TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAKAMISY 10 FEBROARY 2022

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    FIADIDIANA ny REPOBLIKA :

    Mikasika ireo asa lehibe FANARENANA taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai:

    - Ezahana hafainganina ny fandefasana sy fizarana ireo fanampiana rehetra dia ny Vatsy Tsinjo sy ny Tosika Fameno any amin’ ireo mponina traboina any amin’ireo faritra izay tena voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza. Ireo Minisitra rehetra, izay hiparitaka hiasa manomboka rahampitso zoma 11 febroary any amin’ireo faritra rehetra hiadidiany (ministres coach) no hisahana izany.

     

    - Nanentana ny Filoham-pirenena amin’ny tokony hisian’ny firaisankina lehibe na « élan de solidarité » ato anatin’ny Governemanta Malagasy sy miaraka amin’ireo tompon’andraikitra rehetra manerana an’i Madagasikara. 

    - Namafisin’ny Filoham-pirenena hatrany fa ilaina ny fametrahana fandrindran’asa (coordination) sy fametrahana fahaiza-mitarika (Leadership) ao anatin’ity asa lehibe fanarenana ity. Hapetraka ny paikady ahafahana mamatsy ireo zavatra rehetra ilaina amin’ny andavanandro ireo faritra rehetra izay tena voa mafy indrindra ireo lasa mitoka-monina.

    - Nanolo-kevitra ny hanaovan’ireo Minisitera rehetra fanarenana amin’ny alalan’ny asa TANAMARO ihany koa ny Filoham-pirenana ka iarahan’izy ireo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izany

    - Ilaina ny « inventaires des dégâts » amin’ny sehatra sy ny faritra rehetra, isan’izany indrindra indrindra ny sehatry ny fambolena izay nahitam_pahavoazana lehibe ihany koa. Rehefa vonona izany dia haroso hakana fankatoavan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ny mikasika ny famaritana sy fandefasana ireo fanampiana any an-toerana. 

    - Ny « réseau ferroviaire » amin’ny faritra avaratra no tena nitondra takaitra lehibe nohon’ny fandalovan’ity Rivodoza Ana sy Batsirai ity. Misy kaominina 6 lasa nitoka-monina ankehitriny vokatry ny fahatapahan’ny fitaterana TCE- Tana Côte-Est izay tapaka kanefa tsy misy lalana ahafahan’ny fiara tonga any antoerana. Nanome toromarika ny hanaovana fanombanana ny saran’izay fanarenana izany ny Filoham-Pirenena. 

    - Maro ihany koa ireo Fiangonana no potika vokatry ny fandalovan’ity rivodoza ity ka tsy hitazam-potsiny ny Fitondram-panjakana manoloana izany fa hanampy tsy asiam-panavahana amin'ny fanarenena ireo rava. Ireo Fiangonana nitondra takaitra vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Batsirai ka mila fanampiana amin’ny fanarenena dia afaka mametraka fangatahana ao amin’ny Lapan’Ambohitsorohitra hoy ny Filoham-pirenena hahafahana manampy azy ireo

    - Farany dia tokony hanamafisana ireo fepetra tokony horaisina ahafahana misoroka sy manasazy ny fanodinkodinana ireo fanampiana voatokana ho an’ny traboina ny Filoham-pirenena. 

    MINISTERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny paikady entina hiatrehana ny fanarenana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai teo amin’ny sehatry ny fampianarana

    - Ao anatin’izay paikady izay ny fametrahana « brigades d'intervention » hiandraikitra ny famerenana amin’ny laoniny ireo sekoly maro mba ahafahan’ny ankizy mpianatra miverina haingana any antsekoly. 

    - Ankoatr’izay dia eo ny fanentanana ireo tompon’andraikitra samihafa any amin’ny faritra (voafidy sy voatendry) sy ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo sehatra tsy miankina any an-toerana. Hapetraka ihany koa ny komisiona manokana izay hanara-maso (hialana amin’ny mety ho fanodinkodinana sy fanararaotana) sy hanome fankatoavana ireo fangatahana rehetra mikasika ny fanamboarana. 

    - Nangatahana fankatoavana ny hijanonan’ireo tompon’andraikitra, mandritry ny andro maromaro, any amin’ireo faritra izay hita fa voa mafy ahafahana manao ny fanarenana.

    - Ny asa dingana voalohany dia ny fametrahana ny tafo maherin’ny 4820 no hapetraka amin’izany. Mihoatran’ny 2000 kosa ireo tafo hapetraka mandritry ny dingana na phase 2, dingana fanarenana any amin’ireo distrika manodidina.

    - Isan’ireo hisitraka ny Vatsy Tsinjo sy Tosika Fameno ireo mpampianatra « FRAM non subventionnés » rehetra any amin’ireo Distrika rehetra voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai

    MINISTERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fandraisan’ny Governemanta Malagasy an-tanana ny haba sy hetra amin’ny fanafarana entana sy ny fandoavana (régularisation) ny TVA an’ny tetikasa “Promotion d'une politique foncière responsable” na ProPFR.

    Ity tetikasa fifanekena fampiharana ity dia mampisitraka an’i Madagasikara ny fandaharan’asa iraisam-pirenena iarahana amin’ny GTZ antsoina hoe “Une POLITIQUE foncière responsable” mandritra ny 20 volana nanomboka ny volana novambra 2021. Entina hananganana birao ifotony ny sampan-draharaha ny fananantany, hizarana kara-tany sy certificat foncier ity famatsiam-bola ity.

    MINISITERAN’NY FAHASALAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fampidirana ireo fatra fanindroany amin’ny vaksiny fiarovana ny covid-19.

    Ho an’ny olona rehetra izay nanao vaksiny dia afaka manao fatra faharoa na “deuxième dose de vaccin” izy ireo ho fanamafisana ny fiarovana. Tsy atao antery fa tena atao an-tsitrapo tanteraka anefa izany.

    Araka , ny tatitra farany nataon’ny « Académie Nationale de la Médecine de Madagascar (ANAMEM) » farany teo dia mihena ny hery fiarovan’ireo olona vita vaksiny, ny 3 ka hatramin’ny 5 volana aorian’ny fanaovana vaksiny voalohany. Tsara noho izany ny hamerenana ny tsindrona ho an’ireo olona nahavita tanteraka ny vaksiny voalohany, 5 volana aorian’ny tsindrona farany.

    MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    Nankatoavina ny fanaovana andrana sy ny fampidirana angovo ao amin'ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) avy amin'ny orinasa mpamokatra herinaratra ao Farahantsana.

    Noho tsy fahampian’ny famokarana avy amin’ny tobim-pamokarana herinaratra ao Andekaleka no nitarika fahatapahan-jiro teo amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo. Hiantohana ny fitohizan'ny tolotra herinaratra ho an'ny daholobe sy ny filaminam-bahoaka.

    Efa vita amin’izao fotoana izao ny asa fampivoarana herinaratra any Farahantsana izay hamatsy 28MW ny tambazotra iraisan’Antananarivo Renivohitra (RIA) aoriana kely ao.

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavina ny fanomezana famatsiam-bola ho an’ny famokarana ketsam-boly azo avy amin’ny teknikam-pambolena tsara kokoa, sy hamatsiana ny hetsika maika taorian’ny tondradrano.

    Ny Filohan’ny Repoblika dia nanome toromarika amin’ny hanomezana ketsam-bary ho an’ireo tantsaha simba fambolena, taorian’ireny rotsak’orana be niteraka tondra-drano ireny tamin’ny ankabeazan’ny lemak’i Madagasikara.

    Izany no hatao, dia mba ahafahana mitazona na mampitombo ny voka-bary ato anatin’ny taom-pamokarana 2021-2022.

  • II- FANENDRENA

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa MADINA Françis Emilien Romly, ho « Préfet » an’i Sambava.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2014-1527 tamin’ny 25 septambra 2014 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONIRINA Bruno ho « Chef de District » an’Ambato Boeny.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-901 tamin’ny 12 aogositra 2020 ary manendry an’Andriamatoa TSILAVONDAHY Jacob, ho « Chef de District » an’i Vangaindrano
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2009-1044 tamin’ny 04 aogositra 2009 ary manendry an’Andriamatoa RAHERIARISATA Fenotojosoa Tsiriandrianary Salama, ho « Chef de District » an’Andramasina.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1358 tamin’ny 21 Oktobra 2020 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARIVELO Fanomezantsoa Roger, ho « Chef de District » an’i Beroroha.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTONDRAZAKA Fanomezana Espéré, ho « Directeur de la Veille Economique et de la Communication ».

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-229 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RABEMARO Guy Clébert, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any anivon’ny Faritra Sofia.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMANANJARA Domoina, ho « Directeur du Développement Relationnel et de Partenariat ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-404 tamin’ny 07 Aprily 2021 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANTOLOTRA Antonine Lovaniaina, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any anivon’ny Faritra Itasy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-241 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa HANOY FABRICE, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » any anivon’ny Faritra Melaky.

    MINISITERAN’NY FIZAHANTANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1370 tamin’ny 03 jolay 2019 ary manendry an’Andriamatoa BEANTIDAHY Johan Rodolphe, ho « Directeur Régional du Tourisme » Sava.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1368 tamin’ny 03 jolay 2019 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANJAFY Hervé, ho « Directeur Interrégional du Tourisme » Matsiatra Ambony - Ihorombe.

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1370 tamin’ny 03 jolay 2019 ary manendry an’Andriamatoa TOTO Modeste Justin, ho « Directeur Régional des Transports et de la Météorologie » an’i Sava.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa FAINA Peterson, ho « Directeur Régional des Transports et de la Météorologie » an’i Diana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1641 tamin’ny 21 aogositra 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISOA Volanirina Marie Sarah, ho « Directeur des Ressources Humaines ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAKATIANA Adamson Tsoushima Ernest, ho « Directeur de la Sécurité et de la Prévention des Accidents Routiers ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Lieutenant-Colonel DAMASY Gervais, ho « Directeur du Bureau des Enquêtes Accidents et incident de l’Aviation Civile-Bureau de Réclamation de l’Aviation Civile ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-318 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry an-dRamatoa RAMIANDRISOA Voahanginirina Anne Marie Pierrette, ho « Directeur des Exploitations Météorologiques ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa HAJARISAONA Elima, ho « Directeur Régional des Transports et de la Météorologie » an’i Vakinankaratra.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa KOTOMANGAZAFY Stephason François, ho « Directeur des recherches et Développement Hydrométéorologiques ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-662 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry an-dRamatoa ANDRIJOELINA DEWA Salohinirina Julia, ho « Directeur Régional des Transports et de la Météorologie » an’Anosy.
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-714 tamin’ny 10 aprily 2019 izay nanendry ny « Directeur du Conservateur National de Madagascar ».

Natao androany faha 10 Febroary 2022

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika