IREO TEBOKA LEHIBE tsara tsiahivina

NANDRITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA VOALOHANY

natrehin’ireo MPIKAMBANA VAOVAO ao amin’ny GOVERNEMANTA

TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 16 MARTSA 2022

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA VOALOHANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- Mikasika ny GOVERNEMANTA VAOVAO

    Tontosa soa aman-tsara ny fametrahana ireo mpikambana vaovao mandrafitra ny Governemanta. Nahazo Minisitra vaovao :

    -Ny minisiteran’ny Fitsarana dia Atoa RAKOTOZAFY François.

    -Ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny dia Atoa RANDRIAMANDRATO Richard

    -Ny Ministeran’ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana dia Atoa TOKELY Justin

    -Ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny sampandraharaha misahana ny fananantany dia Atoa Pierre Holder RAMAHOLIMASY

    -Ny minisiteran’ny harena ankibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika dia Atoa RAKOTOMALALA Herindrainy

    -Ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro Atoa RANJATOELINA Roland

    -Ny Ministeran’ny tanora sy ny fanatanjahantena: Atoa RAHAROARILALA Tinoka Roberto

    -Ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy dia Ramatoa VINA Marie-Orléa

    -Ary ny Ministeran’ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana dia Atoa RAVOKATRA Fidy

    Manohy misahana ny ministera niandraiketan’izy ireo teo aloha kosa ireo Ministra 21 ambiny. 

  • II- FILANKEVITRY ny MINISITRA VOALOHANY

    -IREO HAFATRA MAFONJA sy TOROMARIKA avy amin’ny FILOHAM-PIRENENA

    Niatrika ny Filankevitry ny minisitra voalohany ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta vao avy notendrena, niaraka tamin’ireo mpikambana hafa voatazona amin’ny toerany. Naneho ny fisaorana sy ny fankasitrahana ireo mpikambana tao anatin’ny governemanta teo aloha tamin’ny asa vitan’izy ireo ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ary niarahaba ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta ankehitriny.

    Nandritra io fotoana io ihany koa no nampitan’ny Filoham-pirenena tamin’ireo mpikambana rehetra mandrafitra ny governemanta, ireo toromarika samihafa mifandraika :

     - Amin’ny fitondran-tena mendrika tokony hananan’izy ireo eny amin’ny fiarahamonina sy manoloana ny vahoaka, amin’ny maha-tompon’andraikitra ambony azy ireo eto amin’ny Firenena. Nomarihiny tamin’izany ny fahaizana mandanjalanja ny teny ambara sy ny fihetsika, fa indrindra ny fitondran-tena mahitsy na « intégrité ».

    - Nampahatsiahivin’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tamin’ireo minisitra ihany koa ireo fanamby maro sy mafy mbola miandry azy ireo sy ny tokony hisikinan’izy ireo hery, fahavitrihana ary fahavononana feno, manoloana izany, ahafahana manatanteraka ireo vina fampandrosoana voafaritra ao anatin’ny velirano nifanaovana tamin’ny vahoaka malagasy.

    -Ny « Contrat programme » no rohy mampifamatotra ny mpitondra amin’ireto tompon’andraikitra vaovao ireto

    Koa nanteriny tamin’izany ny tsy maintsy hiasana miaraka, tsara sy mafy ary haingana ho fampandrosoana ny Firenena. Ny asa ataon’ny tsirairay dia tokony hisy vokatra mivaingana, azo refesina sy mipaka amin’ny andavanandron’ny mponina, no sady mamaly ny filan’ny vahoaka sy ny firenena. Mila mamaha olana sy mitondra vahaolana mitombona sy mamaly ny filan’ny mponina izy ireo. Tsy tokony hisy ny andraso andraso satria tsy afaka miandry izay variana na taraiky ny Firenena, indrindra ny vahoaka.

    -Farany dia notsipihan’ny Filoham-pirenena mazava tsara « Ny fahombiazan’ny iraka nampanaovina no zava dehibe fa tsy ny fandehanana manatanteraka ilay iraka fotsiny »

    -Fampahafantarana ny Politika ankapoben'ny Fanjakana na « Politique générale de l’Etat (P.G.E)

    Nandritra ity fivoriana ity no nampatsiahivan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA indray ny vina sy ny laharam-pahamehana voarakitra ao anatin'ny Politika ankapoben'ny Fitondram-panjakana na ny "PGE" izay mifanindran-dalana amin’ny fanatanterahana ny VELIRANO 13 mba ahafahana manatratra ny Fampandrosoana hositrahan'ny Malagasy rehetra. Ny fanatanterahana ireo Velirano izay nifanaovan'ny Filoham-pirenena tamin'ny vahoaka Malagasy ireo no tanjona tratrarina ao anatin'ny fotoana fohy.

    Ny Politika ankapoben'ny Fitondrana dia mikendry ny famadihana ho asa sy vokatra azo tsapain-tanana ireo fampanantenana natao tamin'ny vahoaka.

    Nankahery sy nirary soa sy fahombiazana ary nitso-drano ireto mpikambana ato amin’ny governemanta izay tarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian ireto ny Filoham-pirenena mba ahaleo ahalasana ka ahita fahombiazana amin’ny fanatanterahana izao asa goavana sy andraikitra lehibe izao. Nofaranany tamin’ny fampahatsiahivana fa miandrandra sy manantena fanovana maro sy lehibe sy fampandrosoana ny firenena ary fanatsarana ny andavanandrony ireo vahoaka nifidy sy nametraka ny fitokisany tamin’ireo tompon’andraikitra rehetra

Natao teto amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha

Ny Sampandraharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny daholobe