TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 17 janoary 2024 – Lapam-panjakana Iavoloha

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany Alarobia 17 janoary 2024 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Fiohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary natrehin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    FANOLORANA NY POLITIKA ANKAPOBEN’NY FANJAKANA

    Araka ny voalazan’ny Lalàm-panorenana dia anjaran’ny Filohan’ny Repoblika no mamolavola sy manolotra ny Politika ankapoben’ny Fanjakana (PGE). Ny 16 Novambra 2023 dia naneho ny safidiny hanohy ny fametrahany fitokisana tamin’ny politikam-pampandrosoana izay nentin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika nanomboka ny 2019 ny vahoaka malagasy. Mazava ho azy araka izany fa ny velirano miisa 13 ao anatin’ny “Plan Emergence de Madagascar” izay mivadika ho programan’ny Governemanta no mbola fototra iorenan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana.

    Amin’ity fe-potoam-piasana faharoa ity dia ny fampihenana ny fahantrana, ny fanatsarana ny fahefa-mividy ho fanohizana ny asa ho fanatratrarana ny fahataran’ny fampandrosoana eto Madagasikara no tanjona laharam-pahamehana.

    Tsy afaka misaraka ireo tanjona roa ireo, ny fampandrosoana dia miankina amin’ny fananana Fanjakana afaka mitantana amin’ny fomba mahomby, afaka manabe, mitsabo, miaro, ary mampifandray ny vahoaka ao aminy. Izany hoe mikatsaka ny tombontsoan’ny besinimaro.

    Be loatra ny hantsana eo amin’ireo manan-katao sy ireo olona sahirana, izany no tsy azo anekena raha mbola misy olona alaim-panahy hikatsaka ny tombontsoany manokana ka handika lalàna.

    Mikasika ny ady amin’ny fahantrana dia efa nanao fanavaozana ara-drafitra isika teo amin’ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny fifandraisan-davitra, ny angovo, ny fambolena, ary ny fitantanan-draharaham-panjakana. Manomboka amin’ity taona 2024 ity ireny fanavaozana ara-drafitra ireny dia hahafahan’ny firenena manatratra ny tahan’ny fampandrosoana ambony noho ny tahan’ny fitomboan’ny mponina.

    Misy andry 3 lehibe iompanan’ny politika ankapoben’ny Fanjakana :

    • Ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona (capital humain)

    • Ny fampiroboroboana ny indostria sy ny fanodinana ara-toekarena

    • Ny fahaiza-mitantana

    I- NY HARENA AMIN’NY LAFINY MAHA-OLONA (CAPITAL HUMAIN)

    Laharam-pahamehana fototra mihitsy ny lafiny maha-olona amin’ity fe-potoam-piasana faharoa ity, izay ahitana ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fanofanana, ary ny fiarovana ara-tsosialy.

    Fanabezana :

    Mila hatsaraina ny tahan’ny fidirana an-tsekoly ho an’ny zaza Malagasy.

    Mila ampianarina asa ny tanora amin’ny alalan’ny fampiofanana faobe ahafahany miatrika asa avy hatrany (employabilité), mamorona asa hampidiram-bola ary mampihena ny tahan’ny tsy fananana asa.

    Na izany aza dia mila tohizana koa ny fananganana fotodrafitrasa manara-penitra manerana ny Nosy satria manana zo sy mendrika hianatra amin’ny sekoly moderina sy ampy fitaovana ny zaza Malagasy.

    Tohizana koa ny fanomezan-danja ny fampianarana ambony, tokony hisokatra sy ho afaka hiodina faran’izay haingana ny oniversite maro izay natsangana, ary tokony mifanaraka amin’ny filàna ara-toekarena sy ara-tsosialin’ny faritra misy azy avy ireo sampam-pianarana hosokafana.

    Mpampianatra voafantina avy eto an-toerana sy avy any ivelany afaka hanome fampianarana tsara kalitao no hampianatra amin’ireo oniversite vaovao ireo.

    Fahasalamana :

    Tokony afaka hisokatra sy hiodina ao anatin’ny fotoana fohy ireo hopitaly miisa 30 (hopitaux de référence), mba hanomezana fitsaboana ara-kalitao ho an’ny vahoaka Malagasy. Mila tohizana ny fananganana fotodrafitrasa sy ny fampitaovana manara-penitra. Efa natao fanamby ary tsy maintsy tanterahina ny fametrahana ireo fitaovam-pitiliana ny homamiadan’ny nono ho an’ny vehivavy amin’ny renivohim-paritany miisa 6. Hotohizana amin’ireo faritra ambiny izany aoriana kely. Torak’izany koa ireo “scanners” miisa 10 mila hapetraka ary hampiasaina faran’izay haingana. Hapetraka isaky ny distrika ny toeram-pandidiana sy toeram-pitsaboana nify. Hotohizana ny fitsaboana mitety vohitra amin’ny alalan’ny “caravanes médicales” sy ny “cliniques mobiles”. Hitarina hatrany amin’ny CSB II ihany koa ny fandraisana an-tanana ny fitsaboana vonjy aina na ny “fonds d’urgence médicale”. Laharam-pahamehana koa ny fitsaboana ny reny sy ny zaza vao teraka ary ny ankizy kely.

    Fiahiana ara-tsosialy :

    Mila hirosoana ny fanitarana ny haraton’aina ara-tsosialy amin’ireo tokantrano tena sahirana. Mila ampanarahana ny haitao ara-kajy mirindra ny fandrafetana ny lisitr’ireo tokantrano hisitraka ny haraton’aina ara-tsosialy ireo. Hirosoana koa ny fananganana ny tanàna sy tanànakely ao anatin’ny tetikasa “Ankohonana Miarina” manerana an’i Madagasikara, mba afahan’ireo fianakaviana hisitraka izany hamboly ka afaka mamelotena. Homena fiofanana izy ireo, ka ho afaka hamorona asa fampidiram-bola (AGR). Mila hamafisina ihany koa ny ady amin’ny herisetra atao amin’ny lahy sy ny vavy sy ny fiarovana ny zaza Malagasy.

    Fahazoana rano fisotro madio ho an’ny rehetra :

    Efa natomboka fa mila tohizana ary hamafisina ny fametrahana famatsiana rano fisotro madio ho an’ny mponina, ao anatin’izany ny tetikasa lehibe tahaka ny “pipeline EFAHO”, sy ny “PAAEP” na ny “Projet d’amélioration de l’accès à l’eau potable à Madagascar” mitentina 220 tapitrisa dolara, ho an’ny faritra “Grand Tana” sy tanàna hafa vitsivitsy, ny tetikasa “Tana Water III”. Laharam-pahamehana koa ny fanatanterahana ny politikam-panadiovana sy fidiovana amin’ny alalan’ny fampitomboana ny fametrahana toeram-pivoahana ho an’ny mponina na any anaty tanàna any na eny an-dalana ihany koa, ialàna amin’ny fanaovana maloto eny ankalamanjana.

    Fanatanjahan-tena :

    Efa voaporofo fa mampamiratra an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanatanjahan-tena, ka tsy maintsy tanterahina ny fananganana ny « académie nationale des sports de haut niveau ». Sady hampiofanina ny tanora ho mpanao fanatanjahan-tena avo lenta, no omena tohana ara-bola sy ara-pitaovana ihany koa.

    II- FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA SY NY FANODINANA ARA-TOEKARENA

    Fampiroboroboana ny indostria :

    Ny famokarana eto an-toerana ihany ny zavatra ilain’ny mponina andavanandro no tanjona. Tsy azo ihodivirana ny fampiroboroboana ny indostria raha tena hampandroso ny firenena, manana tombony maro I Madagasikara tahaka ny fananana mpiasa na “mains d’oeuvre” afaka mifaninana sy ny akora enti-mamokatra hita manerana ny Nosy ary ny seha-pamokarana maro mbola azo trandrahana tsara. Hisy fepetra hamporisihana ny fampiasam-bola eto Madagasikara, tahaka ny fametrahana ny sehatra ifanakalozan-kevitra eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hijerena ny fepetra ara-ketra, ara-paditseranana sy ara-panjakana samihafa izay tsy mamono ny mpandraharaha fa mamporisika azy ireo kosa hanohy sy hanamafy ny fandraharahana eto Madagasikara.

    Hapetraka ny “zones d’emergence industrielle” mba hahafahantsika manararaotra ny fisitrahana ireo tombony ahafaha-mifaninana eo amin’ny sehatry ny lamba, sy ny fanodinana sy fitrandrahana fambolena ara-indostrialy ao anatin’ny tsenam-barotra lehibe tahaka ny AGOA, COMESA, APE.

    Hotohizana ny fanomezana milina fitrandrahana ara-indostrialy ny faritra samihafa, mba ahafahana mitrandraka ireo vokatra mitobaka any amin’izy ireny avy, ao anatin’ny “ODOF” na “One District, One Factory”. Mba hiadiana amin’ny fitongilanan’ny mizana ara-barotr’i Madagasikara dia tokony mamokatra eto an-toerana izay zavatra ilaina sy jifain’ny mponina andavanandro isika. Hotohizana araka izany ny tetikasa “Fihariana” izay miara-miasa amin’ny banky eto an-toerana, hamporisihana ny tanora handraharaha. Efa manomboka miasa koa ny “fonds souverain” ka ahafahana mametraka tetikasa fampiodinana ara-indostrialy miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka eto an-toerana sy any ivelany.

    Fampandrosoana ny sehatry ny fifandraisan-davitra :

    Araka ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena, dia afaka mamorona asa mivantana hatrany amin’ny 100.000 ny sehatry ny teknolojian’ny fifandraisan-davitra tahaka ny foibem-piantsoana (centres d’appel), sy ny famoronana sy fitantanana rindram-baiko. Ny fanalalahana ny sehatry ny fifandraisan-davitra anefa dia ahafahana manamafy ny fahafahan’i Madagasikara mifaninana eo amin’ireo karazana asa mifandraika amin’ny teknolojia ireny. Isika anefa sady manana mpiasa mahay informatika no mahay teny frantsay ihany koa, ary ny hafainganam-pandehan’ny aterineto eto amintsika dia tafiditra ao anatin’ny 25 tsara indrindra maneran-tany. Noho izany dia anjaran’ny Minisitera voakasika sy ny EDBM no mametraka ny paikady rehetra hisarihana ny mpampiasa vola liana amin’ireo sehatr’asa ara-teknolojika ireo ho avy eto Madagasikara miainga amin’ireo tombony ananantsika ireo.

    Fampandrosoana ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany :

    Efa nanavao isika ny fehezan-dalàna mifehy ny harena an-kibon’ny tany, anisan’ny fanoitran’ny fivoaran’i Madagasikara na ny “émergence”. Tanjona ny fahafahana manondrana ara-dalàna volamena hatrany amin’ny 15 taonina isan-taona, izay tokony hampiditra vola vahiny hatrany amin’ny 900 tapitrisa dolara ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana. Ho fanatrarana izany dia hapetraka ny ozinina fanadiovana volamena na ny “raffinerie aurifère” izay hahafahana manamarin-toerana ny vola Malagasy rehefa mifandanja ny mizana ara-barotr’i Madagasikara. Horaisina ny fepetra rehetra araka ny lalàna hiantohana ny fiarovana io seha-pihariana manodidina ny harena an-kibon’ny tany io.

    Fanatsarana ny famokarana ara-pambolena :

    Ny famokarana vary no tena hiompanana sy hatao laharam-pahamehana. Raha mitombo 25% ny famokaram-bary eto Madagasikara, izany hoe miampy 1 tapitrisa taonina isan-taona, dia ho tratrantsika ny fahavitan-tena ara-tsakafo.

    Tsy maintsy tratrarina ihany koa ny hampitombo ny velaran-tany hambolena vary hatrany amin’ny 100.000 hektara fanampiny, izay fitrandrahana ara-indostrialy (à grandes échelles).

    Raha mitombo 5% fotsiny ny tahan’ny harin-karena eo amin’ny fambolena indrindra ny vary (PIB agricole) dia afaka hitombo hatrany amin’ny 1 ka hatramin’ny 2% ny tahan’ny harin-karena faobe. Izany hoe raha mitombo 10% ny harin-karena ara-pambolena dia mihena hatrany amin’ny 14% ny tahan’ny fahantrana. Ny sehatry ny fambolena no miantoka ny 70% ny asa rehetra eto Madagasikara.

    Hampiroboroboana ny fampiasana ny fomba fambolena sy famokaram-bary vaovao, hiantohana ny fisitrahan’ny mpamboly ny zezika sy ny masomboly, hiantohana koa ny fiarovana ny fananan-tany ho an’ny tantsaha mpamboly amin’ny alalan’ny fizarana kara-tany, hamoraina ny fahazoana misitraka famatsiam-bola madinika, sy ny fanatsarana ny tsenam-barotra ara-pambolena.

    Araka ny toromarik’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia mila tafapetraka ao anatin’ny 6 volana ireo ozinina fanodinana zezika amin’ireo faritra tena mpamokatra vary.

    Fampandrosoana ny fizahan-tany :

    Fanambin’i Madagasikara ny ho lasa firenena azo tsidihana ara-pizahan-tany fanta-daza maneran-tany, amin’ny alalan’ny fitantanana mahomby ny harena miavaka ananany, dia ny harem-bakoka natoraly, ara-kolontsaina ary amin’ny lafiny maha-olona. Hotohizana araka izany ny fisarihana ireo mpampiasa vola goavana eo amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny sy fizahan-tany avy eto an-toerana sy avy any ivelany, mba hampitomboana ny famoronana asa any amin’ny faritra samihafa. Anjaran’ny Minisitera mpiahy sy ny EDBM no mametraka ny paikady hisarihana ireo mpampiasa vola ireo, efa manana rahateo isika ny fehezan-dalàna mifehy ny fampiasam-bola (code des investissements) manatsara ny tontolo iainan’ny fandraharahana eto amintsika.

    Fanavaozana ho moderina an’i Madagasikara :

    Tafiditra ao anatin’izany ny :

    - Fanajariana sy fampitaovana ny tanàn-dehibe eto Madagasikara

    - Fampivoarana ny fotodrafitrasan’ny fitaterana sy ny fifamoivoizana

    - Ny fananganana tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana

    Hotohizana avokoa ireo tetikasa fitaratra efa andalam-panatanterahana amin’izao fotoana izao tahaka ny lalambe migodana na “autoroute” Tana-Toamasina, ny “Fly Over” (Anosizato sy Maki), ny teleferika, ny Tanamasoandro, ny RN13, ny RN10, ny RN6, ny RN31, ary ny fanitarana ny seranan-tsambon’I Toamasina. Hotohizana koa ny fanarenana sy fanatsarana ny lalam-pirenena samihafa. Mbola mitoetra ho laharam-pahamehana koa ny fanavaozana ho moderina ny seranam-piaramanidina, ny seranan-tsambo ary ny fifamoivoizana an-dranomamy.

    Ny sehatry ny angovo :

    Hiditra amin’ny dingan’ny fananganana ny tetikasa lehibe miisa 2 dia ny fanamboarana ny foibe famokarana herinaratra avy amin’ny rano, ao Volobe sy Sahofika, manana tanjaka mitambatra hatrany amin’ny 312 MW. Ny Sahofika moa dia hanamafy ny tambajotra RIA (reseau interconnecté d’Antananarivo, Toamasina, Fianarantsoa). Ny Volobe kosa dia hahasehaka ny filàn’ny mponina hatrany amin’ny 2 tapitrisa, amin’ireo tanàn-dehibe maro, indrindra ny ao anatin’ny faritra Atsinanana.

    Tsy maintsy hatao ny fanarenana ny orinasa JIRAMA izay tena mitroka ny ampahany betsaka amin’ny volam-panjakana, tokony ho azo ampiasaina amina tetikasam-pampandrosoana hafa.

    Hotohizana ny fampivadiana ny tobim-pamokarana herinaratra amin’ny fampiasana angovo azo avaozina (hybridation des centrales électriques) mba hampihenana ny saram-pamokarana herinaratra. Efa napetraka ho laharam-pahamehana rahateo ny fitrandrahana angovo azo avaozina ao anatin’ny politikan’ny angovo eto Madagasikara.

    Tsy maintsy tafapetraka alohan’ny 26 jona 2024 ny “parcs solaires” miisa 47 manerana an’ireo distrika hisitraka izany. Dingana voalohany moa ireo 47 ireo fa hitarina amin’ny distrika hafa rehetra manerana an’i Madagasikara izany.

    Hotohizana ihany koa ny fandaharanasan’ny Filohan’ny Repoblika “Hazavana ho anao” izay hahafahan’ny tokantrano tena marefo tsy mampiasa solitany intsony hahazoana hazavana, ary hahafahan’izy ireo manao tahiry 20.000 ka hatrany amin’ny 30.000 Ariary isam-bolana.

    III- FAHAIZA-MITANTANA SY FANJAKANA TAN-DALÀNA

    Mila fanjakana mafy, manaja ny soatoavina demokratika sy ny fahaiza-mitantana ny vahoaka Malagasy.

    Filaminana sy fandriam-pahalemana :

    Mbola mitoetra ho laharam-pahamehana ny fitandroana ny filaminana, ka hotohizana ny fanavaozana ho moderina sy matihanina ny tafika an-tanety, an’habakabaka, ary an-dranomasina mba hiantohana ny fiandrianam-pirenena manerana an’i Madagasikara. Tafiditra amin’izany ny fanohizana ny fametrahana ireo « bases opérationnelles avancées » sy ny « Détachements spéciaux de sécurité » sy ny fampitaovana azy ireny.

    Hamafisina koa ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana any ambanivohitra sy ny famongorana ny asan-dahalo izay efa nahitana vokatra tamin’ny fe-potoam-piasana voalohany. Mitaky paikady vaovao miompana amin’ny fametrahana fandriam-pahalemana manakaiky vahoaka sy ny hafainganan’ny fihetsehan’ireo mpitandro filaminana koa ny ady amin’ny fanafihana amin’ny tanan-dehibe.

    Mifandraika amin’izay dia mila fitsarana mafy, madio tsy andairan’ny kolikoly ary azon’ny rehetra itokisana ihany koa ny fiantohana ny fahombiazan’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, efa nirosoana izany tamin’ny fametrahana ireo tribonaly maro manerana ny Nosy ary tsy maintsy hotohizana, mifanindran-dalana amin’izany ny fikajiana ny maha-olona any amin’ny fonja.

    Ady amin’ny kolikoly :

    Tsy maintsy saziana mafy ny mpanodikodina volam-panjakana, sy ny mpanao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, ary tsy maintsy miverina amin’ny Fanjakana ny vola na ny harem-pirenena nahodikodin’izy ireny. Raha tsy izany dia tsy afaka hatoky ny ady atao amin’ny kolikoly mihitsy ny vahoaka Malagasy.

    Tsy maintsy mitondra fanavaozana amin’ny sampan-draharaham-panjakana tantaniny avy ireo minisitra tompon’andraikitra mba hanatsarana ny kalitaon’ny asam-panjakana izay atolony ny vahoaka, ialàna amin’ny kolikoly. Izany dia atao amin’ny alalan’ny famadihana ara-haitao ara-kajy mirindra ny fanomezana ireo taratasim-panjakana ilain’ny vahoaka, toy ny fanamarinam-ponenana, fanamarinana fananan-tany (CSJ), fanamarinam-piterahana, pasipaoro, karatra volon-davenona (carte grise), fahazoan-dalana mitondra fiara, fanamarinana ara-pitsarana (casier judiciaire) sy ny sisa.

    Famadihana ara-haitao ara-kajy mirindra sy ny fanavaozana ny fitantanam-bolam-panjakana :

    Mila manana laharana manokana (identifiant unique) avokoa ny olompirenena malagasy tsirairay mba hanamorana ny fisitrahany ny taratasim-panjakana izay ilainy mombamomba azy.

    Hitarina eo anivon’ny fitsarana koa anefa izany, amin’ireo tribonaly sy rafi-pitsarana rehetra manerana ny Nosy.

    Hafainganina koa ny fametrahana ny fanovàna ara-haitao ara-kajy mirindra amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana sy ny tambin-karama samihafa ho an’ny mpiasam-panjakana. Tsy maintsy avadika ho moderina ny fitantanana ny fandaniana ny volam-panjakana mba tsy hisy ny gaboraraka.

    Fitsinjaram-pahefana :

    Efa manana ny politikan’ny fitsinjaram-pahefana (politique de décentralisation émergente) isika, mifototra amin’ny fametrahana ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana toy ny kaominina, ho kitro ifaharan’ny politikam-pampandrosoana. Izany hoe ny kaominina no valam-pamaritana ny fanatanterahana ny politikam-bahoaka amin’ny fananganana fotodrafitrasa fototra. Ny faritra kosa no mitarika ny fanatanterahana ny asam-pampandrosoana isam-paritra tahaka ny fanajariana ny tany sy ny fananganana fotodrafitrasam-paritra.

    Fanamby amin’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny tontolo iainana :

    Madagasikara dia firenena fahatelo marefo indrindra noho ny fiovaovan’ny toetrandro efa iainana ankehitriny. Noho izany dia tsy maintsy miainga amin’izay ny fandrafetana ny politikam-panjakana amin’ny fampandrosoana lovain-jafy. Izany indrindra no ilaina hanohizana ny famerenana ny ala amin’ny velaran-tany midadasika (reforestation à grande echelle). Tsy maintsy avadika ho vokatra azo tsapain-tanana ny vina hamboly hazo amin’ny velaran-tany 40.000 hektara isan-taona. Amin’izao fotoana izao moa isika dia ao anatin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa FEC miaraka amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena (FMI) ary efa tokony hanomboka ny fifanakalozan-kevitra amin’ny fandaharanasa vaovao “facilité pour la resilience et la durabilité” (FRRD) ny Governemanta. Vonona ny firenena Malagasy hampiditra io lafiny fiarovana ny tontolo iainana io sy ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetrandro ao anatin’ny fifampidinihana, satria mifandraika rahateo amin’ny vinan’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika izany.

    Kolontsaina :

    Politika ara-kolontsaina mampisongadina ny fahasamihafana sy ny fifamenoan’ny kolontsaintsika manerana ny Nosy no hotanterahina, hotohizana amin’izany ny fanomezan-danja sy ny fanarenana ny mozea sy ny toerana manan-tantara samihafa eto Madagasikara.

    Anjaran’ny Governemanta moa no mamadika ho programa fanatanterahana izany politika ankapoben’ny Fanjakana nofaritan’ny Filohan’ny Repoblika izany. Tanjona azo refesina sy azo tsaraina amin’ny kalitaony no takian’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika amin’ny Governemanta, mba ahafahana manao tombana ny fiantraikan’ny asany amin’ny fanatsarana ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy.

    • FAMPAHAFANTARANA NY ASA MAIKA AO ANATIN’NY 100 ANDRO ISAKY NY DEPARTEMANTA

    Nisy ihany koa ny fampitana am-bava mikasika ny fampahafantarana ny asa maika ao anatin’ny 100 andro, amin’ireto departemanta manaraka ireto :

    Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka :

    Fandrindram-piterahana : zava-dehibe loatra ho an’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ny fanaovana ho maimaim-poana ny fanabeazana aizana ho an’ny vehivavy mba ho fandrindram-piterahana (planning familial). Ny tanjona apetraka ao anaty 100 andro dia ny hisitrahan'ny vehivavy miisa 3.220.000 manerana an'i Madagasikara ny fomba fandrindrana ny fiainam-pianakaviana tandrify azy.

    Minisiteran’ny Fampandrosoana ara-kajy mirindra, ny paositra sy ny fifandraisan-davitra :

    Fizarana karinem-pokontany : karinem-pokontany ho an’ny tokantrano miisa 792.594 no tokony ho voazara ao anatin’ny 100 andro, tokantrano vaovao miisa 4.040.245 miparitaka amin’ny kaominina miisa 1.004 no tokony ho voaisa mba ahafahana manomana ny andiany manaraka amin’ny fizarana ny karinem-pkontanin’izy ireo ary karinem-pokontany vaovao ho ana tokantrano miisa 2.000.000 no tokony ho voatonta.

    Minisiteran’ny rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana :

    Toromarika manokana no nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika dia ny tsy maintsy handraofana ny fako sy ny hanadiovana ny tanànan’Antananarivo renivohitra faran’izay haingana. Miara-miasa amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny Minisitera amin’izany ka hirosoana avy hatrany ny fandraisana ireo fiarabe mpitatitra fako avy amin’ny firenena Japoney mba ho azo ampiasaina avy hatrany raha vao tafapetraka ny filohan’ny delegasiona manokana ho an’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ao anatin’ny andro vitsy. Anisan’ny asa maika tsy maintsy hirosoan’ny Minisitera tompon’andraikitra koa ny famahana ny olan’ny rano eto Antananarivo sy ny manodidina. Ny vahaolana amin’izany dia ny fanatanterahana ny tetikasa “Tana Water III” ka efa miroso amin’ny fanaovana ny tolo-bidy isika amin’izao fotoana izao izay hivaly afaka 2 herinandro. Eo koa ny fanohizana ny fanamboarana ny Pipeline EFAHO any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, efa andalana ary andrasana manaraka indray ny fahatongavan’ireo fantsona lehibe na “tuyaux” mirefy 63 km fanampiny. Farany, dia asa maika takiana amin’ny Minisitera ihany koa ny fametrahana toeram-pidiovana sy fivoahana maro manerana ny tanàn-dehibe mba hisorohana ny fisasana sy ny fanaovana maloto eny ankalamanjana rehetra eny.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Noraisina ny Didim-panjakana anendrena ny Général de brigade RASOLONDRAIBE Jean Yves, ho Directeur de la Sécurité Présidentielle eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

    MINISTERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Noraisina ny Didim-panjakana anendrena an’Atoa RASOAMAROMAKA Herilalaniaina, ho Governoran’ny Faritra Analamanga.

    MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2021- 1088 tamin’ny 13 oktobra 2021 ary anendrena an-dRtoa RAJOELINA Miary Toky Herindrainy, ho Directeur de la Santé Familiale eo anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

  • III- FANAFOANANA

    GOVERNEMENTA

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2014-1825 tamin’ny 04 desambra 2014 nanendrena ny Directeur des Etudes eo anivon’ny Primatiora.

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2022-940 tamin’ny 22 jona 2022 nanendrena ny Talen’ny Serasera eo anivon’ny Primatiora.

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-2150 tamin’ny 28 novambra 2019 nanendrena ny Tale Jeneralin’ny Conseil de Discipline Budgétaire et Financière.

    MINISTERAN’NY FITSINJARAM-PAHEFANA SY NY FANAJARIANA NY TANY

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny Governoran’ny Faritra Atsimo-Atsinanana.

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny Governoran’ny Faritra Melaky.

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny fanendrena ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo.

    MINISTERAN’NY ATITANY

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2016-966 tamin’ny 20 jolay 2016 nanendrena ny Préfet an’i Mahajanga.

    MINISTERAN’NY FAMPIANARANA ARA-TEKINIKA SY NY FAMPIOFANANA ARAK’ASA

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2021- 246 tamin’ny 03 martsa 2021 nanendrena ny Talem-paritry ny Fampianarana Ara-teknika sy ny Fampionana arak’asa ho an’ny Faritra Analamanga

    MINISTERAN’NY FIZAHAN-TANY SY NY ASA TANANA

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny fanendrena ireo Talem-paritry ny Asa Tanana sy ny Haitao rehetra eny anivon’ny Faritra.

    MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1246 tamin’ny 10 novambra 2021 nanendrena ny Tale Iraisam-paritry ny Angovo sy ny Akoran’afo ao Fianarantsoa

    MINISTERAN’NY RANO NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1424 tamin’ny 15 desambra 2021 nanendrena ny Talem-paritry ny Rano, ny Fanadiovana ary ny Fidiovana ao amin’ny Faritra SOFIA.

    MINISTERAN’NY HARENA AN-KIBON’NY TANY

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2020-1046 tamin’ny 26 aogositra 2020 nanendrena ny Tale Iraisam-paritry ny Harena An-kibon’ny Tany ao Fianarantsoa.

    Noraisina ny Didim-panjakana manafoana ny Didim-panjakana laharana faha 2019-864 tamin’ny 6 jona 2019 nanendrena ny Tale Jeneralin’ny Loharanon-karena Stratéjika eo anivon’ny Ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany

     

 

Natao ny 17 janoary 2024

Ny mpitondra tenin’ny Governemanta,

Ramatoa Lalatiana RAKOTONDRAZAFY

Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa