TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 05 JANOARY 2022

 

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    FIADIDIANA ny REPOBLIKA

    Nankatoavina ny fanafoanana ny OTME na « Office de Transmission Militaire de l’Etat » eto anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ka alefa any amin’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ireo fitaovana sy mpiasa rehetra niasa teo anivon’ity rafitra ity.

    FIADIDIANA NY PRAIMINISTRA

    Nankatoavina ny fanafoanana ireo « organismes rattachés » miisa 3 amin’ireo 12 miankina amin’ny Fiadidiana ny Primatiora. Dia ny

    1- Ny SECRETARIAT TECHNIQUE PERMANENT POUR LA COORDINATION DE L'AIDE (STPCA)

    2- Ny CENTRE DE FORMATION POUR LE DEVELOPPEMENT DE MADAGASCAR (CFDM)

    3- Ny COMITE INTERMINISTERIEL DE LUTTE CONTRE LA CONTREFACON ET LE MARCHE ILLICITE DES MEDICAMENTS (CILCMIM)

    Satria efa misy minisitera hafa manatanteraka ny asan’izy ireo. Izao moa no atao dia taorian’ny toromarika nomen’ny Filoham-pirenena tamin’ny volana desambra lasa teo mikasika ny tokony hifehezana sy hampihenana ireo fanampiana ara-bola homena ireo sampan-draharaha isan-tsokajiny izay miankina amin’ny minisitera na « organismes rattachés » anefa tsy dia hahitam-bokany mivaingana amin’ny fiainam-bahoaka ny asa izay ataony. Ny ankamaroan’izy ireo ihany koa dia asa izay azon’ny minisitera sahanina tsara.

    Ity fanavaozana ity dia entina hanatsarana ny fampiasam-bolam-panjakana izay tokony hiompana amin’ny fanaovana asa mivaingana ho an’ny vahoaka.

    Nanapa-kevitra ny handinika akaiky ny mikasika ireo sampan-draharaha miankina ireo, na eo anivon'ireo Minisitera izany, na eo anivon'ireo andrim-panjakana ny Filan-kevitry ny Minisitra.

    Hisy ny drafitra famindrana na “transfert” an’ireo mpiasa ao anatin’ireo “organismes rattachés” hofoanana ireo amin’ireo minisitera samihafa.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny « Droits et Taxes à l’Importation » an’ireo fitaovan’ny orinasa JIRAMA.

    Ireo fitaovana nafarana ireo dia ilaina amin’ny fametrahana ny « Groupe » faha efatra an’Andekaleka mba hanamafisana ny famokarana angovo sy herinaratra ao amin’ny Tambazotra Iraisan’Antananarivo, amin’ny alalan’ny fanitarana ny tanjaka fanampiny.

    Nampahatsiahy ny Filoham-pirenena fa mila miasa haingana mamaly ny filàna sy ny hetahetan’ny Mponina ireo mpiasan’ny Jirama. Hisy ihany koa ny fanadihadiana mikasika ilay firehetan’ny « transformateur » tao Andekaleka andro vitsivitsy lasa izay sy mikasika ny fahatapahan’ny jiro tao Toliary ny 31 desambra lasa teo.

    Nankatoavina ny fampahafantarana ny momba ireo sampan-draharaha miankina amin’ny Minisiteran’ny toe-karena sy fitantanam-bola.

    Nankatoavina ny fanafoanana ny CREAM na ny « Centre de Recherche et d'Appui à l'Analyse Economique de Madagascar (CREAM) izay « Organisme rattaché » iray amin’ireo 4 miankina amin’ity Ministera ity.

    Telo izany sisa ireo organismes rattachés ao amin’ity Ministera ity dia ny:

    - « Autorité de Régulation des Marches publics (ARMP)

    - Institut National des Sciences Comptables et de l'Administration d’Entreprises (INSCAE)

    - Institut National de la Statistique (INSTAT)

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fanomezan-dalana manokana handraisan’ny Fanjakana an-tanana ireo « Droits et Taxes à l'Importation » (DTI) amin’ny fividianana fitaovam-piadiana ho an’ny Polisim-pirenena.

    Ho fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana, indrindra ny lafin’ny “Fandriampahalemana sy Filaminana”, ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka dia manao ho laharam-pahamehana ny paikadin’ny fandriam-pahalemana amin’ny fanafoanana ireo asan-jiolahy sy ny fakàna an-keriny mba hisian’ny fitoniana tsara eo amin’ny fandrosoana ara-toekaren’i Madagasikara.

    Tsapa fa efa tonta ireo fitaovam-piadian’ny Polisim-pirenena ary indraindray aza dia miteraka tifitra tsy ampoizina mandritra ireo fidirana an-tsehatra eny an-kianja. Maro an’isa koa ireo jiolahy manafika ary indraindray dia mitam-piadiana avo lenta kokoa noho ny an’ireo Mpitandro ny filaminana izy ireny.

    Sambany tao anatin’ny taona marobe nifanesy no nahazo fitaovam-piadiana hiasana ny Ministeran’ny Polisim-pirenena

    MINISITERAN’NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

    Nankatoavina ny fanafoanana ny « Organismes rattachés » miisa telo miankina amin’ity Minisitera ity dia ny

    • INCC : Institut National du Commerce et de la Concurrence

    • IMI : Institut Malgache de l’Innovation (IMI)

    • SIDEMA : Société Industrielle pour le Développement du Machinisme Agricol

    MINISTERAN’NY TONTOLO IAINANA sy ny FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavina ny fanafoanana ireto « Organismes rattachés » miisa 3 niankina tamin’ny Ministera ity dia ny ONESF, NY ANAE, ary ny SAGE

    MINISITERAN’NY FAHASALAMANA, MINISITERAN’NY FANABEAZAM-PIRENENA, MINISITERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKNIKA, MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY sy NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavina ny fanemorana ny fidiran’ny Mpianatra rehetra na ireo Mpianatra rehetra eny amin’ny sekoly « primaires, secondaires ary Lycées » izany na ireo mpianatra manaraka fihofanana ara-teknika sy ireo mpianatra eny amin’ny Anjerimanontolo

    Manoloana ny fitomboan’ny isan’ireo olona tratry ny COVID 19 sy ny fiparitahan’ity valan’aretina ity dia hita fa tsy ireo olon-dehibe ihany no tratr’ity aretina ity fa maro ihany koa ireo ankizy.

    Manoloana izany sy ahafahana manapaka ny rohim-pifindrana, sy ahafahana manamafy ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra eny an-tsekoly, manoloana ny fiparitahan’ny COVID 19 dia nohamafisin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanemorana ho amin’ny 17 Janoary 2022 ny fidiran’ny Mpianatra rehetra.

    Hamafisina ihany koa ireo toro-hevitra rehetra ara-pahasalamana toy ny :

    • Fanatonana dokotera raha vao misy famantarana mampiseho tsy fahasalamana

    • Miseho amin’ny endrika gripa amin’izao fotoana izao ny fiatombohan’ny COVID 19 ka raha miseho izany dia tsara ny malina sy manomboka fitsaboana izany gripa izany mba tsy hampihena ny hery fiarovana sy hampivadika ny aretina ho Covid 19

    • Mipetraka hatrany ny tokony hanajan’ny rehetra ny « gestes barrières » : fanaovana masque, fanajana ny elanelana 1 metatra, fanasana tanana matetika ary fampiasana gel hydroalcolique

    • Marihina fa mbola tsy azo atao ny famoriam-bahoaka

    • Entanina ny olona rehetra hihinana sy handray CVO

    • Mitohy hatrany ny fanaovana ny vakisiny.

    MINISTERAN’NY SERASERA sy ny KOLONTSAINA

    Nankatoavina ny fanafoanana ny « organismes rattachés » roa dia ny CEFOM sy ny CNEMD (sy ireo rantsany any amin’ny Faritra raha vantany vao amperinasa ny ANAC) eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKNIKA sy ny FANOFANANA ARAK’ASA

    Nankatoavina ny fanofanana ny « Organismes rattachés » miisa roa Dia ny INFOR na ny « Institut national de formation » sy ny CNFPAR na ny « Centre national de formation professionnelle artisanale et rurale ».

    Ny sampan-draharaha eo anivon’ny minisitera no hiandraikitra ireo asa izay nataon’ireo sampan-draharaha miankina nofoanana ireo.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nisy ny fampahafantarana mikasika ireo sampan-draharaha miisa efatra izay miankina amin’ity Minisitera ity dia ny

    - Paositra Malagasy na PAOMA

    - Ny Autorité de régulation et des technologies de communication na ny ARTEC

    - Ny « Autorité de Régulation du Secteur Postal » (ARSP)

    - Ny « Institut National de Digitalisation et des Postes » na ny INDP

    Tsy hirosoana ny fametrahana ireto roa farany izay mbola teo andalam-pametrahana azy ary hojerena ihany koa izay ahafahana mitondra fandrindrana sy fanavaozana ny asa sy andraikitr’ireo « organismes rattachés » roa farany

Natao androany faha 5 janoary 2022

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika