TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 10 FEBROARY 2021

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    TSENA  MORA:  in-3  isan-kerinandro, hihamaro ary  hisy  fihenam-bidy goavana:

    1200 ariary ny kilaon’ny Vary Tsinjo, 4000 ariary ny litatry ny menaka eny amin’ny Tsena Mora ho an’ny rehetra manomboka ny Zoma izao ary in-3 isan-kerinandro no hanaovana izany : Alatsinainy, Alakamisy ary Sabotsy. Antananarivo  renivohitra  sy  ny  manodidina  no  hanombohana  ny  asa, hotohizana  eny  anivon’ny  renivohim-paritany  rehetra  izany  amin’ny herinandro ambony. Hisy ny fanarahana akaiky ny fampiharana sy ny fitsinjarana izany manerana ny Nosy.

    Tsy ekena ny fanararaotana sy fampiakarana ny vidin’entana eny an- tsena izay mipàka mivantana any amin’ny vahoaka. Koa hisy ny fivoriana lehibe iarahana amin’ny mpandraharaha, ny mpamongady ary ny mpaninjara miantsehatra eo amin’ny fitsinjarana ny sakafo ilaina amin’ny andavanandron’ny mponina, ka hametrahana ny lamina sy hifampiresahana handrindrana ny vidin’entana mba hifampitsinjovana manoloana ny olana nateraky ny valan’aretina sy ny fiakaran’ny vidim-piainana. Ny tanjona dia ny hampihenana 10% ka hatramin’ny 18% ny vidin’entana ilaina andavanandro eny an-tsena.

    VOLAMENA MALAGASY ANY AFRIKA ATSIMO : Notorian’ny fanjakana Malagasy fa  manondrana  an-tsokosoko  harem-pirenena  Malagasy ny orinasa Parpia Gold and Jewels Trading, LLC any Dubaï, mitonona ho tompon’ny entana:

    Ny orinasa Parpia Gold and Jewels trading, LLC any Dubaï no mitonona ho tompon’ilay Volamena tratra tatsy Afrika Atsimo. Mitory an’io orinasa any Dubaï io ny fanjakana Malagasy noho ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena Malagasy.
    Efa  eo  am-pelatanan’ny  Ministeran’ny  fitsarana  Afrikana  Tatsimo  ny fangatahana fiaraha-miasa ara-pitsarana eo amin’ny fanjakana roa tonta.

    QMM/ Fanjakana Malagasy : Hisy ny fifampidinihana anaty vaomiera :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fananganana vaomiera hifampidinika manodidina ny tetikasa QMM. Marihana fa hifarana ny taona 2023 ny antotan-taratasy mandrafitra ny fifanaraham-piarahamiasa mifehy ny tetikasa natao sonia ny 26 Janoary 1998.

    TETIKASA MIKASIKA NY AO ANTETEZAMBATO :

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  fampahafantarana  ny lamin’ny tsena hoentina hanantanterahana ny asa fanadihadiana hoenti- mamboatra  sy hampandeha  ny  tetikasa  fanorenana tohodrano  hanome herinaratra ao Antetezambato.

    FANAPARIAHANA NY JIRO MANERANA NY NOSY :

    Nankatoavin’ny filankevitry ny Minisitra ny fampahafantarana ny fanaovana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana ny tetikasa  PRIRTEM (Projet de Renforcement et d’Interconnexion des Réseaux de Transport d’Energie électrique à Madagascar).

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena

    • Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  didim-panjakana hananganana  ny  « Groupement  des  Forces  Spéciales  d’Intervention (GFSI) ».
  • III- FANENDRENA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Ati-tany sy ny Fitsinjaram- pahefana:

    • Atoa RAZANAJATOVO Haja dia voatendry ho Lehiben’ny distrikan’i Bealanana.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-Bahoaka:

    • Atoa RAKOTONIAINA François, dia voatendry ho Talen’ny « Centre Hospitalier Universitaire Antanambao » ao Toliara.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa :

    • Atoa RANJARANIMARO Manitra Pierrot, dia voatendry ho talen’ny Sekoly « Génie Industriel de l’Institut Supérieur de Technologie » eto Antananarivo.
    • Ramatoa RAZAFIMBELO Ando Nantenaina, dia voatendry ho Talen’ny Sekoly « Génie de Management de l’Institut Supérieur de Technologie » eto Antananarivo.
  • IV- FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nanafoana ny didim-panjakana manaraka ity:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha-2020-1167 tamin’ny 16 septambra 2020 nanendrena ny Tale misahana ny « Technologies de l’Information et de la Communication ».

                                 

Natao androany faha 10 Febroary 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika