TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 17 FEBROARY 2021

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    ISAKY  NY  FARITRA  NY  FANKALAZANA  NY  08  MARTSA MIOMPANA AMIN’NY FIAROVANA NY TONTOLO IAINANA SY NY FIZAKAN-TENAN’NY VEHIVAVY :

    Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha ao anaty fikajiana ny tontolo iainana ! Isaky ny faritra no hatao ny fankalazana ny fetin’ny 08 martsa amin’ity taona ity mba hisorohana ny mety hiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 izay mbola mihaodihaody eto amintsika. Tsy misy ny fihaonam-be iarahana  fa  samy  mankalaza  izany  ny  isaky  ny faritra  22  izay  isan’ny lohahevitra  miavaka  ny  sehatr’asa  miaro  ny  tontolo  iainana noho  ny faharavana hita sy tsapa ankehitriny eo amin’ity sehatra iray ity. Fambolen- kazo, fanentanana amin’ny fizakan-tenan’ny vehivavy sy ny fikajiana ny tontolo iainana no iompanan’ny fankalazana. Mandritra ny herinandro, izany hoe 01 Martsa ka hatramin’ny 06 Martsa dia handeha hitsidika ny faritra, hanome fanampiana ary hankahery ny vehivavy sy ireo fikambanam-behivavy isaky ny renivohim-paritany ny vadin’ny Filoham-pirenena. Any DIANA kosa, any Antsiranana izy ny 07 sy ny 08 Martsa 2021 hanao ny nofon-kena mitam- pihavanana sy ny fambolen-kazo manokana, izay iarahana amin’ireo vehivavy sy fikambanam-behivavy ao amin’ireo Distrika mandrafitra ny faritra DIANA. Tsy hisy ireo solon-tena avy any amin’ny faritra hamonjy any an-toerana fa ny vehivavy ao anatin’ny faritr’i DIANA sy ireo Minisitra vehivavy ary ireo vadina Minisitra vehivavy ary olona vitsivitsy no hifanotrona amin’ny vadin’ny Filoham-pirenena amin’izany. Noho ny hamehana ara-pahasalamana dia hihavaka tsy toy ny isan-taona ny fankalazana ny 08 Martsa amin’ity taona ity ! Samy manao fankalazana izay miompana amin’io lohahevitra io avokoa ny vehivavy sy ny fikambanam-behivavy isaky ny distrika sy ny faritra misy azy avy.

    FMI/MADAGASIKARA : Fandaharanasa vaovao mandritra ny 3 taona mifanaraka amin’ny PEM ary mamaritra ny firindran’ny toekarena eto amintsika taorian’ny fiatrehana ny COVID-19

    Nifarana rehefa naharitra 13 andro, ny dinika nifanaovan’ny FMI sy ny fitondram-panjakana  manodidina  ny  fandaharanasa  vaovao  iarahana amin’ny tahirim-bola iraisam-pirenena mandritra ny 3 taona. 320 tapitrisa dolara no teti-bidin’izany fandaharanasa FEC izany izay natokana ho an’ireo firenena hitan’ny FMI fa tsara tantana  ary mirindra  sy miroso amin’ny fanatrarana ny fampiroboroboana ara-toekarena sy mikajy ny lafiny ara- tsosialy. Marihana fa efa nahazo ny antsoina hoe “droit de tirage” isika ny 14 janoary  lasa  teo  ary  ny  fahavitan’ny  dinika  sy  ny  fifandresen-dahatra nahazoana io FEC vaovao io dia manamafy sy manome endrika tsara ny fanohanan’ny tahirim-bola iraisam-pirenena ny tetikasa ara-toekarena ho an’i  Madagasikara.  Izany  dia  narafitra  mba hifanaraka  sy  hifandrindra amin’ny fandaharanasa hoenti-manarina sy manondrotra an’i Madagasikara (PEM). Voalaza mazava tsara ao anatin’izany ny tetika sy ny paika ary ny drafitra politika hitantanana ny hetra, ny trosam-panjakana, ny ady amin’ny kolikoly, ny fangaraharahana eo amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana izay  mifanaraka  tanteraka  amin’ny  politika  ankapoben’ny  fitondram- panjakana.

    DIASPORA MALAGASY: Navoaka ny « lettre de politique Nationale »:

    Nankatoavin’ny   Filankevitry   ny   Minisitra   ny   fampahafantarana nentin’ny  Minisitry ny Raharaham-bahiny  miompana  amin’ny  politikam- pirenena hitantanana ny zanaka ampielezana Malagasy maneran-tany na ny antsoina  hoe :  « Diaspora  Malagasy ». Mifototra  amin’ny  fiarovana  sy fifanomezan-tanana  amin’ireo  zanaka  Malagasy  ampielezana  no  isan’ny politika  voarafitra amin’izany.  Eo  ihany  koa  ny  fanomezan-danja  ny kolontsaina, ny fomba amam-panao, ny fifanakalozana ara-tsosialy, ara- toekarena ary ny fifaneraserana eo amin’ny sehatra ara-bola. Tafiditra ao anatin’izany  ihany  koa  ny  fandraisan’anjaran’ireo  zanaka  Malagasy ampielezana amin’ny seha-pifidianana izay hirosoana tsikelikely sy ilaina fifampidihana  sy  fandaminana.  Hapetraka  ihany  koa  ny  politika hanamafisana  sy  hamaritana  ny  fandraisan’anjaran’ny  zanaka  Malagasy ampielezana eo amin’ny asa fampiroboroboana sy ny fifanaraham-piaraha- miasa  mifototra  amin’ny  ara-toekarena  sy  ny  fampandrosoana  aty  an- tanindrazana.  Haharitra  10  taona  ny  fanatanterahana  ny  drafitrasa amin’izany ka hisy ny vaomiera manokana handrafitra sy hanatanteraka ny asa amin’izany. 

    RANO FISOTRO MADIO ETO ANTANANARIVO SY NY MANODIDINA :

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  fampahafantarana  ny lamin’ny tsena hoentina hanantanterahana ny asa fanaovana lava-drano manerana ny toerana 46 eto Antananarivo sy ny manodidina. Vitaina ao anatin’ny fotoana fohy sy haingana ny asa sy ny famatsian-drano izay no isan’ny antony nanomezana ny fahazoan-dalana mikasika ny lamin’ny tsena androany. Ambohidrapeto, Fiombonana, Itaosy, Ampitatafika, Andoharanofotsy,  Bongatsara,  Alasora,  Tsiadana,  Ambohimangakely, Ankadikely Ilafy, Sabotsy Namehana, Ambohimanga Rova, Antehiroka, Ivato Firaisana, Anosiala ary Antananarivo Renivohitra no ifotoran’ny asa sy ny fotodrafitrasa amin’ireo fanaovana lava-drano ireo. 

    FANAPARIAHANA SY FITARIHANA JIRO ETO ANTANANARIVO :

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  fampahafantarana  ny
    fandefasana  ny tolotra  manodidina  ny  fanamafisana ny “Réseaux Interconnecté d’Antananarivo RING TANA 90kv » hahafahana mitsinjara ireo herinaratra ho azo amin’ireo tetikasa toan’i Sahofika, Volobe, Ranomafana, Mahitsy ary ireo herinaratra azo amin’ny angovo azo havaozina. Handraisana ny herinaratra mampifandray an’i Toamasina sy Antananarivo, hampihena ny fahatapahan-jiro lava ary hanome herinaratra ireo toerana vaovao haorina manodidina an’Antananarivo.

    DISTRIKA  60 :  HISITRAKA  INDOSTRIA  60  MIFANARAKA  AMIN’NY VOKATRA SY NY FANJIFAN’NY MPONINA ETO AN-TOERANA :

    Hisy orinasa ara-indostria madinika sy salantsalany hijoro sy hiorina manerana  ny  distrika  60  ka  hamorona  asa  ho an’ireo  vehivavy,  sy fikambanana vonona hihary ary vondron’olona vonona hanatanteraka ny tetikasa.  Hijoro  amin’izany  ireo  ozinina  kely  afaka  mamokatra  ranom- boankazo,  afaka  mitoto  vary,  afaka  manodina  ny  ovy  ho  karepoka,  ny voatabia  ho  lasa  ambifotsy,  ny  hamokatra  sakafo  fanjifan’ny  mponina andavanandro. Hiteraka asa sy fandrosoana ary fanjifana mivantana ny vokatry ny tany avy amin’ny faritra sy distrika isan-tokony izany.  Hisy ny fanofanana  eo  amin’ny  sehatra  maro  hoenti-mametraka  izany.  Ny ministeran’ny indostria, ny varotra ary ny asa tanana no mitarika ny tetikasa, fa miara-mientana kosa ny  ministera isan-tokony toy ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa, ny fambolena sy ny fiompiana ary ny jono, ny ministera misahana ny angovo sy ny rano, hifandrimbona hametraka izany araka ny toromariky ny Filoham-pirenena izay nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany. Io no tetikasa antsoina hoe ODOF io na antsoina koa hoe One District One Factory.

    FANAOVANA VAKISINY NY ZAZA :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fandaniana mikasika ny famatsiam-bola  hoenti-manatanteraka  ny  fanaovana  vakisiny  ny  zaza Malagasy izay iarahana amin’ny GAVI sy ny UNICEF mitentina 1,8 tapitrisa dolara.  Vakisiny  iadiana  amin’ny  raboka,  lefankozatra,  « DTCHepBHib », areti-tratra, bonibony sy kitrotro, areti-kibon-jazakely. 

    SAMPAN-DRAHARAHAM-PARITRY NY FITANDROANA NY FILAMINANA ANATINY 02 NO HOSOKAFANA :

    Nahazo  fankatoavan’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  fanorenana  ny toeram-piasan’ny  sampan-draharaham-paritry  ny  filaminana  anatiny  eo anivon’ny polisim-pirenena, ao amin’ny faritra Matsiatra ambony izay aorina eo amin’ny tanin’ny Somacodis fahiny ao anatin’ny kaominina ambonivohitra Fianarantsoa. Toy izany koa ny fanorenana ny toeram-piasan’ny sampan- draharaham-paritry ny filaminana anatiny etsy Ivato izay tokony arafitra sy aorina eo amin’ny toerana iorenan’ireo building manarapenitra etsy amin’ny kaominina Ivato ato anatin’ny faritr’Analamanga. 

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolokevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy :

    • Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  didim-panjakana mamaritra  ny  tombontsoa  iombonana  ka  nametrahana  ny  filan’ny fanjakana toerana manemitra ny fari-dalana Masay-Ambodivona izay hanaovana asa ato anatin’ny tananan’Antananarivo Renivohitra faritra Analamanga.
  • III- FANENDRENA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Filohan’ny Repoblika:

    • Ny Jeneraly ANDRIAMANALINARIVO Voahangy dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny ANAF.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny Asa vaventy :

    • Atoa MANAKANY Yvan Thierry, dia voatendry ho Tale Jeneralin’ny « Nouvelles Villes et du Logement ».
    • Ramatoa RAMAHERY Hanitsoa Ravo, dia voatendry ho Tale misahana ny « Développement des Nouvelles Villes ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-Bahoaka :

    • Atoa  RAKOTONAVALONA  Rivomalala,  dia  voatendry  ho  talen’ny « Programme Elargi de Vaccination ».
    • Ramatoa RAMAMONJISOA Christiane Bodohanta, dia voatendry ho talem-paritra ao Betsiboka.
    • Atoa RAJAONARISON Tolojanahary, dia voatendry ho Talem-paritra ao Matsiatra Ambony.
    • Atoa RALEMARY Nicolas William, dia voatendry ho Talem-paritra ao Atsimo Atsinanana
    • Ramatoa HOASY Solange, dia voatendry ho talem-paritra ao Boeny.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Harena An-kibon’ny Tany sy ny Loharanon-karena Stratejika :

    • Atoa HELMIE Eugenio dia voatendry ho Tale Jeneraly ad intérim ao amin’ny « Laboratoire des Mines de Madagascar ».

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny Asa- Tanana :

    • Ramatoa RAJAONARISON Adonia Denisse, dia voatendry ho Talem- paritra ao Analanjirofo.
  • IV- FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ny didim- panjakana manaraka ity:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Asa, ny fampanan’asa, ny asam- panjakana ary ny Lalàna Sosialy:

    • Foana ny didim-panjakana mitondra ny laharana 2019-1176 tamin’ny 06 jona 2019 nanendry ny Tale misahana ny « Réforme de la Fonction Publique »

                                 

Natao androany faha 17 Febroary 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika