TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO NY 02 SEPTAMBRA 2020 TAO AMIN’NY LAPAM-PANJAKANA IAVOLOHA

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    « Fifaliana   -   fifampitsinjovana »   no   tanjona   amin’ny   alalan’ny fanampiana Vatsy Tsinjo andiany faharoa :

    Nanome  toromarika  manokana  ny  Filoham-pirenena  androany  ny hanamafisana hatrany ny lamina atao amin’ny fizarana ireo Vatsy Tsinjo andiany faharoa ho entina miatrika ny fiantraikan’ny ny valan’aretina covid- 19.

    Ireto ny faritra tokony hisitraka izany amin’izao andiany manaraka izao, ka hifandrimbonan’ireo minisitra isan-tokony avy, miaraka amin’ny Fiadidiana  ny  Repoblika  ny  fananterahana  izany na  eo  amin’ny fanarahamaso sy fandrafetana ny lisitra na eo amin’ny fitsinjarana, mba hisitraka izany avokoa ny tokantrano misedra fahasahiranana vokatry ny valan’aretina: Antsiranana, Toamasina, Mahajanga, Fianarantsoa, Toliary, Taolagnaro, Moramanga, Ambatondrazaka, Fenerive Atsinanana, Antsirabe, Manakara, Vatovavy Fitovinany ,Tsihombe, Ambovombe ary Amboasary.
  • II- FANDANIANA DIDIM-PANJAKANA SY VOLAVOLAN-DALANA

    Araka ny tolo-kevitry ny Fiadidiana ny Governemanta :
    Nolanian’ny        Filankevitry        ny        Minisitra        ny        didim-panjakana        mamaritra        ny fifaranan’ny    Fivoriana    tsy    ara-potoanan’ny    Antenimiera    roa    tonta.

  • III – FANAFOANANA :

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanafoanana ireto didim- panjakana manaraka ireto:

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Indostria, ny Varotra ary ny asa-tanana:

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1595 tamin’ny 14 aogositra 2019 nanendrena ny Talem-paritra ao Sava.

    Araka  ny  tolo-kevitry  ny  Minisitry  ny  Tontolo  Iainana  sy  ny fampandrosoana maharitra:

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-886 tamin’ny 24 aprily 2019  nanendrena ny tale misahana ny « Développement de la Stratégie et du Partenariat pour le Développement Durable »

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina :

    • Foana ny didim-panjakana laharana faha 2019-1246 tamin’ny 06 jona 2019 nanendrena ny talem-paritra Analamanga

Natao androany faha 02 Septambra 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika