TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 15 DESAMBRA 2021

 

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    PRIMATIORA

    Nankatoavina ny tolo-kevitra fanafoanana ny « Comité National de Gestion Intégrée des Zones Côtières (CNGIZC) eo anivon’ny Primatiora.

    Manoloana ny fironana ara-stratejika vaovao nofaritan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana amin’ny fametrahana ireo Minisitera miandraikitra ny loharanon-karena stratejika, ny toekarena manga, ny tontolo iainana ary ny fampandrosoana lovain-jafy, dia ilaina ny fandinihana indray ny didim-panjakana 2010-137 tamin’ny 23 martsa 2010 momba ny fandrindrana, ny fitantanana mitambatra ny morontsiraka sy an-dranomasina eto Madagasikara, izay hotanterahin’ny Governemanta ao anatin’ny fotoana fohy.

    Ao anatin'izany toe-javatra izany, dia ilaina ny fandravàna ny CNGIZC. Ny tanjona amin’izany dia ny fitantanana ara-drariny ny volam-panjakana. Ny fomba ara-dalàna sy ara-pitantanana mifandraika amin'izany dia hatao faran'izay haingana.

    Namporisika sy nanasa ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta amin’ny fijerena ny fanafoanana ireo « organismes rattachés » sasany ka efa ataon’ny Ministera ny asany na koa tsy hita loatra ny vokatra entiny ny Filohampirenena satria mandany ny volam-panjakana izay tokony hamatsiana ireo tetikasa hotanterahina sy fotodrafitrasa maro izay mipàka bebe kokoa amin’ny fiainan’ny Mponina

    MINISITERAN’NY FITATERANA sy ny FAMANTARANA ny TOETRANDRO

    - Nankatoavina ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny « Droits et taxes » amin’ny fanafarana ireo fitaovana mifandraika amin’ny fametrahana ny « Train urbain d’Antananarivo ».

    - Nankatoavina ny fandraisan’ny fanjakana ny « Droits et taxes à l’importation DTI » tamin’ny fahazoana ireo fiaran’ny ASECNA na « Agence pour la Sécurité de la Navigation Aérienne en Afrique et Madagascar ».

    Nahazo fiara 14 ny ASECNA tamin'ny taona 2019 ho fanavaozana ny “parc automobile »-ny

    Ho setrin'ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny DTI, ny ASECNA dia manaiky fa raha misy ny fividianana fanampiny ao anatin'ny enin-taona ho avy (alohan'ny 2026), dia tsy maintsy mandoa ireo « droits et taxes » mifandraika amin’izany izy ireo.

    MINISITERAN’NY ANGOVO sy ny AKORAN’AFO

    Nankatoavina ny hanaovana « révision » ny « Droits des licences sur le secteur pétrolier aval » na fampiakarana ireo vola aloa eny am-boalohany « octroi de licence » sy amin’ny fanavaozana na « renouvellement » an’ireto « licences » maromaro manaraka ireto :

    - Ny fahazoan-dalana manafatra akoran’afo na «Licence d’importation d’hydrocarbures»

    - Ny fahazoan-dalana manafatra “Lubrifiants” na “Licence d’importation de lubrifiants»

    - Ny fahazoan-dalana mitahiry akoran’afo na «Licence de stockage d’hydrocarbures»

    - Ny fahazoan-dalana mitahiry an-dranomasina ireo akoran’afo na «Licence de stockage offshore d’hydrocarbures»

    - Ary ny fahazoan-dalana mizara vokatra an’ habakabaka na « Licence de distribution de produits aviation »

    Ho an’i Madagasikara manokana, ny taona 2012 no nisy fanavaozana farany ireo fahafahana manome (octroi), manavao (renouvellement) ary mamindra (transfert) ireo fahazoan-dalana (licence) mitrandraka akoran’afo, araka ny didim-panjakana laharana faha 2012-755 tamin’ny 7 aogositra 2012. Ankehitriny dia heverina ny handinihina indray ny fampitomboana ny vola aloa amin’ireo fahazoan-dalana na « licences » izay heverina ho lehibe sy stratejika dia ireo voatanisa etsy ambony ireo

    MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nisy ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny fanjakana malagasy manoloana ny fiakaran’ny tahan’ireo mararin’ny COVID 19 eto Madagasikara dia ireto manaraka ireto

    Ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra ary ny Faritra Matsiatra Ambony raha ny tarehimarika farany no jerena, no nahitana tahan’ireo olona mararin’ny COVID 19 na manana fitiliana positif izay tena niakatra.

