TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 31 aogositra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    Mialohan’ny nandinihana ireo laha-dinika samihafa dia nitondra teny momba ny raharaha nitranga tany Ikongo ny Filohan’ny Repoblika Atoa Andry RAJOELINA, nanamafy ny fiombonam-po sy ny fiaraha-miory amin’ireo mpiray tanindrazana namoy havana, sy ny firariana fahasalamana haingana ho an’ireo mbola tsaboina. Efa naniraka ny Praiminisitra sy ireo minisitra vitsivitsy tany an-toerana koa ny Filoha hijery akaiky ny fandaminana ny olana nisy, sy nitondra fanampiana ho an’ireo fianakaviana mana-manjò, nanao ny fomba amam-panao nenti-paharazana ihany koa hiverenan’ny fiarahamonina amin’ny laoniny faran’izay haingana. Marihana fa misy ny fepetra napetraka tsy ahafahana mivezivezy amin’ny alina na « couvre-feu » mba hitandroana ny filaminana.

    Noraisin’ny fanjakana an-tanana moa ny lany rehetra amin’ny fitsaboana ka mbola any an-toerana mandrindra izany ny Minisitry ny fiarovam-pirenena. Nanamafy ihany koa Atoa. Filoha fa tsy maintsy atao ny famotorana mba ahalalana ny tena zava-nitranga marina ka handraisana ny fepetra amin’izay tompon’andraikitra nahatonga ny loza. Ny Filohan’ny Repoblika tenany dia hanaraka akaiky ny fizotran’ny fanadihadiana ahafahana mahita ny marina rehetra momba an’ity raharaha tany Ikongo ity.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanotorana ny tany mirefy 500m3 mba ahafahana manajary ny faritra ivelan’ny « Centre de Transplantation » an’ny Hopitaly Manarapenitra eo Andohatapenaka, izay matetika tratry ny tondra-drano rehefa vanim-potoanan’ny orana

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanaovana fifanarahana mivantana amin’ireo orinasa hamatsy fitaovana sy hanatanteraka ny asa izay tafiditra ao anaty ny fanatanterahana ny fametrahana ny « Lamasinina an-tanàn-dehibe » na « Train Urbain » eto Antananarivo izay Tetikasan’ny Filoham-pirenena.

    Ny lamasinina dia efa mipetraka ao amin’ny seranantsambon’i Toamasina ny ampahany. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fifanarahana mivantana ifanaovan’ny Fanjakana malagasy sy ny orinasa ARTERAIL izay mpamatsy izany lamasinina izany.

    Mitovy tahaka izany ihany koa ny ampahan’asa izay mifandraika amin’ny fametrahana herinaratra amin’ny lalamby sy ireo ampahan’asa mifandraika amin’ny famatsiana sy fametrahana ireo fitaovana sy kojakojan-dalamby isan-karazany, toy ny lalamby, ny fitaovam-pamantarana (signalisation ferroviaire).

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hamerenana ny sidina mampitohy ny nosy Sainte-Marie sy ny nosy La Réunion, izay hanomboka ny sabotsy 17 septambra ho avy izao.

    Isaky ny sabotsy no hisy ny sidina La Réunion – Sainte Marie (miainga amin’ny 02 ora sy 20 minitra tolakandro ary tonga amin’ny 3 ora sy 25 minitra tolakandro) ary isaka ny alarobia kosa ny sidina Sainte Marie – La Réunion (miainga amin’ny 12 ora latsaka fahefany antoandro ary tonga amin’ny 3 ora latsaka folo tolakandro).

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana sy/na hanavaozana ny fahazoan-dalana manafatra « lubrifiants » ho ana orinasa miisa folo (10) : ENELEC, U.CO.DIS, Manambitana, Design Auto, Alpa, Din Auto, Imexport International, Liqui-Moly, Ocean Trade ary Vima Oil Gas.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO, MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa « Promotion de l’Electrification Rurale par des Energies Renouvelables » (PERER)

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 964 tamin'ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAFIDY Onisoa Josielle, ho Tale Jeneralin'ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM).

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ireo didim-panjakana laharana faha 2021-477 tamin'ny 28 aprily 2021 sy laharana faha 2021-034 tamin'ny 07 janoary 2021 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAMARO Bodo Volahanitra, ho "Procureur Général près la Cour de Cassation de la Cour Suprême".
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RABARIJOHN Rivonandrianina, ho "Coordonnateur National des Pôles Anti-Corruption."

    MINISITERAN'NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 534 tamin'ny 27 may 2020 ary manendry an'Atoa. RANDRIANARIVONY Romuald Alain, ho "Directeur des Affaires Financières » ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 970 tamin'ny 29 septambra ary manendry an-dRamatoa RAJAONARISON Lalaina Dina Prisca, ho "Directeur du Développement Urbain Durable"

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. MAHASOA MOSA Thierry, ho Talem-paritry ny harena an-kibon'ny tany sy ny loharanon-karena stratejika any Boeny.

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RALIDERA Tsiry Antenaina, ho "Directeur de la Gestion des Activités Minières" ny Minisiteran’ny harena an-kibon'ny tany sy ny loharanon-karena stratejika
  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny andininy sasantsasany amin’ny didim-panjakana laharana n°2019-1867 tamin'ny 25 septambra 2019 mahakasika ny fanendrena ny Governoran’ny Faritra Alaotra mangoro

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1047 tamin'ny 13 jolay 2022 ary manendry ny "Coordonnateur des Projets" ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany

Natao ny 31 aogositra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO