TATITRY NY FILANKEVITRY NY MINISITRA NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY « VISIOCONFERENCE »
NY 05 AOGOSITRA 2020
NATAO TAMIN’NY ALALAN’NY VISIOCONFERENCE NY FILANKEVITRY NY
MINISITRA ANDROANY FAHA 05 AOGOSITRA 2020 NOTARIHIN’NY
FILOHAM-PIRENENA ANDRY RAJOELINA ARY NAHITANA NY PRAIMINISITRA
SY IREO MINISITRA ISAN-TOKONY :

 

  • I- FAMPAHAFANTARANA

    Fitantanan-draharaham-panjakana

    Nomena fanalefahan-ketra manokana ny fanafarana sy fampidirana entana ho enti-miady amin’ny covid-19 mikasika ireo entana tonga avy any ivelany toy ny « concentrateurs d’oxygène », ny « respirateurs », ireo « kits de prélèvement », ireo kits de laboratoire », ireo fitaovam-piarovana isan-karazany.

    « Fifaliana - fifampitsinjovana » no tanjona amin’ny alalan’ny fanampiana Vatsy Tsinjo andiany faharoa :

    Nanome toromarika manokana ny Filoham-pirenena androany ny hanamafisana ny lamina atao amin’ny fizarana ireo vatsy tsinjo andiany faharoa ho entina miatrika ity valan’aretina ity ho an’ireo distrika miisa 13 manerana ny Nosy, miampy an’Antananarivo Renivohitra sy Atsimondrano, Avaradrano ary Ambohidratrimo. Ireo distrika izay tena nianjadian’ny fahasahiranana henjana noho ny fihanaky ny valan’aretina teo amin’izy ireo no voakasik’ity fanampiana sy fandamianana ity. Hidina ifotony ireo minisitra sy ireo mpiara-miasa amin’izy ireo isan-tokony avy hanampy sy handrindra miaraka amin’ireo tompon’andraikitra any ifotony, mba hisian’ny fizarana marina ary tena hiantraika any amin’ireo tena mila azy ny fanampiana atolotry ny fanjakana izay miteti-bidy eo amin’ny 72 miliara ariary.

    Ireo loham-pianakaviana no tokony mandeha maka ny fanampiana mba hanamarinana fa isan-tokantrano marina ny fizarana ary tsy maintsy miaraka amin’ny karinem-pokontany fanaovana adidy hatrizay izy ireo mba hanarahana tsara ny fisitrahan’izy ireo ny fanampiana.

    Napetrany ihany koa ny toromarika hanatsarana ny fomba fitantanana eny anivon’ny fokontany ka tokony hametrahana, miaraka amin’ny paikady fizarana fanampiana Vatsy Tsinjo, ny rejisitra vaovao sy ny boky vaovao ampiasaina eny anivon’ny fokontany izay tsara raha atao ara-kajy mirindra.

  • II- FANENDRENA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanendrena ireto mpiasam- panjakana ambony ireto :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    • Ramatoa RAJONSON Zaratiana Finaritra, dia voatendry ho Tale misahana ny Tetibola
    • Atoa RANDRIANARISOA Dera Norberthin, dia voatendry ho Tale iraisam-paritry ny INSTAT ao Antsiranana.
    • Atoa RAKOTONJANAHARY Malala Ny Aina, dia voatendry ho Tale iraisam-paritry ny INSTAT ao Mahajanga
    • Atoa RAKOTONIRINA Lova Mananandrianina, voatendry ho Tale iraisam-paritry ny INSTAT ao Fianarantsoa
    • Atoa HATOZOMILA Eric Alfred, dia voatendry ho Tale iraisam-paritry ny INSTAT ao Toamasina
    • Atoa RANDRIAMBELOMAHENINA Noahery Tahiana, dia voatendry ho Tale iraisam-paritry ny INSTAT ao Antananarivo
    • Atoa RAMAROJAONA Magloire Christian, dia voatendry ho Tale iraisam-paritry ny INSTAT ao Toliara

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny ati-tany sy ny fitsinjaram-pahefana :

    • Jeneraly RAMIARAMANANA Joseph, dia voatendry ho Governoran’ny faritra Bongolava
  • III- FANAFOANANA

    Ny Filankevitry ny Minisitra dia nankatoa ny fanafoanana ny didim-panjakana manaraka :

    Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola :

    Foana ny didim-panjakana nanendry ny Talem-Paritry ny Contrôle Financier ao Farafangana – Faritra Atsimo Antsinanana

Natao androany faha 05 Aogositra 2020

Ny sampan-draharahan’ny serasera sy ny fifandraisana eo anivon’ny

Fiadidiana ny Repoblika