TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

ALAROBIA 03 FEBROARY 2021

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    Tsy mandoa IRSA ny karama latsaky ny 350.000 ariary:

    Tsy mandoa IRSA intsony ireo mpiasa mandray karama latsaky ny 350.000ariary. 5% kosa izany ho an’ireo mandray karama eo anelanelan’ny 350.000ariary ka hatramin’ny 400.000ariary. 10% izany ho an’ireo mandray karama 400.000ariary ka hatramin’ny 500.000 ariary. 15% ny IRSA ho an’ireo mandray karama 500.000 ariary ka hatramin’ny 600.000 ariary ary ny mandray karama 600.000 ariary no miakatra no mandoa IRSA 20% manomboka izao. Izany no natao dia mba hifampitsinjovana amin’ireo mpiasa mandray karama kely sy ireo orinasa. 17 miliara ariary ny fiantraikan’izany amin’ity taona ity ho an’ireo voakasik’izany tsy fandoavana sy fampihenana ny hetra aloa izany. Fitsinjovana manokana ireo mpiasa sy mpampiasa, mbola  miatrika  foana  ny  olana  nateraky  ny  valan’aretina  Covid-19 no nanaovana izany, indrindra mba hampitombo ny maribola miditra amin’ireo tokantrano voakasik’izany. Izany dia tafiditra ary efa voafaritra ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibola 2021.

    Famatsian-drano fisotro ho an’Antananarivo sy ny manodidina :

    Efa manomboka ny asa fametrahana ireo toerana fantsakana azo avy amin’ny lava-drano na forage vaovao ahafahana manome rano ireo toerana saro-drano eto Antananarivo sy ny manodidina. 1m3 ka hatramin’ny 2m3 isan’ora ny rano azo avy amin’izany ary misy fitahirizan-drano 10m3, miaraka amin’ny  fanadiovan-drano  (traitement  d’eau  physico-chimique et bactériologique)  ho an’ireo  toerana  miisa 46  voajery  manerana an’Antananarivo sy ny manodidina.  Rano azo avy amin’ny lava-drano midina hatrany amin’ny 30 ka hatramin’ny 45m ambanin’ny tany no hozaraina amin’izany fanomezan-drano madio sy azo antoka atolotra ny mpanjifa izany.  Ny ministeran’ny Rano,  fanadiovana sy ny fidiovana, ny Jirama, ny IOGA no miara-misalahy amin’izany.

    Famatsiana Fitaovana ny faritra :

    Mampitohy ny isam-paritra ary mampandroso ny faritra ny fahazoana ireo fitaovana ilaina amin’ny asa vaventy izay hotsinjaraina amin'ny faritra rehetra eto Madagasikara. Tapaky ny Filankevitry ny Minisitra fa omena alalana ny Ministera misahana ny Asa vaventy hanome ireo mpiasa ao aminy hiara-hiasa  amin'ny  Governora hampandehanana  ireo  milina.  Hisy  ny fanofanana manokana azy ireo amin’ny fikarakarana sy fikojakojana ary fampiodinana ireny milina ireny hahafan’ny any amin’ny faritra isan-tokony mamboatra, sy mikajokoja ary mamaky ireo lalana isam-paritra. Ny tobim- piantsonan’ny asa vaventy any amin’ny faritra no hipetrahan’ireo milina ireo fa ny Governora isam-paritra kosa no tompon’ny fitaovana sy mampiasa azy araka ny filany avy. Omena tantanan’ny Governora isam-paritra ihany koa ireo fitaovana fanaovana asa vaventy iandraiketan’ny eo anivon’ny Prefektora.

    Roa taona ny haharetan’ny asa hanaovana ny « Autoroute à péage » 260km mampitohy  an’Antananarivo  sy  Toamasina  handalo  ao Ambatondrazaka amin’ny lalam-pirenena faha-2 :

    Efa  vita  ny  fandalinana  sy  fanadihadiana  hoentina  manamboatra  ny autoroute à péage mirefy 260km mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina handalo any Alaotra. Raha toa ka 365km ny refin’ny lalana ankehitriny dia hihena 100km izany amin’ity tetikasa ity. Toy izao ny firafitry ny lalana :

    • Andian-dalana 2 andaniny sy ankilany ahafahana mifamoivoy ary mirefy 3,5m isanisany no atao amin’izany.
    • Hisy zaratany mirefy 1,5m ka hatramin’ny 2m ny habeny sy lalana 2 andaniny avy, ahafahan’ny mpikojakoja lalana
    • hisy ny moron-dalana 1,5m isan’andaniny.
    • hisy fizaran-dalana miisa 4 no ho hita (« Echangeur » eto Antananarivo, « échangeur avec intersection » amin’ny lalam-pirenena RN44, échangeur ao Brickaville, échangeur ao Toamasina.) ; hisy ny tetezana, ny viaducs, ary ny tunnels, hisy ihany koa ny «aires de repos» miaraka amin’ireo toerana ilaina isan-karazany mandrafitra izany, hisy koa ny fananganana ny « Poste à péage », hisy koa ny toerana manokana ahafahana miampita sy mampitohy ireo faritra lalovan’ny autoroute na ny atao hoe : « passages supérieurs / inférieurs pour les traversées des routes/ pistes locales »
    • andian-dalana 04 kosa no ahafahana mivoaka makany Ambatondrazaka ary andian-dalana 02 hafa ahafahana makany Brickaville.
    • Ireo orinasa manao ny asa no mitondra ny famatsiam-bola ary 2 taona no faharetan’ny asa izay hiantomboka amin’ity taona 2021 ity.

    Halefa    ny    tolotra    ho    fanamboarana    ny    VROT    mampitohy an’Imeritsiatosika amin’ny Kianjan’i Maki :

    Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  tolotra  na  ny  “Appel  à Manifestation d’Intérêt” ho an’ny “Voie rapide” mampitohy ny Kianja Maki amin’Imerintsiatosika. Amin’ny alalan’ny famatsiam-bolan’ireo mpanatanteraka  ny  asa  na  ny  atao  hoe « Engeeneering  Procurement Construction and Financing (EPC+F) » no hanaovana izany. 2 taona no tokony hahavitan’ny lalana. 

    Marihana fa 500km monja ao anatin’ny 05 taona no lalana vita vokatry ny famatsiam-bola mahazatra, fa ireo fomba famatsiam-bola vaovao ireo amin’ny alalan’ny  fifanaraham-piaraha-miasa  toy  ireo  sy  maro  hafa  no  hevitra hahafahana manatanteraka ireo lalan-tara mirefy 2000km.

    Fampitaovana ireo Hopitaly sy CSB mitentina 5tapitrisa dolara :

    Ambulances manarapenitra 60, fampitaovana ireo CSB 69, fividianana ireo fitaovana famonoana bibikely, fitaovana fandorana ireo fako medikaly, fampitaovana ireo laboratoara fitsirahana no nakatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra ho fampiasana ny famatsiam-bola avy amin’ny BADEA natao sonia ny 22 oktobra 2020. Ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka no misahana izany miaraka amin’ny ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola

    Lamasinina mandeha amin’ny herinaratra sy ny herin’ny masoandro hanatsarana ny tananan’Antananarivo :

    Hanomboka  tsy  ho ela  ny  fanatanterahana  ny  fiaran-dalamby mampitohy an’i Soarano sy ny Lagara makany atsinanana mirefy 12km, sy mampitohy an’i Soarano sy Ankorondrano. Efa azo ireo lokomotiva miisa 10 ireo zotran-dalamby ireo hanatsarana ny hanamorana ny fivezivezena ato anatin’ny tananan’Antananarivo.

    • Amoronakona-Soarano mandroso sy miverina mirefy 12 km.
    • Soarano Ankorondrano mandroso sy miverina 3,5 km.

    Tafiditra ao anatin’ny asa ho tanterahana ary hatomboka amin’ity taona ity ny fanamboarana ny plateforme, sy ny fandrafetana arofanina hiarovana ireo lalamby, hisy koa ny fanarenana ny lalamby sy ireo fiantsonan-dalamby manemotra ny lalamby sy ireo zavatra ilaina rehetra ahafahana mampandeha ny fiaran-dalamby (station et quai de la gare ferroviaire, plateforme électrique, électrification des voies férrées) ary hisy koa ny fanotofana ny toerana ao @ PK 12 ahafahana mandray ny zotran-dalamby.

     

  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola miaraka amin’ny Minisitry ny Fahasalamam-Bahoaka

    • Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  volavolan-dàlana ahafahana  manatanteraka  ny  fifanaraham-pamatsiam-bola  avy amin’ny BADEA hoenti-miady amin’ny COVID-19, natao sonia ny 22 oktobra 2020.

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa :

    • Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  didim-panjakana manafoana ny « Office National des Compétences et de la Formation Professionnelle » ao anatin’ny enimbolana no hanatanterahana izany.
    •  Nankatoavin’ny  Filankevitry  ny  Minisitra  ny  didim-panjakana manafoana  ny  « Groupements  Régionaux  des  Etablissements de Formation Technique et Professionnelle (GREFTP) » miisa 17 manerana ny faritra ao anatin’ny enim-bolana no hanatanterahana izany.

    Araka   ny   tolo-kevitry   ny   Sekretariam-panjakana,   eo   anivon’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena, misahana ny Zandarimaria :

    • Noraisina ny didim-panjakana manome ny « bonification d’ancienneté de port de garde d’officier supérieur » eo anivon’ny Zandarimariam- Pirenena ny Lieutnant Colonel ANDRIANATREHINA Ndriamihaja Livah

                                 

Natao androany faha 03 Febroary 2021

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana

eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika