TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 18 may 2022 – Lapam-panjakana Iavoloha

 

Notanterahina androany ny Filankevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fanafoanan-ketra amin’ny fanafarana fonosana miisa 11 ahitana fitaovana, ho an’ny ivontoeram-pitsaboana LE BON SAMARITAIN, izay misehatra sy miasa ho an’ny vahoaka sahirana sy marefo.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fandaharan’asa-panatanterahana ireo « Nouveaux projets d’Emergence » an’ity Minisitera ity ho an’ny fahazoana fitaovam-pitaterana na « matériels roulants ».

    Ireo fitaovam-pitaterana ireo dia natokana ho an’ireo fitalevam-paritry ny Filaminam-bahoaka ao Miandrivazo – Belo Tsiribihina – Manja – Morafenobe – Maintirano - Farafangana – Ampanihy – Morombe – Betroka – Antsalova – Mahabo – Ambatofinandrahana-Andilamena – Ankazoabo – Beroroha - Bealanana - Tanambao Manampotsy – Morondava – Maevatanàna - Toliary - Tsiroanomandidy.

    Nankatoavina ireo fandaharan’asam-panatanterahana ireo « Nouveaux Projets d’Emergence » an’ity minisitera ity ho an’ny fahazoana fitaovam-pitaterana (matériels roulants) mba ahafahana mampandeha sy mampiodina ireo kaomisarian’ny Filaminam-bahoaka, araka ny fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika, dia ireo kaomisaria any Ankazobe – Benenitra – Mandritsara – Ikongo - Tsaratanàna ary Antsiranana.

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

    Nankatoavina sy nomena alalana ny fanorenana kianja mitafo mahazaka olona 4 000 isa ao Mahajanga, eo amin’ny ampahan’ny arabe anelanelan’ny toeram-panorenana sy ny Lycée Philibert TSIRANANA, sy ny fanomezana ireo fotodrafitrasa fanorenana ho an’ny Fikambanana « Tennis Club de Mahajanga .

    Ny fanorenana io kianja mitafo ahitana toerana 4000 isa io eo amin’ilay ampahan-dalana voakasiky ny tetikasa, mifanaraka amin'ny drafitra nohamarinin'ny mpitantana ny tetikasa sy ny fanakatonana azy vonjimaika, dia hiantoka ny fiarovana ny toeram-panorenana ary koa ny fanomezana an’ny TCM ireo kianja fanaovana tenisy vaovao sy ny trano vaovao fanonerana.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavina ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra tambatra amin’ny fanafarana fitaovana sy fampitaovana nataon’ny « Agence de Coopération Internationale (JICA) ho an’ny Tetikasa PAPRIZ III.

    Nankatoavina ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny hetra tambatra amin’ny fanafarana fitaovana sy fampitaovana ary kojakoja fanaovana fitiliana an’ny « Laboratoire National de Diagnostic Vétérinaire » (LNDV).

    Ny « Laboratoire National de Diagnostic Vétérinaire », sampan-draharaha iray eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, dia misahana ny fitiliana ny aretin’ny biby eto amin’ny firenena. Izy io dia nisitraka ny Tetikasa « MAG 5028 : Developping food safety laboratory capabilities », mandritra ny 2022-2023, izay mikendry ny hanamafisana ny fahaiza-manaon’io ivo-pitiliana io amin’ny fikarohana ireo sisam-panafodim-biby any anaty ny sakafo, mba hiantohana ny fiarovana ara-pahadiovana

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY + MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    Nankatoavina ny hikarakarana ny Fihaonambem-pirenena momba ny fambolena sy fiompiana, ny 16,17 ary 18 jona 2022 ao amin’ny Centre de Conférence Internationale (CCI) Ivato.

    Ao anatin’ny tanjona lehibe ho fampiroboroboana ny fampiasam-bola eo amin’ny sehatry ny Agri-business, io Fihaonambem-pirenena io dia mikendry ny :

    - Hampifandray ireo tompon-tany (olona na fikambanana) amin’ireo mpampiasa vola eto an-toerana;

    - Hamolavola sy hametraka ireo tetikasa fampiasam-bola ho an’ny tany tsirairay efa fantatra ary indrindra ny fampivondronana ara-pambolena amin’ny tanim-panjakana ; 

    - Hamorona asa, indrindra ho an’ny tanora, amin’ny alalan’ny fampiharana ny rafitra « Titra maitso ».

    Hisy karazany efatra ireo mpandray anjara amin’io fihaonambem-pirenene io : ireo mpandraharaha ara-toekarena, ireo tompon-tany na ireo mpitarika tetikasa, ireo mpividy ny vokatra ary ireo mpamokatra na vondrona mpamokatra.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoavina ny fampitàna am-bava momba ny fanaovana maoderina ny Paositra Malagasy sy ny fananganana bankin’ny Paositra.

    Izany dia mifanandrify amin’ny Velirano faha 11 nataon’ny Filohan’ny Repoblika, ny haha maoderina an’i Madagasikara, amin’ny fanomezana ainga vaovao ny tontolo ara-tsosialy sy ara-toekarena sy ny fomba fitantanana ny firenena.

    Ho fanarahan-dalàna, ary indrindra andaniny, mba hampaharitra ny fandaharan’asan’ny Fanjakana izay mifototra amin’ny karatra e-Poketra, sy ankilany, hanamarinana ny rafitra fiasa ara-drafitra sy ny fanitarana ny Paositra Malagasy, ho fiantohana vokatra ara-toekarena sy ara-tsosialy ambony indrindra, amin’ny lafiny laza indrindra indrindra, dia tsy azo ihodivirana intsony ankehitriny ny fametrahana fanovàna eo anivon’ny Paositra.

    Ny Paositra Malagasy ankehitriny dia homena endrika sy rafitra ara-dalàna, hiantoka ny fahafahany manatanteraka ireo asa fototra napetraka aminy. Hisy ny fananganana orinasa hiankina aminy, manaraka ny fenitra takian’ny lalàna sy ny fitsipika manan-kery. Io orinasa io dia hanatanteraka ny asana banky.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny fahazoana fitaovam-pitaterana ho an’ny Zandarimariam- pirenena (fiara pick-up miisa 10).

    Ireo vondron’ny Zandarimaria misandrahaka any anivon’ny faritra 23 no hisitraka ireo fiara ireo, izay hozaraina eny anivon’ireo « Centres Spéciaux d'Aguerrissement Opérationnel » (CSAO) miisa 08 avy natsangana vao haingana. Hahazo ny anjarany amin’izany ihany koa ireo Vondrona fototra any amin’ireo faritry ny Zandarimariam-pirenena.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny didim-panjakana manendry ny « Administrateur non-exécutif » an’ny Banky Foiben’i Madagasikara avy amin’ny Antenimieran-doholona.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny volavolan-dalàna manome alalana ny fankatoavana ny fifanarahana fampindramam-bola mifandraika amin’ny famatsiana vola ny tetikasa fiomanana amin’ny valan’aretina sy fanomezana tolotra fahasalamana fototra, izay nifanaovan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny « Association Internationale de Développement » (IDA) tamin’ny 18 aprily 2022.

    Ho fiatrehana ny valan’aretina toy ny Covid-19 sy ny fihanaky ny areti-mifindra, ny Governemanta malagasy dia nahazo fanohanana ara-bola avy amin’ny « Association Internationale de Développement », tamin’ny alalan’ny famatsiam-bola mitentina 72 000 000 DTS (fanomezana ny 36 000 000 DTS ary fampindramam-bola ny 36 000 000 DTS), izany hoe 100 800 000 USD (fanomezana ny 50 400 000 USD ary fampindramam-bola ny 50 400 000 USD).

    Tanjon’izany ny hanamafisana ny fahaiza-manao eo amin’ny samy sehatra mba hisian’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanaraha-maso ireo aretina sy hiatrehana ireo valan’aretina ary hanatsaràna ny fampiasàna ireo tolotra ara-pahasalamana tena ilaina.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY NY SAMPANDRAHARAHA NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 968 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an’Atoa. TANDRA Hyacinth Hermann, ho “Directeur de l’Audit Interne” eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Sampandraharan’ny Fananan-tany

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RABARIVELO Sedera Tianamitandrina, ho « Directeur des Systèmes d’Information auprès de l’Autorité de Régulation des Marchés Publics » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015- 1427 tamin’ny 24 oktobra 2015 ary manendry an-dRamatoa DANAHY Dama Flavelle, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Prefektioran’i Toamasina.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa RANDRIAMIALISON Tsimbazafy Yvon, ho « Directeur de l’Audit Interne et de la Lutte Anti-Corruption » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. BARIVELO Danny, ho « Directeur de la Valorisation des Produits Touristiques » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahantany.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. LAHIANDRY Manampisoa, ho Tale Iraisam-paritry ny Fizahantany any Anosy – Androy eo anivon’ny Minisiteran’ny Fizahantany.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1046 tamin’ny 06 oktobra 2021 ary manendry an-dRamatoa FIDIHELINOSY Vonimalalaniaina Hasina, ho « Directeur de la Planification et du Suivi Evaluation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famatarana ny Toetrandro.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1087 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary manendry an’Atoa. RANDRIANASOLO Jean Patrick, ho « Directeur Général des Transports Maritime, Fluvial et Aérien » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famatarana ny Toetrandro.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIANARIVO Iravaka Helitiana, ho « Directeur des Transports Ferroviaires » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1238 tamin’ny 08 desambra 2021 ary manendry an’Atoa. SOLOFONIAINA Nomenjanahary, ho Talem-paritry ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ao Amoron’i Mania
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RANAIVOSOA Peterson Leonardo, ho « Directeur des Etudes et de l’Evaluation Environnementale » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 094 tamin’ny 27 janoary 2021 ary manendry an’Atoa. KOFOKY Christian Félix, Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana ao Bongolava.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 857 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARIZAFY Anjara Tongasoa Mirana, ho Talem-paritryny Fambolena sy Fiompiana ao Betsiboka.

    MINISITERAN’NY ASA TANANA SY NY HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Atoa. RANDRIANASOLO Didier France, ho Talem-paritry ny Asa Tanana sy ny Haitao ao Vatovavy

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 1976 tamin’ny 16 oktobra 2019 ary manendry ny Général de Brigade RALAIVAONARY Andrianoasy D’y la Paix, ho « Directeur de la Gestion du Personnel » eo anivon’ny Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 585 tamin’ny 26 may 2021 nanendry ny « Directeur du Centre Régional de Formation pour l’Océan Indien » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Natao ny 18 may 2022

Ny Fitaleavan’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika