TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 09 MARTSA 2022

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    GOVERNEMANTA

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny “fandoavana ny fiantohana” na “Indemnités d’assurance” amin’ny Governemanta Malagasy, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza. Izany dia mitentina 10.714.206 dolara taorian’ny fandalovan’ny rivodoza BATSIRAI.

    Noho ny fanohanan’ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana na BAD, i Madagasikara dia anisan’ireo firenena mpikambana ao amin’ny « African Risk Capacity na (ARC) », izay fitaovam-piantohana aorian’ny fandalovan’ny rivodoza tropikaly aty amin’ny faritry ny Ranomasimbe Indianina Atsimo Andrefana.

    Araka izany, ny Governemanta Malagasy dia nahazo famatsiam-bola io hanampiana ireo tra-boina, hanaovana hetsika sy fanampiana vonjy maika, hanarenana haingana ireo sampan’asa tena ilaina ary hanatanterahana fanorenana maharitra indray. Hotanterahina ao anatin’ny enim-bolana ny asa, araka ny fifanarahana nifanaovana tamin’ny ARC sy ny BAD, miaraka amin’ny tatitra isam-bolana ary ny fanaraha-maso ara-teknika sy ara-bola.

    Ny sampana miandraikitra ny fanatanterahana ny hetsika dia ny CPGU, izay miara-miasa akaiky amin'ny MEF. Ireto tanisaina manaraka ireto ny laharam-pahamehana :

    - Fizarana sakafo ho an’ny mponina marefo (Vatsy Tsinjo) miaraka amin’ny fanomezana « ration de protection »ho an’ny olona marefo;

    -Famatsiana masomboly sy zezika;

    - Fanarenana ny trano fonenana rava;

    - Fananganana toeram-ponenana ho an’ireo tra-boina;

    - Asa fanarenana ireo fotodrafitrasa simba.

     Nanamarika ny Filoham-pirenena ny tokony hanaovana famaritana ireo toerana rehetra tena nahitam-pahavoazana sy mitoka-monina, sy hitanisana ireo «besoins » na ireo zavatra rehetra ilaina any an-toerana, miaraka amin’ny tombam-bidin’izy ireo sy ny drafitra mifanaraka amin’izany.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny Fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny TVA amin’ireo asa fanarenana sy fanamboarana ireo fahasimbana tamin’ny fandalovan’ny rivodoza BATSIRAI

    Mikasika ireo asa fanamboarana sy fanarenana taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Batsirai, ny Minisitera dia mikasa ny hametraka fepetra manokana fanalefahan-ketra amin'ny fanatanterahana ireo asa fanamboarana sy fanarenana ireo fotodrafitrasa ho an'ny daholobe, amin'ny alalan'ny fandraisan'ny Fanjakana an-tanana ny TVA mifandraika amin'ny fividianana ireo akora ilaina amin'ny fanamboarana.

    Ireo akora ilaina amin'ny fanarenana ireo fotodrafitrasam-panjakana irery ihany no voakasik'ity fepetra ity.

    Nanamafy ny tokony hisian’ny famaritana tsara ireo fepetra hampiarana ity fanapahan-kevitra ity ny Filoham-pirenana, tsy tokony hisy ny fanararaotana.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARATSIANSA + MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA ary ny SEKRETARIAM-PANJAKANA misahana ny TANANA VAOVAO sy ny TOERAM-PONENANA

    Nankatoavina ny fampidirana mandritry ny fotoana voafetra na « admission temporaire » ny « imprimante 3D » iray hanamboarana ny Sekoly 3D voalohany eto Madagasikara.

    Nosafidiana ho modely voalohany amin’ny fanamboarana sekoly 3D ny « Ecole de Management et d’Innovation Technologique na (EMIT) » any Fianarantsoa, izay iarahana miasa amin’ny fikambanana amerikanina « Thinking Huts » mba hanaporofoina fa azo atao ary manan-danja eto Madagasikara ny fanapariahana izany sekoly 3D izany. Ny “ Fondation 14 Trees” any Malawi no hanatanteraka ny asa. Ny « imprimante 3D » sy ireo kojakoja miaraka aminy dia haverina any Kenya aorian'ny fananganana ny sekoly eto Madagasikara.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fanafainganana ny fanatanterahana ireo tetikasa izay vatsian’ny Mpamatsy vola. Tafiditra amin’izany ny fanafainganana ny fandoavana ny fandraisan’anjaran’ny Fanjakana Malagasy, amin’ny alalan’ny fanekena ny « DAE na demandes d’autorisation d’engagement ».

    Vantany azo ampiasaina ny famatsiam-bola avy amin’ny mpamatsy vola dia hisy « Ordre de service » manokana horaisina mba afahana hanomboana ny asa avy hatrany.

    Misy ny Ordre de service iray hafa mifandraika amin'ny fandraisan’anjaran’ny Fanjakana Malagasy havoaka aorian'ny fankatoavana ny « Demande d'autorisation d'engagement » ataon'ireo tompon’andraikim-panjakana ambony.

    Nankatoavina izany fampitam-baovao izany saingy nanamafy ny Filoham-pirenena ny tokony hanajana ireo « fepetra famoam-bolam-panjakana

    Nankatoavina ihany koa ny fangatahana mikasika ny « Admission temporaire » an’ ireo fitaovana ilaina amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa fanajariana sy fametrahana asfalta amin’ny lalam-pirenena laharana faha-5 (RNS5) mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Mananara Avaratra. Ity tetikasa ity dia vokatry ny fifanarahana fampindramam-bola amin'ny mpamatsy vola arabo.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavina ny fampiasana maimaimpoana ny “Centre multiplicateur de Semences” Marofarihy, Manakara, izay tafiditra anatin’ny “Reserve Agricole d’Ambila” Titre n°420 AG,

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavina ny fanavaozana ireo « licences de pêche aux crevettes côtières ». 47 no isan’ireo fanomezan-dalana nomena tamin’ny taona 2021. Isan-taona dia tsy maintsy havaozina ireo fanomezan-dalana ireo, ka ireo orinasa nanaja ny bokin’andraikitra ihany no mahazo izany.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny fikarakarana lanonana fanomezana mari-boninahitra sy fitaovam-panjonoana ho an'Andriamatoa Ramaroson Zembrole na Zambia sy ny namany, mpanjono nanavotra ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ilay miaramila teknisiana.

     

  • II- FANDRAISANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    Noraisina ny didim-panjakana manova sy mameno ireo andinindininy sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana faha 2019-1958 tamin’ny 16 Oktobra 2019, izay namaritra ny fandaminana, ny fampandehanan-draharaha ary ireo asan’ny BNGRC

    Izany fanovana izany dia mahakasika indrindra ny firafitry ny « organe délibérant » na rafitra mandray fanapahan-kevitra, ny asany sy ny fampandehanana azy, ny fanendrena ny tompon’andraikitry ny rafitra mpanatanteraka, ny fandaminana ireo ratsamangaika isam-paritra ary ny sata mifehy ireo mpiasa ao aminy

     

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1427 tamin’ny 18 Novambra 2015 ary manendry an-dRamatoa SASY NIREIGNA Suzuéline, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Prefektioran’i Fenoarivo Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-419 tamin’ny 14 aprily 2021 ary manendry an-dRamatoa RAMBOASOLO Haingo Monia ho « Chef de District » an’Antananarivo I.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2015-1427 tamin’ny 18 novambra 2015 ary manendry an-dRamatoa EFANIVOANY Philippe Esthena, ho Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Prefektioran’Ihosy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-1040 tamin’ny 06 Oktobra 2021 ary manendry an’Andriamatoa HERMAN Reminantenaina, ho « Préfet » an’i Mananjary.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-220 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa BEZOKINY Iris Jacky, ho « Chef de district » an’i Besalampy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-832 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTONDRASOLO Tiana Lantoarivero ho « Chef de district » an’i Soavinandriana.

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA SY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1583 tamin’ny 14 aogositra 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAFIMANDIMBY Nivoaritsalama Herilala, ho « Directeur Régional » any amin’ny Faritra Fitovinany.

    MINISITERAN’NY ASA TANANA SY NY HAI-TAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAFIANDRIAMIANDRISOA Ranja Hajanirina, ho « Directeur du Système d’Information ».

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAFALIMANANA Gillucia Nomen’Anjara, ho « Directeur de la Cellule Anti-corruption ».

     

  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-506 tamin’ny 05 May 2021 izay nanendry ny « Directeur de la Valorisation des Produits Touristiques »

Natao androany faha 09 martsa 2022

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika