TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 28 Desambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany tao amin’ny Lapam-panjakana Ambohitsorohitra ny Filankevitry ny Minisitra farany tamin’ity taona 2022 ity, izay notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ary nandraisan’Andriamatoa Praiminisitra sy ireo Minisitra voakasika ny laha dinika voafaritra.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanamarihana ny faha-200 taonan’ny Faditseranana Malagasy mandritra ny taona 2023. Raha tsiahivina dia tamin’ny 2020 no tena feno 200 taona ny Faditseranana Malagasy izay nisy voalohany teto Madagasikara tamin’ny andron’ny Mpanjaka Radama voalohany tamin’ny taonjato faha-19. Noho ny fisian’ny valan’aretina COVID 19 anefa dia nofoanana avokoa ny hetsika rehetra tokony natao tamin’izany ka amin’io taona vaovao mitsidika io vao haverina. Anisan’ny hetsika entina mankalaza io faha-200 taona io ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fivoriana iraisam-pirenena « Governance Council » handraisan’ny Sekretera Jeneralin’ny Fikambanana Maneran-tanin’ny Fadintseranana sy ny Tale Jeneralin’ny Faditseranana rehetra aty amin’ny firenena atsinanana sy atsimon’i Afrika anjara, ny fitokanana ny tetikasa « 100% scanning » Toamasina, ny fanombohana ny fananganana ny « Académie des douanes », ny fananganana ny Foiben’ny tahirin-kevitra sy ny Mozean’ny Faditseranana, ny fananganana ny Foibe fitaizana zaza kambotin’ny Faditseranana sy ny Laboratoaran’ny Faditseranana, ny fanarenana ny biraon’ny Faditseranana Ankadifotsy, ary ny fikarakarana lavanty amin’ny alalan’ny aterineto voalohany hataon’ny Faditseranana. Ireo asa rehetra ireo ihany koa dia tafiditra rahateo ao anatin’ny Drafitra stratejika 2020-2023 entina mampivoatra ny Faditseranana Malagasy izay hifarana ny taona ho avy io.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny Hetra sy ny Haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany mikasika ny fampidirana kojakoja ara-informatika entina manangana ny « DATA CENTER » hampiasain’ny Foibem-pitantanana Ankapoben’ny Hetra (DGI) entina manatsara ny fitantanana ara-kajy mirindra ao anatiny. Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Foibem-pitantanana Ankapoben’ny Hetra sy ny Fitaleavana Ankapobeny misahana ny Volam-panjakana eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola frantsay. 

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana entina mandrava ny rafitra fandrindrana sy fanaraha-maso ny Fampiasam-bola sy ny famatsiana azy ireny (Organisme de Coordination et de Suivi des Investissements et de leurs Financements-OCSIF) izay ratsamangaika eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Ny andraikitra nosahaniny kosa dia iantsorohan’ny Fitaleavana misahana ny fiaraha-miasa ara-toekarena (Direction de la Coopération Économique) eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Mitsahatra avy hatrany miaraka amin’ny fandaniana ity didim-panjakana ity ny asan’ny « Comité Stratégique de Pilotage » sy ny « Commissaire Général » eo anivon’ny OCSIF. Enim-bolana no fe-potoana nofaritan’ny didim-panjakana hanatanterahana ny pitsopitsony ara-panjakana amin’ny fandravana ity ratsamangaika ity na ny « opérations de liquidation ».

 

Natao ny 28 Desambra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO