TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA

NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 17 NOVAMBRA 2021 

NOTANTERAHINA TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA NY FILANKEVITRY NY MINISITRA ANDROANY IZAY NOTARIHIN’NY FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY

  • I- FAMPITAM-BAOVAO

    MINISITERAN’ny ATI-TANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    Nankatoavina ny tetik'asa fananganana ny birao "Centre National d'Etat civil et de l'identité" (CNECI) sy ny fampitaovana azy

    Ho fanavaozana ny rafitry ny « état civil et identité », izay tohanan’ny tetikasa « PRODIGY » ary vatsian’ny Banky iraisam-pirenena vola, dia hatsangana ny « Centre National d'Etat Civil et de l'Identité ».

    Araka ny didim-panjakana laharana faha 202O-1623 tamin’ny 2 desambra 2O2O mikasika ny fandaminana, ny andraikitra ary ny fampandehanandraharahan'ity ivotoerana ity dia mitondra ny sata "établissement public à caractère administratif izy. Ny CNECI dia manangona, mitrandraka ary miaro ireo tahirin-kevitra momba ny « état civil et identité » ary mandray anjara amin’ny fametrahana ny « e-gouvernance ».

    Mba hahafahany miasa dia tsy maintsy manana fotodrafitrasa sy fampitaovana mifanaraka amin’izany izy, mpiasa mahafeno fepetra, fa indrindra tetibolam-piasàna ampy. Miankina amin'ny fahombiazan'ny tetikasa PRODIGY, ny fampandehanana sy ny zava-bitan’ny CNECI, mba hanatrarana ireo tondro maromaro, toy ny fahazoan’ny ampahan’ny mponina porofo vaovao sy tokana amin’ny maha izy azy na hahafahan’ny ampahany amin'ny sampan-draharaha mifandray sy manana fiarovana amin’ny fidirana amin’ireo tahirin-kevitra nasionaly, izay andraikitry ny Fanjakana amin'ny alalan'ireo minisitera voakasika, manomboka amin'ity taona 2021 ity.

    Araka izany, ny Minisiteran’ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram-pahefana dia hanangana biraom-panjakana ho an’ny CNECI ary hividy « matériels roulants » hanatanterahana ny asa sahaniny.

    MINISITERAN’ny TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavina ny fametrahana komity teknika misahana ny fampandehanana ny « Fonds souverain Malagasy ».

    Taorian’ny fahalanian’ny lalàna laharana 2021-024 tamin’ny 29 septambra 2021 mametraka ny « Fonds souverain Malagasy », ny fananganana orinasa « Société Anonyme » hitantana ny « Fonds » no dingana hirosoana manaraka. Nohon’ny halehiben'ny asa savaranonando hotanterahina alohan'ny fampandehanana ny « Fonds » nefa dia rariny tokoa ny fametrahana komity teknika hisahana izany.

    Rafitra mandalo hahitana solon-tena avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy avy ao amin’ny Minisiteran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ary avy ao amin’ny Banky Foiben’i Madagasikara no hisahana ny fananganana sy fametrahana ilay orinasa « Société Anonyme », izay hitantana ny « Fonds Souverain Malagasy ». Hamolavola ny antontan-taratasy ara-stratejika mamaritra ireo dingana arahina amin’ny fampandehanana ny « Fonds » ary koa ireo volavolan-didim-panjakana fampiharana ny lalàna nananganana ny « Fonds » ity rafitra ity.

    Nankatoavina ny fangatahana fanomezan-dalana hanaovana lavanty manaraka fepetra na « vente aux enchères sous conditions » an’ireo kaontenera misy sakafo tsy azo hohanina intsony miisa 103, voatahiry ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.

    Ny orinasa MALAGASY SHIPPING dia mangataka ny hamotehana ireo entana lany daty ao anatin’ireo kaontenera miisa 103, izay misy sakafo sy provandy voatahiry ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo.

    Mifanindran-dalana amin’izany, ny SPAT dia manambara ihany koa ny fahafenoan’ny toerana ao amin’ny seranan-tsambo noho ireo entana adino ao ireo. Mahakasika ireo kaontenera miisa 103 misy sakafo lany daty ireo dia tapaka fa hatao lavanty manaraka fepetra, ka ireo orinasa mpamokatra zezika na mitovy amin’izany no afaka handray anjara.

    Hampidi-bola ho an’ny tahirim-bolam-panjakana ary ahafahana manampy ireo orinasa mpanodina zezika izao lavanty izao. Harahi-maso ny fanatanterahana izao fanapahan-kevitra izao mba tsy hisy amin’ireo entana lany daty sy tsy azo hohanina ireo indray, izay tapaka fa haodina ho zezika, no hivoaka sy hamidy eny antsena.

    Nankatoavina ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny TVA amin’ny alalan’ny « Fonds de riposte Covid-19 » momba ny fividianana oksizenina nataon’ny UNICEF hamatsiana ireo hopitaly

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fangatahan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny handraisan’ny fanjakana an-tanana ny TVA amin'ny fividianana oksizenina nataon'ny UNICEF hamatsiana ny hopitaly mandray an-tanana ireo mararin’ny Covid-19.

    MINISITERAN’ny FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavina ny tetikasa Fandrindram-piterahana any Atsimo, ao anatin'ireo "Nouveaux Projets d'Émergence" an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka ho an'ny taona 2021.

    Ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka dia namolavola ny tetik'asa "Fampivoarana ny fisitrahan'ny mponina an'ireo vaovao sy tolotra momba ny fandrindram-piterahana". Ireo mponina ao amin'ny Faritra telo (03) any Atsimo, izay manana mari-drefy mbola tsy mahafapo eo amin'ny sehatry ny Fahasalaman'ny Fananahana sy ny Fandrindram-piterahana no hisitraka izany.

    Ambony ny tahan’ny vohoka ao amin'ny Faritra Androy : zaza 8.1 isaky ny vehivavy. Ny tahan'ny fampiasana ny fanabeazan’aizana dia mbola tena ambany : any amin'ny 9% any Androy, 30% any Atsimo Andrefana ary 36% any Anosy. Ny tahan'ny fanaovana fanabeazan’aizana nasionaly dia 41%, ny tahan'ny fiterahana eo amin'ny tanora dia tena mbola ambony.

    Ny tanjona amin'ny ankapobeny amin'ity tetikasa ity dia ny hampitomboana ho 15%, 35% ary 40% ny fanaovana fanabeazan’aizana any amin'ny faritra Androy, Atsimo Andrefana sy Anosy amin'ny taona 2023.

    Araka izany, dia hetsika maro isan-karazany no hotanterahina ao amin'ireo Faritra telo (03) voalaza ireo, ka anisan'izany, ny fampiasàna ny lalàna mikasika ny Fahasalamana ara-pananahana sy ny Fandrindram-piterahana (SR/PF), ny fanitarana ireo tolotra eny anivon'ny fiarahamonina ifotony, ary ny fampiasàna ireo tambajotra amina sehatra maro mba hiantohana ny fandraisana tanteraka ireo ankizy sy tanora isan'ambaratongany.

    Nankatoavina ny fanomezana fitaovana teknika sy fitaovam-piasana anaty birao ho an'ny "Centres de Santé de Base" (CSB) miisa 100 izay tafiditra ao anatin'ireo "Nouveaux Projets Émergence" (NPE) ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, taona 2021.

    Ao anatin'ny fanatanterahana an'ireo tetikasan'ny Filoham-pirenena eo amin'ny sehatry ny Fahasalamam-bahoaka, dia natomboka tamin'ny taona 2020 ny fananganana ireo CSB miisa 100 ho an'ny Distrika miisa 98 sy boriborintany miisa 2 eto Antananarivo Renivohitra, ka ahitana ireo CSB miisa 7 ao anatin'ny "Plan Émergence Madagascar" any Atsimon'ny Nosy. Ny fahavitan'ireo asa ireo dia tombanana ho amin'ny faran'ny taona 2021. Mba hahafahana mampiasa azy ireo, ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka dia nametraka ao anatin'ny "Nouveaux Projets Émergence" (NPE), ny fanomezana fitaovana teknika sy fitaovam-piasana anaty birao ho an'ireo CSB miisa 100. Ny teti-bidin’izany dia tombanana hatrany amin'ny 3 500 000 000 Ar, izay mitsinjara toy izao manaraka izao :

    - Fitaovana teknika : 50 000 000 Ar isaky ny CSB, na 3 000 000 000 Ar ho an'ny CSB miisa 60 ; ny fahazoana ireo fitaovana teknika ho an'ny CSB miisa 40 ambiny dia efa nalamina ao amin'ny fampindramam-bolan'ny BADEA.

    - Fitaovam-piasana anaty birao : 5 000 000 Ar isaky ny CSB, na 500 000 000 Ar ho an'ireo CSB miisa 100

    Nankatoavina ny fanomezana alalana ny fahazoana sy fametrahana « Panneaux solaires » ho an’ireo « Centre de Santé de Base » (CSB), izay tafiditra ao anaty ny « Nouveaux Projets Emergence » (NPE) an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, taona 2021.

    Ho fanatanterahana ireo Tetikasan’ny Filoham-pirenena eo amin’ny sehatry ny Fahasalamam-bahoaka, dia efa natomboka tamin’ny taona 2020 ny fanorenana ireo CSB miisa 100 ho ana distrika miisa 98 sy boriborintany miisa roa eto Antananarivo Renivohitra, ka ny 07 amin’ireo dia voalaza ao amin’ny “Plan Emergence Madagascar”. Tombanana ho vita amin’ny faran’ity taona 2021 ity ny asa.

    Mba hanomezana fizakan-tena ara-herinaratra ho an’ireo tobim-pahasalamana ireo, dia nampidirin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ao anatin’ ny “Nouveaux Projets Emergence” ny, ny fanomezana “Panneaux solaires” an’ireo CSB miisa 100.

    Nankatoavina ny fampitam-baovao mikasika ny fanentanana atao ho fiarovana amin'ny fidiran'ny variant Delta an'ny Covid 19 eto Madagasikara

    Manoloana ny fihanaky ny Covid 19 ao amin'ny Nosy Maurice izay nahitana tranga maro nandritry ny fotoana vitsivitsy dia hamafisina ny fanentanana ataon'ny Fanjakana amin'ny fiarovana ny mponina. Araka izany, dia vinavinaina ny hanakatonana ny zotra piara-manidina mampitohy ny firenena roa tonta. Hatreto ny dia noraisina fa ny 27 novambra ho avy izao no hanatanterahana ny sidina farany eo amin'i Maurice sy Madagasikara. Mbola ho hamafisin’ny minisitera tompon’aindraiktra miandalana ny momba izany.

    MINISITERAN’ny FAMBOLENA sy ny FIOMPIANA

    Nankatoavina ireo asa hatao ao anatin’ny NPE Tetikasa “Titra Maitso Agnarafaly”, Kaominina Ifotaka, Distrikan’Amboasary Atsimo

    Natolotry ny Filohan’ny Repoblika ny 30 septambra 2021 lasa teo ny “titra maitso” ho an’ny tokantrano miisa 80 ao Ifotaka, Distrikan’Amboasary Atsimo. Fametrahana fianakaviana miisa 520 no dingana manaraka. Ireto avy izany asa izany :

    - Fanamboarana ireo trano fipetrahana miisa 520,

    - Fanamboarana trano miisa 520 ho an’nybiby fiompy,

    - Fanadiovana ny tany mirefy 100 ha ambiny miaraka amin’ny fitaovana (bulldozers) an’ny Faritra Androy,

    - Fividianana ireo fitaovam-pambolena miisa 440, izay ahitana ireo rafi-panondrahana, (80 efa noraisin’ny tetikasa DEFIS an-tanana),

    - Fampiofanana sy faraha-maso eo amin’ny lafiny teknika,

    - Fividianana osy fangalan-taranaka miisa 440, (80 efa noraisin’ny tetikasa DEFIS an-tanana),

    - Fividianana akoho fangalan-taranaka miisa 440, (80 efa noraisin’ny tetikasa DEFIS an-tanana),

    - Fividianana fonosana miisa 520 ahitana masom-boly sy zezika ary singa ahafahana manomana sy mamboly izany toerana izany,

    - Fametrahana toerana iraisana ahafahana miraokana ahitra mirefy 11 ha,

    - Fividianana “kit” miisa 520 ahitana fitaovam-pambolena isan-karazany ilaina amin’ny fikarakarana ny tany.

  • II- FANDANIANA VOLAVOLAN-DIDIM-PANJAKANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Noraisina ny didim-panjakana izay nanovana sy mameno ny didim-panjakana laharana faha 2019-027 tamin’ny 24 janoary 2019, izay mikasika ny fandaminana ny Fiadidiana ny Repoblika.

    MINISITERAN’ny TOEKARENA sy ny FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny didim-panjakana manome alalana ny fandraisan’ny Fanjakana anjara ao anatin’ny orinasa vao hatsangana : « FONDS SOUVERAIN MALAGASY S.A »

    Arak any lalàna laharana faha 2021-024 tamin’ny 29 septambra 2021, mikasika ny « Fonds Souverain Malagasy » dia hatsangana ny orinasa « Société anonyme » izay miantoka ny fitantanana sy fampandehanana an’io « Fonds Souverain Malagasy (FSM) » io ary hiantoka ny famatsiam-bola, ny fanatanterahana, ny fampiasam-bola amin’ireo tetikasam-pampandrosoana ara-stratejika, laharam-pahamehana, ahazoana tombony ary mamorona asa, ny famolavolana tahirim-bola ho an’ny taranaka ho avy, ny fanombanana sy ny fitantanana ireo tany sy fananam-panjakana.

    Ny Fanjakana Malagasy irery no tompon’ny petra-bola amin’io orinasa io, ka 10.000.000.000 Ariary ny renivola amin’ny voalohany.

    MINISITERAN’ny ANGOVO sy ny AKORANAFO + MINISITERAN’ny FANAJARIANA ny TANY sy ny FANANANTANY + SEKRETARIAMPANJAKANA MISAHANA ny TANANA VAOVAO sy ny TOERAM-PONENANA

    Noraisina ny didim-panjakana anambarana fa ilain'ny daholobe na "utilité publique" ny asa fanamboarana ny “ligne de transport d’énergie électrique Haute Tension” (HT) an’ny “Centrale Hydroélectrique” ao Farahantsana Mahitsy mankany amin’ny Tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA), sy ny fakàna “par voie amiable” na “par expropriation”, ho an’ny tombontsoa iombonana, ireo ampahan-tany sy/na trano voakasiky ny asa.

    Araka ny fanitsiana ny fifanaraham-piaraha-miasam-pamokarana ho an’ny fametrahana sy fitrandrahana ny Tobim-pamokarana herinaratra manana tanjaka 28mW ao Mahitsy, Distrika Ambohidratrimo, faritra Analamanga, izay nifanaovan’ny Fanjakana Malagasy, soloin’ny Minisiteran’ny Angovo tena, sy ny Orinasa MAHITSY HYDRO SA, tamin’ny 12 jolay 2018, ny orinasa mpanatanteraka dia tompon’andraikitry ny fanamboarana ny zotra famoahana ny angovo voavokatra, mampifandray ny Tobim-pamokarana sy ny Tambazotra iraisan’Antananarivo.

    Ahafahana manatanteraka izany, dia ilaina ny fakàna ireo ampahan-tany sy/na trano voakasiky ny asa fanamboarana an’io zotram-pitanterana herinaratra io. Ny orinasa mpanao ny asa sy ny ampahany amin’ireo tompon-tany sy/na trano dia efa nifanaraka tamin-kitsipo, momba ny toerana hametrahana ny “pylones” sy ny lalan’ny zotram-pitanterana. Na izany aza, raha tsy misy ny “accord amiable”, dia tsy maintsy hirosoana ny “procédure d’expropriation” noho ny tombotsoa iombonana.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MISAHANA ny TANANA VAOVAO sy ny TOERAM-PONENANA

    Noraisina ny lalàna savaranonando mikasika ny fampiroboroboana ny Trano fonenana eto Madagasikara.

    Hita mazava fa ny sehatry ny trano fonenana dia mampiseho tsy fahampiana miharihary noho ny fitomboan'ny mponina eto Madagasikara. Ny Politika Nasionaly momba ny toeram-ponenana (PNL) dia mitatitra izany tsy fahampiana na eo amin'ny fidiran’ireo tena marefo amin'ny fananana trano, na amin'ny lafiny ara-dalàna mifehy ny fitantanana ny tanàna sy ny fandrindrana ny tanàna.

    Mba hanatrarana ny tanjona ao anatin’ny Politika ankapoben’ny Fanjakana dia ilaina ny fametrahana rafitra ara-dalàna sy andrim-panjakana matanjaka, mahafeno ny filàn’ny mponina ankehitriny. Ny fananganana rafitra stratejika dia ahafahana miantoka ny fidirana ara-drariny amin'ny toeram-ponenana, amin'ny famahana ny olana mifandray amin'ny tany sy ny fiarovana ny fampiasam-bola.

    Ankoatra izay, ity lalàna ity dia natao mba hanamafisana ny politikan’ny fanjakana eo amin’ny sehatry ny toeram-ponenana malagasy manoloana ny olana ankehitriny sy ho avy amin’ny fahazoana trano mendrika. Izy io dia mamaritra ny tanjona stratejika hampiroboroboana ny fitoviana amin'ny fahazoana toeram-ponenana ho an'ny rehetra. Ao anatin'izany ny tena sahirana ary hampahomby ny fandraisan'anjaran'ny Fanjakana amin'ny ady amin'ny toeram-ponenana tsy maha-te honina.

    Ny fomba fampiharana ny fampiroboroboana toeram-ponenana dia :

    - Ny fananganana ny Sampan-draharaham-pirenena miandraikitra ny toeram-ponenana

    - Ny fanomezana andraikitra ireo mpisehatra momba ny toeram-ponenana (Fanjakana, manampahefana eo an-toerana, sampan-draharaham-panjakana manokana momba ny toeram-pone

    - Ny fametrahana rafitra famatsiam-bola ho an'ny asa fananantany, indrindra ny fananganana ny Tahirim-pirenena momba ny toeram-ponenana

    Mba hampiroboroboana ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena, ity lalàna ity dia mandrisika ny fampiroboroboana ny fitaovam-panorenana eo antoerana. Ho famporisihana sy hiantohana ny sehatra tsy miankina sy ny miankina amin’ny fanjakana dia mampiasa fitaovana isan-karazany ny Fanjakana : fanomezana ireo fepetra momba ny fadin-tseranana sy ny hetra, fanamorana sy fanentanana momba ny fahazoana tany. Na izany aza, manan-jo hifehy ny asa fananan-tany ny Fanjakana mba hamerana ny fanararaotana sy hanohanana ny fampandrosoana maharitra ny trano.

    Ilaina araka izany ny fametrahana ny fepetra rehetra mety amin’ny fampiroboroboana ny toeram-ponenana mendrika sy sahaza ho an’ny tokantrano tsirairay mba hampihenana ny fahantrana sy hampiroboroboana ny fampandrosoana maharitra ny firenena.

    Nankatoavina ny didim-panjakana mitondra fanavaozana ny sata sy fandaminana ny “Agence National d’Appui au Logement et à l’Habitat” (ANALOGH).

    Ny fanamafisana ny sehatry ny trano fonenana (Logement) dia fanamby lehibe ho an’i Madagasikara mba hanampiana ny fampivoarana ny maha olona sy hiadiana amin’ny fahantrana. Ny fanomezana toeram-ponenana mendrika dia laharam-pahamehana amin’izao fotoana fametrahana ny “modernisation” izao.

    Noho izany indrindra no nametrahana ny Analogh mba hanampy ny Fanjakana hanatanteraka ireo fandaharan’asa mifandraika amin’ny Trano fonenana (Logement) sy ny Toeram-ponenana (Habitat), hiantohana fiarovana ara-pananantany ho an’ny mponina, indrindra ho an’ireo tokantrano marefo.

    Tsy azo hiodivirana intsony ny fanitsiana ny lalàna mifehy ny Analogh mba hahafahana manolotra rafitra mahasoa, hampivoarana ny Trano fonenana eto amin’ny Nosy. Ny sata misy amin’izao rahateo dia sakana ho an’ny fahombiazany, tsy ahafahany manatanteraka feno ireo tanjony no sady tsy mifanaraka amin’ny voalazan’ny lalàna laharana 2018-037 tamin’ny 8 febroary 2019 mamaritra ireo fotokevitra mifehy ny “Etablissement public” sy ny fitsipika mamorona ireo sokajina “Etablissement public”.

    Ireo fanatsaràna lehibe nentina dia mamaly ireo lokanady lehiben’ny Trano fonenana mba ahafahan’ny Analogh manatanteraka ireo andraikitra nomena ho sahaniny:

    - Fanovana azy hanana “régime d’Etablissement public Industriel et commercial à vocation économique” mba hahafahany misitraka ireo loharano rehetra ilaina amin’ny fampiodinana azy (loharano ara-bola sy arak’olona)

    - Fametrahana ny Minisitera misahana ny Trano fonenana sy ny Toeram-ponenana ho Minisitera mpiahy

    - Fanavaozana ireo andraikitra sy tanjon’ny Analogh mba hanafoanana ny krizin’ny Trano fonenana sy hiadiana amin’ny firoboroboan’ny Trano fonenana ratsy sy tsy mendrika, amin’ny alalan’ny fananany fahefàna hampiasa malalaka ny fananany (cession et acquisition) ho an’ny filàn’ny tetikasany

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RATSIVALAKA Marie Michelle, ho « Directeur en charge des Relations Cultuelles et Communautaires » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RAKOTOMALALA RATSIRAHONANA Mercédès, ho « Directeur en charge des Evènements de la République » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa ANDRIAMASINORO Bangomalala, ho « Directeur de la Coordination des Promesses Présidentielles » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika
    • Noraisina ny didi-panjakana manendry an-dRamatoa RAHAINGONJATOVO Anne-Muriel, ho « Directeur de la Coopération Économique » eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika
    •  

    MINISITERAN’ NY ASA, ny FAMPANANANA ASA, ny ASAM-PANJAKANA ary ny LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-915 tamin’ny 24 mey 2019 ary manendry an’Andriamatoa RAZAFIMANANTSOA Jerson, ho « Secrétaire Général » an’ny Minisiteran’ ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-707 tamin’ny 30 aprily 2019 ary manendry an-dRamatoa RAZAKABOANA Hanitra Fitiavana, ho « Directeur Général du Travail et des Lois Sociales eo anivon’ny Minisiteran’ ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalana sosialy
    •  

    MINISITERAN’NY FITATERANA sy ny FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa BE Uguson, ho « Directeur des Projets et du Partenariat » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro.
    •  

    MINISITERAN’NY FAHASALAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020-1545 tamin’ny 18 novambra 2020 ary manendry an’Andriamatoa ANDRIAMIANDRA Isaie Jules, ho « Directeur des Soins de Santé de Base » eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    MINISITERAN’NY SERASERA sy ny KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa ANDRIARIMANANA Njatovoherimamy Perlin, ho « Directeur régional de la communication et de la culture » any amin’ny Faritra Fitovinany
    •  

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didi-mpanjakana laharana faha 2020-226 tamin’ny 26 febroary 2020 ary manendry an’Andriamatoa ANDRINIONY Nomenjanahary ho « Directeur régional » eo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy ao amin’ny Faritra Anosy
    •  

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA sy ny FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didipanjakana laharana faha 2017- 1037 tamin’ny 08 Novambra 2017 ary manendry an’Andriamatoa BIARMANN Marcellin ho « Directeur général du Fonds de l’elevage » FEL
    •  
       
  • III- FANAFOANANA

    MINISITERAN’NY ATITANY sy ny FITSINJARAM-PAHEFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-402 tamin’ny 07 aprily 2021 izay nanendry ny Lehiben’ny Distrika an’i Miandrivazo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didipanjakana laharana faha 2015- 1056 tamin’ny 01 jolay 2015 izay nanendry ny Lehiben’ny Distrika an’i Mahabo
    •  

    MINISITERAN’NY SERASERA sy ny KOLONTSAINA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021-402 tamin’ny 07 aprily 2021 izay nanendry ny Lehiben’ny Distrika an’i Miandrivazo.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1260 tamin’ny 06 jona 2019 izay nanendry ny « Directeur Régional » ao amin’ny Faritra Vatovavy Fitovinany
    •  

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2017-1039 tamin’ny 08 novambra 2017 izay nanendry ny « Directeur du Suivi et Evaluation du Fonds de l’Elevage » (FEL).
    •  

    MINISITERAN’ny MPONINA, ny FIAHIANA ARA-TSOSIALY sy ny FAMPIVOARANA ny VEHIVAVY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 048 tamin’ny 13 janoary 2021 nanendry ny « Directeur de l’Audit et Contrôle Interne » eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy sy ny vehivavy
    •  

                                 

Natao androany faha 17 novambra 2021

Ny Sampan-draharahan’ny Serasera sy ny Fifandraisana eto anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika