TATITRY ny FILANKEVITRY NY MINISITRA MANOKANA ALAROBIA 9 MARTSA 2022 

Taorian’ny Filankevitry ny Minisitra mahazatra dia nisy ihany koa ny Filankevitry ny Minisitra manokana niarahana tamin’ireo Minisitra manana andraikitra manokana mikasika ny drafitra nasionaly fanarenana ireo Faritra tena voa mafy taorian’ny fandalovan’ireo rivodoza nifanesy teto amin’ny Nosy.

Isan’ny nandray anjara tamin’izao Filankevitry ny Minisitra manokana izay notarihan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra, ny Minisitry ny rano, Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ny Minisitry ny Fahasalam-bahoaka, ny Minisitry ny Vola sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ny Minisitry Asa Vaventy, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana, ny Minisitry ny Mponina, ny Sekretera miadidy ny fametrahana ny tanana vaovao.

Nanome toromarika ny Filoham-pirenena mikasika ny famaritana ireo filàna na « besoins » isam-paritra. Rehefa izany dia hirosoana ny fanombanana azy ara-bola. Ity drafitra nasionaly fanarenana ity dia tokony hanova tanteraka ny fiainan’ny mponina, ary ireo sehatra rehetra iankian’izany any amin’ireo faritra nandalovan’ny rivodoza teto Madagasikara. Rehefa vita soa amantsara ity drafitra ity dia irosoana ny fampahafantarana azy amin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola maro isan-karazany.

Isan’ny nodinihana nandritr’ity fivoriana ity ny mikasika ireto sehatra vitsivitsy manaraka ireto :

MINISITERAN’NY ANGOVO sy ny AKORANAFO:

Hirosoana ny fametrahana « central solaire » amin’ireo faritra 7 izay tena nandalovan’ny rivo-doza. Ireo renivohi-paritra no hametrahana izany.

Mikasika ireo « Chefs-lieux de districts » kosa dia HFO na « fuel lourd » no ampiasaina ary ezahina ny hampitomboana avo roa heny ny famokarana herinaratra. Hatomboka ihany koa ny fandinihina ny fanalalahana ny fizarana herinaratra na « libéralisation de la distribution électrique ».

MINISITERAN’NY MPONINA sy ny FIAHIANA ARA-TSOSIALY

Ho an’ny Minisiteran’ny Mponina dia misy ireo tetikasa hitondra fiovana sy fanatsarana toy ny :

- Vola ho tambin'asa na « Argent contre travail », miaraka amin'ny fepetra tosika, izay ho sitrahan'ny Faritra Atsimo Atsinanana, (Analanjirofo, Vatovavy, Fitovinany, Alaotra Mangoro, Atsinanana ary Anosy).

- Ny Fizarana sakafo, toy ny Vatsy TSINJO tanterahin'ny CPGU - BNGRC

- Ny Fanampiana ara-bola, toy ny Tosika Fameno, izay hiandraiketan'ny FID

- Asa miteraka fidiram-bola sady misy fampiofanana no ahazoana fitaovana. Ny Minisiteran'ny Mponina no miandraikitra izany any amin'ireto faritra manaraka ireto : Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Alaotra Mangoro, Atsimo Atsinanana, Anôsy ary Analamanga

- Fizarana sakafo mafana, toy ny Kaly Tsinjo, izay sitrahan'ny Faritra Alaotra Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Anôsy, Analamanga, Betsiboka, Sofia

SEKRETERAM-PANJAKANA misahana ny TANANA VAOVAO sy ny TOERAM-PONENANA

-Hisy ny fanarenana ireo toeram-ponena simba, « cases traditionnelles » ary afaka misedra rivo-doza ireo trano harenina ireo. Ireo faritra ambanivohitra no hanaovana izany.

- “Modèle pré-fabriqué” kosa no apetraka any amin’ireo tanàn-dehibe.

- Hisy ihany koa fametrahana ireo trano tahaka ny napetraka ao anatin’ny tetikasa « titres verts ».

- Farany dia hojerena ihany koa ny fametrahana tsena « pré-fabriqué métallique » any amin’ireo faritra ambanivohitra.

MINISITERAN’NY FAMBOLENA sy ny FIOMPIANA

Nanome toromarika ny Filoham-pirenena fa manoloana ny fahapotehan’ny tanim-bary sy ireo voly isan-karazany dia mila jerena ny hanampiana ireo mpamboly sy mpiompy ahafahana manavotra ny taom-pambolena sy mampitombo ny fidiram-bolan’izy ireo izay tsy misy raisina ny ankamaroany. Mila jerena ny fampitomboana ny masomboly sy fidirana amin’ny fanondranana entana. Ankoatr’izay dia hodinihina ny fambolena vokatra vaovao toy ny katsaka ohatra any amin’ny toerana maromaro eto Madagasikara.

MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

Hisy karazany efatra ny karazana fotodrafitrasa hapetraka ary tokony apetraka mihitsy ny fanaovana sekoly vaovao na « nouvelles constructions » ankoatry ny fanarenana, araka ny toromariky ny Filoham-pirenena

MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

Noresahina manokana ny mikasika ireo asa ahafahana manafoana ny fitokana-monin’ireo Distrika sasany izay saro-dalana vokatry ny fandalovan’ireo rivodoza. Nisy ny famaritana ireo lalam-pirenena sy lalana maromaro harenina sy hamboarina sy ny fanaovana tombana mifandraika amin’izany.

Natao androany faha 09 martsa 2022

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika