TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 08 DESAMBRA 2021

 

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavina ny fandraisana an-tanana ny haba sy ny hetran’ireo entana azon’ny Kaominina an-drenivohitry Bealanana ao anatin’ny fiarahamiasany ho an’ny fitsinjaram-pahefana ifotony miaraka amin’ny tanànan’i Mamoudzou, tanànan’i M’TSANGAMOUJI, ny orinasa Mayotte Maintenance Industrielle (SRAL) ary ny orinasa TILT SAS ZONE Portuaire de Longoni (Mayotte)

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fanomezana fanampiana ara-bola manokana mitentina ho an’ny Faritra Analamanga ahafahana mividy « Engins », ahitana « Compacteurs » miisa roa

    Ireo fitaovana ireo dia hanatanterahana ny asa fanamboarana sy fanajariana ireo lalana ambanivohitra ao amin’ny Faritra Analamanga. Tanjona amin’izany ny hampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra, izay anisan’ny singa iray lehibe mandrafitra ny Velirano.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny fanomezana alalana ny fanorenana ny “Hopitaly Manarapenitra” vaovao ao Sambava (Faritra SAVA) sy Maroantsetra (Faritra Analanjirofo) tafiditra anatin’ireo « Nouveaux Projets d'Emergence » an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, taona 2021.

    Ny fanatanterahana ireo tetikasan’ny Filoham-pirenena, mahakasika ny sehatry ny Fahasalamam-bahoaka, ny fanomezana fitsaboana manara-penitra sy manakaiky vahoaka dia mitaky fanorenana fotodrafitrasa moderina, manaja ireo fenitra takiana sy misy ireo fitaovana ilaina amin’ny fampandehanana azy ireo. Ho an'ny taona 2021, araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika, dia hatsangana ao an-tanànan’i Sambava sy Maroantsetra ny “Hopitaly Manarapenitra”

    Mikasika ny fivoaran’ny Covid 19 eto Madagasikara

    Nisy ny fivorian’ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka niaraka tamin’ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny Minisiteran’ny Fizahantany mikasika ny fivoaran’ny aretina Covid 19 eto Madagasikara. Raha fintinina dia faritra telo eto Madagasikara no manana taha somary ambony amin’ny ankapobeny dia ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Haute Matsiatra.

    Raha ny salanisa dia azo lazaina fa vitsy ny « cas importé ». Misy olona eo amin’ny 53 ireo olona arahina maso any amin’ny Village Voara amin’izao fotoana izao, izay « cas locaux » fa tsy « cas importés » avokoa . Ahiboka eny amin’ny Village Voara izy ireo mba hanapahana ny « chaine de transmission » ny valanaretina.

    Farany dia entanina ny rehetra hampiasa ny « CVO préventifs » na CVO natao hiarovana amin’ny Covid19 ary ireo rehetra tratry ny COVID 19 rehetra kosa dia hasaina mandray ny « CVO curatifs » na CVO Fitsaboana

     

    MINISITERAN’NY ASA TANANA SY NY HAITAO + MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavina ny fanomezana ny ampahany amin’ny tanin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana eny Soavinimerina ho tombontsoan’ny minisiteran’ny Asa-tanana sy ny Haitao.

    Ho fanohizana ny ezaka mifandraika amin’ny fampandrosoana ny asatanana sy ny fampitomboana ny tahan’ny fidiran’ireo mpanao asa tanana amin’ny asa mendrika, araka ny voalazan’ny velirano faha 6, ny Minisiteran’ny Asa-tanana sy ny Haitao dia nanomboka tetikasa iray hamelomana indray ny sehatry ny hoditra malagasy na « filière cuir malgache ».

    Noho izany, hisy ny fananganana ivon-toerana fanodinana hoditra, ivontoeram-piofanana mifandraika amin’ny sehatry ny hoditra sy toerana fanodinana zava-maniry ahafahana manome lanja ny rohim-pamokarana hanatsarana ny vokatra, ny kalitao ary ny fifaninanana eo amin’ny vokatra vita amin’ny hoditra eto amin’ny faritra Analamanga.

    Naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’izany tetikasa izany ny PNUD sy COMESA, amin’ny alalan’ny solontenan’izy ireo eto an-toerana.

    Ny ampahan’ny tany antsoina hoe «Ferme d’Etat Séricicole de Soavinimerina», TF n°4836, mirefy 07ha l2a 30ca, izay an’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary no hampiasaina amin’izany tetikasa izany.

    Santatra amin’ny fandaharam-piaraha-miasa goavam-be sy ny hetsika ataon’ny minisitera roa tonta ihany anefa izany mba hanasongadinana ny sehatry ny asa tanana sy ny tontolo ambanivohitra eo anivon’ny fiaraha-monina malagasy

    MINISITERAN’NY MPONINA, NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY ary ny FAMPIROBOROBOANA ny VEHIVAVY

    Nankatoavina ny fangatahana « prise en charge fiscales et douanières” an’ireo fanomezana azo toy ny akanjo, boky, “fauteuils roulants” ary « déambulateurs » avy amin'Atoa DJABLRY KAMALY

    Nankatoavina ny fangatahana “ prise en charge fiscales et douanières” an’ireo fanomezana azo toy ny akanjo, vary, paty, menaka avy amin'ny AFRICAN WELFARE ORGANISATION

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FITSARANA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny didim-panjakana mikasika ny fandaminana vaovao eo anivon’ny SAMIFIN na Sampandraharaha malagasy iadiana amin’ny famotsiam-bola sy ny famatsiam-bola ny fampihorohoroana.

    Tanjon’izao didim-panjakana izao ny hisian’ny fampiharana tena izy ny lalàna laharana 2018-043 tamin’ny 13 febroary 2019 mikasika ny ady amin’ny famotsiambola sy ny famatsiambola ny fampihorohoroana.

    Io didim-panjakana io dia :

    - mamaritra ireo asa aman’andraikitry ny « Service des Renseignements Financiers »,

    - mamaritra ireo fomba fiaraha-miasa, fandrindràna eo amin’ny ambaratongam-piasàna eo amin’ireo mpiantsehatra ao anatin’ny ady,

    - manamafy ireo asa aman’andraikitra sahanin’ny « Service de Renseignements Financiers » amin’ny fandrindràna sy fanaraha-maso ireo « Entreprises et Professions Non Financières Désignées » izay tsy manana rafitra mpanara-maso na « autorités de contrôle ».

    Ny « Service de Renseignements Financiers » ihany koa dia manana alalana hanome toromarika sy hanome sazy ara-panjakana raha misy ny fandikàna hita. Ity didim-panjakana ity dia mamaritra ny fomba famaritana sy fanavaozana ny lisitr’ireo olona mety ho voakasikin’izany.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA + MINISITERAN’NY ANGOVO sy ny AKORAN’AFO

    Nankatoavina ny volavolan-dalàna manome alalana ny fifanarahana fampindramam-bola mifandraika amin’ny famatsiam-bola amin’ny ampahany ny tetikasa fanamafisana sy fampifandraisana ny tambazotran’ny herinaratra eto Madagasikara dingana faha II – PRIRTEM II na « Renforcement et Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie Electrique », nataon’i Madagasikara sy ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD) ary ny Fonds africaine de développement.

    Maniry ny hampiakatra hatramin’ny 70% ny tahan’ny famatsiana herinaratra eto Madagasikara alohan’ny taona 2030 sy hampitombo avo roa heny ny fahafaha-mamokatra herinaratra hatramin’ny taona 2023 ny Fanjakana, ka nahazo fanampiana ara-bola avy amin’ny vondron’ny BAD tamin’ny alalan’ny fampindramam-bola mitentina 10 000 000 UC na 14 000 000 USD na 54 642 400 000 Ariary.

    Ny tanjon'ny tetikasa dia ny fanamafisana sy fampifandraisana ireo tambazotran'ny herinaratra eto Madagasikara, izay mikendry ny hampifandray ireo tambazotran-jiro telo lehibe misy sy ny fanamafisana ny famatsiana herinaratra any amin’ireo faritra ambanivohitra manamorona ny lalam-pirenena RN2.

    Nankatoavina ny volavolan-dalàna manome alalana ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-pindramam-bola momba ny famatsiam-bola ampahany amin'ny tetikasa Fanamafisana sy Fampifandraisana ireo tambazotra fitaterana Herinaratra eto Madagasikara, phase II-PRIRTEM II, nifanekena tamin'ny 15 novambra 2021 teo amin'ny Repoblikan'i Madagasikara sy ny Banky Afrikanina momban'ny Fampandrosoana sy ny Tahirim-bola Afrikanina momban'ny Fampandrosoana (BAD/FAD)

    Ny Governemanta dia nahazo ny fanohanana ara-bola avy amin'ny Vondron'ny Banky Afrikanina momban'ny Fampandrosoana amin'ny alalan'ny fampindramam-bola mitentina valo tapitrisa "unite de compte" (20 000 000 uc), izay mitovy amin'ny valo amby roampolo tapitrisa dolara amerikanina (28 000 000 usd) na iray amby folo amby zato lavitrisa valo amby efapolo tapitrisa ariary (111 048 000 000 mga).

    Ny tanjon'ny tetikasa dia ny fanamafisana sy ny fampifandraisana ireo tambazotra fitaterana herinaratra izay mikendry ny fampifandraisana ireo tambazotra herinaratra telo lehibe eto Madagasikara sy ny fanomezana herinaratra an'ireo tanàna sy faritra ambanivohitra manakaiky ny lalam-pirenena faharoa (RN2)

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavina ny didim-panjakana momba ny fanendrena ireo mpikambana ao anatin’ny Filankevim-pitantanan'ny IMVAVET.

    Araka izany dia ireto avy ireo mpikambana ireo :

    Ny Filoha :

    SALAVA Julien / Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Fampianarana

    Ireo Mpikambana :

    Ramanankierana Heriniaina (MINSUP)

    Veroniaina Mavanasoa Miora (MINAE)

    Rasoanarimalala Harimanana (FOFIFA)

    Rakotoarisoa Jacqueline (MICC)

    Rakotosoa Gilchrist (MICC)

    Rasolondraibeny Alain (MID)

    Rakotosamimanana Josoa Lala Herinaina (OMDVM)

    Andriambolamanana Rivohery Fidison (Vétérinaires praticiens et de la pharmacie vétérinaires)

    Mavo Razanabao Francine (IMVAVET)

    Rakotonirina Jean Paul (IMVAVET)

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISOA Thimoléon, ho « Chef de la Cellule Stratégique de l’Administration du Territoire et de la Décentralisation » eo anivon’ny Minisiteran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana.
    •  

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAHETLAH Rahely Herilala, ho « Directeur de la Formation et de la Documentation de l’Autorité de Régulation des Marchés Publics » eo anivon’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola.
    •  

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1709 tamin’ny 16 desambra 2020 ary manendry an’Andriamatoa RALAHIMANANA Christian Lahiniriko, ho « Directeur Général de l’Alimentation en Eau dans le Sud » (AES)..
    •  

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY ZANDARIMARIAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade RAKOTOBE Soamaharo Willy Aimé, ho « Inspecteur » eo anivon’ny « Inspection Générale de la Gendarmerie nationale ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade BEHIVOKA Fiederch, ho « Inspecteur » eo anivon’ny « Inspection Générale de la Gendarmerie nationale ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade RAKOTONDRAZANANY Jean Chrysostome, ho « Inspecteur » eo anivon’ny Inspection Générale de la Gendarmerie nationale.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Colonel RANDRIANTSOAVINA Youri Francis, ho « Inspecteur » eo anivon’ny « Inspection Générale de la Gendarmerie nationale ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry ny Colonel RASAMBOMANANA Yvon Patrick, ho « Inspecteur » eo anivon’ny « Inspection Générale de la Gendarmerie nationale ».
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1374 tamin’ny 03 jolay 2019, ary manendry ny Colonel REMONGINY Relaha Odet, ho « Commandant de la Circonscription de la Gendarmerie nationale de Fianarantsoa ».

     

  • III- FANAFOANANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-501 tamin’ny 27 martsa 2019 manendry ny Tale jeneralin’ny Inspection générale de l’Etat na ny IGE
    •  

     

Natao androany faha 8 desambra 2021

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika