TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 8 febroary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fihaonana an-tampon’ny Filoham-panjakana sy lehibena governemanta avy amin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikana ny 18 sy 19 Febroary 2023 ho avy izao.

    Fivoriambe ara-potoana andiany faha-36 izay hotontosaina any Addis-Abeba Ethiopie ka ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA no hitarika ny delegasiona malagasy. Ny fihaonana an-tampony dia hialohavan’ny fivoriana ara-potoana andiany faha-42 ho an’ny Filan-kevitra mpanatanteraka ao anatin’ny Vondrona Afrikana, ny 16 sy 17 Febroary 2023. Fanafainganana ny fametrahana ny « Zone de libre échange continentale africaine na ZLECAF » no lohahevitra nosafidiana amin’ity taona ity.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana akanjo sy boky, izay fanomezana ho an’ny fianakaviana misitraka ny fandaharanasa « titre vert » any Agnarafaly.

    Ny Fikambanana « Miray hina » izay miara-miasa amin’ny Fikambanana « Les enfants de Ban Thabok” any Bourges, France izay misehatra amin’ny fanampiana ireo fianakaviana sahirana noho ny kere any atsimon’ny Nosy, no nanolotra ny fanomezana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana alalana manokana ny « Ivotoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara » hanendry ny « ordonnateur suppléant » hisahana ny fandoavana ny karama sy ny tambin-karaman’ny mpiasa.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry Minisitra ny fanavaozana ny fahazoan-dalana hanafatra « lubrifiants » ho an’ny orinasa TotalEnergies.

    Raha tsiahivina dia ny didim-pitondrana lf :11745-2018 tamin’ny 11 May 2018 no nanomezana ny fahazoan-dalana teo aloha. Tapitra amin’ny 1 marsa 2023 ho avy izao izany fahazoan-dalana izany ka izay no antony hanaovana ny fanavaozana.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY NY FANAVAOZANA HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA ARY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famerana ny sarany farany ambony (prix maxima) azo ampiharina amin’ny fifandraisan-davitra « backbone national ».

     

    Izany dia mifanaraka amin’ny didim-panjakana 2014-1652 tamin’ny 21Oktobra 2014 ao amin’ny andininy faha-4 izay manome alalana ny Fanjakana Malagasy hametra izany sarany farany ambony izany isan-taona.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-874 tamin’ny 01 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RANOSY Eliane ho Tale Jeneraly miandraikitra ireo Toeram-pampianarana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-606 tamin’ny 21 aprily 2021 ary manendry an-dRamatoa ISMAEL Mbotimina Sophie, ho Talen’ny « Office National de la Prévention des Accidents Scolaires de Madagascar » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2018-406 tamin’ny 02 may 2018 ary manendry an’Andriamatoa RANAIVOSON Ndremanalina Sergy ho Talen’ny « Ecole de Formation de Technicien Agricole » (EFTA) ao Ambatombe, eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

    SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-940 tamin’ny 15 septambra 2021 ary manendry ny Kolonely RANDRIANARIMASY Radosoa ho « Commandant de la Circonscription de la Gendarmerie nationale d’Antananarivo ».

 

Natao ny 8 febroary 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO