TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 28 Septambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampidirana mpiasa tselika « main d’œuvre non spécialisée » hamenoana ny banga eo anivon’ny Imprimerie Nationale.

    Ankehitriny dia mihavitsy ny mpiasa eo anivon’ity Imprimerie Nationale ity, 58 no isan’ny mpiasa lasa nisotro ronono ary 4 no nindaosin’ny fahafatesana ny taona 2016 no nankaty. Ny asan’ny Imprimerie Nationale anefa dia mitombo betsaka, ka noho izany dia tapaka fa hampiditra mpiasa tselika miisa 49 mandritra ny telo volana azo avaozina arakaraky ny fahavitan’ny asa. Ny tetibola manokan’ny Imprimerie Nationale (budget annexe) ihany no hiantoka ny fandoavana ny karaman’ireo mpiasa tselika ireo.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny toro-lalana ho ampiasain’ireo andrim-panjakana sy minisitera isan-tsokajiny, mikasika ny fanalana amin’ny Fanjakana ireo fiaram-panjakana tsy ilaina intsony (procédure de condamnation pour des véhicules administratifs), mifanaraka amin’izay voalazan’ny lalàna manan-kery.

    Tsikaritra mantsy ankehitriny fa maro loatra ireo fiara efa simba, tsy mandeha intsony, mitoby aman-taonany eny an-tokotanin’ny minisitera sy ny sampan-draharaham-panjakana isan-karazany eny.

    Amin’ny alalan’ny lavanty no hanaovana izany fanalana izany, ka ny “garage administratif” no mamaritra ny vidiny farany ambany. Isaky ny minisitera sy ny andrim-panjakana dia hisy vaomiera handinika sy hanapaka ny lisitr’ireo fiara efa simba tanteraka ka haroso amidy ireo, ary ho an’ireo fiarana sampan-draharaham-panjakana na “établissements publics” kosa dia mila ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevim-pitantanana. Voakasik’ity toro-lalana ity ireo fiaram-panjakana, voasoratra mazava ao anatin’ny fananam-panjakana (comptabilité “matières”), efa manana laharana raikitra (immatriculation définitive), 10 taona na mihoatra ary efa tsy azo ampiasaina intsony (épaves) nandritra ny 4 taona na nihoatra satria efa simba tanteraka na lafo loatra ho an’ny Fanjakana ny mbola manamboatra azy indray.

    Araka ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika, dia avoaka mangarahara amin’ny peta-drindrina, haino aman-jery sy gazety samihafa ny lisitr’ireo fiara rehetra efa simba tanteraka ka hatao lavanty ireo ary mirotsaka feno amin’ny kitapom-bolam-panjakana ny vidiny rehetra.

    Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fitsinjarana ireo “postes budgétaires” ahafahana mandray mpiasa miisa 17.900 voasoratra ao anatin’ny lalàna mifehy ny teti-bola nasiam-panitsiana taona 2022.

    Misy ireo minisitera voasokajy ho laharam-pahamehana ka mahazo alalana handray mpiasa mitontaly 17.200, dia ny minisiteran’ny fiarovam-pirenena (1.300), sekreteram-panjakana miadidy ny zandarmariam-pirenena (1.500), minisiteran’ny filaminam-bahoaka (1.300), minisiteran’ny fitsarana (600), minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka (1.500), minisiteran’ny fanabeazam-pirenena (9.800), minisiteran’ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa (1.000) ary ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (200).

    Ny ambiny kosa, izany hoe 700, dia hotsinjaraina amin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Primatiora, ary ny minisitera miisa 21.

    Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandaniana ara-bola amin’ny fivorian’ny biraom-paritra « Regional Office for CapicityBulding – East and Southern Africa » (ROCB – ESA) ho an’ny Fikambanana Maneran-tanin’ny Fadin-tseranana, izay hatao ny 21, 22, 23, 24, 25 novambra 2022 izay hatao eto Madagasikara. Firenena 24 no handray anjara amin’ny fivoriana.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanolorana eo anivon’ny parlemanta ny volavolan-dalàna “loi de règlement » taona 2019. Izy ity moa dia karazana tatitra atao eny anivon’ny Antenimiera roa tonta mikasika ny fanatanterahana ny tetibola, araka ny voalazan’ny lalana fehizoro lf : 2004-007 tamin’ny 26 jolay 2004 momba ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (Loi des finances).

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Ho tohin’ny fanapahan-kevitra efa noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 17 Aogositra 2022 mikasika ny fisorohana ny lozam-pifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana ny fepetra vonjimaika sy hamehana, sy ny paikady fohy ezaka hametrahana ny fiarovana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-44 (RN 44), indrindra ny ampahany faharoa amin’ny fanamboarana eo anelanelan’ny PK 60 sy ny PK 133.

    Nankatoavina araka izany ny drafitr’asa ho fanatsarana ny fitantanana ny fiarovana eny an-dalana amin’ny lalam-pirenena RN 44 (Plan d’actions pour l’amélioration de la gestion de la sécurité routière sur la RN 44 lot 2, du PK 60 au PK 133) izay sady mamaritra ny andraikitry ny orinasa nanamboatra ny lalana no mamaritra koa ny andraikitry ny Fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ireo minisitera voakasika.

    Hapetraka avy hatrany ny toeram-panaraha-maso (point de contrôle) ataon’ny mpitandro filaminana manerana io lalam-pirenena ireo, sy ny fitsirihana ireo mpamily sao nisotro alikaola eny am-pamiliana, hatao koa ny famoriana ireo mpitatitra rehetra hanazavana amin’izy ireo ny lamina apetraka, ary eo koa ny fanentanana ny mpampiasa lalana amin’ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Ny tanjona dia hampihenana hatramin’ny 50% ny taham-pahafatesana vokatry ny lozam-pifamoivoizana amin’iny lalam-pirenena RN 44 io mandram-pahatonga ny taona 2029.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra amin’ny tsenan’asam-panjakana (Impôts sur les Marchés Publics-IMP) ao anatin’ny tetikasa fampiroboroboana ny tanimboly sy ny fotodrafitrasa hamokarana masombolina vary eto Madagasikara (Projet de développement de Champs et d’Installations pour la production de Semences Riz à Madagascar).

    Izany tetikasa izany dia azo avy amin’ny famatsiam-bola tsy averina nomen’ny governemanta japoney izay soloin’ny JICA (Agence de Coopération Internationale) tena.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana milina fanalana sira (machine de dessalement) miisa telo (03) avy amin’ny GIZ hampiasaina amin’ny tetikasa « Projet Adaptation des chaînes de valeur agricoles au changement climatique (PrAda) ».

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanekena ny vokatry ny fifampiraharahana amin’ny Vondrona Eoropeana momba ny fanavaozana ny fifanaraham-piarahamiasa amin’ny jono lamatra (renouvellement de l’accord de pêche au thon) andiany faha-11, aty amin’ny fari-dranomasina malagasy.

    Tamin’ny 12 septambra 2022 lasa teo dia nisy ny fivoriana ara-teknika niarahan’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Vondrona Eoropeana nialohan’ny fihaonana fifampiraharahana andiany faha-7 teo amin’ny roa tonta, izay notanterahina omaly 27 septambra 2022. Nisy ny dingana efa vita ho fiarovana ny tombontsoan’ny firenena Malagasy bebe kokoa, raha ampitahaina amin’ny fifanarahana andiany faha-10 tany aloha, nifarana tamin’ny taona 2018.

    Araka ny toromariky ny Filohan’ny Repoblika moa dia tsy maintsy nohamafisina ny fiadiana izay tombontsoan’i Madagasikara izay, ka izay no antony nampaharitra ny fifampiraharahana hatreto. Taorian’ny dinika farany araka izany dia tapaka fa hiroso amin’ny fanasoniavana ny fifanaraham-piarahamiasa vaovao amin’ny jono lamatra miaraka amin’ny Vondrona Eoropeana izay haharitra 4 taona ny Fanjakana Malagasy. Raha ampitahaina amin’ny fifanarahana teo aloha, dia hiakatra hatrany amin’ny 36% ka hatramin’ny 40% ny tahan’ny fandoavam-bola ataon’ny Vondrona Eoropeana amin’i Madagasikara ary mihena 25 ka hatramin’ny 30% kosa ny isan’ny sambo eoropeana ho afaka hanjono lamatra amin’ny fari-dranomasina malagasy ao anatin’ny 4 taona.

    Ho tafakatra mihoatra ny 220 euros ihany koa ny vidiny nifanarahana amin’ny 1 taonina amin’ny lamatra raha toa ka 142 euros izany teo aloha.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoan’ny Minisitera amin’ny fandefasana tolo-bidy “clés en main” ahafahana mamelona indray ireo paompin-drano miisa 1.806 any amin’ny Faritra Anosy, Androy ary Atsimo Andrefana, izay efa tsy miasa intsony.

    Antsoina hamaly ny tolo-bidy ireo mpampiasa vola izay liana, ka hitondra tolotra ara-teknika sy ara-bola. Noho ny fisian’ny hain-tany any atsimon’ny Nosy izay miteraka hanoanana eo amin’ny mponina, dia nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika ny tsy maintsy hamelomana indray ireo paompin-drano efa tsy miasa intsony andaniny, ary hanadiovana ireo paompin-drano manome rano maloto na masira ankilany. Ho an’ny voalohany araka izany dia hisy ny fanavaozana ny paompy, fametrahana milina fisintoman-drano mandeha amin’ny herin’ny masoandro, ary zaridaina manodidina sy toeram-pisotroan-drano ho an’ireo biby fiompy. Ho an’ny faharoa kosa dia hisy ny fametrahana milina fanadiovana sy fanalana sira eo amin’ny paompin-drano mba ho lasa rano fisotro madio hiveloman’ny mponina ny rano mivoaka avy ao. Marihana fa famatsiam-bola avy amin’ny tetikasam-panjakana « Mionjo » ny 70% amin’ity tetikasa ity, ary ny 30% kosa dia avy amin’ny USAID.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanaovana ny asa maika amin’ny fanamboarana paompin-drano azo avy amin’ny fandavahana, miaraka amin’ny fametrahana milina fanadiovana rano, amin’ny faritra miisa 8 eto Madagasikara : Amoron’i mania, Atsinanana, Betsiboka, Boeny, Fitovinany, Haute-Matsiatra, Ihorombe ary Diana.

    Ireo faritra ireo dia anisan’ny misedra olana ihany koa amin’ny fahatongavan’ny vanim-potoan’ny hain-tany (période d’étiage). Miisa 54 ny fandavahana hahazoana paompin-drano izay hatao, ary 45 andro ny faharetan’ny asa tsirairay avy aorian’ny pitsopitsony amin’ny fikarakarana ara-taratasy amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy.

    MINISITERAN’NY ASA TANANA SY NY HAITAO

    Ho fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika voarakitra ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, mikasika ny famoronana asa mendrika ho an’ny rehetra, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fikarakarana fikaonandoham-pirenena hanarenana ny asa-tanana (Forum National pour la Relance de l’Artisanat).

    Ny 7 oktobra 2022 ho avy izao no hotontosaina ity hetsika ity eto Antananarivo, ka handray anjara amin’izany ny faritra 23. Ny sehatry ny asa tanana manko dia anisan’ny mamorona asa ihany koa, kanefa nisedra olana betsaka, indrindra taorian’ny krizy ara-pahasalamana. Ny tsoa-kevitra rehetra hivoaka amin’ny fikaonan-doha dia horaisina hamaritana ny paikady vaovao mba hampiroboroboana indray ny famoronana asa eo amin’ny sehatry ny asa tanana.

    SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handoavan’I Madagasikara ny tsipaipaika tokony efain’ny Fanjakana Malagasy mitentina ny 40.000 Dolara amerikana, ao anatin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny trano fonenana « ONU-Habitat ».

    Nanomboka tamin’ny taona 2005 isika no mpikambana tamin’ity rafitra iraisam-pirenena ity, fa tamin’ny taona 2013 kosa isika no nandoa tsipaipaika farany. Nisy ny fifampiresahana tamin’ny ONU-Habitat mba tsy handoavantsika ireo trosana tsipaipaika teo aloha intsony, fa manomboka eo amin’ny taona 2020 indray no aloantsika. Miverina tanteraka indray araka izany manomboka eto ny fiarahamiasan’ny Fanjakana Malagasy amin’ny ONU-Habitat amin’ny fampiroboroboana ny fahazoana toeram-ponenana mendrika ho an’ny vahoaka malagasy.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mameno ny andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakana lf : 2019-1958 tamin’ny 16 oktobra 2019, mamaritra ny fandaminana, ny fomba fiasa ary ny anjara andraikitry ny « Bureau National de Gestion des Risques et des Catastrophes » (BNGRC), nasiam-panovana sy nofenoin’ny didim-panjakana lf : n°2022-298 tamin’ny 09 marsa 2022.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 382 tamin'ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Capitaine de Vaisseau SAM HIENG TWION Kalobe Mickael, ho "Sous-Chef d’Etat-Major Administration à l’Etat-Major de la Marine Nationale"

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAHARINJATOVO Vonjinirina Andriamahefa, ho "Coordonnateur des Projets" eo anivon’ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany.

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1172 tamin'ny 27 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa RASAMIRAVAKA Ioby, ho "Directeur de la Dette Publique" eo anivon’ny ministeran'ny toekarena sy ny fitantanam-bola

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 042 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an'Atoa. RAZANAJATOVO Haja, ho Lehiben'ny Distrikan'i Soalala

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1123 tamin'ny 09 septembre 2020 ary manendry ny Commissaire de Police MICHEL Rawilly, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Atsimo Atsinanana

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'ny Commissaire Divisionnaire de Police TOMBO Jacky, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Fitovinany.

    MINISITERAN'NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1220 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Atoa. RAKOTONIRINA Justin, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ao Alaotra Mangoro.

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1218 tamin'ny 6 jona 2019 ary manendry an'Atoa. ANDRIAMAHITAVOLA Maherison Jules, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ao Fitovinany.

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAVELOMITA Nirinaritsalama Jean Rhomy, ho Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ao Vatovavy.

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1217 tamin'ny 06 jona 2019 manendry an'Atoa. RASOLONJATOVO Bertrand ny Talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena ao Atsimo Atsinanana

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha2019- 0410 tamin'ny 20 martsa 2019 ary manendry an'Atoa ZAFINDRIANOMPY Patrice, ho "Directeur de Lutte contre les Maladies Non Transmissibles"

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 143 tamin'ny 27 janoary 2022 ary manendry an'Atoa. MBIMBISOA MALAZAFENO Jocelyn, ho Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Vatovavy.

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1185 tamin'ny 27 oktobra 2021 ary manendry an'Atoa. RAMAHEFASOA Bettelhein, ho "Directeur des Services Vétérinaires" eo anivon’ny ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana.

    MINISITERAN'NY ASA TANANA SY NY HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASAMIJAONA Malalaniaina Noelisoa, ho Tale Jeneralin'ny Asa Tanana

Natao ny 28 Septambra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO