TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO  AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAKAMISY 27 JANOARY 2022

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAMPIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nanao famintinana ankapobeny mikasika ireo takaitra navelan’ny rivo-doza sy andro ratsy ny Filoham-pirenena. Feno ankehitriny ny fepetra ahafahana manambara ny “état de sinistre national”. Noraisina teo anivon’ny Filankevitry ny Governemanta ny didim-panjakana manambara izany.

    Ho fiatrehana ny fanarenana ny simba rehetra sy ho fanatsarana ny fandraisana an-tanana ireo traboina dia hirosoana ny fampiasana ny famatsiam-bola efa nosoniavin’ny Fanjakana Malagasy sy ny Banky Iraisam-pirenana izay nahazoana famatsiam-bola 50 tapitrisa dolara ahafahana miatrika ny loza voajanahary. Ka mbola misy eo ho eo amin’ny 35 tapitrisa dolara amin’izany mbola afaka hampiasaina ankehitriny saingy mila manaraka ny antanan-tohatra hahafahana mamoaka izany famatsiam-bola izany

    Mba hirosoana amin’izany dia entanina ireo Minisitera tsirairay avy hiroso amin’ny fanaovana tombana amin’ny antsipiriany ireo takaitra na ny “évaluation détaillée des dégâts” mifandraika amin’ny sehatra tantanan’izy ireo.

    Nanterin’ny Filoham-pirenena tamin’ireo Minisitra rehetra fa ilaina ny fahaizana manao fandrindran’asa (coordination) sy fanehoana fahaiza-mitarika (leadership) ary ny fahaizana mandamina (organisation) amin’ny fiatrehana izao krizy izao. Hamafisina sy hiompana bebe kokoa amin’ny lafiny ara-tsosialy ny fanarenana ny zava-misy taorian’ny fandalovan’ny andro ratsy teto Madagasikara. Ireo mponina traboina sahirana rehetra any amin’ireo faritra rehetra izay voakasik’iny voina iny, dia omena Tosika Fameno avokoa. Hafainganina ihany koa ny fanaovana kara-pokontany “digitalisés” ho an’ireo faritra niharan’ny tondra-drano hahazoan’izy ireo izany fanampiana izany. Apetraka haingana ny planina fizarana ny Vatsy Tsinjo sy Tosika Fameno eto Antananarivo sy any amin’ny Faritra niharam-boina.

    Hojerena manokana izay fomba sy fitaovana rehetra hanampiana ireo olona rehetra traboina amin’ny fanarenana ny tranon’izy ireo izay simba. Hojerena ny hahafahana manampy ireo traboina ara-pitaovana. Hisy ny “études” na fandinihana mikasika ny famoronana asa sy fametrahana tetikady mikasika ny fanomezana toeram-ponenana vaovao na “stratégie de relogement”.

    Manoloana ny fisian’ny andro ratsy izay efa mananontanina any amin’ny Faritra Atsinanana dia nanome toromarika ny Filoham-pirenena ny hanaovana sahady ny fiomanana rehetra mikasika izany.

    Araka ny fanazavan’ny Praiministra dia aorian’ny “évaluation des dégats” dia ilaina maika ny fametrahana ny “évaluation des besoins” izay tena ilain’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena izay maniry sy vonona hitondra fanampiana ho an’I Madagasikara.

    Araka ny tatitra nataon’ny Minisitry ny Ati-tany dia

    - Mitotaly 41 ny isan’ny olona maty.

    - Mikasika ireo toerana fandraisana traboina dia efa misy mihoatran’ny 40 amin’izy ireo no nikatona. Misy ihany koa anefa no niforona.

    - Nihena any amin’ny 47719 ny isan’ireo traboina eto Antananarivo.

    - Mitotaly 55332 ny isan’ireo traboina manerana ny Nosy.

    - Miisa 418 ireo trano fianarana dibo-drano ary 55 kosa no potika.

    - Efa nalefa notsaboina eny anivon’ny CTC ireo traboina nisy nahitana soritr’aretina COVID-19.

    Mikasika ny sehatry ny fambolena dia atao ihany koa izay hahatongavan’ny fanampiana any amin’ireo tena mila izany. Mila fantarina mazava ireo velaran-tanimbary simba mba afahana manampy ireo tantsaha.

    Araka ny fanambaran’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena :

    - Mba hahafahan’ny ankizy manohy fianarana sy mankany an-tsekoly faran’izay haingana dia nangataka ny hametrahana “mécanismes” hahafahana manarina sy manamboatra haingana ireo efitranon-tsekoly voa mafy ny Minisitra tompon’andraikitra.

    - Mikasika ny fiverenan’ny mpianatra any an-tsekoly dia tokony hanomboka amin’ny alatsinainy 31 janoary ho avy izao izany ho an’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana. Maro tamin’ireo sekoly tsy miankina no efa namerina ireo mpianany hiverina hianatra.

    - Ny ankamaroan’ireo sekoly nandraisana traboina dia efa tsy misy traboina intsony amin’izao fotoana izao. Hisy ny fanadiovana sy fandrarahana ranom-panafody any amin’ireny sekoly ireny ahafahana mandray indray ireo mpianatra amin’ny herinandro ho avy izao.

    Araka ny tatitra nataon’ny Minisitry ny Varotra sy ny fampiroboroboana ny Indostria dia hojerena izay hamerenana ny TSENA MORA indroa isan-kerinandro. Ampy tsara ny tahiry ara-bary izay mitotaly hatrany amin’ny 150 000 taonina. Tsiahivina fa nisy ampahana vary vao tonga tamin’ny 24 Janoary lasa teo ary mbola hisy taonina maromaro ihany koa mbola ho avy tsy ho ela

    Ireto ireo fepetra vitsivitsy maika horaisina

    - Hamafisina fa andraikitry ny BNGRC ny fikarakarana ny toeram-pandraisana ireo traboina. Hanara-maso izany kosa ireo ministera

    - Hatomboka ihany koa ny Vatsy Tsinjo ka tokantrano iray alina no hizarana izany ety am-boalohany.

    - Hatao faran’izay haingana ny tombana amin’ny antsipiriany ireo takaitra na “évaluation détaillée des dégâts” ka isan’izany ny takaitra eo amin’ny sehatry ny fambolena, fotodrafitrasa isan-karazany.

    - Hojeren’ny Fanjakana izay hahafahana manao ny “RELOGEMENT” ireo traboina tena rava trano tanteraka

    Farany dia ilaina ny fametrahana “zone de stockage” manara-penitra lehibe eto Antananarivo hahafahana mandray sy mitahiry ireo karazana fitaovana maro ilaina amin’ny hamehana toy izao.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavina ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana ara-potoana faha-35 ny Fikaonan-dohan’ireo Filoham-panjakana sy governemanta ao amin’ny Vondrona Afrikanina, ny 05 sy 06 Febroary 2022 ho avy izao, any Addis-Abeba, any Etiopia.

    Ny lohahevitr’izao fikaonan-doha izao ho an’ny taona 2022 dia ny hoe : « Bâtir une résilience en matière de sécurité nutritionnelle et alimentaire sur le continent africain : renforcer l'agriculture, accélérer le développement socioéconomique du capital humain ».

    Hatolotra sy hodinihina mandritra io fivoriana an-tampony ara-dalàna io ihany koa ireto tatitra ireto :

    - ny zava-mitranga eo amin’ny lafiny filaminana sy fandriam-pahalemana aty Afrika ;

    - ny fiatrehan’ny Vondrona Afrikanina ny valan'aretina Covid-19,

    - ary ny fiovaovan'ny toetr'andro

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavina ny fandravana sy fanafoanana ny Tranon’ny fifandraisan’ireo Oniversite na ny “Maison de la Communication des Universités” (MCU)

    Misy sampan-draharaha hafa eo anivon’ny foibe, toy ny DTTC sy ny CIDST efa manao ny asan’ity MCU ity. Ankoatr’ izay, ireo Oniversite 06 manerana ny Nosy dia efa manana sampan’asa misahana ny seraserany avokoa. Arak’izany dia hita fa afaka hirosoana ny fanafoanana ity sampan-draharaha ity koa hafindra any amin’ny MESUPRES avokoa izay rehetra mikasika azy (ny fitaovana rehetra sy fananana na “biens et patrimoines”, ary ireo mpiasa rehetra…)

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fangatahana fandraisana fepetra vonjimaika ara-ketra sy ara-kaban-tseranana mikasika ny fampidirana fitaovana nafarana ho an’ireo tetikasa famatsiana herinaratra mifototra amin’ny angovo azo havaozina eny ambanivohitra.

    Noho izany día horaisin’ny Fanjakana an-tanana ireo haba fanafarana fitaovana ho an’ireto tetikasa ireto :

    - GRANT AWARD NO R -2007-00341 any amin’ny faritra Amoron’i Mania, district Fandriana ao Ankerivato.

    - Convention pour la mise en oeuvre du service public d’électricité à Ambatosia- Ambodiampana- Beandrarezona, Antsamaka, faritra Sofia, district Bealanana, Andriamanjavona.

    Nankatoavina ny fangatahana ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ireo DTI mikasika ny fitaovana ara-teknika nafaran’ny orinasa JIRAMA.

    Manoloana ny maha zava-dehibe ny tetikasam-pamokarana angovo elekitrika sy ireo ezaka atao amin’ny fampihenana ny fahatapahan-jiro dia tena ilaina maika ny famoahana ireo fitaovana ara-teknika nafaran’ny orinasa JIRAMA hanatanterahana ny tetikasa fananganana tobim-pamokarana angovo samihafa «photovoltaîques / Diesel». Nekena, noho izany, ny fangatahan’ny minisitera ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ireo DTI mikasika izany, hamahàna ny olana. Io tetik’asa io dia iarahan’ny fanjakana Belge sy ny Governemanta Malagasy.

     

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny « Office des Transmissions Militaires de l’Etat » na OTME teo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Mifarana hatreo arak’izany ny asan’ny Filankevi-pitantanana sy ny Tale Jeneralin’ity rafitra ity. Ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra manomboka izao no hisahana ny asan’ity rafitra ity.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    Noraisina ny volavolan-dalàna manome alàlana ny fankatoavana ny fifanarahana famatsiam-bola mifandraika amin’ny fidirana sy fandraisan’ny Fanjakana Malagasy anjara amin’ny renivola na ho “actionnaire” ao amin’ny orinasa NEHO/Tetikasa famokarana herinaratra SAHOFIKA, nifanarahana tamin’ny volana jona 2020 teo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny « Fonds Africain de Développement » BAD/FAD.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny « Centre National de l’Eau, de l’Assainissement et du Génie Rural » (CNEAGR).

    Taorian’ny fanapahan-kevitry ny Filankevitry ny Minisitra nanome toromarika ny amin’ny fanatsarana ny fandaniam-bolam-panjakana amin’ny alalan’ny fandravana sy fanavaozana ireo « organismes rattachés » sasany, dia isan’ny voakasik’izany ny CNEAGR. Ny « Direction en charge du génie rural » sy ny « Direction en charge de la formation agricole » eo anivon’ny Minisitera no hisahana manomboka izao ny asan’ity rafitra nofoanana ity.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Noraisina ny didim-panjakana manafoana

    -ny « Centre d’Etude et de Développement de la Pêche » (CEDP)

    -ny « Unité de Recherche Langoustière » (URL)

    -ny « Unité Statistique Thonière d’Antsiranana » (USTA)

    -Ary ny « Observatoire Economique de la Pêche et de l’Aquaculture » (OEPA)

  • III- FANENDRENA

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-954 tamin’ny 03 may 2019, ary manendry an-dRamatoa RANOROMALALA Lantoharitiana, ho « Directeur de l’Appui aux Collectivités territoriales décentralisées ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1701 tamin’ny 04 septambra 2019, ary manendry an-dRamatoa BAZEZY Jeannie Cylliah, ho « Directeur de l’Administration du territoire »

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANJARAMAEVA Espérant, ho « Directeur régional de la Santé Publique » any amin’ny Faritra Vatovavy.

    MINISTERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-556 tamin’ny 27 may 2020, ary manendry an-dRamatoa RAZAKAMAHEFA Andrianirinaholisoa Oyo, ho « Directeur de l’Assainissement et de l’hygiène ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-849 tamin’ny 29 jolay 2020, ary manendry an’Andriamatoa MARA Herinirina Romuald, ho « Directeur Régional de l’Eau, de l’Assainissement et de l’hygiène » any amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1640 tamin’ny 21 aogositra 2019 ary manendry an’Andriamatoa NOELY, ho « Président du Conseil d’Administration de l’Alimentation en Eau dans le Sud » (AES)

     

Natao androany faha 27 janoary 2022

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika