TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 05 Oktobra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fampiantranoan’i Madagasikara ny fivoriana an-tampony ho an’ireo Filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI).

    Raha tsiahivina dia tapaka tamin’ny filan-kevitry ny Minisitr’ireo firenena ao anatin’ny COI andiany faha-34 tany Mahé, Seychelles tamin’ny 06 marsa 2020 fa tokony i Madagasikara no nandray ny fivoriana an-tampony tamin’ny 25 jona 2020. Saingy noho ny fisian’ny krizy ara-pahasalaman’ny COVID-19 tamin’izany dia tsy tanteraka io fivoriana io fa tsy maintsy nahemotra. Koa satria efa mihatsara izany lafiny ara-pahasalamana izany dia averina hokarakaraina aty Madagasikara amin’izay ity fihaonana an-tampony ho an’ny Filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI) ity. Marihina fa isaky ny 5 taona ity fihaonana an-tampony ity, araka ny fifanarahan’I Victoria nohavaozina tamin’ny 2020 ihany, mba hamaritana ny politika ankapobeny hitondrana ny COI.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fampidirana entana avy any ivelany, mikasika ireo fiara tsy mataho-dalana miisa telo (03) nafarana ho fanatanterahana ny tetikasa PRIRTEM-1 (Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Énergie Électrique à Madagascar).

    Tetikasa vatsian’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) izy ity, ka ao anatin’ny fifanarahana famatsiambola dia anjaran’ny Fanjakana Malagasy ny fandraisana an-tanana ny haba sy ny hetra mila aloa tafiditra amin’ny fanatanterahana ny tetikasa.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fampodiana ireo mpianatra miisa 30 nahavita fianarana tany ivelany, ka nangataka ny hiverina hody eto Madagasikara.

    Voakasik’izany ny mpianatra avy any Maroc, Russie, ary Indonésie. Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika mba hisy ny fanaraha-maso amin’ny antsipirihany ka izay tena mpianatra nahavita fianarana, ary tena nahazo ny mari-pahaizana avy amin’ny fianarana norantoviny no hisitraka ny fandraisana an-tanana. Tonga dia ny tapakila amin’ny fiaramanidina hodiana avy hatrany no vidian’ny Fanjakana ka alefa amin’ireo mpianatra izay nanao fangatahana hody an-tanindrazana ireo.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Miroso amin’ny fanatanterahana ny tetikasa « Voie Rapide Ouest Tana » (VROT) ny Fitondram-panjakana ankehitriny, tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny « PEM » na ny « Plan Emergence Madagascar ». Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny hirosoana amin’ny fanaovana ny tolobidy takian’ny tsenan’asam-panjakana amin’ny asa fanamboarana.

    Ny « VROT » dia fanalavana ny lalana miainga eo amin’ny toby fiantsonan’ny fiara fitaterana iombonana eo amin’ny MAKI Andohatapenaka ka hihazo ny lalam-pirenena RN58 bis mifandray an’Imerintsiatosika, mandalo amin’ny kaominina ambanivohitra Fiadanana, Ambohidrapeto, Fenoarivo, Alakamisy Fenoarivo ary Ambatomirahavavy. Mirefy 25,8 km ny lalana hamboarina, mizara 4 (04 voies), 2 andaniny ary 2 ankilany, hisy ampahany handalovan’ny « train urbain » ihany koa ary hisy fandehanan’ny bisikileta.

    Ny 80% ny famatsiam-bola amin’ny fanamboarana ny asa rehetra dia hoentin’izay orinasa hahazo ny tolo-bidy ary ny 20% no hiantohan’ny Fanjakana Malagasy. Izay indrindra no tsy maintsy ilaina ny tolobidy amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy mba ahafahana mifantina izay tolotra ara-bola mora indrindra.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famatsian’ny Fanjakana Malagasy vola mitentina 1.600.000.000 Ariary ny tetikasa « Titre Vert », izay fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny fandaharanasan’ny Filoham-pirenena « FIHARIANA ».

    Mizara roa mazava tsara ny tetikasa, ny voalohany dia ny « titre vert économique » ho an’ireo tanora izay handraharaha amin’ny fambolena sy fiompiana, any amin’ny faritra Diana, Vakinankaratra, Mahatsiatra Ambony ary Menabe. Ny faharoa kosa dia ny « titre vert social » izay hamatsian’ny Fanjakana vola ny fitrandrahana ara-pambolena ataona fianakaviana ianjadian’ny hain-tany any amin’ny faritra Anosy. Famatsiana zezika sy fitaovana ary milina ilaina amin’ny fambolena ho an’ireo fianakaviana ireo no tena iompanan’izay endriny faharoa amin’ny tetikasa « titre vert » izay. Ankoatra izay, noho ny fahatsapan’ny Fanjakana ny fahasahiranan’ny tantsaha amin’ny vidin’ny zezika izay midangana dia midangana amin’izao fotoana izao, dia hanokana vola 4.000.000.000 Ariary ihany koa ny Fanjakana Malagasy hamatsiana ny fividianana zezika hiatrehana ny fanombohan’ny taom-pambolena amin’ity volana oktobra ity. Hisy ny hetsika faobe fizarana zezika ho an’ireo tantsaha mpamboly amin’ny faritra samihafa tena mila izany manerana an’i Madagasikara

    Ity tetikasa ity dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano faha-6 sy faha-9 ny Filohan’ny Repoblika, dia ny « fahavitan-tena ara-tsakafo » sy ny « asa mendrika ho an’ny rehetra »

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fitokanana ny Ivotoeram-panofanana arak’asa any amin’ny Kaominina ambanivohitra Ranopiso faritra Anosy, izay natsangana tamin’ny alalan’ny tetikasa « BIOCOM » eo anivon’ny UNESCO sy « KOICA » (Korean International Cooperation Agency ».

    Mikendry indrindra ireo tanora avy amin’ny kaominina miisa 11 manodidina ny valan-java-boahary arovana Andohahela ny tetikasa, mba hanofanana azy ireo hisitraka fahaiza-manao hitrandraka ny angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro ka tsy hitohizan’ny fanimbana ilay valan-java-boahary arovana, izay efa voasokajy nandritra ny taona maromaro izay ao anatin’ny vakoka maneran-tany tandindomin-doza, araka ny famaritan’ny UNESCO. Efa vita ny fandraisana ara-teknika ny fotodrafitrasa hametrahana ity Ivotoeram-panofanana arak’asa ity, ka hirosoana ny fanombohana ny fanofanana arak’asa ireo tanora any an-toerana.

    SEKRETERAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Miroso hatrany ny fanomanana ny fanatanterahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena « Transport Par Câble » (TPC) na ny « Teleferika » ankehitriny. Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana fahazoan-dalana hananganana ireo toby fiantsonana na “gares » ho an’ireo fitaterana iombonana teleferika ireo.

    Ho fanajana ny voalazan’ny andininy faha-180 amin’ny lalana lf 2015- 052 tamin’ny 03 febroary 2016 mikasika ny fanajariana ny tanan-dehibe sy ny toeram-ponenana, dia hisy ny fandraisan’ireo minisitera voakasiky ny tetikasa didim-pitondrana iombonana hirosoana avy hatrany amin’ny asa noho ny hamehana.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna hankatoavana ny fanavaozana ny fifanaraham-piarahamiasa ankapobeny (Accord Général de Coopération) eo amin’ireo firenena mpikambana ao anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana (COI).

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna entina hankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola entina hamatsiana ny tetikasa vonjimaika ho fanamafisana ny famokarana sakafo eto Madagasikara (Projet d’Urgence de Renforcement de la Production Alimentaire de Madagascar - PURPA), izay vita sonia ny 01 aogositra 2022 teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana ary ny Tahirimbola Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD/FAD).

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana hanambarana ho tombontsoam-bahoaka ny asa fanarenana ny lalam-pirenena sokajy faharoa laharana faha-10 (RNS 10), mampitohy an’Andranovory RNP7 PK 850 + 100 amin’Ambovombe PK 434 + 000. Ny ampahan-tany voakasika amin’ny asa fanamboarana araka izany dia ho alain’ny Fanjakana Malagasy, na amin’ny alalan’ny fifampiraharahana amin’ny tompony (acquisition par voie amiable), na amin’ny alalan’ny fanesorana noho ny tombontsoam-bahoaka (expropriation pour cause d’utilité publique) raha tsy mahita fifanarahana amin’ny tompony.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Noraisin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova ny andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakana lf : 2019-1791 tamin’ny 18 septambra 2019 manendry ireo mpikambana amin’ny Filan-kevim-pitantanan’ny orinasa JIRAMA. Voatendry hanampy ireo mpikambana efa amperinasa araka izany :

    Atoa Rasolofonantenaina José Elysé, expert-comptable misolo tena ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola,

    Atoa Haingomampianina Rasoava, chargé de mission, misolo tena ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana.

    SEKRETERAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA EO ANIVON’NY MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana ny fanomezana « bonification d’ancienneté de port de grade » ho an’ny manamboninahitra ambony eo anivon’ny zandarimariam-pirenena :

    Colonel RANAIVOARISON Théodule Edith

    Chef d’escadron RANALO Herisoa

    Capitaine RABEMANANJARA Irinjaka

    Ny anton’ireo dia noho ny fahasahiana sy asa fanoloran-tena goavana vitan’izy ireo tany am-pamitana iraka ka nahazoana vokatra tsara amin’ny ady amin’ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1284 tamin'ny 07 septambra 2022 ary manendry an-dRamatoa RANAIVO Cornelia Elisah, ho Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo IV.

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1566 tamin'ny 25 novambra 2020 ary manendry an'Atoa. DAVID Jeanick Dieudonné, ho Lehiben'ny Distrikan'i Tsaratanàna.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 875 tamin'ny 24 aprily 2019 ary manendry an'Atoa.FANOMEZANTSOA Natolotriniaina Herizo, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana eto Analamanga.

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1195 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Atoa. RAMIANDRASOA Ianja Ulric Salomon, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Itasy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 2227 tamin'ny 11 desambra 2019 ary manendry an'Atoa. RAHERISON Andrianantenaina Liva, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Bongolava.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 2225 tamin'ny 11 desambra 2019 ary manendry an'Atoa. ZAFINDROY Mara Fulton, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Androy.
    • Noraisina ny didim-panjakana laharana faha 2019-1596 tamin'ny 14 aogositra 2019 ary manendry an'Atoa. BELALAHY Jean Berchmans, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1797 tamin'ny 18 septambra 2019 ary manendry an-dRamatoa LAMBO Mbolanirina Nadia, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Boeny.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1307 tamin'ny 7 oktobra 2020 ary manendry an'Atoa. BEMANJARY Fahandriana Lidorice, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Sava.
    • Noraisina ny didim-panjakana laharana faha 2019-1594 tamin'ny 14 août 2019 ary manendry an'Atoa. TANIGNA Romuald Florentin, Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Diana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1198 tamin'ny 6 jona 2019 ary manendry an'Atoa. TOVONJATOVO Séraphin, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Atsimo Andrefana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 876 tamin'ny 24 aprily 2019 ary manendry an'Atoa. JAOROBY Elie Wilfried, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Sofia.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1200 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Atoa. RABIBISOA Noêl Bienvenue, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria ny varotra sy ny fanjifana ao Menabe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1597 du 14 août 2019 ary manendry an'Atoa. RATSIZAFY Hyacinthe Hygin, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Matsiatra Ambony.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 677 tamin'ny 23 jona 2021 ary manendry an'Atoa. RAZAFINIMARO Jocelin Richard, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Ihorombe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 2226 tamin'ny 11 desambra 2019 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANARIJAONA Amélie Yolande, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Amoron’i Mania.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 191 tamin'ny 17 febroary 2021 ary manendry an-dRamatoa RAJAONARISON Adonia Denisse, ho Talem-paritry ny fampiroboroboana ny indostria, ny varotra sy ny fanjifana ao Analanjirofo.

    MINISITERAN'NY ASA TANANA SY HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFIARISOA Marie Donatienne, ho "Secrétaire Permanent de la Cellule de Promotion du Genre et de l’Empowerment des Artisans-Femmes" eo anivon’ny Ministeran’ny asa tanana sy ny haitao.

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHARIZAKA Mariane Zoêline, ho "Chef de la Cellule Anti-Corruption" eo anivon’ny Ministeran’ny asa tanana sy ny haitao.
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1368 tamin'ny 21 oktobra 2020 nanendry ny " Directeur de l’Ingénierie et de la formation Professionnelle" eo anivon’ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak'asa.
    • Noraisina ny didim-panjakana laharana faha 2020-1371 tamin'ny 21 oktobra 2020 nanendry ny "Directeur de l’Ingénierie Pédagogique" eo anivon’ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy fampiofanana arak'asa.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 779 tamin'ny 17 aprily 2019 nanendry ny "Directeur du Système Informations et de Gestion des Données".

Natao ny 05 Oktobra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO