TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 7 Septambra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisana an-tanana ny fandaniana momba ny fananganana Lapan’ny Fitsarana any Mahanoro, Ambatofinandrahana sy Beroroha ary ny fonja ao Antsiranana

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampitàna am-bava momba ny handraisana ny volavolan-didim-panjakana manova sy mameno ny andininy sansantssany amin'ny didim-panjakana laharana faha 2009-048 mamaritra ny fampiharana ny lalàna laharana faha 2006-008 nankatoavina tamin'ny 2 aogositra 2006 momba ny "code de changes"

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ireo tetikasan'ny Governemanta Malagasy ho vatsian’ny findramam-bola amin'ny Governemanta Indiana amin'ny alalan'ny Exim Bank izay mitentina 100 tapitrisa dolara efa nankatoavin'ny tamin'ny 20 Jolay 2022.

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny famatsiana ny dingana faharoa amin’ny tetikasa Programme de Développent Communal Inclusif et de Décentralisation » (PDCID Phase II) ao anatin’ny tetibola 2022

    Hirosoana araka izany ny fanatanterahana ny dingana faharoa ny amin'ny tetikasa PDCID Phase II amin'ny alalan'ny "Fonds Local de Développement" izay ho vatsian’ny Banky alemana KfW (Kreditanstalt für Wiederaufbau). Tafiditra ao anatin’izany tetikasa izany ny asa fanavaozana ireo fotodrafitrasa eny anivon’ny Kaominina toy ny lalana.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin'ny Filan-kevitry Minisitra ny fampitana am-bava momba ny fanajariana ireo lalana sy fotodrafitrasa anatin'ny drafitry ny PAM ho an'i Madagasikara.

    Ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa fanarenana ny tetezana Manandria ao amin’ny Distrikan’i Vohipeno, dia nisy ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara miaraka amin’ny Programme Alimentaire Mondiale na (PAM) mba hamatsiana izany tetikasa izany. Tanjon’ny tetikasa ny hisokafan’ireo faritra lehibe mpamokatra ary koa mba hitondra anjara biriky amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy ny Faritra Fitovinany, indrindra ny any amin’ny distrikan’i Vohipeno sy Ikongo.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORONAFO

    Nankatoavina ny fivadihana amin’ny "mode prépayé" ho an'ireo kaonteran-jiro ampiasaina eny amin’ny biraom-panjakana na "catégorie Administration"

    Mba hiantohana ny fitantanana tsara kokoa ny Jiro eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana dia nanapa-kevitra ny fanjakana malagasy fa hiova amin’ny rafitra fandoavam-bola mialoha (prépayé) ny kaonteran’ny herin’aratra "basse tentsion" eny anivon’ny minisitera rehetra sy ny andrim-panjakana hafa. Hatomboka amin’ny 1 oktobra 2022 izao izany fiovana izany.

    MINISITERAN’NY FIOVANA SY FAMPIOROBOROBOANA NY HAITAO ARA_KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY FIFANDRAISAN-DAVITRA+MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA+MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny minisitra ny hirosoana amin’ny fampiharana ny didim-panjakana laharana 2022-553 tamin’ny 20 aprily 2022 izay mandrindra ny fandoavana amin’ny alalan’ny karatra e-poketra ny fanampiana ara-bola omena an’ireo mpianatra.

    Tsara ny mampahatsiahy fa marolafy ny anjara asan’ny karatra e-poketra : natao handoavana sy hitahirizana ireo fanampiana ara-bola omena ny mpianatra, no sady ampiasaina ihany koa ho karatra maha mpianatra ka ahitana ny mombamomba ilay mpianatra sy afaka hanarahana ny dingana rehetra vitany ary ahafahany misitraka ireo tolotra eo anivon’ny anjerimanontolo, toy ny « bibliothèques », « médiathèques » sy « centres de documentation ».

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FIOVANA SY FAMPIOROBOROBOANA NY HAITAO ARA_KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Noraisina ny didim-panjakana mametraka fitaovana hifehezana sy hanaraha-maso ireo fifanakalozana ara-bola eo amin’ny tambazotran’ireo mpisehatra amin’ny fifandraisan-davitra sy ireo tolotra ‘mobile money”

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 538 tamin'ny 27 may 2020 ary manendry an-dRamatoa ANDRIANANTOANDRO Harimbolamalala, ho "Directeur de l’Intégration Régionale" ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-050 tamin'ny 12 janoary 2022 ary manendry an' Atoa. RATOMPOHARY Andriamanarivo Martial, ho Talem-paritry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao Fitovinany

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1126 tamin'ny 06 jona 2019 manendry an'Atoa. RAKOTONINDRINA Tolotriniaina Zanoelihaingo, ho Lehiben'ny Distrikan'i Marovoay.

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2016- 971 tamin'ny 20 jolay 2016 ary manendry an'Atoa.RANDRIANTSOA Félicien, Lehiben'ny Distrikan'i Mitsinjo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015- 1433 tamin'ny 24 oktobra 2015 ary manendry an'Atoa. RASOLOFONJATOVO Mparany Alain, ho Lehiben'ny Distrikan'Antananarivo IV.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017- 874 tamin'ny 27 septambra 2017 ary manendry an'Atoa. NAINA Xavier, Lehiben'ny Distrikan'Analalava.

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Contrôleur Général de Police RAKOTOMALALA Andriamarolahy Fanomezantsoa, ho "Coordonnateur, Chef de l’Inspection Générale" eo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1687 tamin'ny 09 desambra 2020 ary manendry ny Commissaire de Police RABEARIVONY Maurice Joel, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao DIANA.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1097 tamin'ny 31 jolay 2022 ary manendry ny Commissaire Principal de Police GERVERIN Raelison, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Sava.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 994 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an'Atoa. ROBENA Gabriel, ho "Directeur des Affaires Administratives et Financières (DAAF)" ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 666 tamin'ny 24 jona 2020 ary manendry an'Atoa RATSIMBASOA Claude Arsène, ho "Directeur des Reformes et des Suivi-Evaluation" ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 283 tamin'ny 17 martsa 2022 ary manendry an'Atoa. RANDRIAMIFIDY Hugues Emmanuel, ho "Directeur Général d’Ecole Nationale de l’Enseignement Aéronautique et de la Météorologie" (ENEAM).

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 217 tamin'ny 10 febroary 2022 ary nanendry an'Atoa RAKOTOMAMONJY Samuel, ho "Directeur de la Sécurité et de la Prévention des Accidents Routiers"

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 777 tamin'ny 17 aprily 2019 ary manendry an'Atoa. JACQUES Nestor, ho "Directeur des Etudes et de la Promotion Géologiques et Minières"

  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 647 tamin'ny 10 aprily 2019 nanendry ny "Directeur de la Comptabilité Nationale et Modélisation" eo anivon’ny INSTAT

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 785 tamin'ny 04 aogositra 2021 nanendry ny Lehiben'ny Distrikan'Ikongo.

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 846 tamin'ny 29 jolay 2020 nanendry ny Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka tao Vatovavy sy Fitovinany.

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1227 tamin'ny 10 novambra 2021 nanendry ny "Directeur de la Statistique, de la Planification et du Suivi" ny Minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.

Natao ny 7 Septambra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO