TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 24 aogositra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fikarakarana fanoratam-pahaterahana faobe ho an’ireo olom-pirenena tsy afaka nisitraka izany tany am-pahaterahana (enregistrement rétroactif des naissances) sy ny fanomezana karam-panondrom-pirenena ho an’ireo feno taona.Tombanana eo amin’ny telo tapitrisa eo ho eo ny olom-pirenena Malagasy tsy mbola manana soram-pahaterahana sy karam-panondrom-pirenena raha ny tarehimarika hita tamin’ny fanisam-bahoaka farany natao.

    Ny 1 septambra 2022 ho avy izao no hanombohan’izany, ka amin’ny alalan’ny fotoam-pitsarana mitety vohitra (audiences foraines) izay tarihin’ireo mpitsara mpamoaka didy manana fahefana amin’izany no hanatanterahana azy manerana ny Nosy.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA + MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanasana ny Filohan’ny Repoblikan’I Madagasikara handray anjara amin’ny Fihaonana an-tampony momba ny fanavaozana sy fampivoarana ny fanabeazana amin’ny ankapobeny manerana izao tontolo izao, izay hatao any New-York Etazonia, ny 16, 17 ary 19 septambra 2022. Mandritra izany fihaonana an-tampony izany dia hisy ny fanambarana ny “Déclaration Nationale d’Engagement de Madagascar” mikasika izany fanabeazana izany hataon’Atoa Filohan’ny Repoblika ny 19 septambra 2022, tafiditra indrindra ao anatin’ny fivoriam-be faha-77 ny Firenena Mikambana amin’ity taona 2022 ity.  

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fitaovana teknika ho an’ny laboratoara avy amin’ny GIZ hampiasaina amin’ny tetikasa fiarovana sy fanarenana ny tany ambolena mba hanatsarana ny filaminana ara-tsakafo (ProSol/GIZ).

    Ireo fitaovana ireo dia hatolotra hampiasain’ny Fitaleavam-paritry ny fambolena sy fiompiana any Boeny.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1123 tamin'ny 20 oktobra 2021 ary manendry an'Atoa. RABENJARISOA Andriamihaja Tiana, ho Talem-paritry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ho an'ny Faritra Analamanga

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo "Directeurs des écoles doctorales" ao amin'ny oniversiten'i Mahajanga
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo "Directeurs des écoles doctorales" ao amin'ny oniversiten'Antananarivo
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo "Directeurs des écoles doctorales" ao amin'ny oniversiten'i Toliara
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo "Directeurs des écoles doctorales" ao amin'ny oniversiten'Antsiranana

    MINISITERAN'NY ASA TANANA SY NY HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ASSMANE Anita Stéphanie, ho "Directeur Administratives et Financières" eo anivon’ny Minisiteran’ny asa tanana sy ny haitao

Natao ny 24 aogositra 2022

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO