TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 21 Desambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Filan-kevitry ny Minisitry ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) tsy ara-potoana, amin’ny 22 desambra 2022, amin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra.

    Koa satria i Madagasikara no misahana ny fitantanana ny COI ankehitriny, dia ny Minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy no hitarika ny fivoriana. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny laha-dinika ny fanaovana tomban’ezaka manasa-dalana vitan’ny COI, ny fandinihana ny fitsipika anatiny mifehy ny Vaomiera, ary ny fanomanana koa ny fivoriana an-tampon’ireo filoham-panjakana sy lehibena governemanta ao anatin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny COI izay hotontosaina amin’ny taona ho avy 2023. Raha tsiahivina dia efa neken’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volana Oktobra 2022 ny hampiantranoan’i Madagasikara azy.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handefasana ny “Inspection Générale d’Etat” na IGE hanao fanadihadiana faran’izay maika eo anivon’ny CNLS na ny Fandrindrana ny Ady atao amin’ny SIDA, satria fantatra fa misy fandaniam-bola tsy mazava ary tsy tokony natao (dépenses inéligibles) tao anatiny ka takian’ny tahirim-bola maneran-tany (Fonds Mondial) izay mamatsy vola ny CNLS ny hamerenana azy. Hentitra ny Filohan’ny Repoblika nanome ny toromarika fa tsy azo avela fotsiny amin’izao izany fitantanam-bola tsy mazava izany, izay tompon’andraikitra nanao ny fandaniam-bola tsy azo natao dia tsy maintsy mamerina hatramin’ny farany ny vola nolaniany tsy manaraka ny fepetra.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fitaovana ara-informatika, fanomezana avy amin’ny Programan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana (PNUD) ho an’ny Fitaleavana Ankapoben’ny Hetra (DGI). Izany fanomezana izany dia entina hanitarana ny fametrahana ny rindram-baiko “e-bilan” sy “e-remboursement TVA” eo anivon’ny fitantanana ny hetra eto amin’ny firenena.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo kojakojam-pianarana izay fanomezana avy amin’ny « Fondation Akbaraly » sy ny « Rotary Club », araka ny fifanaraham-piaramiasan’izy ireo amin’ny Minisiteran’ny Fanabezam-pirenena. Efa tonga any amin’ny seranan- tsambon’i Toamasina ireo kojakojam-pianarana ireo, ka miandry ny famoahana azy mba ahafahana mitsinjara azy amin’reo sekolim-panjakana samihafa.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanisana mivantana ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny fahasalamam-bahoaka. Izany dia fandaharanasa tarika tafiditra ao anatin’ny vinan’ny Filohan’ny Repoblika amin’ny famadihana ho ara-kajy mirindra ny fitantanan-draharaham-panjakana ka ny tetikasa PRODIGY no miara-misalahy amin’ny fanatanterahana azy.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fitaovana ara-informatika avy amin’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ho an’ny Fampandrosoana ny Fambolena (FIDA) hampiasaina ao anatin’ny tetikasa fanohanana ny fampandrosoana an’i Menabe sy Melaky (AD2M) andiany faharoa. Ireo fitaovana ireo dia novidiana tao amin’ny « Centrale d’achat des Nations-Unies” na UNOPS ka ny famoahana azy avy amin’ny Fadin-tseranana no andraikitry ny Fanjakana Malagasy.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny fila-kevitry ny Minisitra ny hanavaozana ny fahazoan-dalana hanafatra kojakojana akoran’afo « lubrifiants » amin’ny anaran’ny orinasa « Société Malgache des Pétroles Vivo energy Madagascar (SMPVE )» manomboka ny 1 marsa 2023.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mamaritra ireo fepetra sy ny fomba enti-manatanteraka ny fanaovana « bons du trésor spéciaux » ho an’ny Groupement Pétrolier de Madagascar (GPM). Izany dia mba ahafahan’ny Fanjakana Malagasy manilika ny trosa tokony mbola aloa amin’ny GPM.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manambara ho tombontsoam-bahoaka ny asa fanamboarana ny fefilohan’i Kiembe any Toliara sy ny fakana ny tany voakasiky ny asa fanamboarana, na amin’ny alalan’ny fifanarahana amin’ny tompony (par voie amiable) na amin’ny alalan’ny didim-pitsarana fanesorana ireo voakasika (expropriation pour cause d’utilité publique).

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 211 tamin'ny 16 martda 2018 ary manendry an-dRamatoa SLIME Yvonne Josette Marie Viviane, ho Filohan’ny Fitsarana Fandravana ny Fitsarana Tampony (Président de la Cour de Cassation de la Cour Suprême).

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 905 tamin’ny 15 jona 2022 ary manendry an'Atoa. BEGARA Etienne, ho "Directeur de l’Inspection Pénitentiaire"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 815 tamin'ny 1 jona 2022 ary manendry an'Atoa.ANDRIANOELIMANANA Ny Aina Mamy, ho "Directeur de la Promotion de la Productivité des Camps Pénaux"

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 828 tamin'ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAFITRIMO Volasoa, Directeur des Ressources et de la Formation

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1971 tamin'ny 16 Oktobra 2019 ary manendry an'Atoa. SOLONANTENAINA Therass Jacquard, ho Talem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy ao Alaotra Mangoro

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017- 633 tamin'ny 26 jolay 2017 manendry an'Atoa.RAHARIMAMONJY Laliarisoa, ho « Directeur de la promotion de la Santé »

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 373 tamin'ny 31 martsa 2021 manendry an'Atoa RAKOTOARIVONY Manitra Hajanirina, ho Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Analamanga
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 849 tamin'ny 24 aprily 2019 manendry an'Atoa. REJALY Jean Victor, ho Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Melaky

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 573 tamin'ny 20 aprily 2022 an-dRamatoa RANAIVO Loharanosoa Voninala, ho Talen’ny serasera

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RATONSON Haridera, ho "Directeur de la Police des Mines"

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 853 tamin'ny 29 jolay 2020 ary manendry an-dRamatoa LOVANIRINA Vololoniaina, ho Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Analamanga.

  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 375 tamin'ny 20 martsa 2019 nanendry ny "Directeur Général de l’Institut National de la Statistique"

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015- 1568 tamin'ny 25 novambra 2015 nanendry ny "Directeur de la Formation et de la Recherche de l’Institut National de Santé Publique"

 

Natao ny 21 Desambra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO