TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 04 Janoary 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra voalohany amin’ity taona 2023 ity, izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Teo anelanelan’ny taona 2014 ka hatramin’ny 2019 dia nisy famatsiam-bola nomen’ny Tahirim-bolan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Zaza (UNICEF) ho an’ireo sampandraharaham-panjakana samihafa ao anatin’ny fanatanterahana tetikasa niarahana tamin’izy ireo. Tsikaritra anefa fa nisy fandaniam-bola izay tsy nifanarahana akory natao (dépenses inéligibles) ka mahatonga ny UNICEF mitaky ankehitriny ny famerenana ireo vola ireo.

    Mitentina 3.056.399.155 ariary ireo fandaniam-bola tsy nazava ireo. Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hanokafana ny fanadihadiana mikasika ireo tranga ireo ary hapetraka eo anoloan’ny andraikiny ireo rehetra izay tompon’antoka amin’ireo fandaniam-bola tsy mazava ireo, izay midika ho fanodinkodinam-bolam-panjakana ka tsy azo tazanina fotsiny amin’izao fa tsy maintsy hampiharana ny lalàna manan-kery. Nanome toromarika, araka izany, ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA ny handefasana maika “Inspection Générale d’Etat” amin’ireo sampandraharaha samihafa voakasika ary halefa eny anivon’ny Birao Mahaleotena Miady amin’ny Kolikoly (BIANCO) ny valin’ny fanadihadiana mba hahafahana manokatra ny raharaham-pitsarana mifandraika amin’izany.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Foibe an-tanana ny asa fanamboarana ny Tranompokonolona ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ampefy, Distrika Soavinandriana Faritra Itasy.

    Tamin’ny 22 Septambra 2020 dia nisy fifanaraham-piarahamiasa tamin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Vondrona Eoropeana, nanapahan’ity farany hevitra hanomezana famatsiam-bola mitentina 21 tapitrisa Euros ho an’i Madagasikara natao hiatrehana ny ady amin’ny COVID 19.

    Araka ny fifampiraharahana nataon’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny Vondrona Eoropeana izay nohamafisin’izy ireo tamin’ny volana novambra 2022, dia hitarina amin’ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro na ny tranga ara-toekarena tsy ampoizina ny fampiasana ny famatsiam-bola, ankoatra ny resaka COVID 19, ka avadika ho famatsiam-bola tetikasa ny endriny fa tsy fanohanana tetibola tahaka ny napetraka tany am-piandohana. Nanome toromarika, araka izany, ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA ny mba handinihana sy hanapahan’ny Filankevitry ny Governemanta faran’izay haingana ny tetikasa hatao, ka haompana betsaka amin’ny lafiny fampitaovana ara-pahasalamana, fanadiovana rano, fiatrehana ny rivo-doza izany tetikasa hatolotra ny Vondrona Eoropeana izany, izay hiarahana miasa amin’ny fikambanana tsy miankina na eto an-toerana na avy any ivelany.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Minisitera didim-pitondrana hananganana « Komity fanarenana ny zotran-dalamby FCE (Fianarantsoa Côte-Est)».

    Ity didim-pitondrana ity dia hanafoana ny komity mpitantana izay napetraka tany aloha fa mitazona kosa ny fisian’ny Zotra FCE. Io Komity fanarenana io no hamaritra ny paikady entina mampiodina araka ny tokony ho izy indray ity zotran-dalamby ity, hankatoa ny fandaminana ankapobeny hitondrana azy, na ny lafiny ara-panjakana, ara-teknika, ara-bola, ary ara-pitantanana, hanara-maso ny fitaovana sy ny fotodrafitrasan’ny FCE, hankatoa ny fandaharanasa isan-taona hitrandrahana indray ny zotra ahafahana miantoka ny fanarenana sns…, ary hametraka ny rafitra mpanatanteraka izay hitantana ny orinasa. Ankoatra ireo mpikambana handrafitra ny Komity izay efa voafaritry ny didim-pitondrana, dia ho mpikambana hakana hevitra (à titre consultatif) ireo olom-boafidy na olom-boatendry any amin’ny faritra sy distrika lalovan’ny zotra. Ny solontenan’ny Minisiteran’ny Fitaterana kosa no hiantsoroka ny fitarihana ny Komity fanarenana. Ny fitantanana ny orinasa kosa dia hiantsorohan’ny rafitra mpanatanteraka itambarana (direction collégiale) izay hitambaran’ny solontena avy amin’ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny solontenan’ny mpiaramiasa eo anivon’ny FCE.

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Mba ho fiatrehana ny fotoam-pambolena taona 2022-2023 sy hampiakarana ny famokarana vary eto Madagasikara, dia nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fifaranaraham-piaramiasa amin’ny orinasa Ambatovy Minerals hanaovana fizarana zezika ho an’ny tantsaha malagasy ao anatin’ny tetikasa PAPRIZ.

    Izany moa dia vokatry ny fifampiraharahana nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry RAJOELINA tamin’ny Filoha Tale Jeneralin’ny SUMITOMO Corporation izay tompon’ny orinasa Ambatovy, tany amin’ny fivorian’ny TICAD faha-8 tany Tunisie mikasika ny tetikady hahatratraran’i Madagasikara ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Io zezika hozaraina io dia zezika simika azo avy amin’ny fampifangaroana ny « sulfate d’ammonium » avy amin’ny fitrandrahana « nickel » sy « cobalt » sy ny zezi-bazaha NPK sy DAP. Tombanana ho tafakatra hatrany amin’ny 5 taonina isaky ny hektara ny voka-bary amin’ny fampiasana io zezika simika io, raha eo amin’ny 2 taonina isaky ny hektara izy amin’ny zezika mahazatra fampiasan’ny tantsaha. Faritra 11 no hanaovana ny fizarana zezika : Alaotra Mangoro, Analamanga, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra, Amoron’Imania, Analanjirofo, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, ary Menabe. Hisy ny fampiofanana ny tantsaha amin’ny fampiasana ny zezika simika izay iandraiketan’ny Minisitera misahana ny Fambolena.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAINJAFY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanombohana ny vanim-potoanan’ny fambolen-kazo 2022-2023 izay hotontosaina ny 19 janoary 2023 ho avy izao any Seranandavitra, Kaominina Ambanivohitra Ilaka-Est, distrika Vatomandry Faritra Atsinanana. « Izay mamboly hazo mamelona aina, izay mamboly hazo mamelona an’I Madagasikara», io no lohahevitra hoentina amin’ity taona ity, ka kendrena ho velaran-tany 100 hektara no ho voavoly manerana ny Nosy amin’io andro fanombohana io. Marihana fa hisy ny fampiasana ireo fitaovana harifomba manaraka ny toetrandro dia ny « drônes » mandritra io andron’ny 19 janoary 2023 io mba hanatrarana ny tanjona. Ankoatra ny toeram-panombohana ofisialy any Seranandavitra Ilaka-Est dia hiara-hientana avokoa ny eran’ny faritra 23 tarihin’ny Fitaleavam-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Araka ny fitanana an-tsoratra na Procès-verbal mirakitra ny fivorian’ny Filankevi-pitantanan’ny Banky Foiben’i Madagasikara androany 04 janoary 2023 dia nekena ny fametraham-pialan’ny Goverinora teo aloha noho ny antony ara-pahasalamana izay naha-voatery azy nijanona tamin’ny asany. Nandroso soso-kevitra ny hanendrena ny solony avy hatrany ny Filankevi-pitantanana satria tsy azo avela ho banga ny toerana noho ny maha-stratejika azy. Araka ny lalàna manan-kery moa dia tsy maintsy didim-panjakana laniana amin’ny Filankevitry ny Minisitra no mamaritra ny fampijanonana amin’ny asany ny Goverinoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara amin’ny asany sy manendry ny solony ihany koa. Noraisina araka izany ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-2069 tamin’ny 6 novambra 2019 nanendry ny Goverinoran’ny Banky Foiben’i Madagasikara ary manendry ny solony, Andriamatoa ANDRIANARIVELO Aivo Handriatiana.

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2018-320 tamin’ny 11 aprily 2018 ary manendry an’Andriamatoa RABOTOHAVANA Florent Cilli De Rinal, ho Lehiben’ny Distrikan’i Mananara Avaratra.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2012-163 tamin’ny 02 febroary 2012 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMIADANA Jacques, ho Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka any amin’ny Faritra FITOVINANY.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

    • Noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2013-097 tamin’ny 19 febroary 2013 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRATOVO VAUGIROND Danny Jocelyn, ho « Directeur des Etudes de l’Ecole Nationale d’Enseignement de l’Aéronautique et de la Météorologie » (ENEAM).

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-1093 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAHERIJAONA Noro Clara, ho Talen’ny Sampana Serasera (CelCom) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry ny Colonel RAVELOSON Dieu Donné Florest, ho « Inspecteur » eo anivon’ny « Inspection Générale de la Gendarmerie nationale ».

 

Natao ny 04 Janoary 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO