TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 22 DESAMBRA 2021

 

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    1- Fankasitrahana sy fanomezana mari-boninahitra

    Nohon’ny herim-po sy herin-tsaina nananany niatrika ny voina nahazo azy, ary ihany koa ny finiavana nananany tao anatin’izao governemanta izao, dia asondrotra amin’ny laharam-boninahitra « GENERAL de CORPS d’ARMEE » ny jeneraly Serge GELLE, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena

    - Hakarina ho « Sous-Lieutnant » kosa i Laitsara Jimmy Andrianarison, ilay mpikirakira sy mpikarakara angidimby na « mécanicien » izay adjudant-chef.

    - Omena fankasitrahana na « Ordre de mérite » sy fitaovana sy fampitaovana maromaro kosa i Zambie sy ireo Mpanjono nandray anjara tamin’ny fanavotana azy roalahy niharam-boina voatonona etsy ambony

    2- Mikasika ilay loza nihatra tamin’ilay sambo « Francia »

    FITATERANA AN-TSOKOSOKO

    Misy fepetra horaisina mahakasika ireo sambo maro izay fantatra fa mitondra olona an-tsokosoko.

    Isan’izany ity sambo « FRANCIA » ity izay sambo fitaterana entana fa tsy fitaterana olona ary tsy manana fahazoan-dalana hitatitra olona raha ny taratasy mikasika azy no jerena. Raha ny habeny sy ny tanjany dia tokony mpanamory miisa telo sy olona miisa 20 farafahabetsany no zakany kanefa dia nitatitra olona manodidina ny 138 ity sambo ity ka nahatonga izao loza izao. Tany Antanambe Mananara moa ity sambo ity no niainga izany hoe niondrana an-tsokosoko fa tsy niainga tany amin’ny toerana fiaingan’ny sambo manara-dalàna.

    - FANADIHADIANA na « Enquête » sy SAZY

    Hisy ny fanadihadiana na « enquête » mahakasika io raharaha io ary indrindra mikasika ireo rehetra tompon’andraikitra nahatonga izao voina izao. Horaisina ireo fepetra mifanaraka amin’ny valin’izany fanadihadiana izany. Avy hatrany anefa dia tsy mahazo miasa intsony amin’ny sehatry ny fitaterana an-dranomasina ny tompony sy mpamily io sambo io izay efa eo an-dalam-pikarohana ankehitriny

    - MIKASIKA ireo RAZANA hita

    Tsy ampy ny vaovao na « informations » mikasika ireo olona namoy aina tamin’ity loza ity ka lasa sarotra ny mamantatra ny mombamomba azy ireo. Ny razana anefa dia efa manomboka mihasimba tsikelikely

    Ho fanamorana ny hahafantarana ny momba ireo olona namoy aina nandritran’ny firendrehan’ny sambo Francia dia halaina sary sy asiana laharana na « numéro » tsirairay ireo razana ireo ahafahana manampy ny fianakavian’izy ireo izay mety mbola an-dalam-pikarohana ny havany tsy hita ankehitriny. Hapetraka ny lisitra misy ny anaran’izay razana nahitana karapanondro.

    Horaisin’ny Fanjakana an-tanana ny fanaovana ny vatapaty hametrahana ireo razana. Ary tokony ho tonga rahampitso amin’ny 6 ora maraina any Soanierana Ivongo ireo razana rehetra hita tao Sainte Marie. Entanina izay fianakaviana manana ahiahy fa mety anisan’ireo nandeha tamin’ny sambo « FRANCIA » ny havany mba hihazo any Soanierana Ivongo. Andrasana hatramin’ny zoma ireo razana ireo ary dia tsy maintsy halevina raha sanatria tsy misy fianakaviana maka.

    - Mikasika ny DEUIL NATIONAL na Fisaonam-pirenena

    Tsy hakarina hatramin’ny farany ny sainam-pirenena rehetra rahampitso (Drapeau en berne). Hisy ihany koa ny iray minitra fahanginana na « une minute de silence » hatao amin’ny 11ora rahampitso.

    - Fanompoam-pivavahana fahatsiarovana na Messe de requiem

    Hotanterahina any Soanierana Ivongo rahampitso alakamisy 23 desambra 2021 tolakandro.

    - Fanampiana manokana

    Hisy ny fanampiana manokana omena ireo olona rehetra niharam-boina ireo na ny fianakavian’ireo izay namoy ny aina

    - Serasera mikasika ny fampahafantarana

    Hisy ny famoahana amin’ny haino amanjerim-panjakana TVM mikasika ny « identité » na ny mombamomba azy sy ny sarin’ ireo olona hita razana ka nanana karapanondro.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny didim-panjakana manakisaka ao amin’ny « compte » manokan’ny Tahirim-bolam-panjakana ireo sorabola tsy nahatratra ny fe-potoana nanaovana « engagement » tamin’ny fampiasam-bolam-panjakana 2021 teny anivon’ny andrim-panjakana sy ny Ministera.

    MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHINA ARA-TSOSIALY SY NY FAMPIROBOROBOANA NY VEHIVAVY

    Nankatoavina ny fanomezana alalana manokana (dérogation) ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ireo « droits et taxes à l'importation » (DTI) ho an’ireo kaontenera miisa 47 izay ahitana fanomezana natokana ho an’ireo ankizy sahirana eto Madagasikara avy amin’ny fiaraha-miasan’ny ONG Ankizy Krismasy amin’ny SAMARITAN'S PURSE.

    Efa hatramin’ny taona 2003 no niasa teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny fizarana sakafo sy fanomezana ho an’ny vahoaka Malagasy tena sahirana ny ONG Ankizy Krismasy, fa indrindra ireo avy any amin’ny faritra Atsimo. Ny tanjon’ireo hetsika ireo dia mba hanehoana amin'ireo olona sahirana ireo ny atao hoe fizaràna sy fitiavana.

    Noho izany dia boaty fanomezana miisa 22765 avy any Aostralia sy Etazonia, no hozaraina ho an’ireo ankizy any amin’ny Faritra 23.

    Nanome toromarika ny Filoham-pirenena ny tokony hanarahana maso tsara izany fizarana izany.

    MINISITERAN’NY FITATERANA

    Nankatoavina ny fametrahana ny « commission AD HOC » hikarakara ny famarotana na ny fanaovana « mise en vente » ilay sambo na « Navire Flying » izay efa neken’ny fanjakana tamin’ny volana febroary lasa teo ny hamarotana azy.

    Raha tsiahivina dia niditra ny fari-dranomasin’i Madagasikara tsy nahazo fahazoan-dalana ity sambo ity ary nitatitra hazo bolabola na “bois de rose” ihany koa. Araka izany dia nampiakarina sy notaritina tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina nanomboka ny 20 desambra 2018 ity sambo ity.

    Araka izany tsy fanarahan-dalana nataony izany dia nisy ny fakàna azy ho an’ny fanjakana na « Confisquation au profit de l’Etat ». Notanana ara-pitsarana, avy eo nogiazana ho tombontsoan’ny Fanjakana Malagasy tamin’ny alalan’ny didim-pitsarana laharana CATO-1174 / CO / 19 tamin’ny 13 Novambra 2019 navoakan’ny Fitsarana Ambony (Cour d’Appel) ao Toamasina.

    Noho ny fahasimbana haingana be hita amin’ity sambo ity, dia tsy maintsy atao laharam-pahamehana ny famoahana haingana azy ity avy ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Ilaina indrindra ny hanesorana io sambo io mba hisorohana ny loza ao amin’ny seranan-tsambo sady ho avy ny vanim-potoanan'ny rivo-doza

    Ny Filankevitry ny Minisitra tamin'ny 3 febroary 2021 dia nanome alalana ny fivarotana ny sambo FLYING.

    Araka ny toromarika voalaza tamin’izany, dia hatsangana ny “Commission adhoc interministérielle » miandraikitra ny fivarotana ny sambo FLYING. Efa nanomboka ny asa hanamoràna ny fivarotana io sambo io ireo mpikambana ao amin’ny Kaomisiona.

    Araka izany, efa mandeha ny fanombanana ny sambo mba hahafahana mametra ny vidiny farany ambany amin’ny fivarotana azy.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fandraisana an-tanan’ny Fanjakana ireo « droits et taxes à l'importation » (DTI) an’ny kojakoja fanolon’ny fitaovana « GeneXpert » ny laboratoara "LA2M" ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Noraisina ny didim-panjakana mamaritra ny « médaille d’honneur militaire, médaille de la défense nationale, médaille des services militaires émérites et médaille d’honneur pour actes de courage et dévouement ».

    Ny iraka amin’ny lafiny rehetra mifandraika amin’ny fiarovana sy filaminam-pirenena dia tena mampidi-doza ary mitaky fanoloran-tena amin-kerim-po na fahafoizan-tena mihitsy aza avy amin’ireo izay mandray anjara amin’izany.

    Ho fankasitrahana azy ireo sy handrisihana ny fandraisan’anjaran’ny rehetra dia tena ilaina tokoa ny fanolorana mari-boninahitra ara-miaramila, izay tokony hapetraka satria mbola tsy misy. Ankoatr’izay, ireo miaramila vahiny manao iraka eto Madagasikara dia notolorana mari-boninahitra natokana ho an'ny olom-pirenena tsotra sy tsy mifanaraka amin'ny asa miaramila, izany dia mifanohitra amin'ny zava-misy any amin’ireo firenena hafa. Arak’izany, mba hampitovy ny fomba fanao amin’ny any amin’ny Firenen-kafa, dia mety ny fanomezana medaly mifanaraka amin'izany, toy ny « médaille de la défense nationale ».

    Ity didim-panjakana ity dia ahafahana manome medaly karazany dimy ho an’ny miaramila malagasy, izay afaka atolotra manokana ho an’ireo miaramila vahiny ihany koa ny iray ary ho an’ny sivily izay nanao asa fanoloran-tena amin-kerim-po mifandraika amin'ny fiarovam-pirenena ny roa hafa. Ireto avy izany : « Médaille d’honneur militaire, « Médaille du combattant », « Médaille de la défense nationale », « Médaille des services militaires émérites » ary ny « Médaille d’honneur pour acte de courage et de dévouement »

    Ny Filoham-pirenena, izay Filoha fara-tampon’ny Foloalindahy, avy amin’ny tolo-kevitry ny minisitry ny Fiarovam-pirenena na ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, no hanolotra izany mari-pankasitrahana izany, ary ny « Chancellerie militaire » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena no mitantana azy.

  • III- SAMIHAFA

    Hiala sasatra ny Governemanta manomboka ny 22 desambra 2021 ka hatramin’ny 03 janoary 2021. Arak’izany dia hotontosaina ny 05 janoary 2022 ho avy izao ny filankevitry ny Minisitra manaraka.

     

Natao androany faha 22 desambra 2021

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika