta-taratasy « BL n° SHSIN22067759K » tamin’ny 10 desambra 2022. Ny onjampeo moa dia misahana ny fitaizana kristiana sy ny fampiroboroboana ny maha-olona.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny kaontenera miisa 8 ahitana ny fitaovana rehetra hanamboarana ny hopitaly manokana hanao ny famindrana voa na « transplantation rénale » any Toamasina. Izy ity dia fiarahamiasan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny EKAR Saint-Joseph Toamasina izay hiandraikitra ny fananganana ny Hopitaly sy ny fitantanana azy koa.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Vokatry ny fiarahamiasan’ny Fanjakana Malagasy, ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) ary ny Fandarahanasa Maneran-tany momba ny Sakafo (PAM) dia natsangana ny Foibem-pibaikoana ireo hetsika vonjy aina ao anatin’ny fiatrehana ny ambana sy ny loza ara-boajanahary izay hiandraiketan’ny Birao Nasionaly Misahana ny Ambana sy ny Loza ara-boajanahary (BNGRC). Vita tanteraka ny asa ankehitriny ary efa hary fomba ny fampitaovana izay hampiasaina ao anatiny. Ho fiatrehana ny vanim-potoanan’ny rivodoza izay efa tafiditra ao anatiny i Madagasikara ankehitriny, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fitokanana izany Foibem-pibaikoana izany, amin’ny Zoma 3 Febroary 2023 ho avy izao.

    Araka ny fangatahan’ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI) dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana ny antso ho an’ireo mpiara-miombon’antoka, firenena vahiny, fikambanana iraisam-pirenena sy fikambanana tsy miankina amin’ny Fanjakana ary ny fiarahamonim-pirenena mba handefa mpanara-mason’ny fifidianana na iraisam-pirenena na avy eto an-toerana ihany koa izay hiasa mandritra ny fanomanana ny fifidianana hifanesisesy hatrehantsika eto Madagasikara manomboka amin’ny faran’ity taona 2023 ity. Izany dia mba hiantohana ny mangarahara sy ny fahatokisana ny fanomanana ny fifidianana. Marihana mantsy fa ny Vaomiera Mahaleotena Misahana ny Fifidianana (CENI) no manome ny fankatoavana (agrément) an’ireo mpanara-mason’ny fifidianana.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA + MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY + SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanamorana ny pitsopitsony ara-panjakana ahafahana manome tany ny Zandarimariam-pirenena hananganana ny Foibe fanarahamaso ny fiarakodia (Centre de Sécurité Routière) iandraiketan’ny Fitaleavana Ankapoben’ny Fanarahamaso ny Fiarakodia (DGSR) any Nosy-Be Hell-Ville. Ny orinasam-panjakana SIRAMA no tompon’ny tany antsoina hoe « Bonne Espérance » titre n°495-BO ao Djabala Nosy-Be, ka efa nisy ny ampahany tamin’izy io, mirefy 6.000 m2 nomena ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hananganana CEG manaram-penitra. Ankehitriny dia nangataka ampahany mirefy 5.000 m2 koa ny Zandarimariam-pirenena, ka ny Minisitera mpiahy ny SIRAMA no nanamora ny fifanakalozana nahafahana nanome ny tany. Marihana fa efa nankatoavin’ny Filankevim-pitantanan’ny SIRAMA avokoa ireo fanomezana ampahan-tany miisa 2 ireo.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny latsakemboka voafaritry ny sata mifehy ny Fikaonan-dohan’ny Minisitra misahana ny fanabeazana ao anatin’ny firenena miteny sy mampiasa ny teny frantsay na « Conférence des Ministres de l’Education des Etats et gouvernements de la Francophonie - CONFEMEN» izay maha-mpikambana an’i Madagasikara.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fanendrena amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny mpikambana ao anatin’ny Filankevim-pitantanan’ny « Aviation Civile de Madagascar » (ACM).

    Ireto avy ireo mpikambana vaovao :

    • Atoa Douan Clarisse, solotenan’ny minisitry ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro
    • Atoa Randrianasolo Jean Patrick, solotenan’ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro
    • Atoa Sylvain Rabetsaroana, solotenan’ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro
    • Atoa Ramanampanoharana Andry Velomiadana Bearison, solotenan’ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola
    • Atoa Raharijaona-Ndrianarilala Rado Haja Ezekiela, solotenan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola

    Ireo olona nosafidiana noho ny fahaiza-manaony manokana eo amin’ny sehatry ny fifamoivoizana an’habakabaka:

    • Rtoa Rakotoniary Tsaroana Harizay
    • Atoa Rakotovao Andriamparany Hevitra Vahindanitra
    • Atoa Ravokatra Andriamiarisoa Seth
    • Atoa Andriamisaina Benaivo
    • Atoa Ranarivelo Thierry
    • Atoa Realy Flouti

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fitaovana ara-informatika sy teknika ilaina amin’ny famantarana ny toetrandro. Ireto avy izany fitaovana izany : « serveurs » miisa 2, fandrefesana ny fiakaran’ny ranomasina na « marégraphe » izay hapetraka any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ary « capteurs » 407791 ATMOS 41. Izy ireo dia fanomezana avy amin’ny SADC tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Intra-ACP climate Services and Related Application (CLIMSA) » izay vatsian’ny Tahirim-bola Eoropeana ho an’ny Fampandrosoana.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana ny fandoavana ny latsakembok’i Madagasikara amin’ny maha-mpikambana azy ao anatin’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny Fambolena sy ny Sakafo na ny FAO eo anivon’ny Firenena Mikambana, amin’ity taona 2023 ity. Izany dia ho fanatanterahana ny tsoakevitra laharana 8/2021 sy 11/2021 noraisin’ny FAO nandritra ny fikaonandoha andiany faha-42 nataony tamin’ny volana Jona 2021.

    Tsy mitsahatra mikaroka ny vahaolana rehetra hanamaivanana ny fahasahiranan’ny tantsaha amin’ny resaka zezika ny fitondram-panjakana Malagasy, izany dia mba ahafahana mampiroborobo ny fambolena, hanatrarana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika laharana faha-9 mikendry ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fananganana orinasa hanao ny fanodinana, fampifangaroana ary famonosana zezika NPK eto Madagasikara, fiarahamiasan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana amin’ny orinasa tsy miankina ETG INPUTS MADAGASCAR. Fotoana fohy aorian’ny fahavitan’ny fanadihadiana ara-tontolo iainana, dia hitsangana ny orinasa izay hamokatra zezika NPK hatrany amin’ny 50 taonina isan’andro aty am-piandohana, fa afaka volana vitsy dia ho tafakatra 100 taonina isan’andro izany, tombanana hamokatra hatrany amin’ny 36.000 taonina isan-taona eo araka izany ny orinasa araka ny tanjona napetraka ao anatin’ny fifanarahana eo amin’ny roa tonta. 

    Manaiky ny orinasa fa hivarotra ny zezika vokarin’izy ireo eto amin’ny tsena anatiny ihany amin’ny vidiny latsaka 10% amin’ny eny an-tsena ankehitriny. Ankoatra izay dia manaiky hanome ny 20% ny zezika izay vokariny maimaim-poana ho an’ny Minisitera misahana ny Fambolena ny orinasa, zezika izay hotsinjaraina amin’ireo tantsaha izay tena marefo mila izany. Manaiky handray mpiasa malagasy ihany koa ny orinasa, na ireo manam-pahaizana (cadres), ireo teknisiana, na ireo mpiasa tanana ihany koa (main-d’œuvre) ary hiantoka ny fitaovana rehetra ilaina amin’ny fananganana ny orinasa sy ny fanodinana sy fampifangaroana ny zezika NPK. 10 taona ny faharetan’ny fiarahamiasa fa azo havaozina izany raha mahafapo ny vokany, araka ny tombana hataon’ny Minisitera tompon’andraikitra. Farany dia marihana fa voasoratra ao anatin’ny fifanarahana ny haha-lasa fananam-panjakana ny fitaovana rehetra ampiasain’ny orinasa aorian’ny 30 taona hisian’ny fiodinan’ny orinasa.

    Ny orinasa ETG INPUTS MADAGASCAR dia ao anatin’ny Vondron’orinasa goavana miasa miparitaka manerana ny Afrika amin’izao fotoana izao. Aorian’ity fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ity dia hifanaraka amin’ny distrika hananganana ny orinasa ny 2 tonta.

    Ho fanatanterahana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA laharana voalohany, mikasika ny « filaminana sy ny fandriam-pahalemana » dia nisy ny fametrahana ny fanarahamaso ny omby tamin’ny alalan’ny « système d’identification électronique et géolocalisation des bovins » nahafahana nametraka « puce » tamin’ny omby. Nandritra ny andrana natao anefa dia maro ny olana nosedraina ka nampanano-sarotra ny fanatanterahana tetikasa. Niasa nisoroka ireo olana rehetra hita nandritra ny andrana ireo ny teknisiana teo anivon’ny Minisitera misahana ny Fiompiana ka ankehitriny dia efa saika voavaha avokoa ny olana araka ny fanadihadiana sy fandalinana nataon’izy ireo tao anatin’ny fotoana lava. Taorian’ny fandinihana ny valin’izay fanadihadiana sy fandalinana izay dia nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fanohizana indray ny tetikasa amin’ny taona 2023 ity. Distrika 17 amin’ny faritra 7 izay tena ahitana omby maro be indrindra ka anjakan’ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana be indrindra ihany koa no hanaovana ny tetikasa fametrahana ny « puce » amin’ny omby hanamorana ny fanarahamaso azy ireny.

    Ireto avy izy ireo :

    Faritra Amoron’i Mania : distrika Ambatofinandrahana

    Faritra Sofia: distrika Analalava

    Faritra Ihorombe: distrika Ihosy sy Iakora

    Faritra Anosy : distrika Amboasary

    Faritra Atsimo Andrefana : distrika Toliara I, Toliara II, Beroroha, Sakaraha

    Faritra Melaky: distrika Maintirano, Besalampy, Antsalova

    Faritra Menabe : distrika Morondava, Mahabo, Manja ary Belo Tsiribihina

    Iaraha-miasa amin’ny Zandramariam-pirenena ity tetikasa ity, amin’ny fametrahana ny Foibe fanarahamaso ny fivezivezen’ny omby amin’ny alalan’ny “serveurs” lehibe mifandray amin’ireo “puces” any anatin’ny omby tsirairay any.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ny sambo haingam-pandeha (vedettes rapides) sy kojakoja isan-karazany izay fanomezana avy amin’ny Firenena Japoney ao anatin’ny fandaharanasa « Japanese Grant aid For the Economic and Social Development Program to the Republic of Madagascar ». Fandaharanasa entina manara-maso ny sisin-tanin’i Madagasikara hiadiana amin’ny jono an-dranomasina tsy ara-dalàna. Nomena ny anarana “Atsantsa III sy Atsantsa IV” ireo sambo haingam-pandeha ireo, ary halefa any Tolagnaro sy Toamasina hanampiana ny Foibe fanarahamaso ny Jono na CSP. Marihana fa andiany voalohany ihany ireo sambo haingam-pandeha 2 ireo fa mbola hisy ny 5 hafa ho avy ao anatin’io fiarahamiasa amin’ny Japoney io.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampahafantarana ny fivoaran’ny asa fanamboarana ao anatin’ny tetikasa teleferika na TPC (Transports Par Câble). Tsisy sakana intsony ny fahafahana manomboka ny asa ankehitriny, satria efa nankatoavin’ny banky « Société Générale » omaly talata 31 janoary 2023 ny famoahana ny ampaham-bola voalohany (premier tirage) hananganana ny ZOTRA VOLOMBOASARY (LIGNE ORANGE) mampitohy an’Anosy, Soarano, Ankorondrano, Ivandry, Analamahitsy ary Ambatobe, izay efa nanaovana didim-panjakana manambara fa ho an’ny tombontsoam-bahoaka ny tetikasa tamin’ny 11 mai 2022. Tsiahivina moa fa ny orinasa POMA sy ny COLAS no manao ny asa, ary tahaka izao no fivoarana misy ankehitriny:

    - Efa vita ary efa tonga eto Madagasikara ankehitriny ireo fitaovana lehibe tahaka ny andrimby lehibe (pylônes) sy ny fototra hananganana ny tobim-piantsonana (ancrages des gares).

    - Efa vita 100% any ivelany kosa ary efa miandry ny fandefasana azy eto Madagasikara ny kojakoja sy ny fampitaovana hafa rehetra ilaina amin’ny tobim-piantsonana na ny gara sy ny andrimby miisa 7 hatsangana eo anelanelan’ny fiantsonana Anosy sy Soarano

    - Andalam-pamitana ny famokarana ireo « cabines » hitondra ny mpandeha, ny milina hampiodina ny teleferika (motorisation) ary ny tariby hisintona ny fitaterana (câbles), izay hotaterina aty Madagasikara ihany koa raha vantany vao vita.

    - Efa lasa kosa ny kaomandin’ireo fampitaovana rehetra ilaina amin’ny ampahany Soarano- Ankorondrano ARTEC sy Ankorondrano ARTEC-Ambatobe.

    Raha ny asa efa manomboka eto Antananarivo kosa dia ahitana ny fanomanana ny toerana hananganana ny tobim-piantsonana lehibe etsy Anosy tahaka ny fanapahana ny hazo, famindrana ny lalan’ireo tambajotrana herinaratra sy fifandraisan-davitra sy ny fananganana ny fototry ny trano izay ilaina eny an-toerana amin’ny maha-toby fiantsonana azy. Eo koa ny fanomanana ny fananganana ny andrimby na pylones eo anelanelan’Anosy sy Soarano ary ny famefena ny tobim-piantsonana eo Soarano izay efa iarahana miasa amin’ny CUA ny fandrindrana ny mety ho fanembatsembanana ateraky ny fanaovana ny asa ankehitriny.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISTERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RASAMOELINA Andriariliva Doris, ho "Directeur des Affaires Administratives et Financières du Centre National d’Etat Civil et de l’Identité"(CNECI).
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RODELIN Félix, ho "Directeur du Système d’Information et de la Numérisation du Centre National d’Etat Civil et de l’Identité" (CNECI).

    MINISTERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 761 tamin’ny 16 jolay 2020 ary manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police RAKOTOMALALA Simon, ho "Directeur des Enquêtes Internes"

    MINISTERAN'NY ASA, NY FAMPANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016- 076 tamin'ny 03 febroary 2016 manendry an-dRamatoa ANONA Marie Agnès, ho Tale Jeneralin'ny Ecole Nationale d’Administration de Madagascar (ENAM)

    MINISTERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 183 tamin'ny 02 febroary 2022 manendry an'Atoa. JEAN CLAUDE, ho Tale Jeneralin'ny Académie Nationale des Sports (DG/ANS).

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAHERINANDRASANA Tharcisius, ho Talen’ny Radiom-pirenena Malagasy

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1441 tamin'ny 04 novambra 2020 manendry an'Atoa. RABENANDRASANA Téophil ho Sekretera Jeneralin'ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015- 1488 tamin'ny 04 novambra 2015 ary manendry an-dRamatoa RAHANITRANDRASANA Esther Odile, ho Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Santé Mentale Anjanamasina
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 186 tamin'ny 17 febroary 2021 ary manendry an'Atoa. RAKOTOZAFY Germain, ho Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Matsiatra Ambony

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOARISAONA Mitia Finoana, ho "Directeur de la Vulgarisation et de la Formation Agricole et Rurale" (DVFAR)
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1341 tamin'ny 24 novambra 2021 an-dRamatoa ARISON Marie Ligy, ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana ao Vakinankaratra
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1336 tamin'ny 24 novambra 2021 ary manendry an'Atoa. NDRIAMAHEFARIVO Gédéon ho Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana ao Boeny.

 

Natao ny 1 febroary 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO