FIADIDIANA NY REPOBLIKA

TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA NATAO NY ASABOTSY 05 SEPTAMBRA 2020

I- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA:

MITOHY  NY  HAMEHANA  ARA-PAHASALAMANA  FA  HISY  KOSA  IREO FEPETRA ISAN-TSOKAJINY HAPETRAKA SY HANDRINDRANA NY FIAINAM- PIRENENA :

Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao androany 05 Septambra 2020 dia noraisina ny didim-panjakana hanohizana ny hamehana ara-pahasalamana hoentina mandrindra ny ady amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara araka ny fanapahana avy amin’ny Filoham- pirenena, nolaniana nandritra izany ireo fepetra isan-tsokajiny tokony hapetraka rehetra hoentina miaro ny ain’ny Malagasy ary koa iahiana ihany koa ny fiainana andavanandron’ny mponina sy ny isambatan’olona.

Noho izany : mipetraka eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ny « FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA» (état d’urgence sanitaire) manomboka androany 05 Septambra 2020 ary mihatra avy hatrany.

Ireo  fepetra  rehetra  sy  ny  andinidininy  mikasika  ny  lamina  sy  ny fandrindrana  rehetra  hoentina  miatrika  ny  15  andro  manaraka  dia hohazavain’ny  Filoham-pirenena  mandritra  ny  fandaharana  manokana hotanterahana rahampitso alahady 06 septambra 2020 amin’ny 08 ora alina ao amin’ny Televizionina Malagasy.

Toy  izao  ny  didim-panjakana  laharana  faha  2020-1087  tamin’ny  05 septembra 2020 noraisina:

 

FIADIDIANA    NY    REPOBLIKA

*********

DIDIM-PANJAKANA    LAHARANA    faha-2020-1087    tamin’ny 05    septambre    2020

MANAMBARA    AMPAHIBEMASO    NY    FAHAMEHANA    ARA-PAHASALAMANA    MANERANA NY TANIN’NY    REPOBLIKA   

NY FILOHAM- PIRENENA,

Araka    ny    lalampanorenana,    ao    amin’ny    andininy    faha    61;
Araka    ny    lalàna    faha 91-011    tamin’ny    18    jolay    1991    mahakasika    ny    Vanim-potoana    manokana
Araky     ny     lalàna     laharana     faha  2011-002     tamin’ny     15     jolay  2011     mikasika     ny     fifehezana     ny    fahasalamam-bahoaka ;
Araka     ny     didim-panjakana     laharana     faha     2019-1407     tamin’ny  19     jolay  2019     manendry    ny    Praiminisitra,    lehiben’ny    Governemanta;
Araka     ny    didim-panjakana    laharana    faha-2020-070    tamin’ny  29     janoary 2020    nanendry    ny    mpiakambana    ao    amin’ny    governemanta;    
Araka    ny didim-panjakana    laharana    faha    2020-359    tamin’ny    21    martsa    2020    milaza    ny        manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    2020    – 370    tamin’ny    04    Aprily    2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-420 tamin’ny    17    Aprily 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-457 tamin’ny    02    May 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-483 tamin’ny    16    May 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-592 tamin’ny    30    May 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-610 tamin’ny    13    Jona 2020    milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika.

Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-687 tamin’ny 27    Jona    2020     milaza    sy manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-748   tamin’ny 11    Jolay    2020        milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika,
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-818   tamin’ny 25    Jolay    2020        milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-890     tamin’ny 08    Aogositra    2020        milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana    ny    tanin’ny    repoblika
Araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    faha    2020-1020     tamin’ny 22 Aogositra    2020        milaza    sy    manambara    ampahibemaso    ny    fahamehana    ara-pahasalamana    manerana ny    tanin’ny    repoblika.

Nandritra     ny     Filankevitry     ny     Minisitra     taorian’ny     fakan-kevitra     natao     tamin’ny     Filohan’ny    Antenimieram-pirenena,     ny     filohan’ny     Antenimieran-doholona     ary     ny     Filohan’ny     Fitsarana    avo    momba    ny    lalampanorenana ;

 

DIA    MAMOAKA    IZAO    DIDIM-PANJAKANA    MANARAKA    IZAO :

ANDININY VOALOHANY. - mitohy    mandritra    ny    15    andro    eto    amin’ny    tanin’ny    Repoblikan’i    Madagasikara,     manomboka     amin’ny     fotoana     hivoahan’ity     didim-panjakana     ity     ny    « Fahamehana     ara-pahasalamana » noho     ny     antony     ara-pahasalamana,     nohon’ny     fisian’ny    toe-javatra     goavana     mampisahotaka     ny     fiainam-bahoaka,     mba     hampizotra     ara-dàlanan’ny    asan’ireo    fahefam-panjakana    araka    ny    didim-panjakana    laharana    faha    2020-359    tamin’ny    21    martsa    2020 sy    laharana    faha2020-370    tamin’ny    04    Aprily    2020 sy    ny    laharana    faha    2020- 420    tamin’ny    17    Aprily    2020, ny    laharana    faha    2020-457    tamin’ny    02    May    2020, ny    laharana    faha    2020-483    tamin’ny    16    May    2020,    ny    laharana    faha 2020-592    tamin’ny    30    May    2020,    ny    laharana     faha 2020-610     tamin’ny     13     Jona     2020,     ny     laharana     faha     2020-687 tamin’ny 27    Jona    2020, ny laharana    faha    2020-748 tamin’ny 11    Jolay    2020,    ny    laharana    faha 2020-818    tamin’ny     25     Jolay     2020     ,     ny     laharana     faha- 2020     -890     tamin’ny     08     Aogositra     2020,     ary     ny    laharana    faha    faha    2020-1020     tamin’ny 22 Aogositra    2020 voalaza    etsy    ambony.

ANDININY FAHAROA. - Ity    didim-panjakana    ity    dia    mitarika ny    fampiharana    ireo    fepetra    rehetra    voafaritry    ny    fehezan-dalàna    mahakasika    ny    Vanim-potoana    Manokana    (situation    d’exception) mametra    ny    atao    hoe    Fahamehana.


ANDININY FAHATELO. - Ho    fampiharana    ny    andininy    faha 18    ao    amin’ny    làlana    faha 91-011    tamin’ny 18    jolay 1991    mikasika    ny    Vanim-potoana    Manokana,    izay    mamaritra    ny    fahefan’ny    Filoham-pirenena     amin’ny     fampiharana     ny     fanaraha-maso ny     fivezivezen’ny     olona     sy     ny    fiara,     ny     fanaraha-maso ny    famatsiana    rehetra     ary    ny     fanaraha-maso ny     fitaovam-piadiana    dia natolotra    ny    Praiminisitra    ny    fanatanterahana    izany.   

ANDININY FAHA - EFATRA. - Ny Minisitry    ny    fiarovam-pirenena,    ny    Minisitry    ny    Fitsarana,    ny    Minisitry    ny    toekarena    sy    ny     fitantanam-bola,    ny    Minisitry    ny    ati-tany     sy     ny     fitsinjaram- pahefana,     ny     Minisitry     ny     Fahasalamambahoaka, ny     Minisitry     ny     Filaminam-bahoaka, ny    Minisitry     ny     Paositra,     ny     fifandraisan-davitra     ary ny     fampiroboroboana     ny     haitao     ara-kajy    mirindra,    ny    Minisitry    ny    Serasera    sy    ny    Kolontsaina,    ny    Sekreteram-panjakana    misahana    ny    Zandarimaria     eo     ambany     fiahian’ny     ministeran’ny     fiarovam-pirenena     no     miantoka     ny    fanatanterahana    izao    didim-panjakana    izao.     

ANDININY FAHA-DIMY. - Noho     ny     hamehana     ary     ho     fampiharana     ny     voalazan'ny     andininy    faha-6     ao     anatin'ny     didy     hitsivolana laharana     faha-62-041     tamin'ny     19     septambra     1962    momba     ny     fepetra     ankapoben'ny     lalàna     anatiny     sy     ny     lalàna     iraisam-pirenena     mifehy     ny    fifandraisana     manokan'ny     samy     olona,     ity     didim-panjakana    ity    dia    manan-kery     avy     hatrany    raha     vantany     vao     havoaka     amin'ny     onjampeo     sy/na     ny     fahitalavitra,     ary     izany     dia     tsy    miankina    amin'ny    famoahana    azy    amin'ny    gazetim-panjakan'ny    Repoblika.

 

Antananarivo faha 05 Septambra 2020

Ny Filoham-pirenena
Andry RAJOELINA
Ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta
NTSAY Christian

Natao androany faha 05 Septambra 2020
Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny
Fiadidiana ny Repoblika