    1- Araka izany dia miditra ao anatin’ny vanim-potoana antsoina hoe « FAHAMAILOANA ARA-PAHASALAMANA na VIGILANCE SANITAIRE » ireo faritra telo ireo

    2- Araka izany dia entanina ny mponina rehetra amin’ireo faritra ireo hanaja ny “gestes barrières”

    - Ao anatin’izany ny fametrahana ny « masques » sy ny fanajana ny elanelana 1 metatra, anisan’izany ny toeram-pivavahana.

    - Entanina ny rehetra amin’ny fanasana tanana sy ny fampiasana ny gel hydroalcoolique 

    - Ny famoriana olona dia tsy tokony hihoatra ny olona 100 ao anatin’ny efitra mihiboka iray.

    - Tsy azo atao ny manao famoriam-bahoaka ankalamanjana

    3- Mikasika ny fisorohana sy ny fitsaboana ary ny fampiasana ny CVO tambavy sy gellules dia :

    - Entanina ny fandraisana CVO + izay fisorohana sy ny fanohizana ny vaksiny. Hisy lamina hapetraka mba hafahana mivarotra CVO + amin’ny vidiny mirary.

    - Ireo olona « positifs » rehetra dia zaraina CVO+ sy ireo fanafody rehetra isan-karazany hitsaboana ny marary.

    - Hisy koa fizarana Tambavy CVO ho an’ireo rehetra « négatifs » eny anivon’ny CSBII rehetra. Mihaodihaody ny valanaretina koa ireo rehetra manana soritr’aretina dia afaka manatona CSBII

    - Hisy ny fizarana CVO Tambavy any amin’ireo Faritra telo ireo eto Madagasikara. Hatomboka tsy ho ela izany ary hisy ny planina mikasika izany fizarana izany any amin’ireo boriboritany eto Antananarivo sy ireo « quartiers » any amin’ny Faritra Vakinankaratra sy Matsiatra Ambony.

    4- Fanaovana TEST TDR sy PCR

    Ny fanaovana ny Test TDR dia maimaimpoana na « gratuit » eny anivon’ny CSBII eto Analamanga, Vakinakaratra ary Matsiatra Ambony. Ny PCR kosa dia misokatra ny eny amin’ny Village Voara, amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 4 ora hariva ny fanaovana izany ary maimaimpoana

    - Raha positif ilay olona dia aterin’ny fanjakana any an-trano ny fanafody fa tsy mankeny amin’ny village Voara maka izany

    - Ho an’ny Faritra Vakinankaratra dia ao amin’ny hopitaly Atsimo no hanaovana ny Test PCR

    - Ao amin’ny CHU Tambohobe kosa no atao ny PCR ho an’ny Faritra Matsiatra Ambony

    Ny tanjona dia hampidinana ny isan’ireo olona marary sy maty ary hanapahana ny fifindran’ny valanaretina na ny « châine de transmission »

    5- Mikasika Covdata sy numero vert

    Haverina hiasa indray izany koa afaka miantso ny laharan-tariby 914 ireo izay manana tsy fahasalamana mampiahiahy

    6- Hapetraka ihany koa ny vaccinodrome na toerana manokana fanaovana vaksiny any amin’ireo Faritra telo ireo.  Koa :

    - Ho an’Antananarivo dia hatao ao amin’ny Kianja BAREA no hanaovana izany

    - Ho an’i Vakinankaratra kosa dia ao amin’ny Gymnase VATOFOTSY

    - Ary ho an’i Matsiatra Ambony dia ao amin’ny Kianja AMPASAMBAZAHA

    7- Mikasika ny fialan-tsasatry ny Mpianatra

    - Ho an’ireo sekoly miankina amin’ny Fanjakana na « écoles publiques » dia hanomboka ny zoma izao ny fialan-tsasatra na ny « vacances »

    - Ho an’ireo « écoles privés » na sekoly tsy miankina amin’ny Fanjakana kosa dia amporisihina izy ireo handroso izany fialan-tsasatra na « vacances » ho an’ireo rehetra izay efa nahavita fanadinana na ny « examens »

     

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolaniana ny volavolan-dalàna manome alalana ny « ratification de l’accord de prêt » mikasika ny famatsiana vola ny « Projet d’Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce-phase II » (PACFC II), izay nifanaovan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny « Banque Africaine de Développement » ary ny « Fonds Africain de Développement » (BAD/FAD), tamin’ny 03 desambra 2021.

    Ho fanohanana ny Governemanta Malagasy amin’ny fanatanterahana ireo laharam-pahamehany eo amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa, dia nisy ny fampindramam-bola mitentina « Dimy amby fitopolo amby zato tapitrisa dôlara (175 000 000 USD), na valo amby dimampolo sy eninjato tapitrisa sy telo amby sivifolo sy eninjato lavitrisa Ariary (693 658 000 000 MGA), nomen’ny FAD hamatsiana ny andiany faharoa amin’ny « Projet d’Aménagement de Corridors et de Facilitation du Commerce ».

    Ny tanjona fototry ny tetikasa dia ny fanatsaràna ireo fepetra fahafaha-miditra any Atsimo, ny fampiroboroboana ny varotra sy ny fampiasam-bola amin’ny alalan’ny fanamoràna ireo dingana amin’ny fanondranana, ny fampiroboroboana ny fifaninanana ahafahana manome lanja ireo vokatra mampiavaka ny any Atsimo, indrindra ny fambolena, ny harena an-kibon’ny tany sy ny fizahantany ; ny fanomezana tolotra isan-karazany ary ny fanohanana ny fampifandraisana ireo tambazotram-pitaterana an-dranomasina ato amin’ny Ranomasimbe indiana sy ny « Corridor de Beira », izay i Mozambika no varavarana fidirana.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + NY SEKRETARIAM-PANJAKANA MIANDRAIKITRA NY TANANA VAOVAO SY NY TRANO FONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIAN’NY REPOBLIKA

    Nolaniana ny volavolan-dàlana mikasika ny « ratification de l’accord de financement à titre de prêt du Projet de transport par câble » eto Antananarivo eo amin’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny NATIXIS izay misolo tena ny governemantan’ny Repoblika Frantsay.

    Noraisina ny volavolan-dalàna manome alalana ny « ratification de l’accord de financement à titre de prêt du Projet de transport par câble » eto Antananarivo eo amin’ny Repoblika Malagasy sy ny governemantan’ny Repoblika Frantsay amin’ny alalan’ny NAXITIS sy ny Societé Génerale.

    Izany dia ho fanatanterahana ny Veliranon’ny Filoham-pirenena faha 11 dia ny Fanatsaràna sy fanavaozana an’i Madagasikara na « Modernisation de Madagascar ». Ny fitaterana an-tariby an-tanan-dehibe na « Transport Par Cable » dia fitaterana isan’ny tena manaja ny tontolo iainana ary tsy mila fandrodanana trano na fanalàna ny mponina amin’ny toeram-ponenany na « expropriation »

    Olona manodidina ny 40 000 isanandro no ho voatatitr’ireto «Transport Par Cable » ireto izay miaraka amin’ny fampandehanana ny "train urbain" dia tena hamaha olana amin’ ny fivezivezen’ny mponina sy ny hanamaivana ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Tombanana hihena hatrany amin’ny 2000 ny isan’ny fiara mivezivezy eto Antananarivo rehefa miasa io fomba fitaterana vaovao io. Araka izany dia hihena ihany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana ary hihena be ihany koa araka izany ny fotoana lanin’ny olona amin’ny fitaterana.

    Misy zotra roa moa ny TPC dia ny zotra loranjy mampitohy an'Anosy-Ambohijatovo- Soarano- Antanimena- Ankorondrano- Ivandry- AnalamahitsyAmbatobe ka hisy toeram-piantsonana na « Gares » miisa valo. Eo ihany koa ny zotra maintso « Ligne verte » : hampitohy an’ Anosy- Andohalo-Rova- Ankatso ary hisy toeram-piantsonana miisa 4. Mitotaly 13 km ny refin’ny lalana sy toerana hampitohizan’ny«TPC ». Araka izany dia i Madagasikara no anisan'ny firenena hanana TPC lava indrindra erak’izao tontolo izao.

    Ezahina ho vita mandritry ny 18 volana ny asa. Ao anatin’ny fotoana fanaovana fitsirihana mialoha ny toetoetry ny tany na « forage » hametrahana ireo « gares » sy ireo andry avobe na « pylônes » isika amin izao fotoana izao izay ezahina vitaina mialoha ny volana jiona 2022. Marihina fa hiditra amin’ ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana arak’asa amin ny vondrona POMA-COLAS isika izay ho mpanatanteraka ny asa rehetra.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORANAFO

    Nolaniana ny volavolan-dalàna manome alalana ny « ratification de l’accord de prêt » mikasika ny famatsiana vola amin’ny ampahany ny « Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie Electrique à Madagascar na» PRIRTEM I, nifanaovan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny « Banque Européenne d’Investissement » na BEI, tamin’ny 29 novambra 2021.

    Ny Governemanta dia manam-pikasana ny hampiakatra hatramin’ny 70% ny tahan’ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara alohan’ny taona 2030 sy hampitombo avo roa heny ny fahafaha-mamokatra herinaratra hatramin’ny taona 2023. Misy ny fampindramam-bola azo avy amin’ny « Banque européenne d’Investissement », izay mitentina « Telo hetsy sy iraika amby valopolo tapitrisa Euros » (81 300 000 EUR), na « Telo arivo sy telo alina sy roa hetsy sy valo amby valopolo sy eninjato tapitrisa sy telo amby enimpolo sy telonjato lavitrisa Ariary »(363 688 233 000 MGA).

    Izany dia fanampin’ilay famatsiam-bola ampahany avy amin’ny BAD, izay nosoniavina tamin’ny 06 febroary 2020, namatsiana amin’ny ampahany ny andiany voalohany amin’ny « Projet de Renforcement et d'Interconnexion des Réseaux de Transport d'Energie Electrique de Madagascar » (PRIRTEM I).

    Ny tanjon'ny tetikasa dia ny fanamafisana sy fampifandraisana ireo tambazotran'ny herinaratra eto Madagasikara, izay mikendry ny hampifandray ireo tambazotran-jiro telo lehibe misy sy ny fanamafisana ny famatsiana herinaratra any amin’ireo faritra ambanivohitra manamorona ny làlam-pirenena RN2.

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    Noraisina ny didim-panjakana manambara ho tombontsoa iombonana ny asa fanarenana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Toliara (PK0 – PK1+400), ny fanamboarana ny tetezan’i Ranozaza sy ireo lalana fidirana PK (70+720) – PK (71+660), ny fanarenana ny « Plateforme » Ankililaoka (PK72) sy ny fahazoana amin’ny alalan’ny fifanarahana na expropriation araka ny lalàna ho tombotsoam-bahoaka ireo tany sy/na trano voakasik’izany asa izany.

    Noraisina ny didim-panjakana manambara ho tombontsoa iombonana ny asa fanamboarana « flyover » eo anelanelan’ny sampanan-dalan’ny RN1 sy ny RN58A eny Anosizato ary momba ny fahazoana, amin’ny alalan’ny fifanarahana « voie amiable » na amin’ny alalan’ny famindrana toerana na « expropriation pour cause d’utilité publique », araka ny lalàna, ny tany sy/na ireo trano voakasik’izany asa izany.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa LAIHAMBANA Zacharie, ho « Directeur de la Programmation et du Suivi-Evaluation de l’Ecole Nationale d’Administration Pénitentiaire ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-540 tamin’ny 27 mey 2020, ary manendry an-dRamatoa RAZAFIARISOA Sandrina Ernestine, ho « Directeur des Programmes et des Ressources Pénitentiaires » an’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
    •  

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-420 tamin’ny 14 aprily 2021, ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Jean Jacques Pierrot, ho « Chef de District » an’Anjozorobe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1697 tamin’ny 04 septambra 2019, ary manendry an’ Andriamatoa RASOLOMAMPIONONA Emmanuel, ho Prefet an’i Fenoarivo Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAFIDISON Fidèle, ho Prefet an’i Morondava.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-2032 tamin’ny 30 desambra 2019, ary manendry an’Andriamatoa RAMAROSON Andrianjatovo Patrick, ho Prefet an’Ihosy.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1424 tamin’ny 14 novambra 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAFENOLAZA Jean Jacques, ho « Chef de District » an’i Belo sur-Tsiribihina
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2015-1057 tamin’ny 01er jolay 2015, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMARO Angelin Eddy, ho « Chef de District » an’i Toamasina II.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RALOVASON RAKOTONIRINA Bernard Andriantody, ho « Chef de District » an’i Mahabo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1781 tamin’ny 18 septambra 2019, ary manendry an’Andriamatoa VELOMARO L’Faustin, ho « Chef de District » an’i Mandritsara.
    •  

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa BEZANDRY Brigitte Annie, ho « Directeur du Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza » (PBZT).
    •  

    MINISITERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-223 tamin’ny 26 febroary 2020, ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Herinirina Dominique, ho « Directeur Régional » an’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy any amin’ny Faritra Bongolava.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa VAVIZARA Sylvie, ho « Directeur Interrégional de Mahajanga » an’ny Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoranafo.
    •  

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1573 tamin’ny 25 novambra 2020, ary manendry an’Andriamatoa BENARY Christian Nicolas, ho « Directeur Régional de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène » any amin’ny Faritra Sofia.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-850 tamin’ny 29 jolay 2020, ary manendry an’Andriamatoa FIANTEHERANTSOA Rivo Njaka, ho « Directeur Régional de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène » any amin’ny Faritra Ihorombe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-779 tamin’ny 16 jolay 2020, ary manendry an’Andriamatoa YVES Elliot Aimé, ho « Directeur Régional de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène » any amin’ny Faritra Menabe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1040 tamin’ny 26 aogositra 2020, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARIVONY Lovasoa, ho « Directeur Régional de l’Eau, de l’Assainissement et de l’Hygiène » any amin’ny Faritra Vakinankaratra.
    •  

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1572 tamin’ny 14 aogositra 2019, ary manendry an-dRamatoa RAVELOMANDEHA Farasoa Marie Paule, ho « Directeur Interrégional de l’Agriculture et de l’Elevage » (DIRAE) any Vatovavy Fitovinany
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-098 tamin’ny 27 janoary 2021, ary manendry an’Andriamatoa RAJERISON Jean Hubert, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » (DRAE) any Atsimo Atsinanana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1474 tamin’ny 07 aogositra 2019, ary manendry an’Andriamatoa RANDRIAMPENO Harindralemana Zaka, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » (DRAE) any Alaotra Mangoro.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-766 tamin’ny 17 aprily 2019, ary manendry an-dRamatoa BODONIRINA Helvire Odette Michel, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » (DRAE) any Matsiatra Ambony.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-692 tamin’ny 10 aprily 2019, ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMIARINERA Hajanirina Serge, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » (DRAE) any Menabe.
    •  

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade RAZANAKOTO Andrianirina Yvon, ho « Inspecteur » eo anivon’ny « Inspection Générale de la Gendarmerie nationale ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Colonel ANDRIAMANJARY Jorvélien Raphaël, ho « Inspecteur » eo anivon’ny « Inspection Générale de la Gendarmerie nationale ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Colonel RABARIJAONA Andriamihaja Harivelo, ho « Inspecteur » eo anivon’ny « Inspection Générale de la Gendarmerie nationale ».

     

  • III- FANAFOANANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1654 tamin’ny 04 desambra 2020 izay nanendry ny « Directeur du Protocole d’État par intérim » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika
    •  

    MINISITERAN’NY FITATERANA sy ny FAMANTARANA TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2018-748 tamin’ny 12 jolay 2018 izay nanendry ny « Directeur Général de l’Agence des Transports Terrestres » (ATT).
    •  
       

     

       

                                 

Natao androany faha 15 desambra 2021

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika