TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 24 janoary 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 24 janoary 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Mbola mitohy ny fampahafantarana ireo asa maika isaky ny departemanta tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny 100 andro, ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika ankapoben’ny Fanjakana izay efa natolotr’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, ny Governemanta tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra farany.

     

    Ireto indray ny asa maika tsy maintsy hatao ao anatin’ny 100 andro :

    1. Minisiteran’ny Raharaham-bahiny : tsy maintsy hirosoana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ao anatin’ny dingana ara-panjakana samihafa amin’ny fanomezana ny pasipaoro ho an’ireo Malagasy ampielezana miparitaka manerana izao tontolo izao. Tanjona hapetraka dia ny fampihenana ny fe-potoana hanomezana ny pasipaoro ho 1 volana farafahabetsany. Efa novatsiana fitaovana mifandraika amin’izany ny masoivohontsika any ivelany, izay atomboka any Paris, France hananganana ny “centre d’enrôlement” hakana ny mombamomba ilay olompirenena mangataka pasipaoro (données biométriques).

    Mifandray amin’izany ihany koa dia nisy ny toromarika nomen’Andriamatoa Filoha ny tsy maintsy hanatsarana ny fomba fanomezana pasipaoro eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka. Manome vahana ny kolikoly ny filaharambe sy ny fahasarotan’ny fikarakarana ny pasipaoro ka tsy maintsy vahana ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana.

    2. Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana : ny fanamby goavana dia ny fahatratrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

    - Fametrahana ny orinasa famokarana zezika eny anivon’ny Faritra miisa 6 tena mpamokatra dia i Alaotra Mangoro, Boeny, Sofia, Amoron’i mania, Analamanga, amin’ny alalan’ny antso atao amin’ny sehatra tsy miankina (appel à projet). Efa misy hatreto ny fifanarahana (memorandum of understanding) miisa 5 amina orinasa tsy miankina vonona hanangana ny orinasa, toerana 2 no efa voafaritra dia any Ambaiboho Amparafaravola sy Ankazomborona Marovoay. Izy ity dia fanohizana ny fiarahamiasa amin’ny orinasa Ambatovy efa natomboka tamin’ny taona lasa.

    - Fanomezana hana-pamokarana (masomboly sy zezika) ho an’ny tantsaha ka tokantrano miisa 112.500 no hisitraka izany ao anatin’ny 100 andro.

    - Fanatanterahana ny tetikasa « Ankohonana Miarina » amin’ny alalan’ny teknika fambolena « PFUMVUDZA » ho an’ireo tokantrano tena marefo. Fianakaviana sahirana 3.000 no tombanana homena fiofanana mikasika io teknika io ao anatin’ny 100 andro. Ny minisiteran’ny mponina sy ny firaisankina no hijery ireo tokantrano tena marefo hisitraka ity tetikasa ity, toerana 4 no hanatanterahana azy : Fieferamanga izay hanaovana ny andrana, Tsimahabeomby, « Ferme d’Etat » Mahitsy, ary Antsoatany.

    - Fananganana fotodrafitrasa mifandray amin’ny fanondrahana tanimbary sy tanimboly midadasika ka velaran-tany 30.000 hektara no kendrena ho voatondraka.

    3. Minisiteran’ny Angovo sy ny Akoran’Afo : ny ady amin’ny fahatapatapahan’ny herinaratra no tena laharam-pahamehana

    - Fametrahana tobim-pamokarana angovo azo avy amin’ny masoandro ho an’ireo distrika miisa 47 izay tsy maintsy hatomboka ao anatin’ny 100 andro araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, ary hotohizana hatramin’ny volana Jona 2024.

    - Fanombohana ny fanamboarana ny foibe famokarana angovo azo avy amin’ny rano (Centrale hydroélectrique) Sahofika sy Volobe ;

    - Fanohizana ny fanomezana fitaovam-pahazavana azo avy amin’ny masoandro ho an’ny tokantrano miisa 4 tapitrisa tokony hotratrarina ao anatin’ny herintaona. Eo koa ny fametrahana ny jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro (lampadaires) hanazava ny tanàna sy amin’ny fidirana ny tanàn-dehibe rehetra manerana ny Nosy.

    - Famokarana sy fivarotana herinaratra ataon’ny tsy miankina, amina kaominina efa voafaritra mialoha, araka ny fomba fiasa vaovao apetraka miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena.

    - Fametrahana sy fampandehanana toby famokarana angovo (centrale thermique) ahafahana mahazo herinaratra manana tanjaka 105 Mw eto Antananarivo. Efa andalana ny fanatanterahana ny tetikasa ankehitriny ka kendrena ho vita ao anatin’ny fotoana faran’izay haingana. 

    Fa nanomezan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika toromarika manokana ny hampidirana ao anatin’ny asa maika tsy maintsy hatao, ny tsy fahafahana mangataka tanim-panjakana intsony, satria be loatra ny kolikoly mitarika amin’ny fangalarana tanin’olona ao anatin’izany, ka handinika ny hanamafisana ny didy aman-dalàna ilaina amin’izany ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny, tarihin’ny Minisiteran’ny Fitsarana.

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana antampony ara-potoana andiany faha-44 ho an’ireo filoham-panjakana sy lehibena governemanta amin’ny firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikana (UA), ny 17 sy 18 Febroary 2024, sy ny fivoriana ara-potoanan’ny Filankevitra mpanatanteraky ny Vondrona Afrikana ny 14 sy 15 Febroary 2024

    Any Addis-Abeba Ethiopie no hotanterahina ny fivoriana. « Beazina ny olompirenena afrikana mendrika ny taonjato faha-21 : famoronana rafi-pampianarana manana fahafaha-miatrika mba hahazoana misitraka fampianarana maharitra, tsy manilika, misy kalitao ary mety ho an’i Afrika”, izay no lohahevitra amin’ity fivoriana antampony ity, izay mifanojo amin’ny laharam-pahamehana napetrak’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mikasika ny fampandrosoana ny loharanon-karena maha-olona. Hitarika ny delegasiona Malagasy Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana antampony « Italie-Afrique » andiany voalohany izay hotanterahina any Rome, Italie ny 28 sy 29 Janoary 2024.

    Natao hampahafantarana ny vinan’ny firenena Italiana amin’ny fiarahamiasany amin’ny firenena afrikana, ao anatin’ny « plan Mattei », ka hisian’ny adihevitra momba ny fiarovana ara-tsakafo, ny kolontsaina, ny fanabeazana, ny fanofanana arak’asa, ny fiarovana ara angovo, ny fampandrosoana ara-toekarena, ny fampandrosoana ny fotodrafitrasa, ny ady amin’ny fanondranana olona sy ny asa fampihorohoroana, ary ny fitantanana ny fifindra-monina ara-dalàna.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivorian’ny Minisitra ao anatin’ny Vondrona Eoropeana momba ny fiarahamiasa aty amin’ny faritra « Indopacifique » ny 2 febroary 2024 any Bruxelles Belgique.

    Ramatoa Minisitry ny Raharaham-bahiny no hitarika ny delegasiona malagasy amin’izany, izay hatao indrindra handinihana ny fiarahamiasan’ireo firenena aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana sy ny ranomasimbe Pacifique mikasika ny toekarena, tontolo iainana, fandriam-pahalemana sy jeopolitika.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny fivoriana antampony maneran-tany handraisan’ireo mpitondra fanjakana anjara any Dubai, Emirats-Arabes Unis ny 12 ka hatramin’ny 14 Febroary 2024 ho avy izao.

    Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA dia vooasan’ny Filoha Emirati SEM Mohamed Bin Zayed Al Nahyan, manokana hanatrika ny fivoriana ka izy no hitarika ny delegasiona malagasy. Lohahevitra 6 lehibe no hodinihana ka anisan’izany ny fanafainganana ny fanovana ara-haitao ara-kajy mirindra eny anivon’ny fitantanam-panjakana, ny « intelligence artificielle », ny fampandrosoana sy ny toekarena amin’ny ho avy, ny fiarahamonina amin’ny ho avy sy ny fanabeazana, ny fanajariana an-tanàn-dehibe sy ny laharam-pahamehana amin’ny fahasalamana maneran-tany. Ankoatra ny mpitondra fanjakana ambony dia hahitana fikambanana iraisam-pirenena, mpitarika amin’ny sehatra tsy miankina ary mpitarika hevitra na « leaders d’opinion » samihafa koa handray anjara amin’ity fivoriana antampony maneran-tany ho an’ny mpitondra fanjakana ity.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny firosoana amin’ny fanesorana ny ampahany amin’ny tany «Antsahalalina », Titre Foncier n°11.285-A (EX TN°67), eny Ambatobe, Antananarivo-Renivohitra, amin’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny famerenana azy amin’ny Fanjakana Malagasy.

    Marihana moa fa ny Fanjakana Malagasy ihany no tompon’ny tany araka ny misoratra mazava ao anatin’ny “certificat de situation juridique” fa nomena nampiasain’ny Minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana tamin’ny taona 1996. Efa tsy nampiasa ny tany intsony nefa ny Minisitera taty aoriana, ka ilaina ny mamerina azy amin’ny Fanjakana Malagasy. Hisy ny fananganana ny tobim-pahasalamana eo amin’ity velaran-tany ity, izay tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny Filoham-pirenena (projet présidentiel).

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana fitaterana vaksiny avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny zaza sy ny ankizy (UNICEF), hampiasain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana « Iarh Kits GC » avy amin’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny mponina (UNFPA), hampiasain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana (matériels et consommables de laboratoires) nafaran’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indiana, ka hampiasain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana fiara mitondra ny marika « Toyota Hilux » nafarana sy hampiasain’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ilaina amin’ny fananganana ny foibe famokarana angovo azo avy amin’ny herin’ny masoandro manana tanjaka 50 Mw hampiasain’ny orinasa JIRAMA, ao anatin’ny tetikasa « Projet parcs solaires ».

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny fandoavana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ny fampidirana ireo fitaovana ilaina amin’ny tetikasa fanatsarana ny fitantanana ny fako mivaingana ho an’ny fanadiovana ny tanàna eto Antananarivo (Gestion des Déchets Solides pour une ville propre à Antananarivo - GESDA).

    Ireo fitaovana ireo dia fanomezana avy amin’ny firenena Japoney amin’ny alalan’ny JICA, fiarabe fitaterana fako sy ny fampitaovana mifandraika amin’izay hatolotra hampiasain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny fandraofana ny fako eto an-drenivohitra ihany.

    MINISITERAN’NY TONTOLO IAINANA SY NY FANDROSOANA LOVAIN-JAFY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny vanim-potoana hambolena hazo taona 2024.

    Eny amin’ny toerana hananganana ny tanàna vaovao « Tana-Masoandro » Imerintsiatosika, no hanombohana azy, ka amin’ity taona ity dia « fambolen-kazo manarina tontolo iainana, mamelona aina » no lohahevitra nosafidiana. Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA no hitarika ny fanombohana ny fambolen-kazo, fa efa misy ny fandaminana manerana ny faritra rehetra mba hanamarihana an’io fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny fambolen-kazo io ihany koa.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny famerenana ny tany antsoina hoe « Arboretum » titre n°1731-B eny Ambatobe, Mandrosoa Ilafy, Distrika Antananarivo Avaradrano, amin’ny Fanjakana Malagasy.

    Raha tsiahivina ny tantaran’ity tany ity, izay mirefy 05 ha 99 a 10 ca, dia nomena ny Minisitera nisahana ny fambolena izy tamin’ny taona 1965 natao hananganana « arboretum » tamin’ny alalan’ny didim-pitondrana laharana faha-3499-MAER tamin’ny 1 desambra 1965, ary efa voafaritra tao anatin’io didim-pitondrana io fa tsy azo ovaina fa tsy maintsy « arboretum » ihany no ampiasaina ny tany. Fantatra anefa fa lasa nisoratra tamin’olon-tsotra ny tany, ary tsy voahaja intsony ilay antony nampiasaina ny tany tany am-piandohana. Tamin’ny 07 jolay 2021 dia nisy ny didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany manafoana ny fanoratana ny tany amin’olon-tsotra. Araka ny voalazan’ny andininy faha-40 ao amin’ny lalàna lf : 2008-014 tamin’ny 23 Jolay 2008 mikasika ny tanim-panjakana manokana (domaines privés de l’Etat) dia tsy maintsy miverina amin’ny Fanjakana Malagasy ny tany efa nomena ampiasaina (terrains affectés) kanefa tsy nohajariana araka ny antony nanomezana azy. Koa satria tsy voahaja intsony ilay antony izay nanomezana ny tany dia ny fananganana ny “arboretum” dia azo raisina indray ny didim-pitondrana mamerina ny tany amin’ny Fanjakana Malagasy. Aorian’izay dia hisy ny famerenana ny fametrahana ny “arboretum” nohatsaraina eo amin’io tany io, fa hiampy ihany koa fananganana zaridaina “Jardin et parc botanique”, izay tetikasan’ny Filoham-pirenena ihany koa.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    GOVERNEMANTA

    Ny Lalàmpanorenana dia mandidy ny tsy maintsy hampahafantaran’ny Governemanta eny anivon’ny Parlemanta, ny Programa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay faritana sy atolotry ny Filohan’ny Filohan’ny Repoblika eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra. Manoloana izany indrindra, ho fanatanterahana ny andininy faha-76 sy 85 ny lalàmpanorenana dia nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mampiantso ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemanta, manomboka ny Alatsinainy 29 Janoary 2024 ary tsy mihoatra ny 12 andro, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana ihany. Lahadinika efa voafaritry ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa no azo dinihina mandritra ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemanta, ary rehefa vita avokoa ny fandaniana ny lahadinika rehetra dia mifarana ny fivoriana. Ankoatra ny fampahafantarana ny programa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay hataon’ny Governemanta, dia tafiditra ao anatin’ny lahadinika hodinihana koa ny volavolan-drijatenin-dalàna manova ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny sazy omena ireo olona manao habibiana amin’ny fanolanana, sy ny volavolan-drijatenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna lf :2014-020 tamin’ny 27 Septambra 2014 mikasika ny fandaminana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna manova ny andininy sasantsasany ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny fanolanana na ny fikasana fanolanana. Araka ny efa toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia mila hamafisina ny sazy ho an’ireo olona mahavita fanolanana, indrindra ireo manao izany amin’ny fomba feno habibiana amin’ny zaza latsaky ny 10 taona. Aroson’ny Governemanta araka izany ny fanamafisana ny sazy famonjana ho an’ireo olona voaheloka fa nanao fanolanana, fa ankoatra ny sazy famonjana dia hisy koa ny sazy fanampiny dia ny fanalana ny filàna ara-nofo ho an’ireo nahavita heloka, amin’ny alalan’ny « castration chimique » na ny « castration chirurgicale » arakaraky ny vesatry ny heloka vitany. Anisan’ny fanovàna goavana nentin’ny fahefana mpanatanteraka ny hanamafisana ny sazy ho an’ireo olona mahavita heloka bevava feno habibiana dia ny fanolanana atao amin’ny zaza latsaky ny 10 taona, ka sazy famonjana mandram-pahafaty miampy « castration chirurgicale » no hampiharina aminy. Mazava ho azy fa mbola hatolotra hodinihina sy holanian’ny Parlemanta ity volavolan-drijatenin-dalàna ity ka izy ireo no ho tompon’ny teny farany.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY + MINISITERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny lalàna lf : 2014-020 tamin’ny 27 Septambra 2014 mikasika ny fidiram-bolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny fomba fifidianana, ny fomba fandaminana sy fomba fiasa ary ny anjara andraikitr’izy ireo, efa novaina sy nofenoin’ny lalàna lf : 2018-011 tamin’ny 11 jolay 2018 sy ny lalàna lf : 2021-010 tamin’ny 05 aogositra 2021. Mbola hatolotra hodinihina sy holanian’ny Antenimiera roa tonta ihany koa izy ity.

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an-dRamatoa RASOAMIADANA Victorine, Directeur des infrastructures et de la Logistique, eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an-dRamatoa ANDRIAMASINORO Bangomalala, Directeur de la Coordination des Promesses Présidentielles, eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an-dRamatoa RAKOTOMALALA RATSIRAHONANA Mercédès, ho Talen’ny Serasera eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

    GOVERNEMENTA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2007-443 tamin’ny 21 may 2007 ary anendrena ny Kolonely RAKOTO ANDRIAMANALINARIVO Rémi Rolland, Secrétaire Exécutif par intérim ao amin’ny Cellule de Prévention et Gestion des Urgences eny anivon’ny Primatiora.

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an-dRtoa Yvette Sylla, Masoivoho, Solontena Maharitra eo anivon’ny Fisoloan-tena Maharitr’i Madagasikara (Représentation Permanente de Madagascar) eo anivon’ny UNESCO ao Parisy.

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA.

    • Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RAMAHAZOSOA Irrish Parker, Directeur de l’Enseignement Supérieur eo anivon’ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa.

    MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-0225 tamin’ny 27 febroary 2019 ary anendrena an’ Atoa RAKOTONAVALONA Rivomalala, Directeur Général de la Médecine Préventive eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-877 tamin’ny 1 septambra 2021 sy laharana faha 2023-053 tamin’ny 18 janoary 2023 ary anendrena an’Atoa RAMAROLAHY Andriatiaray Rija Niaina, Directeur Général de la Fourniture des Soins eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-1649 tamin’ny 21 desambra 2022 ary anendrena an’Atoa RASOLONDRAIBE Hasina Nirina, Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka eto Analamanga

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2023-436 tamin’ny 19 aprily 2023 ary anendrena an’Atoa RAZAFINDRIANARIVO Henri Jacob, Tale Jeneralin’ny Asa Vaventy eo anivon’ny Ministeran’ny Asa Vaventy.

    MINISTERAN’NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA

    • Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-186 tamin’ny 20 febroary 2019 ary anendrena an’Atoa RAMAMONJISOA Maherizaka, Directeur des Affaires Administratives et Financières, eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
  • IV- FANAFOANANA

    GOVERNEMENTA

    Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2001-135 tamin’ny 14 febroary 2001 nanendrena ny Directeur des Archives Nationales eo anivon’ny Primatiora.

    Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-1550 tamin’ny 21 novambra 2019 nanendrena ny Tale Jeneralin’ny « Ivotoerana Malagasy momba ny Teti-pivoarana » (IMaTeP).

    MINISTERAN’NY FOLOALIN-DAHY

    Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2020-641 tamin’ny 24 jona 2020 nanendrena ny Directeur du Bureau de Pilotage des Restructurations eo anivon’ny Etamazaoron’ny Tafika.

    MINISTERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana nanendrena ireo Talem-paritry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany rehetra eny anivon’ny Faritra.

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY NY FANOFANANA ARAK’ASA

    Noraisina ny Didim-panjakana anafoanana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-281 tamin’ny 10 martsa 2021 nanendrena ny Talem-paritry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony.

 

Natao ny 24 janoary 2024

Ny mpitondra tenin’ny Governemanta,

Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa