TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 01 DESAMBRA 2021

 

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fifanaraham-pamatsiam-bola ho an’ny tanjon’ny fampandrosoana na « Objectif de développement » eo amin’ny Etazonia sy i Madagasikara, amin’ny alalan’ny USAID, izay mitentina « 491 tapitrisa USD ».

    Ity tetikasa ity dia mametraka fifanarahana amin’ny roa tonta mikasika ny fampiasana ny fanampiana izay mitentina 491 tapitrisa dolara ho an’i Madagasikara mandritra ny 5 taona (hifarana ny 30 septambra 2026) ary mamaly ireo tanjon’ny fampandrosoana na “Objectifs du Développement” (OD)

    OD 1 : Fahafahan’ny olona mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny firenena hahatongavana amin’ny fizakan-tena ;

    OD 2 : Fanatsarana ny tamberin’andraikitra sy fahombiazan’ny governemanta ;

    OD 3 : Fanomezana tombontsoa ara-toekarena maharitra ho an’ireo mponina sahirana.

    Mitovy amin’ireo fifanarahana ara-stratejika teo aloha nosoniavin’i Madagasikara sy ny USAID, izay nitantana ny fanampiana amerikanina ho an’i Madagasikara nandritra ny taona maro ihany, ny firafitr’ity tetikasam-pifanaraham-pamatsiam-bola ity, izay manana votoatiny sy endrika mamaly ny fepetra takian'ny lalànan'i Etazonia mikasika ny fanomezana famatsiam-bola.

    Tokony ho vita sonia alohan’ny faran’ny taona 2021 ity tetikasam-pifanaraham-pamatsiam-bola ity.

    MINISITERAN'NY FANABEAZAM-PIRENENA

    Nankatoavina ny fangatahana fahazoan-dàlana manokana mikasika ny fametrahana ny kaonty 23173 "Fitaovam-piasàna sy sehatr’asa" avy amin’ny alalan’ny famindrana ny sora-bola avy amin’ny kaonty 6125, mba hividianana ny boky fianarana "Rakibolana an-tsary".

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fanomezan-dalana fividianana fitaovana ara-teknika, informatika sy elektrika, famatsian-drano fisotro madio sy fananganana Hopitaly Manarapenitra ao anatin’ny “Nouveaux Projets émergents” an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    Miezaka manome fitsaboana manaraka ny fenitra ho an’ny vahoaka ny Minisitera mba hanamafisana ny politikam-panjakana eo amin’ny sehatry ny Fahasalamana. Mamaly izany ny famitàna Hopitaly Manarapenitra (HMP) miisa 6, izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny tetikasan’ny Filoham-pirenena. Mba hiantohana ny fampandehanana ireo hopitaly ireo dia nampidirin’ny minisitera ao anatin’ny “NPE” ny hividianana fitaovana ara-teknika sy fitaovana informatika, ny famatsiana herinaratra, ny famatsian-drano fisotro madio, ary ny trano fonenan'ny mpitantana ireo hopitaly.

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY NY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    Nankatoavina ny fampiasana ny famatsiam-bola ireo “Nouveaux Projets émergents” an'ny Minisiteran'ny Harena An-kibon'ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika izay mitentina 672 tapitrisa ariary, ao anatin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2021

    Ny Minisiteran'ny Harena An-kibon'ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika, ao anatin'ny Tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2021, dia mikasa ny hanatanteraka ireo tetikasa vaovao fampiasam-bola mba hametrahana ny sehatry ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany ho iray amin'ireo hery enti-manainga ny harin-karena sy ny fampandrosoana maharitra, indrindra amin'izao vanim-potoana fitrakàna taorian'ny Covid izao.

    Ao anatin'izany, dia vaindohan-draharaha ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fametrahana sy ny fanodinana ireo Birao Fitantanana ny Harena an-kibon'ny Tany (BAM) eny anivon'ny Faritra. Ireo BAM vaovao ireo, izay natsangana ao Mananjary, Vohémar, Tsiroanomandidy, Antsohihy ary Miandrivazo, dia tokony ho tolorana fanaka sy fitaovana fiasàna.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavina ny hanatanterahana ny Dinik’asa nasionaly momba ny Fiompiana, ny 9 ka hatramin’ny 11 desambra 2021, eny amin’ny « Centre de Conférence International Ivato » (CCI Ivato).

    Ny sampan-draharahan’ny Fiompiana dia mikendry ny hanafaingana ny fitomboana ara-toekaren’ny tontolo ambanivohitra, amin'ny alalan'ny vinampanovàna ireo sehatra ireo. Noho ny toerana ananany eo amin’ny sehatra ara-toekarena, na ara-tsosialy na ara-kolontsaina eto amin’ny firenena, ny sehatry ny fiompiana dia andry iankinan’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ary manome fidiram-bola an’ny 60% n’ny tokantrano malagasy.

    Na izany aza, ny sehatry ny fiompiana manontolo, dia misedra fahasahiranana maro, ka mitaky fandraisana fepetra mivaingana. Ao anatin’izany indrindra no nanombohan’ny Minisitera ny famolavolana ny « Stratégie de Gouvernance Intégrée pour le développement du Secteur Elevage », mba hamaritana ireo paikady stratejika ho fameloma-maso indray io sehatra io sy hanomezan-danja ary hanentanana indray ireo mpisehatra.

    Mba hirosoana amin'ny fankatoavana io paikady io dia hisy ny Dinik’asa nasionaly eny amin’ny « Centre de Conférence International Ivato » (CCI Ivato) karakarain’ny Minisitera, ny 9 ka hatramin’ny 11 desambra 2021, ka hanana solon-tena avokoa ireo mpiantsehatra rehetra : mpiompy, ireo « fournisseurs d’intrants » ireo mpanao taozava-baventy, ireo mpandraharaha ara-toekarena, ireo vondrom-bahoakam-paritra ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola.

    Izao no atao dia hanomezana sehatra hifanakalozana eo amin’ireo mpandray anjara rehetra rehetra ireo, sy hampivondronana ireo mpisehatra ary hampihenana ireo elanelana misy isan-karazany, mba hametrahana ireo laharam-pahamehana manoloana ireo fanambin’ny sehatry ny Fiompiana sy hametrahana ireo fototry ny ho aviny

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fifanarahana momba ny famatsiam-bola ny Tetikasa fanohanana ny fanarenana sy ny fampandrosoana any amin’ny Faritra 3 any Atsimo (PA2R) ataon’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (FIDA).

    Taorian'ny antso niraisana na “Appel éclair conjoint” ho an’ny faritra Atsimo, nataon’ny Governemanta Malagasy sy ny rafitry ny Firenena Mikambana tamin'ny Janoary 2021, dia nanolo-tena ny FIDA hanohana ny fanarenana sy ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina ambanivohitra tratran'ny kere, noho ny tsy fanjarian-tsakafo mafy. Ny FIDA dia nanolotra fanomezana manokana mitentina 10 tapitrisa dolara hanatanterahana ireo tetikasa fanohanana ny fanarenana any amin'ny Faritra telo any Atsimon’ny Nosy (PA2R). Ity tetikasa ity dia natao ho fandraisana an-tanana haingana amin'ny fanarenana, ho an’ireo mponina any ambanivohitra tena iharan'ny kere ary apetraka amin'ny fomba mifameno amin'ny hetsika fampivoarana ny Programa DEFIS na fandraisana an-tanana hafa ao amin'ny faritra Atsimo.

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DALANA

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Noraisina ny didim-panjakana manambara ny fampiasana ho tombontsoan’ny daholobe ireo « Réserves d’emprise des installations ou équipements » voalaza ao amin’ny « Plan d’urbanisme directeur de l’agglomération de Moramanga », izay voafaritry ny kaominina ambonivohitr’i Moramanga sy ny kaominina ambanivohitra Ambohibary.

    Ny tanànan’i Moramanga, izay mifandray ara-pitantanana amin’ny Faritra Alaotra-Mangoro, dia manana toerana stratejika eo amin’ny sampanan-dalana amin’ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-44, ary ny « Route d’intérêt provincial » 23A

    Taorian’ny fangatahan’ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana dia nanapa-kevitra ny Minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany fa hanavao ny Drafitr’asan’ny tanàn-dehibe nanomboka ny taona 2007 ka hanitatra ny sahan’ny fampiharana ny faritra antsoina hoe « Grand Moramanga ». Tafiditra ao anatin’io faritra io ny Kaominina ambonivohitr’i Moramanga sy ny Kaominina ambanivohitra Ambohibary.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2016-1283 tamin’ny 11 oktobra 2016 ary manendry an-dRamatoa VOLAZARA Sakina Mohamady, ho « Directeur des Réformes Pénitentiaires » an’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
    •  

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETR’ANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa TINA Théo Doris, ho « Directeur Régional des Transports et de la Météorologie » ao amin’ny Faritra Atsinanana
    •  

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1473 tamin’ny 07 aogositra 2019, ary manendry an-dRamatoa RAKOTOMALALA Vololoniaina Razafimanalina, ho « Directeur d’Etablissement du Centre Hospitalier Universitaire de Soins et de Santé Publique d’Analakely »
    •  

    MINISITERAN’NY ASA TANANA SY NY HAITAO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RALAIARY Felamanitriraisana, ho « Directeur Général des Métiers » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Tanana sy ny Haitao.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa TAHINDIANE Johnson Koleane, ho « Directeur Régional » eo anivon’ny Minisiteran’ny Asa Tanana sy ny Haitao any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.

     

  • III- SAMIHAFA

    Manoloana ny fiakaran’ny tahan’ny valanaretina COVID 19 eto Madagasikara sy ny fisian’ny « Variant oMicron » any amin’ireo firenena afrikana sasany dia tapaka fa mikatona amin’i « Afrique du Sud » ny habakabak’i Madagasikara.

       

     

Natao androany faha 1 desambra 2021

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika