TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 02 FEBROARY 2022

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavina ny fampisitrahana maimaim-poana ny tany antsoina hoe “NIRINA” TN°4356-BL eny Antanamariazy, Kaominana Ambilobe, Faritra DIANA ho an’ny Fikambanana ara-pivavahana fantatra amin'ny anarana hoe : RHEMA FANAFAHANA INTERNATIONAL. Ampahan-tany mirefy TELO ARA sy DIMY AMBY EFAPOLO Ca (03A 45Ca) misoratra amin’ny Fanjakana voalaza io, no hangatahan’izy ireo mba hananganana Fiangonana.

    Nankatoavina ny famindrana ny tany antsoina hoe « TAFIKA MALAGASY MORAFENOBE » TN°111-DC ao Ankilatsibe, Faritr’i Melaky ho an’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka.

    Anisan’ny andraikitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena ny fampiharana ny politikan’ny fiarovam-pirenena. Ireo loharanon-karena omena ampiasainy dia natao hitandrovana ny fiandrianam-pirenena, ny fahamarinan-toerana ary ny filaminam-pirenena.

     

    Noho izany indrindra no nangatahan’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny hanomezana ampahany amin’ny tany mirefy 04Ha 22A 15Ca ao anatin’ny tany antsoina hoe “TAFIKA MALAGASY MORAFENOBE » TN°111-DC, izay misoratra amin’ny anaran’ny Fanjakana Malagasy, mba hametrahana « Base Opérationnelle Avancée » ao Morafenobe.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FAHADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fampidinana ny vidin’ny rano avy amin’ny fantsona (pipeline) ao Ampotaka-Tsihombe sy ny ivon-toerana famatsian-drano any Atsimo (AES na alimentation en eau dans le Sud)

    Ny faritra atsimon’i Madagasikara dia ianjadian’ny haintany mafy nandritra ny taona maro. Misedra fahasahiranana hatrany amin’ny fahazoana rano ny Mponina ary miteraka fiantraikany amin’ny asa ara-toekarena sy ny famokaran’ny mponina izany.

    Manoloana izany dia ilaina ny fampidinana ny vidin’ny rano mba hahafahan’ny rehetra indrindra fa ireo tokantrano tena sahirana misitraka izany. Nomena baiko ny Minisitera tompon’andraikitra mba hijery akaiky ny Paikady mikasika ny vidin’ny rano homena ny Mponina.

    Amin’izao fotoana izao 6000 ar/m3 ka hatramin’ny 7500ar/m3 no ividian’ny olon-tsotra ny rano raha manodidina ny 415 ar/m3 izany amin’ny faritra hafa. Araka izany dia ho jerena izay hahafana mampidina ny vidin’ny rano any an-toerana hoy toy vidin’ny ranon’ny jirama: 415 ar/m3.

    Ny fampihenana ny vidin’ny rano any amin’ireo Faritra ireo dia hanatsara ny famatsian-drano fisotro madio ho an’ny mponina any amin’ny faritra Atsimon’i Madagasikara ary hampiroborobo ny fomba fiaina madio sy ara-pahasalamana.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny didim-panjakana manova ireo andininy sasantsasany ao amin’ny didim-panjakana laharana 2019-1791 tamin’ny 18 septambra 2019 manendry ireo mpikambana vaovao ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Jiro sy Rano Malagary (JIRAMA).

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanendrena an’Andriamatoa MANDIMBISOA Kléoni, izay sekretera jeneralin’ny Ministeran’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana sy Andriamatoa RAMIANDRASOA Sambatra ho mpikambana vaovao eo anivon’ny Filankevi-pitantanan’ny orinasa Jirama.

  • III- FANENDRENA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RANDRIANARIVONY Daniel, ho « Directeur Général de l’Inspection Générale de l’Etat »
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2018-015 tamin’ny 11 janoary 2018, ary manendry ny Contrôleur Général de Police RAFANOMEZANTSOA Roger, ho « Directeur Général du Central Intelligence Service »

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2018-1640 tamin’ny 05 desambra 2018 ary manendry an’Andriamatoa RATSIMANDRANTO Jean Jacques William, ho « Procureur Général près la Cour d’Appel de Mahajanga ».

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa HAVELIN Jean Mila, ho « Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation de l’Institut National de la Décentralisation et du Développement Local ».

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2015-0980 tamin’ny 19 jona 2015 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOZAFY Germain, ho « Directeur Régional de la Santé Publique » any amin’ny Faritra Fitovinany.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-1297 tamin’ny 17 novambra 2021 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIARIMANANA Njatovoherimamy Perlin, ho « Directeur Interrégional de la Communication et de la Culture » any amin’ny Faritra Vatovavy sy Fitovinany

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa REBOZA Zafindrevalo Anthonio, ho « Directeur des Infrastructures ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAZAKANANTENAINA Christophe, ho « Directeur Régional des Travaux Publics » any amin’ny Faritra Vatovavy.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAFARALAHY Zarasoa Malandy, ho « Directeur Régional de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène » any amin’ny Faritra Analanjirofo.

    MINISITERAN’NY ASA TANANA SY NY HAI-TAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa DAMA Solonjatovo Martin, ho « Directeur Régional » any amin’ny Faritra Sofia.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa JAO Henri Joël, ho « Directeur Régional » any amin’ny Faritra Diana
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOANARISOA Egorine, ho « Directeur Régional » any amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RANORONIAINA Fanjarinivo Solomon, ho « Directeur de l’Audit Interne et du Contrôle Interne ».

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RABENJAMINA Fenonirina Harinandrianina, ho « Directeur de l’E-Gouvernance ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ORIFIONONANA RAKOTOZAFY Andro, ho « Directeur de la Conduite du Changement ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOARIMALALA Manitriniaina Herintina, ho « Directeur de l’Intégration Numérique ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-670 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry an’Andriamatoa ENIVEREALDO Zamabetsara, ho « Directeur Interrégional » any Toamasina.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-671 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARIVONY Toavina Julio Rocco, ho « Directeur Interrégional » any Toliara.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-710 tamin’ny 01 jolay 2020 ary manendry an’Andriamatoa WILLIAM Jean Tsimamboly, ho « Directeur Interrégional » any Antsiranana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-711 tamin’ny 01 jolay 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRADIA Herbert Martino, ho « Directeur Interrégional » any Mahajanga.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-712 tamin’ny 01 jolay 2020 ary manendry an-dRamatoa LOVATIANA Andrianaivo, ho « Directeur Interrégional » any Fianarantsoa.

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2018-325 tamin’ny 11 aprily 2018 ary manendry an’Andriamatoa RABARINALA Andriantsoa Thierry, ho « Directeur Général de l’Académie Nationale des Sports » (DG/ANS).
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1235 tamin’ny 06 jona 2019 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMALAZAVOLA Gaël Jacques, ho « Directeur de l’Institut National de la Jeunesse » (INJ) any Carion.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-567 tamin’ny 27 mey 2020 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIANIAINA Tiavina Arnaud, ho « Directeur de la Préparation de la Relève Sportive » (DPRS)

     

  • IV- FANAFOANANA

    FIADIDIANA NY PRIMATIORA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2018- 800 tamin’ny 17 jolay 2018 izay nanendry ny « Directeur de la Communication à la Primature »

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2016- 1360 tamin’ny 09 novambra 2016 nanendry ny « Directeur de l’Office Malagasy du Droit d’Auteur ».

    MINISITERAN’NY ASA TANANA SY NY HAI-TAO

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-284 tamin’ny 10 martsa 2021 izay nanendry ny « Directeur Général de l’Artisanat ».

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-1060 tamin’ny 06 oktobra 2021 izay nanendry ny « Directeur Administratif et Financier ».

  • V- Mikasika ny Fiomanana manoloana ny fihavian’ny rivodoza BATSIRAY

    FAMPAHAFANTARANA ANKAPOBENY

    Mikasika ny fiatrehana ny Rivodoza na « cyclone tropical intense » BATSIRAI, dia tsara ny mampahafantatra fa tombanana ho rivodoza tena hahery vaika satria hitovy hery tamin’ny rivodoza Géralda (1994) sy Litanne (1994) ary Indlala tamin’ny 2007 ity rivodoza BATSIRAI ity.

    Hitondra rivotra hifofofofo izy manomboka ny zoma ho avy izao amin’ny 10 ora maraina ary hiditra eo anelanelan’i Vatomandry sy Mananjary ny asabotsy 05 Febroary atoandro na tolakandro. Tombanana ho 175km isan’ora ny rivotra miaraka aminy. Antenaina fa hidina ambanin’ny 100km/h anefa ny heriny rehefa tonga ety an-tanety. Arak’izany dia tokony samy miroso amin’ny fihomanana sy ny fampihomanana isika rehetra

    Hamakivaky ny Nosy avy any atsinanana, mandalo eto afovoantany hatrany andrefana ity. Ary tombanana hivoaka an-dranomasina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika ny Alahady 06 febroary. Ary any Tuléar sy Morombe no mety ivoahany amin’ny alahady

    Arak’izany dia tafiditra ao anatin’ny « filazana fanairana » na « loko maintso » androany hariva tamin’ny efatra ora ireto faritra manaraka ireto : Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana, Analamanga, Itasy , Bongolava, Vakinankaratra, Amoron’i Mania, Matsiatra ambony, Ihorombe, Antalaha, Mandritsara, Tsaratanana, ary Taolagnaro

    Rahampitso alakamisy 03 febroary 2022 amin’ny 10 ora maraina dia hiditra ao anatin’ny « filazana loza manambana » na loko mavo « avis de menace » ireo toerana rehetra voatanisa eo ambony ireo

    Ny zoma 04 febroary 2022 atoandro kosa dia hiditra ao anatin’ny filazana loza miloko mena na loza mitatao ireo faritra rehetra voatanisa rehetra ireo

    Raha ny tombana nataon’ny BNGRC dia mety ho tafakatra hatrany amin’ny 580 000 ny isan’ireo olona mety ho traboina aorian’ny fandalovan’ity rivodoza ity.

    IREO FANAPAHAN-HEVITRA NORAISINA

    1- Mikasika ny MPIANATRA

    Tsy mianatra ny Mpianatra rehetra manerana an’i Madagasikara ny zoma 04 febroary 2022 sy asabotsy 05 Febroary 2022 ho avy izao nohon’ny fiatrehana ny fidiran’ny andro ratsy BATSIRAI eto Madagasikara

    Voakasik’izany fepetra izany avokoa ny mpianatra rehetra amin’ny fampianarana ankapobeny, ireo mpianatra eny amin’ny amin’ny anjerimanontolo, ireo eny amin’ny fampianarana teknika sy arak’asa, ireo mpianatra eny amin’ny toeram-panofanana mpiasam-panjakana

    Miankina amin’ny fahalebiazan’ny fahavoazana na « ampleur des dégâts » eo amin’ny Faritra tsirairay no hiverenana any an-tsekoly na tsia ka ireo tompon’andraikitra isam-paritra no hanapaka izany fiverenana an-tsekoly izany.

    2- Mikasika ny MPIASA

    Tsy miasa ihany koa ireo Mpiasam-panjakana rehetra (ankoatr’ireo misahana « fonctions essentielles ») any amin’ireo Faritra sy Distrika voakasiky ny fanairana mena na « alerte rouge » rehetra izay mety ho voakasika mafy amin’ny fandalovan’ity rivodoza izy.

    Tsy miasa ihany koa ireo mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina any amin’ireo Faritra mena voatanisa ireo. Anjaran’ireo mpampiasa no maka fanapahan-kevitra sy mamaritra ny lisitr’ireo mpiasa « misahana ireo fonctions essentielles » izay tokony miasa ho fiarovana ny tombontsoan’ny orinasa sy ny seha-pamokarana.

    FEPETRA HAFA FIOMANANA

    Araka izay dia zava-dehibe ny fiomanana amin’ny fandraisana ireo fepetra isan-tokantrano, toy ny labozia sy ny rano, ny tokony hanamafisana ny tafo, ny fanasiana gonim-pasika eny ambonin’ireo tafona trano hita hampiahiahy, ny fanapahana ny hazo avo manakaiky loatra ny trano izay mety hianjera, ny fialan’ireo olona rehetra monina sy mipetraka eny amin’ny toerana iva izay tokony mamonjy avy hatrany ny toerantsekoly fandraisana traboina efa voatokana ho amin’izany

    Hisy ny Fandaharana manokana hanasana ny rehetra ny fanarahana azy ao amin’ny Televiziona TVM sy Radio RNM manomboka rahampitso. Izany dia hiarahana amin’ireo tompon’andraikitry ny BNGRC sy ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro ary hatao indrindra hanomezana vaovao tsy tapaka ny mponina rehetra ao anatin’ireo faritra voakasika ireo, ary hanomezana ireo toromarika hiatrehana ny rivo-doza.

     

Natao androany faha 2 Febroary 2022

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika