TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 14 Septambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny filan-kevitry ny minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fiara fitsaboana (cliniques mobiles) miisa 4 ho an’ny CHU Antanambao Toliara, CHRR Betroka, Ambovombe, Tolagnaro, sy fitaovana « X-Rays mobiles » miisa 3 ho an’Ambovombe, Betroka ary Tolagnaro.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fanamboarana tobim-pamokarana angovo manome herinaratra (centrale hydroélectrique) ao Ranomafana, izay hanana tanjaka 64 MW ao amin’ny reniranon’Ikopa manandrify ny distrikan’Ankazobe.

    Efa nisy tolo-bidy amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy natao mahakasika ity asa ity, tamin’ny taona 2018 ary ny orinasa « SINOHYDRO Corporation Limited » no nahazo ny tolotra. Ny banky sinoa « EXIM Bank » no mamatsy vola ny tetikasa. Rehefa tena nojerena akaiky anefa dia hita fa ambony loatra ny tanjaky ny angovo notombanana hovokarina miainga amin’io reniranon’Ikopa io, izay novinavinaina ho 86 MW tamin’izany taona 2018 izany, ka voatery naverina ny fanadihadiana. Ny vokatry ny famerenana ny fanadihadiana no namoaka fa 64 MW no heverina ho tena azo vokarina, ka noho izany, mba ho fanajana ny lalàna manan-kery eo amin’ny resaka tsenan’asam-panjakana, dia tsy maintsy asiana tovana (avenant) hanovana ny fifanarahana asa tamin’ny orinasa « SINOHYDRO Corporation Limited ». Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Ministra araka izany ny hirosoana amin’ny fanaovana io tovana (avenant) io ahafahana manafaingana ny fanombohana ny asa.

    Marihina fa ny angovo manome herinaratra hovokarina amin’ity tobim-pamokarana ity dia hamatsy mivantana ny “RIA” na “Réseau Interconnecté d’Antananarivo”, mba ahafahana mampihena ny fahatapahan-jiro matetika ho an’ny faritra rehetra tafiditra ao anatin’ny RIA.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana motos miisa 178 ho an’ny zandarmariam-pirenena, ampiasaina amin’ireo toerana lavitra sy saro-dalana.

    Foiben-toeran’ny zandarmariam-pirenena (Unités de gendarmerie) miisa 82 miparitaka amin’ny faritra 23 no hisitraka izany fampitaovana motos izany. Tafiditra ao anatin’izany ireo CSAO (Centres Spéciaux d’Aguérissement Opérationnel) miisa 08 izay vao natsangana ka efa miasa ankehitriny. Ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola no handray an-tanana ny fandaniana amin’ny fividianana ireo motos ireo.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana nentina nanamarinana ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny Komitin’ny Fampihavanana Malagasy (CFM). Raha tsiahivina dia 5 taona ny faharetan’izany fe-potoam-piasana izany araka ny voalazan’ny lalàna, ary ny 25 aogositra 2017 no nivoaka ny didim-panjakana nanendrena ny mpikambana nandrafitra azy. Ny 13 septambra 2017 kosa ireo mpikambana no nanao fianianana alohan’ny nandraisan’izy ireo ny asany. Ny sekretera mpanatanteraka no misahana ny fampandehanan-draharaha andavanandron’ny CFM.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana ny didim-panjakana hanomezana tambin-karama ireo mpisehatra rehatra manatontosa ny hetsika faobe fanomezana solo- kopia sora-pahaterahana (jugement supplétif d’acte de naissance) sy fanomezana karampanondrom-pirenena. Anisan’izany ny mpitsara, ny mpiraki-draharaha, ny mpiandraikitra sora-piankohonana (officiers d’état-civil), ny mpitan-tsora-piankohonana (secrétaire d’état-civil), ny mpitsabo, ny « opérateurs de saisie), ny mpaka sary, ireo mpiasan’ny distrika voakasiky ny asa tarihin’ny lehiben’ny distrika sy ny lefiny, ny lehiben’ny Fileovana, ny sefo fokontany, ny « quartiers mobiles » sy ny sisa hafa. Mitontaly 29.805 izy ireo izay hiparitaka any amin’ireo kaominina rehetra manerana ny Nosy, indrindra ireo saro-dalana sy lavitra. Noho izay fahalavirana sy fahasarotan’ny lalana izay indrindra no nanapahana hevitra hisian’ny tambin-karama omena ireo mpisehatra samihafa ireo. 

    Tsiahivina koa fa hisy ny “guichet unique” ahafahana manambatra ny asa rehetra takiana amin’ny sora-piankohonana (état-civil) aorian’ny fivoahan’ny didim-pitsarana (jugements supplétifs) mba ho azon’ny olom-pirenena voakasika eo no ho eo ny kopiany sy ny karam-panondrom-pireneny.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO + MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY + SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny didim-panjakana manambara fa asa fanasoavam-bahoaka (décret déclarant l’utilité publique) ny asa fanamafisana sy fanamboarana ny zotram-pitaterana herinaratra ao anatin’ny tetikasa PRIRTEM (Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie électrique à Madagascar) andiany voalohany. Ity zotram-pitaterana herinaratra ity dia hiainga ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’Antananarivo Avaradrano, hamakivaky ny Ambohimangakely, Fiaferana, Viliahazo, Ambanitsena, Anjepy, Ranovao, Ambohibary, Ambatolaona, Andasibe, Anosibe, Ifody, Sabotsy Anjiro, Ampasipotsy Gara, Beforona, Moramanga, Ambatovola, Ampasimbe, Ranomafana Est, Mahatsara, Brickaville, Vohitranivona, Ambinaninony, Antsampanana, Ampasamadinika, Manambolo, Fanandrana ary Amboditandroroho Toamasina II.

    Noho izany dia hisy ny fakana ny tany lalovan’ilay zotram-pitaterana herinaratra tsy maintsy hataon’ny Fanjakana, ka araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery dia na izany amin’ny alalan’ny fifanarahana amin’ny tompony (acquisition par voie amiable) na amin’ny alalan’ny fanesorana noho ny asa fanasoavam-bahoaka (expropriation pour cause d’utilité publique).

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1224 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an'Atoa. RAZAFINDRAINIANJA Jonhson, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao Boeny

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1568 tamin'ny 25 novambra 2020 ary manendry an-dRamatoa MAMINJOARY Felaniaina Mirindra, ho "Directeur Administratif et Financier de l’Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo" (APIPA).

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 532 tamin'ny 07 martsa 2019 ary manendry an'Atoa.RAVELOMIARY Sylvère Heriniaina, ho Lehiben'ny Distrikan'Anosibe An'Ala

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 339 tamin'ny 11 martsa 2020 ary manendry an'Atoa. RAVONIARISON Noel Liva, ho Tale Jeneraly mpisolo toerana ny Tranombokim-pirenenan'i Madagasikara.

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAKOTONDRABAO ANDRIANTSIHAFA Aro Ilon’Aina Soloarilala, ho "Conservateur" ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara

    MINISITERAN'NY ASA TANANA SY NY HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RANDRIAMAROARINALA Rija Romeo, ho Directeur d’Appui pour l’Intégration Environnemental et Elevage eo anivon’ny Ministeran’ny asa tanana sy ny haitao.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 248 tamin'ny 03 martsa 2021 manendry an'Atoa.SOLOFOMANANA Jimmy ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak'asa ao Atsinanana.

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa FIONONANTSOA Bon Espérance, ho Talem-paritry ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak'asa ao Anosy
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 097 tamin'ny 27 janoary 2021 nanendry ny Tale Jeneralin’ny Ivotoerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara (IFVM)

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1429 tamin'ny 15 desambra 2021 nanendry ny Talem-paritry ny fambolena sy fiompiana ao Atsimo Atsinanana.

Natao ny 14 Septambra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO