TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 30 MARTSA 2022

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, ny VAROTRA sy ny FANJIFANA

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mifandraika amin’ny hirosoan’ny Minisitera amin’ny hanatanterahana fanka-kevitra amin’ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny fanafarana sy fivarotana ireo entana ilaina andavanandro. Hisy ny fepetra ho raisina hamerana ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro, aorian’ny fivoriana maika izay hotanterahana io.

    Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny fisondrotry ny vidim-piainana dia vokatry ny fiakaran’ny « frêt maritime », ny fisondrotry ny vidin-tsolika, ny fitotongan’ny famokarana eran-tany, ny firenena mpamokatra tsy mamoaka intsony ny entana vokariny fa mitahiry izany ary ny voka-dratsin’ny krizy iraisam-pirenena any Ukraine.

    Eo amin'ny sehatra nasionaly dia eo ny fiantraikan'ny krizy ara-pahasalamana, ny fahapotehan'ny lalana vokatry ny nandalovan’ny rivodoza farany teo, ny tsy fahampian'ny famokarana eto an-toerana izay niteraka toe-tsaina mampidangana ny vidin’entana teo amin'ireo mpisehatra ara-barotra ary ny fanodinkodinana ny vidin'ny vidiny eny an-tsena.

    Ho entitra ny fanaraha-maso izay mety endrika fanararaotana ny fampiakarana ny vidin’ny entana tsy mifanaraka amin’ny tolotra sy tinady.

    Araka izany, ny Lalàna laharana 2018-020 manitsy ny Lalàna momba ny Fifaninanana dia manome ao amin’ny andininy faha-2, andalana faha-4 sy faha-5, ny fandraisana fepetra vonjimaika ataon’ny Governemanta raha misy toe-javatra toy ny ampihimamba, fahasahiranana maharitra amin’ny famatsiana, na toe-javatra miavaka.

    Arak’izany dia hisy fepetra vonjy maika mila raisina sy azo ampiharina aorian’ny « concertation » na ny fivoriana lehibe miaraka amin’ireo mpandraharaha na « opérateurs » mpamokatra industriels/ Producteurs, ny mpanafatra na importateurs ahafahana miroso amin’ny fanaovana « plafonnement » na famerana ny vidin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireo na ny PPN mba hitsinjovana ny fiainana andavanandron’ny vahoaka.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fepetra ara-pahasalamana mifandraika amin’ny fidirana eto Madagasikara ka tsy maintsy manao « Test TDR antigénique » avokoa ireo mpandeha rehetra tonga eto Madagasikara. Tsy misy intsony ihany koa ny fepetra tsy maintsy hanaovana « confinement » any amin’ireo hotely afa-tsy ireo izay manana valina « Test positif »

    Marihina fa eo am-piondranana mankaty Madagasikara dia mbola tsy maintsy manao Test PCR ka tokony manana valiny « négatif » vao afaka miditra eto amin’ny Nosy ireo mpandeha.

    Ireo mpandeha manana valim-pitiliana miiba dia afaka mody any amin'ny tranony na mipetraka amin’ny toerana fandraisam-bahiny. Ireo mpandeha manana valim-pitiliana miabo kosa dia hijanona ao amin'ny trano fandraisam-bahiny na ivon-toeram-pitsaboana voatokana, ankatoavin’ny Fanjakana Malagasy mandritra ny 7 andro fara-fahakeliny mandra-pahazoana valim-pitiliana miiba amin’ny fitiliana

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mifandraika amin’ny fahavitan’ny asa fanamboarana sy fandrakofana tara na « bitumage » ny Lalam-pirenena faha 44 na RN 44, eo amin’ny ampahany Marovoay (PK 20+000)– Amboasary (PK 60+000), amin’ny lalam-pirenena faha-12 na RN 12 eo amin’ny ampahany Vohipeno (PK 185+ 700) ( Carrière) – Farafangana (PK 206+745) sy ny RN 4a, « Route des Œufs » mampitohy ny kaominina ambanivohitra Mahitsy, Mahazaza ary Ampanotokana ao amin’ny distrikan’Ambohidratrimo.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA+ MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM- BOLA+ NY MINISITERAN'NY FIZAHANTANY, NY MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA, NY MINISITERAN’NY FITATERANA sy ny FAMANTARANA NY TOETRANDRO + ny MINISITERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny handraisana fepetra fampidinana ny saran’ny fitaterana an’habakabaka miala na tonga eto Madagasikara sy fepetra ahafahana manafoana ireo fanondranana antsokosoko eny anivon’ny seranam-piaramanidina.

    - Tapaka fa hampitomboana ny isan’ny sidina mampitohy an’Antananarivo sy Parisy mba hampidinana ny saran’ny fitaterana.

    - Hosokafana ihany koa ny sidina miaraka amin’ny Turkish Airlines mampitohy an’Antananarivo sy Turquie na mampitohy an’Antananarivo sy Parisy ary mandalo an’i Turquie.

    - Hisokatra ny sidina mampitohy an’i « La Réunion -Toamasina/ La Réunion-Nosy-Be / La Réunion-Tana » Ary hampitomboana ny isan’ny sidina mba hampihena ny saran-dalana.

    - Hosokafana ihany koa ny sidina mampitohy an’i Mayotte- Mahajanga sy Antananarivo, Mayotte-Nosy be - Antsiranana.

    - Hosokafana ihany koa ny sidina mampitohy an’Antananarivo amin’i Maurice ary efa an-dalana ny fanaovana sonia fifanarahana isorohana ny fanondranana antsokosoko harem-pirenena malagasy.

    - Hojerena ihany koa izay ahafahana mampihena ny saram-pitaterana mampitohy an’i Sainte-Marie.

    Efa mitohy kosa ny fifampiraharahana farany hamaritana ireo fepetra mikasika ny famerenana tsy ho ela intsony ny sidina iarahana amin’i Ethiopian Airlines manketo Antananarivo. Marihina fa nanaiky ny hanaraka ireo fepetra hisorohana ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena malagasy ny Kaompania Ethiopian Airlines. Mitohy ihany koa ny fifampiresahana amin’ny famerenana ny sidina mampitohy amin’i Afrika Atsimo mifandraika amin’ny tokony hanaovana fifanarahana isorohana ny fanondranana antsokosoko harem-pirenena malagasy.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavina ny didim-panjakana manova sy mameno ireo andiany maromaro ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2016-1536 tamin’ny 19 desambra 2016 mifandraika amin’ny firafitra sy ny fampandehanan-draharaha an’ny « Direction de Coordination Nationale et du Comité de Suivi Evaluation des Pôles Anti-corruption na PAC »

    Ilaina ny fanavaozana ny didim-panjakana laharana faha 2016-1536 tamin’ny 19 desambra 2016 tao aorian’ny nampanankery ny lalàna laharana 2021-015 tamin’ny 05 aogositra 2021 manova, manampy sy manafoana ny andininy sasany amin’ny lalàna laharana 2016-021 tamin’ny 22 aogositra 2016 momba ireo « Pôles anti-corruption ».

    MINISITERAN’NY TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny didim-panjakana mikasika ny fanendrena ireo « administrateurs non-exécutifs » an’ny Banky Foiben’i Madagasikara izay miisa anankiroa

    Araka ny lalàna laharana faha 2016-004 ny 29 jolay 2016, nofenoin’ny lalàna laharana faha 2016-057 tamin’ny 02 febroary 2017, izay mikasika ny « Sata mifehy ny Banky Foiben’i Madagasikara, ny « filankevitry ny Banky Foiben’i Madagasikara na BFM dia misy mpikambana miisa 9 ka 6 amin’izy ireo dia manana ny sata « non-exécutif ». Ireo « administrateurs non-exécutifs » miisa 6 ireo dia tendren’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Antenimieran-doholona ary ny Antenimieram-pirenena.

     Tapitra ankehitriny ny fe-potoam-piasan’ny telo amin’ireo « administrateurs non-exécutifs » miisa enina ireo. Arak’izany dia notendrena :

    - Ramatoa Lantosoa Rakotomalala, avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika

    - Andriamatoa Rija Andrianantoanina, avy amin’ny Antenimieram-pirenena.

    MINISITERAN’NY FITATERANA sy ny FAMANTARANA ny TOETRANDRO

    Noraisina ny didim-panjakana manova sy mameno ny andininy faha-2 amin’ny didim-panjakana laharana 2021-579 tamin’ny 09 aogositra 2021 manambara ny hampiasan’ny daholobe na “déclarant d’utilité publique” ny fanatanterahana ny asa fanamboarana sy fanavaozana ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’ny lamasinina eto Antananarivo, manomboka eo Soarano PK 0 mihazo an’Ambohimangakely PK 12 (Corridor Atsimo).

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Noraisina ny didim-panjakana manambara ny hampiasan’ny daholobe na “declaration d’utilité publique” ny asa fanamboarana sy fandrakofana tara na « bitumage » ny lalam-pirenena faha 9 na RN9 eo anelanelan’Analamisampy (PK 107+400) sy Manja (PK 274+844). Ary anisan’izany ny fanamboarana ny tetezana manamorona ny reniranon’i Mangoky ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana sy Menabe, ary ny lalam-pirenena RNT12A eo anelanelan’i Fort-Dauphin (PK 0+000) sy Manambondro (PK 165+231) – eo anelanelan’i Masianaka (203+800) sy Vangaindrano (PK 243+000) ao amin’ny Faritra Anosy sy Atsimo Atsinanana, ao anatin’ny tetikasa PACFC.

  • III- FANENDRENA TOMPON’ANDRAIKIM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA ny REPOBLIKA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-013 tamin'ny 21 Janoary 2019 izay nanendry ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika. Notendrena ho Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, Ramatoa PELANDROY Espérance

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FAMPANANAN-TANY

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-901 tamin’ny 08 septambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISOA Thimoléon, ho Sekretera jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy fananan-tany
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha n°2021-904 tamin’ny 08 septambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa ANDRINIAINA Lydien Sihanaka, ho « Directeur Administratif et Financier » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1082 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa MANANTSOA Ny Ony Harijaona, ho « Directeur de la Communication » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-965 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RASOAMANARIVO Fidinirina Marie Annick ho « Directeur des Systèmes d’Informations » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Fananan-tany

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-760 tamin’ny 16 jolay 2020 ary manendry ny Contrôleur Général de Police RANJAVOLOLONA Julie Claudette, ho « Coordonnateur Cheffe de l’Inspection Générale de la Police Nationale » eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry ny Commissaire Divisionnaire de Police ANDRIANIRINARIVELO Jean Yves Rémi, ho « Directeur des Renseignements, du Contrôle de l’Immigration et de l’Emigration » eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. 

     MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-2229 tamin’ny 11 desambra 2019 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMANANTENA Jean Ludget Gabriel, ho « Directeur Administratif, Financier et Logistique du Centre Malgache de la Canne et du Sucre”.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2018-1038 tamin’ny 22 aogositra 2018 ary manendry an-dRamatoa RAJAONARISOA Zo Volahanta, ho « Directeur de l’Audit Interne » du Centre Malgache de la Canne et du Sucre.

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1100 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMAHATRATRA Lalanirina, ho « Directeur Administratif et Financier (DAF) » eo anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan-tena
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA ny INDOSTRIA, ny VAROTRA ary ny FANJIFANA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-973 tamin’ny 29 septambra 2021 izay nanendry ny Sekretera jeneraly teo anivon’ny minisiteran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1115 tamin’ny 20 oktobra 2021 izay nanendry ny « Directeur Général du Commerce et de la Consommation » teo anivon’ny minisiteran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifana.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1261 tamin’ny 06 jona 2019 ary nanendry ny « Directeur Régional de Communication et de la Culture » tao amin’ny faritra Boeny

Natao androany faha 30 martsa 2022

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika