TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 02 MARTSA 2022

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatovina ny fampiakarana ny fanampiana avy amin’ny fanjakana na « subventions » mifandraika amin’ny fampandehanan-draharaha ho an’ny na vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na « Collectivités territoriales décentralisées », Kaominina sy ny Faritra.

    MINISTERAN'NY TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy anjara amin’ny fampiakarana ankapobeny ny renivolan’ny « BANQUE AFRICAINE D’IMPORT – EXPORT » (AFREXIMBANK)

    Hitentina 2 707 833 USD no fandrasain’ny Fanjakana Malagasy Anjara amin’ny fampiakarana renivolan’ny AFREXIMBANK. Izany dia vola efa voatokana tao amin’ny LFI 2022. Afahana mahazo 153 actions vaovao izany raha toa ka 100 actions no an’ny Fanjakana teo aloha. Ny DTS voaray tamin’ny FMI moa no nangatahan’ny AFREXIMBANK ampiasaina amin’ity fampikarana renivola ity saingy efa tapaka fa hiatrehana sy hiadina amin’ny fiantraikan’ny krizy nateraky ny valan’aretina COVID-19 izany. Koa ilay vola efa voatokana tao amin’ny LFI 2022 no nampiasaina.

    Nankatoavina ny fampahafantarana ny mombamomba ireo olona mpivezivezy eny amin’ny seranam-piaramanidina ka manambara vola vahiny matetika, teo anelanelan’ny volana janoary 2020 ka hatramin’ny volana jolay 2021, izay nivoaka taorian’ny fitsirihina manokana ny fanambarana vola vahiny teny amin’ny sisin-tany - Biraon’ny Fadintseranana Ivato (IV-12). Nankatoavina ihany koa ny fanomezana izany tatitra izany ho an’ny Fitsarana misahana ny kaontim-bolam-panjakana.

    Ny Sampan-draharahan’ny Fitsirihina Anatiny (DAI) ao anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola dia nanao fitsirihina manokana teny amin’ny biraon’ny Fadintseranana Ivato (IV-12) mikasika ireo vola vahiny natao fanambarana nivoaka teny amin’ny seranam-piaramanidina (declaration de devises). Nangatahan’ny Fitsarana misahana ny kaontim-bolam-panjakana ny tatitra valin’izay fitsirahana izay ka nankatoavina ihany koa ny fanomezana izany.

    Marihana moa fa efa nisy ny fepetra noraisina, izay mametra ny fitondrana vola vahiny any ivelany, ka anisan’izany ny famerana ho 10.000 Euros fara-fahamboniny ny vola mivoaka ho an’olona iray eo am-piaingana eto Madagasikara ary koa ny tsy maintsy hametrahana fanambarana eo amin’ny Fadintseranana ny taratasy fanamarinana fifanakalozana na « attestation de change » raha toa ka mihoatra ny 1.000 Euros ny vola entina.

    Nanamafy ny tokony hanamafisana ny fepetra hisorohana amin’ny “Fuite de capitaux » sy ny « Fuite de devises » ny Filoham-pirenena

    MINISITERAN’NY TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA sy MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA ny INDOSTRIA, ny VAROTRA ary ny FANJIFANA

    Nankatoavina ny famerenanana amin’ny fanjakana ireo trano sy tanim-panjakana miisa dimy 5, izay ampiasain’ny orinasa teo aloha ROSO sy COROI ao anatin’ny « Commune Urbaine de Mananjary »

    Taorian’ny fametrahana ny tanànan’i Mananjary ho Renivohitry ny Faritra Vatovavy dia maro ireo minisitera no naneho ny filàny tany sy trano hiasàna hametrahana ireo Sampan-draharaha sy Sampan’asany ao Mananjary ary mandray anjara amin’ny fanatanterahana izany tetikasa izany izao fanapaha-kevitra izao.

    Nankatoavina ny fandraisana an-tanana ny hetra mifandraika amin’ny fanafaran’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny fanjifana -amin’ny alalan’ny orinasa SPM SA- ireo vokatra fototra (PPN) sy ny kojakoja fanorenana.

    Anisan’ny laharam-pahamehana ho an’ny Fanjakana ny ady amin’ny famehezana ny vidin’ireo vokatra fototra (PPN) sy ireo kojakoja momba ny fanorenana. Mbola miroso amin’ny fanafarana ireny vokatra fototra ireny ny firenentsika noho ny mbola tsy fahampian’ny famokarana.

    Tao anatin’ny volana maromaro izay dia efa nahazo tombontsoa tamin’ny vidim-bary sy simenitra mirary hafaran’ny orinasa SPM SA ny mponina.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fisokafan’ny fifaninana hampidirana mpianatra Polisy miisa 1450 ao anatin’ny taom-pianarana 2021

    Misokatra arak’izany ny fifaninanana handraisana mpianatra ho polisy ho an’ireo mpiadina rehetra eto Madagasikara, izay mitsinjara toy izao :

    - 30 mpianatra ho kaomisera polisy,

    - 50 mpianatra ho manamboninahitra Polisy,

    - 220 mpianatra ho inspektera Polisy,

    - 1150 mpianatra ho Polisy

    Nanamafy ny tokony hisian’ny fahadiovan’ny fifaninana hidirana ho mpiasam-panjakana ny Filoham-pirenana ka izay mendrika ihany no tokony horaisina ao anatin’izany. Tsara ihany koa atao isaky ny « ex-Chef Lieux de provinces » ny fifaninana araka ny toromarika nomeny mba afahan’ny mpiadina rehetra hitovy herijika.

    Nilaza ny Filoham-pirenena fa tokony hadio ny fifaninana. Mampitandrina ireo tompon’andraikitra rehetra izay mitady hanao kolikoly sy risoriso ary tsindry manomboka amin’ny fikarakarana, mandritry ny fifaninana ary mandram-pivoakan’ny valin’ny fifaninana

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavina ny fampisitrahana maimaim-poana ny tany miankina amin’ny fananana antsoina hoe « Goutte de Lait Fahasoavana » TN°18.803- BA ao amin’ny Fokontany parcelle 32/21, Kaominina Ambonivohitry Toamasina, Distrikan’i Toamasina I, Faritra Atsinanana an’ny Fikambanana « Croix Rouge Malagasy ».  Mirefy 2500 ara izany toerana izany izay hijanona ho fanana-panjakana arak’izany

    Nankatoavina ny famindràna amin’ny Fanjakana ny tany antsoina hoe « LA REDOUTE » TN°3072-BA ao Analamalotra, Kaominina Ambanivohitra Antetezambaro, Distrikan’i Toamasina II, Faritra Atsinanana.

    Nisy ampahany tamin’io tany io no nisy fifanolanana. Rehefa notsarain’ny « Cour de Cassation » izany dia nanapaka ity farany fa haverina amin’ny anaran’ny Orinasa CANAL DU NORD (fanjakana) ny tany. Ankehitriny, araka ny lalàna manan-kery, dia kasaina hosoratana amin’ny Fanjakana io tany io mba hanatanterahana tetikasa ho tombotsoan’ny mponina.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA miadidy ny ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fanomezana alalana ny fandraisana ireo mpianatra zandary miisa 1500 ho an’ity taona 2022

    Ny Sekretariam-panjakana eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena miadidy ny zandarimaria dia handray mpianatra ho zandary miisa dimanjato sy arivo (1500) ho an’ny taona 2022, izany no hatao dia ny mba hisian’ny fandriam-pahalemana azo ekena sy maharitra manerana an’i Madagasikara.

    Arak’ izany, tanjona ho tratrarina amin’ny faran’ny taona 2022 ny hanangana vondrona vaovao, izay ahitana Kaompania miisa 23, borigady miisa 68, « Centres spéciaux d’aguerrissements opérationnels » (CSAO) miisa 03, Brigades routières spéciales (BRS) miisa 04, « Pelotons de surveillance côtière » (PSC) miisa 03, ary ny hanamafy sy hampitombo ny isan’ireo vondrona izay mila tohanana eo amin’ny lafin’ny fandriampahalemana.

    Ny tanjona dia ny hisian’ny « Compagnie de gendarmerie » isaky ny Distrika ary fametrahana « Brigade de la gendarmerie » isaky ny Commune

     

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY KOLONTSAINA sy ny SERASERA

    Nankatoavina ny didim-panjakana mikasika ny fananganana ny « Comité national du Patrimoine Culturel et Naturel » izay takian’ny UNESCO amin’ny Firenena malagasy

    Nisy ihany koa ny fanovana ny andinindiny vitsivitsy ao anatin’ity didim-panjakana ity dia ny mikasika ny fampiasana ny volantsika malagasy mikasika ireo « patrimoines » sy ny andininy mikasika ny firafitr’ity Komity ity

     

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRY NY ANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017-311 tamin’ny 03 may 2017 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMAMONJY Faralahindranto ho « Directeur Général de l’Ecole Nationale de l’Enseignement Aéronautique et de la Météorologie » (ENEAM).

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1040 tamin’ny 22 may 2019 ary manendry an-dRamatoa VOLAZANDRY Priscylla ho « Directeur Régional de la Santé Publique » any amin’ny Faritra Diana.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-326 tamin’ny 11 martsa 2020, ary manendry an’Andriamatoa FIDIARISON KENNY Marco Louis ho « Directeur de la Promotion de l’Ethanol et de la Bioénergie ».

     

  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1291 tamin’ny 07 oktobra 2020 izay nanendry ny « Directeur des Renseignements et du Contrôle de l’Immigration et de l’Emigration ».

Natao androany faha 02 martsa 2022

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika