TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 3 aogositra 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany 3 aogositra 2022 ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanomezana anarana “ Camp Général de Corps d’Armée MOUNIBOU Ismaël » ny vondrona voalohany mpilatsaka amin’ny elonaina (premier bataillon parachutiste, ex-1er RFI).

    Hirosoana araka izany ny fitokanana ity vondron-tafika vaovao ity, iarahan’ny Minisitera amin’ny Filohan’ny Repoblika izay Filoha faratampon’ny Foloalindahy. Raha tsiahivina kely dia ny jeneraly Mounibou Ismaël no lehibe voalohany nifehy Vondron-tafika 1er RFI ny 1 desambra 1975 ka hatramin’ny 1 jona 1983.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo kitapo hozaraina amin’ny tanora handray anjara amin’ny Andro maneran-tany ho an’ny Tanora (JMJ) hotanterahina any Antsirabe faritra Vakinankaratra ny volana septambra ho avy izao.

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hikarakarana ny Atrikasam-paritra hamolavolana ny drafim-pirenena « Plan National de Décentralisation Emergente » (PNDE) manerana an’i Madagasikara.

    Izany dia hotontosaina taorian’ny nampanan-kery ny lalàna lf 2021-011 tamin’ny 11 Aogositra 2021 nankatoavana ny “Lettre de Politique de la Décentralisation Emergente » (LPDE). Ankoatra ny fanangonan-kevitra avy amin’ireo mpandray anjara miparitaka manerana ny faritra samihafa dia hodinihina mandritra izany koa ny asa fohy ezaka, antonona ezaka ary lavitra ezaka hatao hanatrarana ny tanjona napetraky ny lalàna manan-kery.

    Handray anjara avokoa ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ny faritra sy ny kaominina, ny olom-boafidy amin’ny antenimiera, ny sampan-draharaham-panjakana any ifotony avy amin’ny fanapariaham-pahefana, ny fiarahamonim-pirenena ary ireo mpisehatra amin’ny tetikasa sy fandaharanasa samihafa any amin’ny faritra manerana ny Nosy. Mandritra ny 2 volana, aogositra sy septambra, no hanatanterahana ny Atrikasam-paritra rehetra amin’ireo faritra 23.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny famerana ny vidiny farany ambany amin’ny lavanila efa voaomana (vanille préparée) ho 500.000 ar ny Kilao, ho an’ny taom-pamarotana 2022-2023.

    Izany dia natao nifanaraka amin’ny sosokevitra nentin’ny Filankevim-pirenen’ny Lavanila (CNV). Raha tsiahivina dia ao anatin’ny andraikitra faritan’ny didim-panjakana mikasika ny CNV ny fanolorana sosokevitra amin’ny Fanjakana mikasika ny vidin’ny lavanila na eto an-toerana na eo amin’ny tsena ireaisam-pirenena amin’ny fanondranana izany vokatra malagasy izay any ivelany.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny dingana fakana ny ampahana tany nananganana ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Ambohibary Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, izay ilaina ho an'ny tombotsoam-bahoaka (procédure d'expropriation pour cause d'utilité publique).

    Hirosoana araka izany ny tombana ny vidin’ny tany iarahana ny sampan-draharahan’ny fananan-tany mahefa mba ahafahana mamaritra ny onitra tokony omena ny tompon’ny tany. Rehefa vita ny tombana sy ny pitsopitsony ara-panjakana samihafa dia ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no hanefa ny fandoavana ny onitra amin’ny tompon’ny tany.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampiharana ny saran’ny herinaratra vaovao ho an’ny indostria, ilay antsoina hoe « TARIF OPTIMA BUSINESS » manomboka amin’ny fandaniana volana Jolay 2022, izay ho hita any anaty taratasy fandaniana amin’ity volana Aogositra ity.

    Izany dia taorian’ny fivoriana nifanesisesy izay niarahana tamin’ny Fanjakana Malagasy, ny JIRAMA, ny solotenan’ny Banky Iraisam-pirenena, ny solotenan’ny vondron’orinasa tahaka ny GEM, SIM, FIVMPAMA, FHORM, SEBTP, GEFP ary ireo mpanjifa « grands comptes » ao amin’ny JIRAMA.

    Mba hanehoana ny finiavan’ny Fanjakana hitsinjo ny Indostria kosa anefa, ao anatin’ny Politikam-panjakana hampiroboroboana ny Indostria eto Madagasikara dia hisy sarany manokana (tarifs préférentiels) hampiharina amin’ireto sokajina orinasa indostrialy manaraka ireto : indostria misahana ny fanamboarana lamba (tissage, filature), ny fanamboarana simenitra, ny fanodinana vy, ary ny fanodinana akora simika.

    Mba ho fiomanana amin’ny fampiharana ny saran’ny herinaratra vaovao “OPTIMA BUSINESS” dia handefa fampitahana ny sarany teo aloha sy ny ho sarany vaovao hihatra amin’ireo mpanjifa voakasika ny JIRAMA, ary azo atao ihany koa ny mijery izany amin’ny alalan’ny « simulateur de tarif » amin’ny tranonkalan’ny JIRAMA www.jirama.mg sy amin’ny « application mobile JIRAMA ».

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Minisitera didim-pitondrana mamaritra ny fomba famerana ny vidin’ny solika farany ambony eny amin’ny mpanjifa, ho an’ny enimbolana voalohan’ny taona 2022.

    Izany dia fampifanarahana (régularisation) ny fomba famaritana izany vidiny farany ambony izany amin’izay notinapaky ny Fanjakana Malagasy sy ireo mpandraharaha amin’ny solika mikasika ny fomba fikajiana ny vidin-tsolika eny amin’ny mpanjifa tamin’ny fihaonana ny 10 jolay 2022 lasa teo.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 217 tamin'ny 24 febroary 2021 ary manendry ny Général de Brigade RAHARISON Patrick Michel, ho "Commandant de Zone de Défense et de Sécurité de Fiherena" (Sud-Ouest) Toliara eo anivon’ny Etamazaorin'ireo Tafika.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 391 tamin'ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Général de Brigade RAFIDIMANANA Teddy Françis, ho "Directeur du Bureau Communication et Actions Civilo-Militaires" eo anivon’ny Etamazaorin'ireo Tafika.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 529 tamin'ny aprily 2020 ary manendry ny Colonel RANDRIANIRINA Mamisoa Olivier, ho "Directeur du Bureau des Ressources Humaines" eo anivon’ny Etamazaorin'ireo Tafika.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Capitaine de Vaisseau RALAIARIVONY Harifidy Andrianjaka Alex, ho "Directeur du Centre Régional de Fusion d’Information Maritimes" (CRFIM).

    MINISITERAN'NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018- 301 tamin'ny 04 aprily 2018 ary manendry an'Atoa. RAKOTONAVALONA Ranary Robertson, ho Filoha Voalohan'ny Fitsarana an-Tampony.

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY SAMPANDRAHARAHAN'NY FANANANTANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 406 tamin'ny 07 aprily 2021 ary manendry an-dRamatoa RAFIDIMANANTSOA Lovanirina, ho "Directeur des Recherches et Développement du Fonds National Foncier" (FNF).
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 454 tamin'ny 21 aprily 2021 ary manendry an-dRamatoa RAJENARISON Iantefana Liantsoa, ho "Directeur de l’Orientation et du Suivi des Programmes du Fonds National Foncier"(FNF).

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1568 tamin'ny septambra 2019 ary manendry an'Atoa. RAJAOFERA Eugène, ho Lehiben'ny Distrikan'i Morafenobe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 299 tamin'ny martsa 2022 ary manendry an'Atoa. RALAVA Simon Christopher, ho Sekretera Jeneralin'ny Prefektioran'i Fenoarivo Atsinanana.

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 844 tamin'ny 29 joly 2020 ary manendry ny Commissaire Principal de Police RAKOTONDRAZAKA Michel, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Itasy

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAFANOMEZANTSOA Andriamampitazarasoloniaina Serge, ho "Directeur des Affaires Administratives et Financières de l’Institut National de Santé Publique et Communautaire" ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1237 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an'Atoa. VANONA Noelson Jean Christophe, ho Talem-paritry ny Asa Vaventy ao Sava.
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY SAMPANDRAHARAHAN'NY FANANANTANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 056 tamin'ny janoary 2022 manendry ny Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny sampandraharahan'ny fananan-tany ao Menabe.

Natao ny 3 aogositra 2022, 

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO