TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 10 aogositra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany 17 aogositra ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fitokanana ny Lapan’ny Fitsarana any amin’ny Distrikan’i Betroka, faritra Anosy izay nohavaozina tanteraka vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ny Fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana na PNUD.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezan’ny Fanjakana foibe fanampiana ara-bola manokana ho fanatanterahana ny fifaninanana handraisana mpianatra ho mpitsara miisa 100 eo anivon’ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha na ENMG.

    Izany dia mba hisian’ny mangarahara tanteraka eo amin’ny dingana rehetra amin’ny fikarakarana ny fifaninanana, izay tsiahivina fa anisan’ny Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblika ihany koa. Hentitra, araka izany, ny toromarika avy amin’Andriamatoa Filoha, dia ny hiantohana ny fomba rehetra hisian’ny mangarahara azon’ireo mpiadina rehetra itokisana amin’ny fizotran’ny fifaninanana rehetra, ka izay tena mahay sy mendrika no ho voaray fa tsy sanatria hisy kolikoly na fahalalana olona izay manimba endrika ny fanadinam-panjakana hatramin’izay ka tsy maintsy hofongorina tsy misy hatakandro.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fanakatonana ny asa fikirakirana ny fitantanam-bolam-panjakana ho an’ny taona 2022, mahakasika ny vola miditra sy ny vola mivoaka amin’ny tetibolam-panjakana amin’ny ankapobeny (budget général), ny tetibola manokana (budgets annexes) ary ny kaonty manokana eo anivon’ny Tahirim-bolam-panjakana (Comptes Particuliers du Trésor).

    Miavaka ny fomba fanatanterahana ny fampiasana ny tetibolam-panjakana amin’ity taona 2022, tsy tahaka ny fanao nahazatra isan-taona, araka ny tapaka tamin’ny famolavolana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana (LFR 2022), ka naroso ny 30 novambra 2022 ny faran’ny famoaham-bolam-panjakana (fin de mandatement).

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriambe andiany faha-22 an’ny Filankevitry ny Minisitr’ireo firenena ao anatin’ny Vondrona « Anti-blanchiment d’Argent de l’Afrique Orientale et Australe » (ESAAMLG), izay hotanterahina ny 28 aogositra ka hatramin’ny 1 septambra 2022 ao Livingstone, Zambie.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Fiadiana ny tompon-dakan’ny firenena afrikana amin’ny lalao baolina kitra an-tsekoly (Championnat Panafricain de football scolaire) ho an’ny taona 2022-2023.

    Izy ity dia karazana taniketsan’ny fanaovana baolina kitra iarahana amin’ny CAF na ny « Confédération Africaine de Foot-ball ».

    Zatovo mpianatra 13 ka hatramin’ny 15 taona no afaka mandray anjara ary misy sokajy lahy sy vavy. Ary misy dingana nasionaly karakaraina eto Madagasikara iarahana amin’ny Federasiona Malagasin’ny Baolina Kitra, alohan’ny hiakarana amin’ny Dingana iraisan’ny firenena afrikana.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezana ny tany mitondra ny anarana « ECAR les Lépreux d’Antsiraka Fitiavana-1, TF 13872-ba » mirefy 13ha 55 a 60 ca, ao anatin’ny Kaominina Ambonivohitra Toamasina, ho an’ny Fikambanan’ny Masera Mpanao asa soa « Sœurs Filles de la Sagesse », izay efa nanajary sy nangataka izany nanomboka ny taona 2009.

    Tanim-panjakana tafiditra ao anatin’ny « domaine privé de l’Etat » io tany io, misoratra amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Araka ny lalàna manan-kery momba ny fananan-tany eto Madagasikara, dia tsy maintsy hirosoana, araka izany, aloha ny fanalana ny tany na « désaffectation » amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, alohan’ny hirosoana amin’ny dingana ara-panjakana amin’ny resaka fananan-tany hamindrana ny tany amin’ny anaran’ny Fikambanan-dry Masera « Sœurs Filles de la Sagesse ».

    Io tany io dia hampiasain'ireo masera hikarakarana ireo olona voan'ny habokàna ary koa hanampiana ireo olona sahirana sy mila fanampiana.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fametrahana drafitr’asa (plan d’action) ho fanamafisana ny fisorohana ny lozam-piarakodia amin’ny lalam-pirenena samihafa eto Madagasikara, amin’ny fisian’ny fandraisana andraikitra mivantana eny an-kianja.

    Voakasika manokana amin’izany ireo lalam-pirenena vaovao nahazoan’i Madagasikara famatsiam-bola avy any ivelany, izay nahitana lozam-pifamoivoizana nifanesisesy tato ho ato.

    Hisy araka izany ny fanentanana amin’ny aro lozan’ny fifamoivoizana hampianarana ny mpampiasa lalana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, fa eo koa ny fampitomboana ireo mari-pamantarana (panneaux de signalisation) rehetra eny amin’ny lalana sy ny famerana ny hafainganam-pandeha. Minisitera maromaro no voakasik’ity drafitr’asa ity, tahaka ny Minisiteran’ny fitaterana, ny Minisiteran’ny asa vaventy, ny Minisiteran’ny filaminam-bahoaka, ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena, indrindra ny zandarimariam-pirenena, ary ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny famaranana ny tetikasa fanavaozana ny tambajotra ara-pifandraisan-davitra sy ara-kajy mirindran’ny fitantanan-draharaham-panjakana malagasy na « Modernisation des Réseaux de Télécommunication de l’Administration Malagasy (MRTAM) » sy ny fanaraha-maso ary fiarovana ny fitaovana teknika sy informatika ampiasaina amin’izany tetikasa izany.

    Ny tetikasa dia tanterahina manerana an’i Madagasikara, ka tafiditra ao anatin’izany ny fametrahana « data center national » hitahirizana sy hitantanana ny angon-toro (base de données) ampiasain’ny fanjakana malagasy sy ny fametrahana fampitaovana ara-kajy mirindra any anatin’ny biraom-panjakana samihafa.

    Tafiditra ao anatin’ny tetikasa koa ny fametrahana « camera » miisa 1.100 amin’ny toerana miisa 300 izay tena mampavaivay ny tsy fisian’ny fandriam-pahalemana, na an-tanan-dehibe na ambanivohitra, sy ny « monitoring » sy « command centers » mandray izany sary izany eny anivon’ny kaomisarian’ny polisim-pirenena ho an’ny toerana an-drenivohitra sy ny biraon’ny zandary ho an’ny ambanivohitra. Izany dia entina hanampy ny mpitandro filaminana amin’ny angom-baovao hiadiana amin’izay tsy fisian’ny fandriam-pahalemana izay.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2018-276 tamin’ny 28 martsa 2018 ary manendry an’Andriamatoa RABENANDRASANA Nicolas ho Lehiben’ny Distrikan’i Mahajanga II.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MAHAZOASY Roger Mevazara Florent ho « Directeur de la Coopération des Collectivités » an’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAJERISOA RASATA Mandimby Andriamanetsiarivo ho « Directeur des Etudes et de la Formation en Multimédia » eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1303 tamin’ny 07 oktobra 2020ary manendry an’Andriamatoa MILLY Martial ho « Directeur Interrégional de l’Energie et des Hydrocarbures » Toliara.
  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-592 tamin’ny 27 martsa 2019 izay nanendry ny Talen’ny « Centre d’Etudes et de la Formation Multimédia ».

Natao ny 17 aogositra 2022, 

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO