TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 01 jona 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA + SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavina ny fangatahana famatsiam-bola ny famindran-toerana maika ireo fitaovam-piadiana sy ireo fitahirizana bala tao Imerintsiatosika.

    Nankatoavina ny fangatahana famatsiam-bola ny famindran-toerana maika ireo fitaovam-piadiana sy ireo fitahirizana bala tao Imerintsiatosika.
    Nanome ny toerana eo Tsimahabeomby Imerintsiatosika ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ho fanatanterahana ny tetikasa fananganana tanàna vaovao TANA MASOANDRO. Tsy maintsy afindra noho izany ny toerana fitahirizana bala tao amin’ny “Régiment d'Artillerie Lourde” (RAL) teo aloha.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanaovan-tsonia ny fifarahana mitondra fanovàna eo amin’ny fifanarahana ankapobeny eo amin’ireo firenena mpikambana eo anivon’ny « Comission de l’Océan Indien (Accord de Victoria révisé).

    Ny fanovàna izay nanaovana sonia moa dia miompana amin’ny fametrahana rafitra vaovao toy ny fivorian’ireo FIloham-panjakana sy Lehiben’ny Governemanta, ny Sekretera jeneraly lefitra sns. Isan’ny tanjona ihany koa ny fitondrana fivorana manraka ny toetr’andro ao anati’nity rafitra iraisam-pirenena ity.

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY SAMPANDRAHARAHAN’NY FANANAN-TANY

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanombohana ireo asa an-tanan-dehibe – Dingana voalohany ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasa « Projet de Développement Urbain Intégré et de Résilience (PRODUIR) ».

    Ho fanohizana ny fanatanterahana ny tetikasa PRODUIR izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena, dia tsy maintsy ho tratrarina ny tanjona hanatsara ny fari-piainana an-tanan-dehibe sy fahafaha-miatrika ireo tondra-drano eny amin’ireo faritra marefo sasany eto Antananarivo ary ny fanatsarana ny fahafahan’ireo mpisitraka miatrika krizy na hamehana.

    Ny dingana voalohany amin’ireo asa an-tanan-dehibe dia ny fananganana fotodrafitrasa miisa 206 ho tsinjaraina amin’ny Kaominina Renivohitra Antananarivo (boriboritana voalohany sy fahaefatra), sy ireo kaominina ambanivohitra miisa efatra dia Bemasoandro, Andranonahoatra Anosizato-Andrefana et larinarivo.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny « conférence des dirigeants de haut niveau sur le Dividende Démographique à Madagascar », izay ho tanterahina ny 20 jona 2022 eto Antananarivo.

    Nankatoavina ny fikarakarana ny Fivoriambe avo lenta mikasika ny "dividende démographique" na ny tombony ara-toekarena azo avy amin’ny fiovan'ny firafitry ny mponina, ny 20 jona 2022 eto Antananarivo.

    Tahaka ireo firenena afrikanina hafa, dia nanaiky ny hanatanteraka ny dingan’ny « Dividende démographique » i Madagasikara mba hahazoany ireo tombony ara-toekarena azo avy amin’ny fiovan’ny firafitry ny mponina. Io dingana io dia mahakasika ny fampiasam-bola amin’ny Fandrindram-piterahana, ny fanatsaràna ny fanabeazana sy ny fampiofanana matihanina hananana mpiasa mahay sy mahomby, sy ny fisian’ny tontolo ara-toekarena tsara sy tsena ara-bola ahazoana tombony. Dingana maro no efa vita, toy : ny famolavolana ny tondrozotram-pirenena, ny fanombohana izany tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny septambra 2019 sy ny latabatra boribory nataon’ireo minisitera fototra. Ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, izay tompon’andraikitra amin’ny fitarihana io dingana io miaraka amin’ny USAID HP+ sy ny UNFPA, dia mikarakara Fivoriambe avo lenta mitondra ny lohahevitra « Tombony ara-toekarena azo avy amin’ny fiovan'ny firafitry ny mponina : fanoitran’ny fampandrosoana an’i Madagasikara », ny 20 jona 2022 ao amin’ny Hotely Le Radisson BLU, Tana Water Front-Ambodivona, manomboka amin’ny 10 ora.

    Io fivoriambe io dia mikendry manokana ny fampiharana eto amin’ny firenena ny foto-kevitry ny « Dividende démographique », ny fanentanana ireo mpanapa-kevitra momba ny tombony ara-toekarena haterany, sy ny fampidirana ireo asa hita ao anaty ny tondrozotran’ny « Dividende démographique » ao amin’ireo fandaharan’asa isan-taonan’ireo Minisitera na « Programmes de Travail Annuel ».

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny tetiandro natolotry ny Minisitera ho an’ny taom-pianarana 2022-2023.

    Tapaka fa hanomboka 5 septambra 2022 izany taom-pianarana izany ary hifarana ny 23 jona 2023 ka haharitra 36 herinandro izay hitsinjara vanim-potoana na “période” miisa dimy (05).

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitera, ny fanadidina CEPE dia ho tanterahina ny 20 jona 2023, ary ny BEPC kosa dia hatao amin’ny 03, 04, 05 ary 06 jolay 2023.

    MINISITERAN’NY FAHASALAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fandraisana an-tananan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fandraisan’anjaran’ny Governemanta Malagasy amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an’ny Fahasalamana (OMS)

    Nankatoavina ny fampitana am-bava momba ny fanaovana ny aro-vava ao anatin’ny fiatrehana ny covid-19

    Hatramin’ny nidiran’ny valanaretina covid-19 teto Madagasikara ny volana martsa 2020 dia tsy nitsahatra ny fandalinana ireo antontan’isa mikasika ny fivoaran’izany valanaretina izany ary ireo antontan’isa ireo no niankinan’ireo fepetra napetraka mba hifehezana ny fipariahan’izany valanaretina izany. Ankehitriny dia mihena ny fifindran’ny valanaretina ka nahatonga ny fanalefahana ireo fepetra momba ny fanaovana aro-vava.

    Araka izany, dia tsy terena intsony ny fanaovana aro-vava amin’ireo hetsika rehetra atao an-kalamanjana.

    Etsy ankilana kosa dia TSY MAINTSY HAJAINA ny fanaovana ny aro-vava sy ny fampiharana ireo fepetra sakana amin’ireo toerana mihidy ka misy olona 200 na mihoatra ary koa any anatin’ny fitateram-bahoaka (taxi be, taxi brousse, fiaramanidina)

    Hiditra amin’ny vanim-potoanan’ny ririnina nefa i Madagasikara ankehitriny izay mampitombo ny fifindran’ireo aretin’ny taovam-pisefoana, koa tsy maintsy mitandrina isika amin’ny alalan’ny fanafamafisana ny hery fiarovana toy fampiasana ny CVO izay manampy amin’ny fiatrehana ny valanaretina . Eo ihany koa ny fanaovana vaksiny miaro amin’ireo aretin’ny taovam-pisefoana izay malalaka ny fisitrahana izany fa tsy an-tery.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavina ny fampahafantarana am-bava mifandraika amin’ny fanaovana sonia ny fifanarahana momba ny tetikasa COI-Madagascar, ny tetikasa HYDROMET-COI izay nahazo famatsiam-bola avy amin’ny AFD sy ny Vondrona Eoropeana ary ny “Fond vert pour le climat”.

    Ny COI no miandraikitra voalohany ireo tetikasa ireo ary anisan’ireo firenena 4 misitraka izany i Madagasikara. Noho io tetikasa, ny METEO MADAGASCAR dia afaka : manatsara ny rafi-pandinihina ny rano, ny vinavinam- pamantarana ny toetrandro ary ny toetrandro;manamafy ny famatsiany ny sampandrahara misahana ny toetrandro sy ny rafitra fanairana mialoha.

    Fankatoavana ny fangatahana fandraisan’ny fanjakana an-tanana ny asa fanamboarana maika eo anivon’ny tambazotran-dalamby mianatsimo nopotehan’ny rivodoza.

    Naato ny fampiasana ny zotra FCE taorian’ny fandalovana rivodoza nifanesy saingy nohon’ny maha-manan-danja an’io zotra io eo amin’ny lafiny toekarena, indrindra ho an’ny Faritra Matsiatra Ambony sy Fitovinany, sy ny maha-harem-bako-pirenena azy, dia ilaina ny manarina sy manamboatra azy. Koa satria lany tamin’ny fanokafana vonjimaika an’iny zotra iny ny vola teo am-pelan-tanana, dia mangataka ny minisitera ny mba handraisan’ny Fitondram-panjakana an-tanana ny fanamboarana sy fanarenana ireo simba nateraky ny rivo-doza tamin’io zotra io.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavina ny fangatahan’ny ministera ny mba handraisan’ny fanjakana an-tanana ny haba sy hetra tamin’ny fanafarana ireo fitaovana avy amin’ny JICA ho fampitaovana ny tetikasa Fy Vary/SATREPS.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavina ny fanomezan’ny Filohan’ny Repoblika “vedettes rapides” na sambo haingam-paneha miisa 7 tamin’ny fomba ofisialy, ho fanaraha-maso sy fijerena ireo asa fanjonoana eny amin’ireo morontsirak’i Madagasikara.

    Ireo sambo haingam-pandeha miisa 7 ireo dia hanampy ny Ivontoerana misahana ny fanaraha-maso ny jono na ny “Centre de Surveillance de la Pêche” (CSP) amin’ny fanarahana maso ireo morontsiraka hahitana asa fanjonoana be dia be tahaka an’i Nosy Be, Maroantsetra, Farafangana, Toliara, Maintirano, Beloha Androy ary Morondava. Toy izao manaraka izao ny asa andrasana amin’izany CSP izany :

    Fiatrehana ireo fanamby : jono tsy ara-dalàna na tsy nampahafantarina na tsy manaraka ny fenitra napetraka na tsy voafehy.

    Fanamafisana ireo asa fanaraha-maso sy fiambenana ireo morontsirak’i Madagasikara ary fitandroana ny fampanajana ireo fitsipi-dalàna mifehy ny sambo mpanjono sy ireo mpisehatra ao anatin’izany.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FAHADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavina ny fanomezana tetibola ho fanomanana ireo ny andiana faha-folo amin’ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny tanora eto Madagasikara (JMJ MADA X) izay ho tanterahina ao amin’ny Diosezin’Antsirabe ny 30 aogositra hatramin’ny septambra 2022

    Nankatoavina ny fanomezana tetibola ho fanatanterahana ireo tetikasa ny Filoham-pirenena momba ny fanamboarana “blocs sanitaires” miisa 7 ao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra

    Nankatoavina ny fandraisana an-tanana manokana ny ireo DTI an’ireo fitaovana tafiditra ao anatin’ny tetikasa RANOSOL ho fanatsarana ireo rafitra fampidirana rano fisotro madio ao amin’ny kaominina Andalatanosy, Antanimora ary Isoanala.

    Nankatoavina ny fandraisana an-tanana manokana ny ireo DTI ireo fitaovana sy entana milanja 1010kg ho fampandrosoana ny sehatra ny fanadiovana eto Madagasikara

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny handraisan'ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny fanonerana ny fakana tamin'ny alalan'ny fifanarahana nifanaovana tamin'Andriamatoa Richard DURAND, tompon'ny tany laharana 508-14-KT-1199 ao Sahamamy, Kaominina ambanivohitry Ranomafana Atsinanana, Distrikan'i Brickaville manamorona ny Lalam-pirenena faharoa.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavina ny fandraisana an-tanana ny GAP ny famatsiana ny fanombohana ny tetikasa fitaterana an-tariby

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1474 tamin’ny 22 desambra 2021 manambara ny fanafoanana ny andininy faha-60 ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2004-669 tamin’ny 13 jolay 2004 nampiharina tamin’ny fifanarahana natao ny 16 jona 2005 mikasika ny fanomezan-dàlana ampahibemaso ny fampiasàna ny toby misy ireo kaontenera ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Noraisina ny didim-panjakana manambara ho tombontsoan’ny daholobe ireo asa fanamboarana ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Ilafy, ao amin’ny Faritra Analamanga sy ny fakàna, noho ny tomboatsoam-bahoaka, ireo ampahan-tany sy/na trano voakasiky ny asa, amin‘ny alalan’ny fifanarahana na amin’ny alalan’ny fahefam-panjakana.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-393 tamin’ny 04 aprily 2020 ary manendry ny Colonel RAKOTONINDRIANA David Rolland, ho « Directeur du Bureau de Garnison de la Place d’Antananarivo ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-045 tamin’ny 13 janoary 2021 ary manendry ny Général de Brigade Aérienne SOLO ANDRIANANTENAINA Angélitto, ho « Inspecteur Général Adjoint auprès de l’Inspection Générale des Armées ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Contre-Amiral VAOHAVY ANDRIAMBELONARIVO Andasy, ho «Inspecteur auprès de l’Inspection Générale des Armées ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade RAKOTONANDRASANA René Bruno, ho Inspecteur Général Adjoint auprès de l’Inspection Générale des Armées.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Colonel JAONASY Autrick, ho « Inspecteur auprès de l’Inspection Générale des Armées ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Médecin-Colonel ZAFITASONDRY RANOELISON Marcellin Manantenasoa, ho « Inspecteur auprès de l’Inspection Générale des Armées ».

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 743 tamin’ny 17 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RASOLONANAHARY Vololoniaina, ho « Coordonnateur du Contrôle des Juridictions et des Etablissements Pénitentiaires » eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’ BARAKA Jean Arnaud, ho « Chef de la Cellule d’Audit Interne » eo anivon’ny Minisiteran’ny fitsarana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2028- 604 ary manendry an’Atoa. RAZAFINJATOVO Meloniaina Herizo, ho “Directeur de la Promotion de l’Intégrité » eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. BEGARA Etienne, ho « Directeur de la Promotion de la Productivité des Camps Pénaux » eo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana
    • Noraisina ny dididim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1199 tamin’ny 23 septambra 2020 ary manendry an-dRamatoa PILAZA Raymangela, ho « Régional de l’Administration Pénitentiaire » any amin’ireo Faritra Vatovavy sy Fitovinany

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY SAMPANDRAHARAHAN’NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 243 tamin’ny 23 febroary 2022 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONIARY Tsaroana Harizay, ho Directeur de la Réforme et de Modernisation Foncières
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faga 2021- 969 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOBE LYDSON Mamin’Ny Aina, ho Directeur des Domaines et de la Propriété Foncières

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA ARY NY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. FARALAHY Drouot Andry, ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary lalana sosialy

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-908 tamin’ny 12 aogositra 2020 ary manendry an-dRamatoa RABETRENA Tantely Hasina, ho Directeur de la Promotion des Loisirs (DPL), eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-455 tamin’ny 21 aprily 2021 ary manendry an’Atoa. RAZAFITSALAMA Auguste, ho « Directeur des Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZANAJATOVO TIANALISOA Lauriane, ho Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FAHADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. ANDRIAVELOJAONA NIRINA Luciano Elhy de Princy, ho Directeur Général, par intérim, de l’Autorité Nationale de l’Eau et de l’Assainissement (ANDEA).

     

  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1624 tamin’ny 02 desambra 2020 ary nanendry ny Talen’ny arofenitra eo anivon’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny.

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1318 tamin’ny 24 novambra 2021 nanendry ny “Directeur de la Cellule Anti-Corruption”

    MINISITERAN’NY FAHASALAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1567 tamin’ny 25 novambra 2015 ary nanendry ny “Directeur des Affaires Administratives et Financières de l’institut National de Santé Publique et Communautaire » ny Minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FAHADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-557 tamin’ny 19 may 2021 ary nanendry Directeur Général de l’Autorité Nationale de l’Eau et de l’Assainissement (ANDEA).

    MINISITERAN’NY ASA TANANA SY NY HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana laharana faha 2022-262 tamin’ny 23 febroary 2022 ary nanendry ny Directeur Administratif et Financier eo anivon'ny Ministeran'ny Asa sy ny Haitao.

     

Natao ny 01 jona 2022

Ny Fitaleavan’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika