TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 24 FEBROARY 2021

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    « TRANSPORT PAR CABLE » ETO AN-DRENIVOHITRA ZOTRA 2 NO HO VITA AFAKA 02 TAONA:

    Anosy sy Ambatobe handehanana anatin’ny 30 minitra zotra mirefy 9,21 km antsoina hoe : « Zotra mena » na « ligne rouge » ahitana fiantsonana 4 sy pylones miisa 19.

    Anosy sy Ambanidia  ao anatin’ny 10 minitra zotra mirefy 2,60km antsoina hoe « Zotra Mavo » na « ligne jaune » ahitana fiantsonana 8 sy pylones miisa 56.

    Cabines miisa 274 afaka mitondra olona 10 ka hatramin’ny 12 no hiasa amin’ireo zotram-pitaterana ireo ka mpandeha eo amin’ny 28.000 ka hatramin’ny 38.000 no ho voatatitra isan’andro.

    Mandritra ny 02 taona no hanatanterahana ny asa ary hovitaina mialoha ny hanaovana ny lalaon’ny Nosy eto amintsika ny taona 2023. Efa eo am- panatanterahana ny fanadihadiana ara-tontolo iainana ny orinasa manatanteraka izany. Ny orinasa POMA sy COLAS no hanao ny asa. Ny Fiadidiana ny Repoblika miaraka amin’ny minisiteran’ny fitaterana, fizahantany ary ny famatarana ny toetrandro, ny ministeran’ny fanajariana ny tany sy ny asa vaventy ary ny Tanànan’Antananarivo no miandraikitra ny fanarahana ny fanatanterahana ny asa.

    MILAMINA NY FIARAHA-MIASAN’I MADAGASIKARA SY IREO MPAMATSY VOLA:

    Mitohy  ary  mandeha  ny  fiaraha-miasan’i  Madagasikara  sy  ireo mpamatsy vola iraisam-pirenena :

    400 tapitrisa dolara no famatsiam-bola ho azo avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena mahakasika ny sehatry ny fitaterana sy ny angovo tafiditra ao anatin’ilay fandaharanasa « Gouvernance des Infrastructures et la connectivité ». Eo am-pandinihana miaraka izany ny fitondrana sy ny Banky Iraisam-pirenena ankehitriny. Mitohy ny fiaraha-miasa sy ny fifampidinihana eo amin’ny lafiny rehetra mba hahatanteraka ireo tetikasa rehetra izay efa voafaritra sy mbola hamafisina miaraka amin’ity vondrona iray ity

    492 tapitrisa Euros no famatsiam-bola azo avy amin’ny Vondrona Eoropeana tafiditra amin’ilay tetikasa antsoina hoe : PIN (Programme Indicatif National) anatin’ny andiany faha-11 eo amin’ny Fonds Européen de Développement. Mandritra ny taona 2021 -2027 no hanaovana ny tetikasa.

    490 tapitrisa dolara no fanampiana entin’ny USAID ho an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra maro ara-toekarena sy ara-tsosialy.

    Fandaharanasa 15 misahana tetikasa 147 kosa no entin’ny firenena mikambana na ny antsoina hoe Système des Nations Unies eto amintsika ary hizoran’ny fiaraha-miasa ankehitriny. Eo an-dalam-pametrahana ny lamina vaovao isika ankehitriny ao anatin’iay antsoina hoe : « Plan Cadre de Coopération des Nations Unies pour le Développement Durable ». Ireo tetikasa rehetra iarahana amin’ireo mpamatsy vola dia natao mifanandrify amin’ny PEM izay mamaritra ny fanatsarana sy ny fitantanana entin’ny fitondram- panjakana.

    Ireo no fampahafantarana nentin’ny Minisitry ny fitantanam-bola nandritra ny Filankevitry ny Minisitra androany.

    FAMPITOMBOANA NY HERINARATRA ETO MADAGASIKARA : 800MW NO TANJONA AMIN’NY 2023 :

    Hampitomboina  ny  famokarana  herinaratra  eto  Madagasikara  ka 800MW no tanjona hatramin’ny taona 2023. Hisy ny lamina vaovao izay nampahafantarina  nandritra  Filankevitry  ny  Minisitra  amin’ny fanapariahana  bebe kokoa  ireo  angovo  azo  havaozina  manerana  an’i Madagasikara sy ireo drafitra narindra mba hanamorana sy hampitomboana ny famokarana ahafahan’ny Malagasy misitraka izany.

    RANO FISOTRO MADIO ANY ANDROY:

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampahafantarana ny lamin’ny tsena ho entina hanantanterahana ny fitaterana ireo milina fanadiovan- drano ho an’ny faritra Androy na ny “machine de désalinisation” izay efa ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina.

    AMBOARINA SY ATAO NY FANARENANA NY FEFILOHA AO ANONY, AMPASIKELY, VALLEE MARIANINA :

    Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fampahafantarana ny fanarenana ireo fefiloha manondraka tanimbary mirefy 7700 Ha ka ny 870 Ha no voakasiky ny tetikasa any Ambatondrazaka sy Amparafaravola eo amin’ny fefiloha Anony, Ampasikely ary Vallée Marianina.

    TSY ANDOAVAM-BOLA NY FAMINDRANA SY NY FIZARAM-PANANANA VOKATRY NY LOVA HO AN'IREO TARANAKA NATERAKA MIVANTANA MISITRAKA LOVA :

    Nampahafantarina nandritra ny Filankevitry ny Minisitra fa ampiharina manomboka  izao  ny  hahamaimaimpoana  ny  famindrana  sy  fizaram-pananana vokatry ny lova ho an'ireo taranaka nateraky ny ray aman-dreniny mivantana. Izany no natao dia mba hanamaivanana ny vesatra eo amin'ny fandaniam-bola isan-tokantrano ho an'ireo izay mikarakara izany indrindra taorian'ny sedra sy fahasahiranana nateraky ny Covid-19. Ny Minisitera miahy ny famindram-pananana no hampihatra izany.

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy :

    • Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  volavolan-dalàna mandrafitra  ny  famatsiam-bola  fanampiny  avy  tamin’ny  IDA mahakasika ny tetikasa “Projet de développement Urbain Intégré et de Résilience” (PRODUIR), natao sonia ny faha-18 desambra 2020.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy :

    • Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manova ny sata mifehy ny FNF na ny Fonds National Foncier (FNF) sy ny firafiny ary ny fomba fiasany.
  • III- FANENDRENA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena :

    • Général de Division MAROTIA René, dia voatendry ho « Major Général des Armées ».
    • Général  de  Brigade  Aérienne  ANDRIANARIJAONA  Mamy,  dia voatendry ho « Chef d’Etat-Major » ny tafika anabakabaka.
    • Général de Brigade MONTROUGE John Fitzgerald, dia voatendry ho Lehiben’ny Kaomadin’ny ZDS Ankarana (Nord)» ao Antsiranana.
    • Général de Brigade GERMAIN Théodore Emile, dia voatendry ho Lehiben’ny  Kaomadin’ny ZDS Ankarafantsika (Nour  ouest) » ao Mahajanga.
    • Général   de   Brigade   ANDRIAMBAO   RAMISA   Nantenaina,   dia voatendry ho Lehiben’ny Kaomadin’ny ZDS Tsiribihina » ao Morondava.
    • Général  de  Brigade  SAIFOUDINE  Nandrasana  Hassanaly,  dia voatendry  ho  Lehiben’ny  Kaomadin’ny ZDS Ikopa  (Centre) » ao Antananarivo.
    • Général  de  Brigade  DERA  Zafindravolamananarivelo  Didier,  dia voatendry ho Lehiben’ny Kaomadin’ny ao Fiherenana (Sud Ouest) » ao Toliary.
    • Général  de  Brigade  RANDRIANANTENAINA  Félicien  Arthur,  dia voatendry  ho  Lehiben’ny  Kaomadin’ny Matitanana  (Sud-Est) » ao Manakara.
    • Colonel  RAKOTOARISOA  Andriantsoavina  Henri  Jocelyn,  dia voatendry  ho  lehiben’ny  kaomadin’ny ZDS Pangalana  (Est)  ao Toamasin.
    • Colonel RAZAFY Andrianavoany Ratsisetrainarivo, dia voatendry ho Lehiben’ny Kaomadin’ny ZDS Andringitra (Centre-Est) ao Fianarantsoa.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka :

    • Atoa TOVOTSIMIHEFO Andriamanampisoa Ranoêlson Orieux, dia voatendry ho Talem-paritra ao Ihorombe.
    • Atoa RABENANDRASANA Florent, dia voatendry ho Talem-paritra ao Sofia.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy, ary ny fampiroboroboana ny Vehivavy :

    • Atoa  RAKOTOMALALA  Eric,  dia  voatendry  ho  Tale  misahana  ny fandraharahana sy ny fitananam-bola.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena :

    • Atoa  FALIMANANA  Julien  Juste  Angelos, dia voatendry ho Tale misahana  ny  fifandraisana  amin’ireo  mpiara-miombon’antoka  eo anivon’ny  Tahiry Aina ho an’ny Fanatanjahantena sy Itsinjovan’ny Tanora (DARP/TAFITA)

    AAraka ny  tolo-kevitry  ny Sekreteram-panjakan  misahana  ny Zandarimaria, eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena :

    • Général  de  Brigade  RAKOTOBE  Soamaharo  Willy  Aimé,  dia voatendry ho Tale Jeneraly Lefitra ao amin’ny « Sécurité Routière ».
    • Colonel RIKA Chan Kan, dia voatendry ho « Coordonnateur de l’Office chargé de la lutte contre le terrorisme, les stupéfiants et la criminalité transnationale organisée ».

                                 

Natao androany faha 24 Febroary 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika