TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 18 Janoary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Araka ny torohay izay nangonin’ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ary nohamarinina teo amin’ny Centre Immatriculateur, dia nandritra ny taona maro no niparitaka eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana, toy ny minisitera na ratsa-mangaikan’ny fanjakana samihafa ny fiara misoratra amin’ny Fiadidiana ny Repoblika. Misy mihitsy aza any am-pelatanan’olon-tsotra izay tompon’andraikitra taloha, tsy miverina kanefa fananam-panjakana. Manoloana izany dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanangonana ireny fiaram-panjakana miparitaka ireny.

    Manao antso ny Fiadidiana ny Repoblika ho an’ireo sampan-draharaham-panjakana rehetra na olon-tsotra koa, izay mitazona na mampiasa fiaran’ny Fiadidiana ny Repoblika, mba hamerina izany ao anatin’ny 15 andro, manomboka amin’ny fandraisana ity fanapahan-kevitra ity. Aorian’izay dia handray ny fepetra mifanandrify aminy ny Fiadidiana ny Repoblika ka haka ny fiara, mba hisian’ny fitantanana ny fananam-panjakana araka ny tokony ho izy ao anatin’ny mangarahara tanteraka. Eo anivon’ny fitaleavana « Direction de l’Infrastructure et de la Logistique » no hanaterana ny fiara.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta aty Afrika mikasika ny fambolena sy ny fanodinana vokam-pambolena. Izany dia hatao any Dakar Sénégal, ny 25 ka hatramin’ny 27 janoary 2023 ho avy izao ary iarahan’ny Vondrona Afrikana (Union Afriaine) sy ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) mikarakara.

    Ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA, dia voaasa manokana handray anjara amin’izany fihaonana an-tampony izany amin’ny maha-tompon-dakan’ny fanjarian-tsakafo azy aty Afrika, izay vao nohamafisin’ny BAD tamin’ny dian’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny volana desambra 2022 tany Washington Etazonia.

    Ny fihaonana dia hatao indrindra hifampidinihan’ireo Filoham-panjakana sy Lehibena Governemanta Afrikana sy hikarohana ny vahaolana rehetra hoenti-manatratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo aty Afrika, tafiditra ao anatin’ny drafitra afrikana maika ho an’ny famokarana ara-tsakafo (Plan Africain d’Urgence pour la Production Alimentaire) izay efa nankatoavina ny volana May 2022.

    « Nourrir l’Afrique : souveraineté alimentaire et résilience » io no lohahevitra entina amin’ny Fivoriana an-tampony andiany faharoa ity. Ho an’i Madagasikara manokana, dia ho ambohim-pihaonana amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka tsy miankina ny fihaonana, izay efa nahazoantsika fampanantenana fanohanana rahateo tamin’ny fihaonan’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny BAD sy ny Fikambanana « Big Win Philantropy » tany Washington Etazonia.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana ny asa maika hanamboarana ny tilikambon’ny fiangonana ao anatin’ny Rovan’i Madagasikara, izay nilatsahan’ny varatra fotoana vitsy lasa izay ka misy triatra. Hararaotina ihany koa ny hanaovana ny asa fikojakojana (travaux d’entretien) ny fiangonana izay efa an-jato taona no niorenany ka mila fanamafisana. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra koa ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandaniana rehetra amin’ny asa fanamboarana maika tsy maintsy hatao, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Hanomboka afaka andro vitsy araka izany ny asa fanamboarana sy ny fikojakojana, satria efa vita avokoa ny fanadihadiana sy ny fandinihana (études) mikasika ny asa izay hatao.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Araka ny fangatahan’ny mpiasan’ny fanabeazam-pirenena, dia nanao fandinihana mikasika ny fahafahana mametraka « mutuelle de santé » manokana ho azy ny Minisiteran’ny fanabeazam-pirenena tamin’ny alalan’ny ONAPASCOMA, niarahana tamin’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny CACSU (Cellule d’Appui à la Mise en Place de la Couverture Santé Universelle). Izany moa dia mba ahafahana manampy ireo mpiasa hisitraka ny fitsaboana fototra.

    Taorian’ny fivoahan’ny vokatry ny fandinihana izay nampahafantarina tao anatin’ny Filan-kevitry ny Minisitra, dia nankatoavina ny hametrahana ny « Mutuelle de santé» ahafahan’ny mpiasan’ny fanabeazam-pirenena misitraka fitsaboana eny anivon’ny CSB II sy ny Hopitalim-panjakana samihafa eto Madagasikara. Aty am-piandohana, izany hoe eo anelanelan’ny janoary ka hatramin’ny jona 2023, dia hanao andrana (sites pilotes) amin’ny fari-piadidiam-pampianarana telo aloha, hijerena ny fahombiazan’ny fandaharanasa izay hapetraka, dia ny CISCO Antananarivo, Fianarantsoa ary Befandriana Avaratra. Hahitana izay mety ho olana amin’ny fametrahana ny « mutuelle » ny fisian’ireo toerana andrana ireo, ka raha hita ny fahombiazana dia hitarina ho an’ny CISCO miisa 111 ambiny, eo anelanelan’ny Jona ka hatramin’ny Desambra 2023.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Noho ny hamehana manoloana ny fahasimban’ny lalam-pirenena maro, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana mialoha (autorisation d’engagement préalable) amin’ny asa fanamboarana rehetra, tsy hanaraka ny pitopitsony mahazatra takiana amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy.

    Ny firotsahan’ny orana, ny fiakaran’ny rano amin’ny toerana sasantsasany, ny fihotsahan’ny tany ankehitriny dia manampy trotraka ny fahasimban’ny lalam-pirenena ka mampitombona ny fandraisana izay fepetra izay. Izany hoe ity fanapahan-kevitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ity dia midika ho fanomezan-dalàna amin’ny fandaniana rehetra ilaina mikasika ny fanamboarana ny RNS 1, RNS 1bis, RNP 2, RNS 5a, RNP 7, RNS 13, RN 43, RN 32, RNS 35, RNT 33, RNT 16, RN 12A, RNT 42, RNT 42 S1, RNT 8B, RNT 33B ary ampahany sasany amin’ny lalana eto Antananarivo Renivohitra, izay ao anatin’ny lisitra nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra androany.

    Tsikaritra fa nanomboka ny taona 2020, dia nihazakazaka be ny fahasimban’ny lalam-pirenena nateraky ny vesatry ny fiara mifamezivezy amin’ny lalam-pirenena, izay lasa niakatra be tsy mifanaraka amin’ny lanja feran’ny lalàna manan-kery. Fa ankoatra izay dia misy koa antony hafa manafaingana ny fahasimban’ny lalam-pirenena. Izay indrindra no nahatonga ny Filan-kevitry ny Minisitra hanao fampahatsiahivana ny lalàna manan-kery izay mametraka ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ny sata maha-tompon’ny asa fanamboaran-dalana (maître d’ouvrage) rehetra amin’ny lalam-pirenena rehetra sy ireo fotodrafitrasa vaventy toy ny tetezana. Izany hoe ny fanajariana, ny fikojakojana, ny fanamboarana ny lalam-pirenena rehetra dia anjara andraikitra fenon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, ka ny tetikasa rehetra izay mety mahakasika ny lalam-pirenena dia tsy maintsy ahazoana ny fankatoavana avy aminy. Ny anton’ny fampahatsiahivana dia ny fahitana fa misy tetikasa amin’ny sehatra samihafa izay mikitika ny lalam-pirenena, kanefa tsy ampahafantarina ny Minisitera hany ka manasarotra ny fandrindrana ny asa. 

    Fa ankoatra izay koa, mba ho fiarovana ny lalam-pirenena misy eto Madagasikara, sy fanamafisana ny filaminana eny amin’ny lalam-pirenena dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra koa ny fampahatsiahivana fa araka ny hitsivolana lf : 60- 166 tamin’ny 03 oktobra 1960 dia misy sisiny 20 ka hatramin’ny 30 metatra ny lalam-pirenena sy ny lalam-paritany (réserves d’emprise). Izany hoe ao anatin’io 20 ka hatramin’ny 30 metatra manamorona ny lalam-pirenena sy ny lalam-paritany io dia voarara ny fanaovana asa fivarotana, fananganana trano na fotodrafitrasa hafa, fanasana fiara, fanahazana voka-pambolena isan-karazany, na ny fiantsonana fiara tsy ara-dalàna.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fampitaovana sy kojakoja ara-informatika novidiana tao anatin’ny tetikasa « fananganana tontolo mendrika iantohana ny fampaharetana ny jono atao tanana » (Créer un environnement propice visant à assurer la durabilité de la pêche artisanale). Tetikasa izay iantsorohana miaraka amin’ny mpiara-miombon’antoka FAO ary vatsian’ny SIDA (Agence Suédoise de Coopération Internationale pour le Développement) vola, ary vita sonia tamin’ny volana Desambra 2019.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana rehetra ilaina amin’ny fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra (centrale thermique Wartsila) eo anivon’ny orinasa JIRAMA izay afaka mamokatra angovo manome herinaratra hatramin’ny 106 MW hapetraka eto amin’ny manodidina an’Antananarivo.

    Amin’ny 29 janoary 2023 ho avy izao no higadona any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo fitaovana ireo, efa mandeha ny fanamboarana ankehitriny ary aorian’ny fahatongavan’ireo fitaovana ireo dia tombanana tsy hihoatra ny volana Jona 2023 no ho vita tanteraka ary ho afaka hiasa avy hatrany ity tobim-pamokarana herinaratra ity. Mazava ho azy fa hanampy betsaka ny famahana miandalana ny olan’ny orinasa JIRAMA ny fahavitan’izany tetikasa izany.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Efa ao anatin’ny asa tanteraka ankehitriny ny fitondram-panjakana amin’ny fanamboarana ny fantson-drano lehibe (pipeline) amin’ny reniranon’i Efaho, any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Ao anatin’izany indrindra dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandefasana teknisiana Malagasy miisa 3 eo anivon’ny Minisitera misahana ny rano, sy ny orinasa mpanara-maso (cabinet de contrôle) any Istambul Turquie. Ny antony dia ny orinasa SUPERLITE BORU SANAYIA A.S. any Turquie no nahazo ny asa fanamboarana ny fitarihan-drano PRV (Polyester Renforcé de Fibres de verre), ka any an-toerana no amboarina izany fitarihan-drano PRV izany. Ilaina ny fanaraha-maso ny kalitaon’ny asa any an-toerana, ny fomba fanamboarana azy sy ny andrana teknika samihafa takiana alohan’ny handefasana azy aty Madagasikara, rehefa vita manaraka ny fenitra rehetra takiana ny asa. Tsiahivina fa ny orinasa TOP INTERNATIONAL ENGINEERING no tompon’antoka voalohany manao ny asa araka ny tolo-bidy lehibe amin’ny fanamboarana ny fatson-drano Efaho, fa misy ireo orinasa hafa izay mpiara-miasa aminy (sous-traitant) manao ny fanamboarana ireo fitaovana sy kojakoja ilaina manodidina ny fananganana ny fatson-drano. 

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fametrahana ny vato fototra hanombohana ny asa fanamboarana ireo foibem-panofanana arak’asa (Centres de Formation Professionnelle d’Excellence) miisa 6 eo anivon’ny renivohim-paritany miisa 6.

    Ireo avy ny toerana hisy ny fanamboarana :

    ? Antsiranana : Ambohimitsinjo, kaominina ambonivohitra Antsiranana

    ? Antananarivo: Tongarivo, kaominina Tanjombato, distrika Atsimondrano

    ? Fianarantsoa : Ampasakambana, Kaominina Ialanindro, distrika Lalangina

    ? Mahajanga : Ankorefo Amparemahitsy, kaominina ambanivohitra Belobaka, distrika Mahajanga II

    ? Toamasina : Analamalotra, kaominina Antetezambaro, distrika Toamasina II

    ? Toliara : Mitsinjo Betanimena, kaominina Mitsinjo Betanimena, distrika Toliara II.

    MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY ARY NY FAMPIROBOROBOANA NY VEHIVAVY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fiara miisa 5 izay hampiasaina amin’ny tetikasa haraton’aina fiarovana ara-tsosialy (filets sociaux de sécurité) isitrahan’ny faritra 09 eto Madagasikara. Ny Banky Iraisam-pirenena no mamatsy vola ny tetikasa.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamerina amin’ny Fanjakana Malagasy ny tany « VILLA LACOMME » mitondra ny laharan-tany TN°645- BO ao Amboanara, Kaominina Ambonivohitra Nosy Be mirefy 15Ha 26A 38Ca. Io tany io dia misoratra amin’ny orinasa « Société des Parfums de Madagascar » fa saingy tsy nampiasainy mihitsy efa am-polotaonany na mihoatra, ka efa misy fokonolona mipetraka sy manajary azy efa ho 15 taona izao. Araka ny voalazan’ny andininy faha-5 ao anatin’ny hitsivolana lf : 74-021 tamin’ny 20 jona 1974 izay manasazy ny fanararaotana ny zon’ny fananan-tany (abus de droit de propriété) dia « raha hita fa misy tany ambonivohitra mirefy 1000 m2 na mihoatra, ka tsy nampiasain’ny tompony na ny mpandova azy tao anatin’ny 5 taona dia averina amin’ny Fanjakana ny tany ». Rehefa nataon’ny Vaomiera miandraikitra izany ny fitsirihana dia voamarina fa azo ampiharina amin’io tany « VILLA LACOMME » io ny voalazan’ny lalàna manan-kery, ka dia hirosoana ny famerenana ny tany amin’ny Fanjakana. Nanome fankatoavana tamin’izany rahateo ny tompon’andraikim-panjakana any an-toerana. Aorian’izao fandaniana ny didim-panjakana izao kosa dia anjaran’ny Fanjakana indray ny mampanara-dalàna ny fipetrahan’ireo fokonolona eo an-toerana.

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mampiakatra ny tambin-karaman’ny Sefo Fokontany sy ny Lefiny, araka ny efa nampanantenain’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA nandritra ny lahateny nataony tamin’ny faran’ny taona 2022. Hihatra avy hatrany manomboka amin’ity volana Janoary ity ny fampiakarana. Notapahana ihany koa fa mba hanafainganana ny fandoavana ireo tambin-karama ireo dia handray fepetra vaovao ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana miaraka amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola mba tsy ho eo anivon’ny Faritra intsony no handoavana azy fa halefa mivantana eny anivon’ny Distrika. Raha tsiahivina dia efa tamin’ny taona 2007 no namaritana ny sandan’ny tambin-karaman’ny Sefo Fokontany sy ny Lefiny ka tsy mbola nisy fiovana mihitsy raha tsy amin’izao fotoana izao.
  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-526 tamin’ny 27 martsa 2019 ary manendry an’Atoa. RAFENOLAZA Jean Jacques, ho Lehiben’ny Distrikan’i Lalangina.

    MINISITERAN’NY FAHASALAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-422 tamin’ny 14 aprily 2021 ary manendry an’Atoa. RAMAROLAHY Andriatiaray Rija Niaina, ho « Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-253 tamin’ny 03 martsa 2021 ary manendry an’Atoa. RAKOTOVAO Andriamiadana Luc, ho « Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Joseph Raseta Befelatanana ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-0747 tamin’ny 11 jolay 2020 ary manendry an-dRamatoa. RABOBA Julia Liliane, ho « Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire Andohatapenaka »

     

 

Natao ny 18 Janoary 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO