TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 24 NOVAMBRA 2021

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavina ny fandraisana an-tanan’ny Fanjakana ny “Droits et taxes” amin’ny fanafarana na « importation » an’ireo angidimby miisa roa, ilaina amin’ny hetsika iadiana amin’ny andiam-balala izay vatsian’ny tetikasa Mihonjo vola.

    Tafiditra ao anatin’ny hetsika fiadiana amin’ny andiam-balala 2021-2022, izay tanterahin’ny tetikasa Mihonjo eo anivon’ny Minisiteran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny FAO, ary vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola, dia angidimby miisa roa no nafarana mba hahafahana manatanteraka ireo hetsika sidina, hanaraha-maso sy hiadiana amin’ny andiam-balala eto Madagasikara.

    Ireo angidimby ireo dia vinavinaina ho tonga eto Madagasikara, ny 25 novambra 2021, ka ny iray amin’izy ireo dia kasaina hampiasaina mandritra ny enim-bolana eo ho eo manomboka ny 27 novambra. Ny faharoa kosa dia kasaina hampiasaina mandritra ny dimy volana, manomboka ny 01 janoary 2022.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FAMPANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavina ny fampiasam-bola voasoratra ao anatin'ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2021 ho fanatanterahana ny tetikasa fotodrafitrasa maitso ary ho fanampiana ny tetibola hanefàna ireo asa vita tamin’ny taona 2020.

    Ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy dia miandraikitra ny fanatanterahana ny « Velirano faha-10 », miompana amin'ny fitantanana maharitra ny harena voajanahary. Noho izany, ny minisitera dia miantoka ny fampiroboroboana ny tontolo iainana ho fanoitra hahatongavana amin’ny fandrosoana maharitra.

    Manoloana ny fahapotehan’ny harena voajanahary sy ny fahasimban’ny nofon-tany noho ny fiovaovan'ny toetrandro, indrindra any amin'ny Faritra Atsimo dia mijery manokana sy akaiky ny Faritra Atsimo ny Fitondram-panjakana, nanomboka ny volana may 2021 taorian’ny Fivoriambem-paritra

    Ho fandraisana anjara amin'ny fanovàna ny faritra Atsimon'i Madagasikara, ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovain-jafy dia hametraka fotodrafitrasa maitso, hanalefahana ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetrandro sy hampitomboana ny fahafahan’ny mponina miatrika ny fahamainana sy ny haintany.

    Araka izany, ny Minisitera dia mikasa ny hampiasa ny sora-bola voasoratra ao anatin’ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana 2021, manaraka ireto laharam-pahamehana manaraka ireto : fandraisan'anjaran'ny Fanjakana amin'ny fametrahana fotodrafitrasa maitso ao amin’ny Distrika Ambovombe, toy ny fanatanterahana any Tetikasa "Ceinture verte" mba hiadiana amin'ny hain-tany sy ny fiovaovan'ny toetrandro any amin’ny Faritra Androy sy ny distrikan'Amboasary, Faritra Anôsy.

    MINISITERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    Nankatoavina ny fangatahana ny fanomezana “crédits complémentaires” mifandraika amin’ny Programme d’Investissements Publics ao anatin’ny Tetibolam-panjakana 2021, handoavana ny fitohizan’ireo asa, sy fahazoana fitaovana izay efa natomboka tamin’ny taona 2O20.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavina ny fangatahana ny fandraisana an-tanan’ny fanjakana ireo « droits et taxes » amin’ny fanafarana ireo fitaovana ho fampandrosoana ny sehatry ny rano ho an’ny Minisiteran’ny Rano

    Ao anatin’ny fampandrosoana ny sehatry ny rano, ny fanadiovana sy ny fidiovana, ny UNICEF dia nanafatra fitaovana isan-karazany, toy ny fitaovana fitiliana rano, GPS, fitaovana fandrefesana, fampitaovana paompy ary fitaovana fanadiovana rano ho tombotsoan’ny Minisitera.

    Natokana ho an’ny Fitaleavam- paritry ny Rano, ny Fanadiovana sy ny Fidiovana ireo fitaovana ireo ho fanamafisana ny fahaiza-manaony eo amin’ny lafin’ny famatsiana rano fisotro madio.

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DIDIM-PANJAKANA

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA + MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavina ny volavolan-dalàna momba ny « agrégation agricole ».

    Ao anatin’ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana sy ny fanatrarana ny tanjona stratejika hanomezan-danja ny tanjaka eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fanondranana ireo vokatra mitondra marika sy voahodina, ny sehatry ny fambolena amin’ny ankapobeny sy ny fampivoarana ny fiompiana ara-barotra, indrindra indrindra, dia tsy maintsy mifototra amin’ny ara-dalàna mazava sy mari-toerana.

    Ny Minisitera dia resy lahatra fa zava-dehibe ary ilaina ny mametraka rafitra ara-dalàna hamporisihana sy hisarihana ireo mpampiasa vola miasa amin'ny sehatry ny fambolena sy ireo mpisehatra hafa rehetra ao amin'ny rojom-pambolena. Ny famolavolàna lalàna mifehy ny « agrégation agricole », izay iray amin'ireo endriky ny "agriculture contractuelle", mifanaraka amin'ny zava-misy eto amin’ny firenena, dia laharam-pahamehana amin'ny fiarovana ny fifampiraharahana rehetra ao anatin'ny rafitry ny famokarana sy ny fampandrosoana.

    Eo amin'ny lafiny ara-toekarena, ny « agrégation agricole » dia ahafahana:

    - mampiroborobo ny fampitomboana ny sanda fanampiny ary manatsara ny fifandraisana misy eo amin'ireo rohy samihafa ao amin'ny lalampamokarana, ny fahaiza-manao sy ny fahalalan'ny mpisehatra tsirairay, manomboka amin'ny famokarana mankany amin'ny varotra;

    - mifehy ny fiovaovan'ny vidim-bokatra tsy ara-drariny ary mandray anjara amin'ny fampihenana ny tsy fitoviana amin'ny fampahalalam-baovao amin'ny alalan'ny fametrahana fifampitokisana eo amin'ny mpisehatra amin'ny alalan'ny fikorianan'ny vaovao tsara eny an-tsena;

    - manatsara ny famokarana amin'ny alalan'ny fampiroboroboana ny teknika fambolena vaovao sy maharitra amin'ny alalan'ny fanaraha-maso ataon'ny mpanangona ary amin'ny alalan'ny sehatra fifampizarana ho tombontsoan'ny mpisehatra isan-karazany; manonitra ny tsy fifandanjana eo amin'ny sehatry ny famokarana sy ny risika amin'ny varotra satria samy manana ny vokatra voarakotry ny fifanekena avokoa ny andaniny sy ny ankilany. 

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-214 tamin’ny 27 febroary 2019 ary manendry ny Général de Brigade RAHARIJAONA Faly Michel, ho « Directeur de l’Office National Malagasy des Anciens Combattants et Victimes de Guerre » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade SAIDI Sylvain Modeste, ho « Commandant de Zone de Défense et de Sécurité d’Ankarafantsika (Nord-Ouest) Mahajanga » eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry ny Général de Brigade RAMANOELINA Andrianiaina Jean Victorien, ho « Commandant de Zone de Défense et de Sécurité de Tsiribihina (Ouest) Morondava » eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika.
    •  

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOARIMANANA Olinah Hanjarisoa, ho « Directeur de la Cellule Anti-Corruption » eo anivon’ny Minisiteran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana
    •  

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANANTANY

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-228 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRAJERY Mino Lalaina Harifeno, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » eo anivon’ny Faritra Betsiboka. 
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-223 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAMILIJAONA Rija Malala, ho « Directeur Régional de l’Aménagement du Territoire et des Services Fonciers » eo anivon’ny Faritra Bongolava.
    •  

    MINISITERAN’NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-660 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry an’Andriamatoa ZANTERA Milson Manovosoa, ho « Directeur Régional des Transports et de la Météorologie Atsimo Andrefana » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-663 tamin’ny 24 jona 2020 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFINDRAKOTO Maminiaina Rivelino, ho « Directeur Régional des Transports et de la Météorologie Analanjirofo » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-317 tamin’ny 07 martsa 2019 ary manendry an’Andriamatoa VOAVY Armel Pierre, ho « Directeur des Transports Maritime et Fluvial » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-1036 tamin’ny 22 mey 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTONANDRASANA Herinirina Niariniaina, ho « Directeur Régional de la Santé Publique » an’ny Faritra Vakinankaratra eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.
    •  

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2006-181 tamin’ny 07 martsa 2006 ary manendry an’Andriamatoa RAKOTOARISON Pierre Donat, ho « Directeur Général du Laboratoire National des Travaux Publics et du Bâtiment » (LNTPB).
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-234 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RANDRIANARIVELO Herimanantsoa, ho « Directeur Régional » an’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy any amin’ny Faritra Haute Matsiatra.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-235 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa RATOVONDRAINY Léonard, ho « Directeur Régional » an’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy any amin’ny Faritra Ihorombe.
    •  

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-855 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa NGADO Fleur Honorée, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » an’i Melaky.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-767 tamin’ny 17 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa TOVOSITRAKASOAMAHAFALY Jean Parfait, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » an’Ihorombe.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-856 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa JAOZANDRY Réné, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » an’i Boeny.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-858 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa HANOGNONA Hervé, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » an’Atsimo Andrefana.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-776 tamin’ny 17 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa SOLO Noé René, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » an’Atsinanana.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-772 tamin’ny 17 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAFINDRATOANINA Volatiana, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » an’Analamanga.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1039 tamin’ny 26 aogositra 2020 ary manendry an’Andriamatoa RALALARIVONY Mamisoa, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » an’Amoron’i Mania.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-764 tamin’ny 17 aprily 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAVOHITRA Donatien, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » an’i Sofia.
    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-860 tamin’ny 24 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAKOTOARISAONA Mitia Finoana, ho « Directeur Régional de l’Agriculture et de l’Elevage » an’i Vakinankaratra.
    •  

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOARIVONY Marie Christiane, ho « Directeur Exécutif de l’Autorité Sanitaire Halieutique » eo anivon’ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena Manga.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2021-1015 tamin’ny 29 septambra 2021 ary manendry an-dRamatoa RAMANITRINIZAKA Voahary Nandrianina, ho « Directeur de Ressources Humaines » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampiroboroboana ny Haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra.
  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2019-203 tamin’ny 27 febroary 2019 nanendry ny « Directeur Général des Organismes de Défense » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena.
    •  

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1577 tamin’ny 25 novambra 2020 nanendry ny Directeur du Parc Botanique et Zoologique de Tsimbazaza (PBZT).
    •  

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

    • Nankatoavina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana 2020-1366 tamin’ny 21 oktobra 2020 nanendry ny « Directeur de l’Institut National de Formation du Personnel des Etablissements d’Enseignement Technique et de Formation Professionnelle » (INFOR) eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana ara-teknika sy ny Fanofanana arak’asa.
    •  

     

       

                                 

Natao androany faha 24 novambra 2021

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika