TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 27 jolay 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fanaovana tolo-bidy iraisam-pirenena hanamboarana ny pasipaorom-pirenena malagasy.

    Tapitra amin’ny taona 2023 mantsy ny fifanaraham-piarahamiasa naharitra 10 taona nataon’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny orinasa vahiny SEMLEX Europe S.A. izay nahazo ny tsenan’asam-panjakana taloha nanamboatra ny pasipaoro malagasy. Tamin’ny taona 2006 no natao io fifanaraham-piarahamiasa io, naharitra 9 taona izany tany am-piandohana, nitarina 10 taona fanampiny indray ny taona 2013, izay nirosoana rahateo tamin’ny fanaovana ny pasipaoro elektronika ho an’ny Repoblikan’i Madagasikara araka ny fenitra ankatoavin’ny sehatra iraisam-pirenena.

    Koa satria ho tapitra io fifanaraham-piarahamiasa amin’ny orinasa SEMLEX Europe S.A. io dia tsy maintsy hirosoana ny fanaovana tolo-bidy iraisam-pirenena vaovao hijerena izay orinasa vaovao hanamboatra indray ny pasipaoro eletronika malagasy manomboka ny taona 2023.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny tetikasan’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka ao anatin’ny « NPE » (Nouveaux Projets Emergents) izay hividianana “motos” miisa 76 hotsinjaraina amin’ireo Kaomisarian’ny Polisim-pirenena samihafa, entina hanamafisana ny fitandroana ny filaminana an-tanan-dehibe.

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny dingana fahatelo sy fahaefatra amin’ny fanarenana ireo sekolim-panjakana izay simban’ny rivodoza Batsirai, Emnati, Dumako ary Éloise nifanesy tamin’ny fiandohan’ny taona 2022.

    Ireo dingana ireo dia hiompana indrindra amin’ny fanarenana ny tafon’ireo sekoly mandritra ny fialan-tsasatry ny mpianatra. Ny faritra Amoron’i Mania, Atsimo Andrefana, Mahatsiatra Ambony ary Ihorombe no ho voakasiky ny dingana fahatelo.

    Ny dingana fahaefatra kosa dia mahakasika ny faritra Alaotra Mangoro, Analamanga, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Atsinanana, Betsiboka, Bongolava, Diana, Itasy, Melaky, Menabe, Sofia ary Vakinankaratra.

    Koa satria maika ny asa mila hatao mialohan’ny fidiran’ny mpianatra dia nomena alalana hividy ireo fitaovana fanamboaran-trano ilaina amin’ny alalan’ny fividianana mivantana eo amin’ny tsenanam-baro-panjakana na ny fifampiraharahana mivantana (gré à gré) ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena. Hotanterahina amin’ny alalan’ny Asa atalako vola na « HIMO » (Haute Intensité de Main d’œuvre) ny asa fanamboarana miaraka amin’ny tompon’andraikim-panjakana any amin’ireo faritra voakasika sy ireo fokonolona ifotony.

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana mikasika ireo bisikileta miisa 15.000 izay fanomezana avy amin’ny Governemanta Indiana.

    Ho tonga eto Madagasikara amin’ny 3 aogositra 2022 izao any amin’ny Seranan-tsambon’i Toamasina ireo bisikileta ireo ary hotsinjaraina amin’ireo mpampianatra amin’ny toerana lavitra na saro-dalana, indrindra ny any ambanivohitra.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY SAMPANDRAHARAHAN'NY FANANANTANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1124 tamin'ny 20 okotbra 2021 ary manendry an'Atoa. RANDRIANATOANDRO Solofoniaina, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny sampandraharahan'ny fananan-tany ao Vakinankaratra
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 702 tamin'ny 1 jolay 2020 ary manendry an'Atoa. RAFIDIMANANTSOA Tojoandry Tiana, ho "Directeur Général de l’Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d’Antananarivo" (A.P.I.P.A).

    MINISITERAN'NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray, ho "Directeur d’Appui et de Coordination des Centres Immatriculateurs".

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1117 tamin'ny 09 septambra 2020 ary manendry ny Commissaire de Police de Première Classe RABEARIVONY Maurice Joël, ho Talem-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Sava

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANAN'ASA, NY ASAM-PANJAKANA SY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1574 tamin'ny 25 novambra 2020 ary manendry an'Atoa. ANDRIAMIHAJA Henintsoa Voniharinaivo, ho "Directeur de la Base des Données de l’Office National de l’Emploi et de Formation" (ONEF)
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1175 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Atoa. RATOVO Dimbisoa Alain, ho Talem-paritry ny asa, ny fampananan'Asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy ao Atsinanana.

    MINISITERAN'NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1239 tamin'ny 06 jona 2019 ary manendry an'Atoa. RABEHAJARIJAONA Ndretsamanantsoa, ho "Directeur par intérim" ny Fonds LOVAKO « Loharano Otrika Vola ho An’ny Kolontsaina»
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RANJATONANTENAINA Toky Armel, ho Talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina ao Boeny.

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAJOHARISON Herilalaina Florin, ho Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena ao Vatovavy
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. TOMARIELSON Espérant, ho "Directeur du Centre Régional de Formation pour l’Océan Indien".

    MINISITERAN'NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAKOTONDRAVOLA Randrianiaina Justin Léonce, ho "Directeur des Instituts de Formation des Paramédicaux ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMATARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. ANDRIAMIARANTSOA Jhanard Marie Privat, ho "Directeur Général des Transports Terrestres" eo anivon’ny Ministeran’ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAJAONARY Sylvia, ho "Coordonnateur des Projets Emergents" eo anivon’ny Ministeran’ny angovo sy akoronafo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa DIEUDONNE Virgiana Dalia Soatsara, ho "Directeur d’Appui à l’Electrification Rurale" eo anivon’ny Ministeran’ny angovo sy akoronafo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAMANANTSOA ANDRIAMPANIRY Tovoniaina, ho "Directeur en charge des Grandes Infrastructures" eo anivon’ny Ministeran’ny angovo sy akoronafo.

    MINISITERAN'NY HAITAO SY NY ASA TANANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 734 tamin'y 18 may 2022 ary manendry an-dRamatoa RANDRIANANDRASANA Jeannette Bernadette, ho Talem-paritry ny haitao sy ny asa tanana ao Vatovavy
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RANDRIANARISOLO DIDIER France, ho Talem-paritry haitao sy ny asa tanana ao Fitovinany

    MINISITERAN'NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK'ASA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFIMANIRY Cléa Augustina, ho "Directeur de la Cellule Communication" eo anivon’ny Ministeran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak'asa.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-615 tamin'ny 09 jona 2021 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOBE Mirana Horthensia, ho "Responsable de l’Unité de Suivi des Activités Opérationnelles" eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon'ny tany sy loharanon-karena stratejika
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. MARC Sergio Clerc, ho "Responsable de l’Unité de Coordination, de Suivi-Evaluation et d’Analyse" eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon'ny tany sy loharanon-karena stratejika
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Atoa. RAFENOMANANTSOA Miza, ho "Responsable de l’Unité de d’Audit Interne" eo anivon’ny Ministeran’ny harena an-kibon'ny tany sy loharanon-karena stratejik

    MINISITERAN'NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1060 tamin'ny 26 aogositra 2020 ary manendry an'Atoa.RATSALAHAMANANA Drouot Thomassien, ho Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Androy
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-446 tamin'ny 30 martsa 2022 nanendry ny "Coordonnateur, Cheffe de l’Inspection Générale" eo anivon’ny Ministeran’ny Filaminam-bahoaka

Natao ny 27 jolay 2022, 

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO