TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 23 FEBROARY 2022

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA:

    Nomena alalana ny fanatanterahana ny hetsika fankalazana ny faha 75 taonan’ny Tolona tamin’ny 29 Martsa 1947 amin’ity taona 2022 ity.

    Ny 29 Martsa 2022 izao isika dia hahatsiaro ny faha 75 taonan'ny nitoloman'ireo bekotro maroholatra niady ho an'ny fahafahan'ny firenena Malagasy. Koa mba ho famerenana ny hasina maha- Malagasy amin'ny alalan'ny tantara, dia nanomana hetsika maro isan-karazany ny komity teknika mpanomana ny fahatsiarovana. Isan’izany ny fampahafantarana ny tantaran’ny tolom-panafahana, fankasitrahana ireo bekotro maroholatra sy fameloma-maso ny hetsika nataon’ireo « mpiady tia tanindrazana » teto amin’ny Nosy. Marihana fa hisy manerana ny faritra 23 ny fahatsiarovana fa ny tena hiavaka kosa dia ny eto Antananarivo sy ao Manakara ary Moramanga. Zava-dehibe ny tolona nisy tamin’izany fotoana izany ka mendrika hampitaina izany fahatsiarovana izany amin’ireo zandry zanaka ankehitriny.

    MINISTERAN'NY TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mahakasika ny fampodiana vola vahiny na « rapatriement de devises » ho an’ireo asa fanondranana sy fanafarana entana tamin’ny taona 2021 sy ny fanohizana ireo hetsika fanavaozana ho an’ny taona 2022.

    Napetraka ho zava-dehibe ny famerenana ireo vola vahiny na eto amin’ny Firenena na « rapatriement de devises ». Raha teny am-piandohana dia « lettre d’engagement » fotsiny no nasaina nataon’ny Orinasa mpanondrana, dia naato ny fanokafana ireo kaonty SIGOCé an’ireo Orinasa izay ao anatin’ny tsy fanarahan-dalàna mandra-panitsian’izy ireo izany tsy fanarahan-dalana izany.

    Ho an’ny taona 2021, dia miisa 9467 ireo orinasa voakasikizany ka ny 2262 amin’ireo dia mpanafatra entana, 930 ireo mpanondrana ary 331 no sady manondrana entana no manafatra entana. 5944 amin’ireo orinasa tafiditra ao anaty « logiciel » no niorina nefa tsy manao asa arak’izay voasoratra akory mandritry ny taona.

    Mba hanadiovana ity sehatra ity dia ireto manaraka ireto ireo dingana noraisin’ny fanjakana : Fampahafantarana ireo orinasa mikasika ny tsy fanarahan-dalana nataon’izy ireo mba ahafahany manitsy izany. Misy ny « PV de constatation d’infraction » avoaka raha toa tsy miroso amin’izany ireo tsy manara-dalana.

    Tamin’ny taona 2021 dia orinasa misehatra amin’ny fanondranana entana miisa 2164 no nahazo fampahafantarana raha toa ka 1533 tamin’ny 2020. Orinasa mpanafatra entana miisa 3213 kosa no nandefasana fampahafantarana ny tsy fanarahan-dalana nataony tamin’ny 2021 raha toa ka 1443 tamin’ny 2020. 380 kosa no nanaovana « PV de constation d’infraction » raha toa ka 16 izany tamin’ny 2020.

    Raha ho an’ny taona 2021 dia nahatratra 6.033.431.137.569Ariary no vola vahiny tokony nampodiana teto Madagasikara. Raha toa ka 5.583.419.387.811 Ariary no voaverina teto antoerana.

    Raha ny taona 2020, dia ny sehatry ny fitrandrahana Volamena sy ny vato sarobidy no manana ny taha ambany indrindra satria 2,21% fotsiny izany. Ny filière litchis kosa no sehatra manana taha ambony indrindra amin’ny fampodiana vola vahiny teto Madagasikara tamin’io taona io, saingy lasa nahitana ny taha ambany indrindra tamin’ny taon-dasa.

    Miala nenina ihany ny fanjakana amin’ny fanentanana ireo mpandraharaha tsy manara-dalana amin’ny famerenana ireo « devises », saingy rehefa tsy manaiky miroso amin’izany kosa izy ireo dia tsy maintsy hirosoana ny fanasaziana. Maro ireo mpandraharaha no mamorona orinasa manondrana entana ary tsy manao « rapatriement de devises » ary rehefa vita ny asa fanondranana ataony dia foanany ilay orinasa

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavina ny fanomezan'ny Fitondram-panjakana maimaim-poana ny ampahan-tany « CHAMBRE DE COMMERCE I » TN°1474-VD ao amin'ny Fokontany Place Kabary, Kaominina Renivohitr'i Diego-Suarez, Distrikan'Antsiranana I, Faritra Diana ho an'ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ao Antsiranana

    Mirefy 05a 84ca izany ampaha-tany izany ary hametrahana sy hanorenana birao.

    Nankatoavina ny fanomezan'ny Fitondram-panjakana maimaim-poana ny ampahan-tany « CHAMBRE DE COMMERCE II » TN°1475-VD ao amin'ny Fokontany Ambalavola, Kaominina Renivohitr'i Diego-Suarez, Distrikan'Antsiranana I, Faritra Diana ho an'ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria ao Antsiranana.

    Ao anatin’ny fanatanterahana ny fanorenana trano hatao birao, ny Antenimieran'ny Varotra sy ny Indostria ao Diego dia nangataka ny fahazoana ny ampahan- tanim-panjakana antsoina hoe «CHAMBRE DE COMMERCE II » TN°1475-VD, izay mirefy 65A 65ca. Ary dia nekena izany.

    Nankatoavina ny fanomezan'ny Fitondram-panjakana maimaim-poana ny ampahan-tany « BETELA FANANTENANA » TN°33.474-P ao amin'ny Fokontany Ambohitrandriana, Kaominina ambanivohitr’Ambohibary, Distrikan'Antsirabe II, Faritra Vakinankaratra ho an'ny Fikambanana ara-pivavahana « FIANGONANA LOTERANA MALAGASY ».

    Ao anatin’ny fanorenana trano fiangonana sy ireo trano miaraka aminy, ny fikambanana ara-pivavahana « FIANGONANA LOTERANA MALAGASY » dia nangataka ny fahazoana ampahan-tanim-panjakana, mirefy 42a 37ca, antsoina hoe « BETELA FANANTENANA » TN°33.474-P. Izany ampahan-tany nangatahan’ny « FIANGONANA LOTERANA MALAGASY » izany dia mijanona ho fananan’ny Fanjakana Malagasy.

    MINISTERAN’NY FANAJARIANA ny TANY sy ny FANANAN-TANY + MINISITERAN’NY TOEKARENA sy ny FITANTANAMBOLA

    Nankatoavina ny fametrahana ny « système de quittance électronique » momba ny « gestion domaniale et topographique » ao amin'ny sampandraharahan'ny fananan-tany.

    Ny fitantanana ny fananan-tany, dia mizotra mankany amin'ny fitantanana elektronika amin'ny alalan'ny fampiharana ny « dématérialisation foncière », izay tafiditra indrindra ao anatin'ny fandaharan’asa nasionalin’ny fananan-tany. Arak’izany, apetraka ny rafitra fandoavam-bola amin’ny alalàn’ny rosia elektronika ho fanatsarana ny fitantanana ny « recettes domaniales et topographiques »

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANAN’ASA, NY ASAM-PANJAKANA SY NY LALANA SOSIALY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny tatitra mikasika ny fandroson’ireo asa tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tolokevitry ny Cour des Comptes momba ny AUGURE

    Notapahina ny karaman’ireo mpiasa teo anivon’ny Fanjakana miisa 330 satria hita ho tsy tokony nisitraka izany izy ireo. Isan’izany ireo :

    - Mpiasam-panjakana ambony efa tsy eo amin’ny toerany intsony miisa 74

    - Mpiasa efa misotro ronono miisa 158

    - Mpiasa efa nodimandry : 35

    - Mpiasa ECD izay tsy nohavaozina intsony ny fifanaraham-piarahamiasa tamin’izy ireo : 19

    - Mpiasa lasa any am-ponja : 1

    - Mpiasa manana fifanaraham-piarahamiasa tapaka : 2

    - Mpiasa tsy nanohy ny asany intsony : 12

    - Hafa : 29

    Nahatratra 2,2 miliara ariary ny vola voatahiry taorian’ny fanapahana ny karaman’ireo mpiasa miisa 330 ireo

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY + MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, ny VAROTRA sy ny FANJIFANA + MINISITERAN’NY FITATERANA sy ny FAMANTARANA ny TOETRANDRO + MINISITERAN’NY FAHASALAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny didim-panjakana mikasika ny handraisana fepetra hiatrehana sy hahatomombana ny fisokafan’ny habakabak’i Madagasikara

    Nohon’ny fihenan’ny trangana COVID 19, dia misokatra ny habakabak’i Madagasikara nanomboka ny 05 Martsa 2022 ho avy izao saingy misy ny fepetra hapetrakan’ny Fanjakana Malagasy mikasika izany. Ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny, ny Minisiteran’ny Fizahantany ary ny Minisiteran'ny Fitaterana no hamoaka, afaka fotoana vitsy, ny andinindinin’izany fepetra tsy maintsy tokony hajain’ireo kaompania vahiny miasa mitatitra olona hiditra na hivoaka eto Madagasikara

    Arak’izany ireo kaompania vahiny dia afaka miverina manohy ny asa fitaterana an’habakabaka, miditra sy mivoaka ny Nosy raha toa manaiky ireo « conditions » na fepetra hapetraky ny fanjakana malagasy mikasika izany.

    MINISITERAN’NY FAHASALAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY FITATERANA sy ny FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fampitsaharana ny fanaovana « systématiquement » ny fitiliana na « tests TDR » ho an’ireo mandray ny sidina anatiny. Izany dia nohon’ny fidinan’ny tahan’ny COVID 19 eto Madagasikara amin’izao fotoana izao.

    Ny fivoaran'ny valanaaretina amin'izao fotoana izao rahateo, dia mampiseho fa ny fiparitahan'ny COVID-19 amin'ny faritra samihafa dia avy amin’ny fifaneraserana an-tanety. Ny fanombanana ny mety hisian'ny fifindran'ny tsimok’aretina dia azo antoka tanteraka fa avy amin’ny fitaterana an-tanety fa tsy avy amin’ny fitaterana an’habakababa.

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavina ny fananganana komity fanamarinana sy fanekena ireo Asa vatsian’ny Tahirim-bolan’ny fanamboaran-dalana na “Fonds routier”

    Ny Tahirim-bola momba ny fanamboaran-dalana na “Fonds routier” dia sampan-draharaha miankina amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy. Ny tanjony dia ny handray anjara amin'ny fampiharana ny politikan’ny fanamboaran-dalana na eo amin'ny sehatry ny fampiasam-bola na ny fikojakojana, ny fanangonana sy ny fitantanana ny loharanon-karena azo atokana ho amin'ny fanatrarana ny tanjon'ny politika sy ny paikady fampandrosoana ary ny fiarovana ireo lalana izay efa maka endrika ho vakoka.

    Ho fitandroana araka izay azo atao ny volam-panjakana sy hahazoana antoka fa ny fanatanterahana ny asa rehetra vatsian’ny Tahirim-bola ho an’ny lalana dia manaja ny fenitra momba ny kalitao sy ny fepetran’ny fifanarahana, na ara-teknika na amin’ny fanomezana tsena, dia ilaina ny fananganana komity miandraikitra ny fanaraha-maso alohan'ny hanekena ny asa rehetra. Toy izany koa, mba hahazoana fahombiazana tsara kokoa eo amin'ny fanaraha-maso sy ny asa, dia ilaina ny hevitry ny komity alohan'ny fanekena vonjimaika sy tanteraka.

    Nankatoavina ny fanombohana « ny enquête administrative, publique, parcellaire, de commodo et incommodo » amin'ny tetik'asa fanamboarana ny lalambe migodàna mampifandray an'Antananarivo sy Toamasina.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fanaovana “passation de marché de gré à gré” manoloana ny fahatapahan-dalana eny anivon’ireo lalam-pirenena.

    Niteraka fahasimbana goavana teny amin’ireo lalam-pirenena ny rotsak’orana tato ho ato, anisan’izany ny fihotsahan’ny tany, ny fiakaran’ny rano sy ny fahapotehan’ny lalana.

    Manoloana ny zava-misy ankehitriny sy hisorohana ny fikorontanan’ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena izay mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny toekarem-pirenena, ny minisiteran’ny Asa Vaventy sy ny minisiteran’ny Toekarena ary ny Fitantanam-bola dia handray ny fepetra rehetra ilaina mba hamerenana haingana ny toe-draharaha. Hirosoana arak’izany ny “passation de marché de gré à gré” mba ahafahana manatanteraka ireo asa maika.

    Ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola no hiantoka ireo asa vonjy maika ireo, noho ny tsy fananan’ny minisiteran’ny Asa Vaventy tetibola ho an’izany.

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavina ny Fananganana ny « Comité de cession des vaches laitières importées »

    Tsiahivina fa efa niroso tamin’ny fanafarana omby ny minisitera hampitomboana ny vokatra ronono eto amin’ny firenena. Mbola lavitry ny filàn’ny mponina amin’ny fanjifana ronono, izay manodidina ny 5 hatramin’ny 7 kg/ taona eo ho eo anefa izany. Mba hirosoana amin’izany fanafarana omby be ronono eto Madagasikara izany, dia tsy maintsy irosoana ny fananganana ity « Comité de cession » ity.

    MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY SY NY FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY

    Nankatoavina ny Fankalazana ny andro maneran-tany ho an’ny Zon’ny Vehivavy 2022 any Manakara, Faritra Fitovinany ny 01 hatramin’ny 08 martsa 2022 izay ho eo ambany fitarihan-dRamatoa Mialy RAJOELINA.

    Ny Fankalazana amin’ity taona ity dia hanana ny lohahevitra hoe “Ny Fitoviana ankehitriny ho an’ny hoavy maharitra”. Izany dia manamarika ny anjara toeran’ny vehivavy sy ny tovovavy eo amin’ny fanatrarana ny Tanjon’ny Fandrosoana maharitra amin’ny taona 2030.

    Ho an’I Madagasikara, io lohahevitra io dia mifanindran-dalana amin’ny fanatanterahana ny Velirano faha valon’ny Filohan’ny Repoblika izay manipika ny fandraisan’anjara fenon’ireo vehivavy amin’ny “Emergence de Madagascar”.

     

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny didim-panjakana mamaritra ny fomba fanendrena ireo mpikambana ao amin'ny Vaomiera mpanara-maso ny Banky sy ny Fitantanam-bola na « Commission de Supervision Bancaire et Financière ».

    Hisy Kolejy roa (02) ao anatin’ity Vaomiera ity, dia ny “Collège de Supervision” ary ny “Collège de résolution”.

    Ny “Collège de Supervision” dia hisy mpikambana miisa dimy (05) avy amin’ny sehatra miankina amin’ny Fanjakana ny telo ary avy amin’ny sehatra tsy miankina ny roa. Ny “Collège de Résolution” kosa indray dia hanana mpikambana miisa telo (03)

    Nofoanana ny andiany fahatelo sy fahaefatra amin’ny lalana mifehy ity Vaomiera mpanara-maso ny Banky sy ny Fitantanam-bola ity

    MINISTERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Noraisina ny didim-panjakana mandrara sy mampiato ny asa fanotofana tany rehetra eto amin’ny faritr’Antananarivo Renivohitra.

    Araka izany dia haato ny asa fanotofana tany rehetra mandeha amin’izao fotoana izao. Tsy misy fanomezan-dalana azo omena raha tsy mahazo ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra ka izay fanomezan-dalana avoaka tsy nahazoana ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra dia tsy manan-kery.

    Ho fanaraha-maso ireo asa fanotofana tany, na nahazoana alalana izany na tsia, dia tazonina manontolo ireo iraka fanaraha-maso sy fanamarinana izay iandraiketan’ny polisin’ny Fanajariana ny Tany sy ny Polisin’ny Fanotofana tany. Hamafisina ihany koa ny fanampian’ny manam-pahefana hafa amin’ny fanatanterahana izany andraikitra izany. Araka izany, dia manana adidy ny Kaominina sy ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny amin’ny fanaraha-maso ireo fanotofana tany rehetra. Anjaran’izy ireo ihany koa ny mandray ny fepetra amin’ny fanasaziana raha toa ka ilaina izany. 

    Farany, ireo tompona fitaovana « matériels roulants » ampiasaina amin’ireo asa fanotofana tany tsy manaraka ny voalazan’ity didim-panjakana ity dia hiharan’ny sazy izay voafaritry ny fehezan-dalàna famaizana sy ny lalàna n°2015-052 tamin’ny 03 febroary 2016 mifandraika amin'ny fandrindrana ny tanàna sy ny trano ihany koa. Ary hogiazana ny fitaovana entina hanaovana izany.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    PRIMATIORA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAMINOSOA Arozoa, ho « Directeur de la Législation et du Contentieux ».

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa HAINGONAVALONA Danielle, ho « Directeur de la Réforme et de la Modernisation Foncière »

    MINISITERAN’NY ASA, NY FAMPANANANA ASA, NY ASAM-PANJAKANA SY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1169 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an-dRamatoa INGY Ange Simonia, ho « Directeur Général de l’Office National de l’Emploi et de la Formation » (ONEF)..

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAZAFINDRAZAKA RAMAROSON Holy Alexandra, ho « Directeur Général de l’Académie Nationale des Arts et de la Culture » (ANAC).
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RATSIMBAZAFY Luc Berthieu, ho « Directeur Régional de la Communication et de la Culture » any amin’ny Faritra Analanjirofo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa. ANDRIAMIFIDY Bakolalaina, ho « Directeur de la Promotion de la Langue Malagasy ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa FALIARISOA Luc Honoré, ho « Coordonnateur des Centres d’Incubation »

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTONJANAHARY Vola, ho « Directeur des Etudes, de la Statistique et de la Planification ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-1008 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANASOLO Tojo Christian, ho « Directeur de la Communication et du Système Informatique ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa KOKO Chantal de Cupertino, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Vakinakaratra.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANARIMANANA Serge Gérard, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Itasy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANERA Niniva Arivony, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Alaotra-Mangoro.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANDRIANARIVONY Onjamalala, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Amoron’i Mania.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MBELOMANANA Anasvaler, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Betsiboka.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMAMPIONINA Fleury Guillaume, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Melaky.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABEZANDRY Bruno, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Sava.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MIARETSOA Longondraza, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Fitovinany.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa NONIARILALA Miarizo, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Romuald, ho « Directeur Régional de la Pêche et de l’Economie Bleue » any amin’ny Faritra Vatovavy.

    MINISITERAN’NY ASA TANANA SY NY HAI-TAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIAMBOLOLONA Andry Hasimbola, ho « Directeur Administratif et Financier ».

    MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY SY NY FAMPIVOARANA NY VEHIVAVY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2018-950 tamin’ny 01 aogositra 2018 ary manendry an-dRamatoa RAJERISON Miora Fanantenana, ho « Directeur de l’Enfance et Famille ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIMBARISON Soanarindra Evelyne, ho « Personne Responsable de l’Audit et du Contrôle Interne ».

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-878 tamin’ny 01 septambra 2021 ary manendry ny Général de Brigade RASENDRALAHY Hajaniaina, ho « Directeur des Ressources Humaines ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-1267 tamin’ny 10 novambra 2021 ary manendry ny Colonel RAKOTONDRAMANANA Andriambololona François John Anthony, ho « Coordonnateur de l’Office chargé de la Lutte contre la Corruption et de Traitement des Doléances ».
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020- 1201 tamin’ny 23 septambra 2020 izay nanendry ny « Directeur du Centre National de l’Eau, de l’Assainissement et du Génie Rural » (CNEAGR).

  • V-SAMIHAFA

    MIKASIKA ny FANDALOVAN’NY RIVODOZA EMNATI

    Ny fitondram-panjakana dia mitondra ny fankaherezana sy maneho ny firaisankina amin’ireo faritra sy mponina rehetra lasa traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza EMNATI tany amin’ny Faritra maromaro teto Madagasikara

    Efa an-dalana ny fanangonana ny antontam-baovao mitatitra amin’ny antsipiriany ireo karazana takaitra sy fahavoazana ary fahasimbana maro samihafa navelan’ireny andro ratsy nifanesy ireny.

    Hisy ny « Plan national de reconstruction » na drafitra nasionaly fanarenana izay hiarahan’ireo tompon’andraiki-panjakana isan’ambaratongany mametraka ary miainga amin’ny filàna na « besoins » isaky ny sehatra sy isaky ny Faritra izany. Ezahinn’ny Fitondram-panjakana ny hanatanterahana io drafitra fanarenana lehibe io ahafahan’ny Firenena miarina taorian’ireo fahasimbana sy fahavoazana maro teny anivon’ireo Faritra maro

Natao androany faha 23 Febroary 2022

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika