TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 25 may 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fanafoanan-ketra amin’ny famoahana kaontenera miisa roa misy ireo fitaovana hamitàna ny Grand Séminaire an’i Toamasina.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny handraisan’ny fanjakana an-tànana ny DTI amin’ny fanafarana hazavana mandravaka (décorations lumineuses) amina baoritra miisa 852.

    Nankatoavina ny fampitàna am-bava mikasika ny drafitr’asa fampiharana ireo tolo-kevitry ny Fitsarana momba ny Kaonty, izay mifandraika amin’ireo fandaniana natao tamin’ny ady amin’ny valan’aretina Covid 19.

    Taorian’ny fitsirihana nataon’ny Fitsarana momba ny Kaonty mahakasika ireo lafin-javatra efatra niatrehana ny COVID-19, dia ny lalam-bola, ny tsenam-baro-panjakana, ireo fepetra vonjimaika ara-tsosialy sy ireo fepetra fandaminana, ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia hametraka drafitr’asa sy fanaovazana araka ny tolo-kevitra azo avy amin’io fitsirihana io.

    Efa voaomana izany drafitr’asa izany, izay efa niaraha-nidinika tamin’ny Sampana Mpanara-maso ny Fanavaozana ny Fitantanam-bolam-panjakana, ahitana ireo Rafitra mpanara-maso (Fitsarana momba ny Kaonty, CDBF, IGE), SAMIFIN, Minisiteran’ny Fitsarana, ireo Minisitera ara-tsoasialy.

    Io drafitra io dia mamaritra ny asa laharam-pahamehana azo atao ao anaty ny fohy sy antonona ezaka, mifantoka indrindra amin’ny fametrahana na fanitsiana ireo didim-panjakana sy boky toro-lalana, ireo hetsika fanentanana, fanapariahana sy fampiofanana, sy ny fanatsaràna ireo fomba fiasa sy rafitra misy.

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    Nankatoavina ny fampiantranoana ny Tompondakan’i Afrika ho an’ireo latsaky ny 18 taona, sokajy lahy sy vavy « U18 Men and Women 2022 » sy ny fandoavana ireo saran’ny fandraisana ny fifaninana (droits d’attribution).

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavina ny fananganana ny Orikesitra nasionaly malagasy voalohany, mitondra ny anarana hoe : « VOA’ART – National orchestra of Madagascar”.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny handraisan’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola an-tanana ny fandraisana anjara ny Governemanta malagasy amin’ny « Nouveau Modèle de Financement » (NMF3) an’ny « Fonds Mondial ».

    Ny “Fonds Mondial” dia fiaraha-miasa natao hanafainganana ny fanafoanana tanteraka ny valan’aretina SIDA, raboka ary tazomoka. Ny taona 2018 hatramin’ny 2020, dia nahazo vola fanampiana mitentina 101,2 tapitrisa dolara i Madagasikara ary 88,8 tapitrisa dolara kosa ho an’ny taona 2021 hatramin’ny 2023 tamin’ny alalàn’ny NMF3 mba iantohana an’ireo hetsika rehetra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    Taorian’ny fanambaràna nataon’ Andriamatoa Filoham-pirenena tany Lyon ny taona 2019, ny Fanjakana Malagasy dia tapa-kevitra ny hitondra ny anjara birikiny, izay mitentina 1.000.000 tapitrisa dolara ao amin’ny “Fonds Mondial” mba entina hanampiana amin’ny fanatanterahana izany ady atao amin’ ny valan’aretina izany.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavina ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ireo DTI amin’ny fahatongavan’ireo fitaovana fanampiny ilaina amin’ny fametrahana ny faritra fihazakazahana vita amin’ny Tartan na « Piste d’athlétisme en tartan » ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA TOETRANDRO

    Noraisina ny didim-panjakana manova ny didim-panjakana laharana faha 2022- 440 tamin’ny 30 martsa 2022 izay manambara ny maha tombontsoan’ny daholobe ny fanamboarana sy ny fanarenana ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’ny “trains urbains” na eto Antananarivo, manomboka eo amin’ny Soarano PK 0 mankany Ambohimanambola PK 12 (Corridor Sud).

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavina ny didim-panjakana manambara ny maha tombontsoan’ny daholobe ny asa fanamboarana sy ny fanarenana ny RN secondaire 43 mampitohy an’i « Faratsiho – Sambaina ; Ambohibary – Ampetsapetsa » ka afaka maka ny tany na fanorenana voakasik’ireo ny asa fanamboarana ireo na amin’ny fifampiraharahana na amin’ny fanesorana noho ny tombontsoan’ny daholobe.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny didim-panjakana manambara ny maha tombontsoan’ny daholobe ny asa fanamboarana sy ny fanarenana ny RN44 sy RNT12A, ireo lalan-kely mifandraika amin’izany, ny fanorenana ny tetezana miisa roa ao Manambondro sy Amboenato hita ao amin’ny RNT12A, ny fanorenana toerana fandanjana fiara miisa roa eo amin’ny RN44 izay mamaritra ny fomba enti-manatanteraka ny PAR na ny Plan d’Action de Réinstallation izay entina mamaha izay mety ho fitohanana haterak’ireo asa notanisaina ireo.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY SAMPANDRAHARAHAN’NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 905 tamin’ny 08 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAMBININTSOA Lalao Berthe, ho « Directeur des Affaires Juridiques » eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny sampandraharahan’ny fananan-tany
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1120 tamin’ny 20 oktobra 2021 ary manendry an’Atoa.RAMASIMBAMALAZA Olivier José Michel, ho « Directeur des Services Topographiques » eo anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny sampandraharahan’ny fananan-tany.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 260 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RANJAVOLOLONA Julie Claudette, ho « Directeur Général de l’Autorité de Régulation des Marchés Publics » ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2006- 792 tamin’ny 19 okotobra 2006 ary manendry an-dRamatoa RAHARINIAINA Angélinà, ho « Président du Comité de Réglementation et de Recours auprès de l’Autorité de Régulation des Marchés Publics » ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017- 651 tamin’ny 10 jolay 2007 ary manendry an’Atoa JAONASY Anivosoa, ho « Directeur de l’Audit Interne auprès de l’Autorité de Régulation des Marchés Publics » ny minisiteran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa RABETAHINA Pascal Pierrot, ho Tale Jeneralin’ny Fitsinjaram-pahefana ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana.

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa BEHAJAINA Cathy Milena, ho Talem-paritry ny Fizahantany any Atsinanana

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo « Responsables de Domaines » (Doyens de Faculté, Directeurs d’Ecole et/ou Institut) an’ny Oniversite an’Antananarivo
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo « Responsables de Domaines » (Doyens de Faculté, Directeurs d’Ecole et/ou Institut) an’ny Oniversite Antsiranana
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo « Responsables de Domaines » (Doyens de Faculté, Directeurs d’Ecole et/ou Institut) an’ny Oniversite Mahajanga
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo « Responsables de Domaines » (Doyens de Faculté, Directeurs d’Ecole et/ou Institut) an’ny Oniversite Toamasina
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo « Responsables de Domaines » (Doyens de Faculté, Directeurs d’Ecole et/ou Institut) an’ny Oniversite Fianarantsoa
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ireo « Responsables de Domaines » (Doyens de Faculté, Directeurs d’Ecole et/ou Institut) an’ny Oniversite Toliara

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1240 tamin’ny 10 novambra 2021 ary manendry an’BOTO ZAFIMANDIMBY Arson, ho Talem-paritry ny asa vaventy any Itasy.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA TEKNINA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

    • Noraisina ny didim-panjakana laharana faha 2021-370 tamin’ny 31 martsa 2021 ary manendry an’Atoa.RAKOTOARISON Gildas, ho talem-paritry ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa ao Boeny

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. ANDRIANIRINA Harinaivo Fanomezantsoa, ho « Directeur de l’Unité de Lutte contre la Corruption » eo anivon’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa.RANDRIANANTENAINA Fenohery Rarivoarivelo, ho « Coordinateur Général de l’Organe de Coordination des actions stratégiques de la Diplomatie Verte et des Organisme Rattachés » eo anivon’ny Minisiteran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy

     

  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY SAMPANDRAHARAHAN’NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1083 tamin’ny 13 okotbra 2021 ary manendry ny « Directeur des Ressource Humaines » anivon’ny minisiteran’ny fanajariana ny tany sy ny sampandraharahan’ny fananan-tany

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 983 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry ny « Directeur de Ressources Humaines » ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA SIANTIFIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 1689 tamin’ny 09 desambra 2020 ary manendry ny « Directeur du Centre Régional des Œuvres Universitaires d’Antananarivo” (CROUA).

    Taorian'ity Filankevitry ny Minisitra izay notanterahina teny amin'ny Lapampanjakana Iavoloha ity dia nihazo avy hatrany ny Emirats Arabes Unis ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA hanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy any amin'ity firenena ity. Ny Filoha Malagasy moa dia anisan'ireo vahiny manan-kaja voaasa manokana handray anjara amin'ny Fihaonam-be iraisam-pirenena arahina fampiratiana ireo haitao ara-kajy mirindra mifandraika amin'ny toekarena nomerika izay hotanterahina any an-toerana. Ankoatra ny fihaonana amin’ireo tompon’andraikim-panjakana ambony any an-toerana dia tafiditra ao anatin'ny fandaharam-potoanan'ny Filoham-pirenena ihany koa ny fifampidinihana amin'ireo mpandraharaha ara-toekarena maro avy amin'ny sehatra samihafa.

Natao ny 25 may 2022

Ny Fitaleavan’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika