TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 10 aogositra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany 10 aogositra ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny filankevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara anjara amin’ireo fivoriana iraisam-pirenena samihafa :

    - Fivoriamben’ny Filoham-panjakana ao anatin’ny SADC andiany faha-42 izay hatao any Kinshasa, Repoblika demokratikan’i Congo ny 17 sy 18 Aogositra 2022.

    - Fivoriambe Iraisam-pirenen’i Tokyo momba ny Fampandrosoana an’i Afrika andiany faha-8 (TICAD 8) izay hatao any Tunis, Tunisie ny 27 sy 28 Aogositra 2022.

    - Fivoriamben’ny Firenena Mikambana andiany faha-77 ny 20 hatramin’ny 27 Septambra 2022.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA, MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY, MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA, MINISITERAN’NY FIZAHAN-TANY, MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO, SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanafoanana ny fanaovana fitiliana TDR eny am-pahatongavana eny Ivato sy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena any amin’ireo faritra hafa eto Madagasikara. Foanana ihany koa ny fanaovana ny fitiliana PCR any am-piaingana amin’ireo seranam-piaramanidina avy any ivelany. Izany dia noho ny fahitana, andaniny, fa efa voafehy ny fiparitahan’ny valan’aretina eto Madagasikara, tato anatin’ny 4 herinandro farany izay dia tsy nitsahatra nidina ny tarehimarika amin’ireo trangana COVID vaovao teto Madagasikara :

    - 09-15 jolay 2022 : 189 tranga vaovao

    - 16-22 jolay 2022 : 127

    - 23-29 jolay 2022 : 75

    - 30 jolay – 05 aogositra : 66

    - 06-09 aogositra : 11

    Ankilany dia fantatra koa fa ny tranga vaovao na “variant” misy amin’izao fotoana izao dia tsy miteraka fahasarotana na “cas grave” intsony araka ny fanaraha-maso ataon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

    Eo ihany koa ny fangatahan’ireo mpandraharaha amin’ny fizahan-tany izay nitaraina fatratra fa lasa sakana ho an’ireo mpizahan-tany tokony ho avy eto Madagasikara ny fisian’ny fitiliana in-droa miantoana.

    Manoloana izany dia noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fepetra, mba hanamorana ny fidiran’ireo mpizahan-tany eto amintsika ho fanarenana an’io sehatra io izay nahita faisana noho ny fisian’ny valan’aretina COVID nanomboka ny taona 2020 nefa sehatra ara-toekarena mamelona olona an-tapitrisany ary loharanom-bola vahiny miditra eto Madagasikara.

    Na izany kosa aza anefa dia tsy azo atao ambanin-javatra ny lafiny ara-pahasalamana ka hanentanan’ny fitondram-panjakana hatrany, araka izany, ny hanamafisana ny fiarovan-tenan’ny Malagasy tsy ankanavaka. Na izany amin’ny alalan’ny fanaovana vaksiny miady amin’ny COVID- 19 izay maimaim-poana, na amin’ny alalan’ny fihinanana CVO na CVO+ ihany koa ho fisorohana, arakaraka ny safidin’ny tsirairay avy fa tsy an-tery mihitsy, mifanaraka amin’ny politika efa nampiharin’ny fanjakana hatramin’izay.

    Marihana fa ireo fepetra vaovao ireo dia mihatra manomboka ny alakamisy 11 aogositra 2022.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ara-informatika sy elektrika avy amin’ny tetikasa GIZ miompana amin’ny fiarovana sy ny fanarenana ny tany ho fanatsarana ny fiarovana ara-tsakafo (Protection et Re?habilitation des Sols pour Améliorer la Sécurité? Alimentaire - ProSol/Giz).

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny « Fonds Souverain Malagasy » na FSM. Araka ny andininy faha-11 ao amin’ny lalàna lf : 2021-024 tamin’ny 29 septambra 2021 mifehy ny fananganana « Fonds souverain Malagasy», dia didim-panjakana raisin’ny Filankevitry ny Minisitra no hanendrena ny mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanana.

    Ireto avy ary ireo mpikambana miisa 7 ireo :

    Avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika :

    1) Atoa RASOLONDRAIBE Tsiresy : manana ny mari-pahaizana “MBA en Finance” tany amin’ny Oniversite “Penn State University, State College”, Pennsylvanie Etazonia izy, nanampy tamin’ny fananganana ny “Fonds souverain”, sy ny famolavolana ny paikady hampandrosoana ny faritra atsimon’ny Nosy, nandrafitra ny paikadim-pampandrosoana eo anivon’ny PNUD Madagascar sy Comores, ary mpanolotsaina ara-bola (conseiller financier et d’investissement).

    2) Profesora RAZAFIMANJATO : mpampianatra mpikaroka, nivoaka avy teny amin’ny ENAM, « consultant en marchés publics et en contentieux du travail », manana ny mari-pahaizana “3e cycle SETYM International Montréal Canada, spécialité : marchés publics et finances publiques”, “DEA en sciences économiques- option : finances”, Oniversite ex-URSS.

    Avy amin’ny Fiadidian’ny Praiminisitra :

    3) Atoa KALO Narcisse : mpanolotsaina teknikan’ny Praiminisitra, mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny OMNIS, manana ny mari-pahaizana “Master en administration d’entreprise, INSCAE” sy “Master en Sciences Economiques- option : économie nationale, EESDEGS Oniversite Antananarivo”.

    Avy amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola :

    4) Atoa RAMANAMPANOHARANA Andry Velomiadana Bearison : Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, Inspecteur d’Etat”, Filohan’ny Filankevi-pitantanan’ny Trano Fiantohana ARO, ary efa mpampianatra “comptabilité approfondie” taona faha-4 eny amin’ny Sampam-pianarana Toekarena, Oniversite an’Antananarivo. Manana ny mari-pahaizana “diplôme d’expertise comptable” (Ordre des Experts Comptables et Financiers de Madagascar) sy “Diplôme d’études en Sciences Comptables Approfondies– INSCAE”.

    5) Atoa RAZAFINDRAKOTO Rivoniaina José : mpitsara “magistrat de 1er grade de l’Ordre Judiciaire”, Filoha lefitry ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo ary manana traikefa manokana momba ny « expertise en sociétés commerciales ». Manana ny mari-pahaizana “Master II en Droit privé des affaires - UCM”, “Master en Droit privé- Option : carrières judiciaires et sciences criminelles- Oniversite Antananarivo” ary nanao fiofanana tao amin’ny « Institut d’Etudes Judiciaires, Oniversite Antananarivo».

    Avy amin’ny Sehatra tsy miankina :

    6) Rtoa RANAIVOSON Mialy Andrianina : Talen’ny Fampiasambola “Fonds d’Investissement pour les PME en Afrique, Responsable Investissements Océan indien-Investisseurs et Partenaires (Impact Investment) ”, Filohan’ny Fikambanana « Association Malagasy des Investisseurs en Capital », mpitantana ny « Institution de Microfinance ACEP Madagascar », efa mpitantana ny « Banque de Développement des Comores » ihany koa. Manana ny mari-pahaizana « Executive Certificate, Leadcampus - Sustainable Leadership in Africa” HEC Executive Education France, “Master I en Finances et Comptabilité - INSCAE”.

    7) Atoa RABARIJOHN Francis Christian : Filoha lefitry ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (SIM), Tale Jeneralim-paritra (Area General Manager Afrique Australe et Océan Indien) - Groupe Imperial Tobacco/Imperial Brands, manana traikefa 30 taona mahery eo amin’ny sehatry ny Indostria sy ny Fitsinjarana. Manana ny mari-pahaizana “Master en Chimie- Université Claude-Bernard, Lyon France” sy « Gestion, finance, commerce et marketing- IDRAC Business School, Lyon France).

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-536 tamin’ny 27 may 2020, ary manendry an-dRamatoa RAZAFISON Jessie Athina ho « Directeur de la Diaspora et des Questions Migratoires » eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-803 tamin’ny 23 jolay 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAMANANDRAITSIORY Philippe Philbert ho « Directeur de la Promotion du Partenariat pour le Développement » eo anivon’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny.

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2015-1177 tamin’ny 05 aogositra 2015, ary manendry an-dRamatoa SAJY Julna ho « Premier Président » an’ny « Cour d’Appel » any Antsiranana.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2015-1272 tamin’ny 02 septambra 2015, ary manendry an-dRamatoa RANDRIAMANANTENA Tahiriarivelo ho « Directeur d’Etablissement » an’ny « Centre Hospitalier Universitaire » Andrainjato Fianarantsoa.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2022-644 tamin’ny 04 may 2022, ary manendry an-dRamatoa RAKOTOBE Soloariseheno Ordonette ho Tale Jeneralin’ny « Institut National de l’Infrastructure » (ININFRA).

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRALAMBO Andriambarivelo ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa SALOMONA Jaonary Philippe, ho Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana any amin’ny Faritra Fitovinany.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1042 tamin’ny 26 aogositra 2020, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMAMPIONONA Erick Alexandre, ho Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana any amin’ny Faritra Vatovavy.
  • IV- FANAFOANANA

    GOVERNEMANTA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-665 tamin’ny 23 jona 2021 izay nanendry ny Talen’ny Kabinetra Sivilin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta.

Natao ny 10 aogositra 2022, 

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO