TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 22 novambra 2023 – Lapam-panjakana MAHAZOARIVO

Notanterahina teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany alarobia 22 novambra 2023 ny Filan-kevitry ny Minisitra, notarihin’Andriamatoa Praiminisitra, Ntsay Christian, Lehiben’ny Governemanta, ary natrehin’ireo minisitra isan-tokony sy ny Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, ny Talen’ny Kabinetra, ary ny Tale misahana ny raharaha araka ny lalàna eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISTERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’i Madagasikara anjara amin’ny Fihaonam-be mikasika ny fiaraha-miasa ho an’ny Fampandrosoana izay iraisan’ny Firenena Sinoa sy ireo ao anatin’ny Faritry ny Ranomasimbe Indiana (Forum sur la coopération au développement entre la Chine et la région Océan Indien), izay hatao any Kumming any Sina, ny 7 sy ny 8 desambra 2023 ho avy izao. Ny tanjon’ity Fihaonam-be ity dia ny fampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fiatrehana ny loza voajanahary sy ny fitantanana ireo loharanon-karena an-dranomasina. Ireto avy àry ireo lohahevitra hodinihina mandritra izany fihaonam-be izany: « Fiaraha-miasa ho fisorohana ireo loza voajanahary » ary « Zava-manan’aina samihafa sy fitandrovana ireo loharanon-karena an-dranomasina”.

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fampiasana ny tetibolan’ny “Cellule de Coordination des Projets de Relance Economique et d’Action Sociale (CCPREAS)” mba hamatsiana ireo tetikasa eo anivon’ireto Distrika ireto : Fianarantsoa I, Betafo, Ambohidratrimo, Moramanga, Fandriana, Antananarivo Atsimondrano ary Manjakandriana.

    Ireto avy ireo asa izay voakasik’izany famatsiana izany:

    - Fianarantsoa : fanamboarana birao ho an’ny boriborintany ao Ambalapaiso;

    - Betafo : fanarenana ny Tetezana Atokofoana ao Soavina;

    - Ambohidratrimo : fanarenana ny Tobim-pahasalamana fototra (CBS II) ao Mahereza;

    - Moramanga : fanamboarana tetezana ao Sabotsy – Anjiro, Amparihisoa-Ampasimpotsy;

    - Fandriana : fanamboarana trano ho an’ny “poste avancé” an’ny Zandarmariam-pirenena;

    - Antananarivo – Atsimondrano : fanarenana lalana rarivato ao Vontovorona sy fanarenana ny Tobim-pahasalamana fototra ao Bemasoandro Itaosy;

    - Manjakandriana : fanorenana Sekoly (EPP, CEG) ary tranobe na “hangar”

    Satria efa hifarana ny taom-pampiasam-bola dia tapaka fa ny antsasaky ny tetibola voatokana hanaovana ireo asa ireo no holaniana amin’ity taona ity.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana ho an'ny rantsana miady amin’ny hosoka na “Agence Nationale anti-fraude” eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika.

    MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

     

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fametrahana vokatra na “produit” sy toerana na “localité” vaovao eo anivon’ny tetibolan’ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ary ny hanaovan’izany Ministera izany famindrana sorabola anaty fandaharanasa na “aménagement de crédit” mba ahafahana manorina an’ireo birao ho an’ny Faritra Ambatosoa sy Vatovavy ary ho an’ny Prefektioran’i Maroantsetra.

    Ireto asa fanorenana ireto moa dia hotanterahina taorian’ny fametrahana ireo Faritra vaovao eto Madagasikara. Ankoatra ny asa fanorenana trano dia nankatoavina ihany koa ireo asa fanajariana ny toerana hanatanterahana ny asa ary ny fampidirina rano. Mahakasika manokana ny asa fanorenana trano dia tapaka fa ny roapolo isan-jaton’ny tetibola no hampiasaina ho amin’ity taona 2023 ity.

    MINISTERAN’NY ATITANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ny fitaovana fanamamiana rano na « matériels de désalinisation » izay fanomezana avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena Mikambana ho an’ny Fampandrosoana na ny PNUD ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana.

    Ny fanomezana ireto fitaovana ireto dia natao mba hamaliana ireo filàna maika an’ireo mponina any Atsimo amin’ny alàlan’ny vahaolana azo tsapain-tanana sy maharitra mba hamahana ireo olan’ny rano izay tena manahirana ny Faritra Atsimo. Ny Kaominina Ambanivohitra Anjapaly sy Faux Cap (Distrika Tsihombe, Faritra Androy), Manombo (Distrika Toliara II, Faritra Atsimo Andrefana) ary Itampolo (Distrika Ampanihy Andrefana, Faritra Atsimo Andrefana) no hisitraka ireto fampitaovana ireto.

    MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny latsak’emboka izay anjara tokony aloan’i Madagasikara amin’ny maha mpikambana azy ao amin’ny Fikambanambe Iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana na ny “Organisation Mondiale de la Santé”.

    MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandoavana ny fandraisana anjaran’i Madagasikara amin’ny fividianana ireo vaksiny miaro amin’ny kitrotro ho an’ny taona 2024.

    Tamin’ny taona 2018 sy 2019 dia niparitaka teto Madagasikara ny valan’aretina kitrotro, ka nisy ny paikady nentina hiatrehana izany teto amintsika. Araka ny toromariky ny Fikambanambe iraisam-pirenena momba ny Fahasalamana na ny Organisation Mondiale de la Santé (OMS) dia mila manatanteraka ny fanarahana na « suivi » an’ireo paikady natao isika ankehitriny. Ny Fikambanana « Global Alliance for Vaccines and Immunizations” na GAVI dia vonona ny hanohana an’i Madagasikara amin’izany dingana izany. Ao anatin’izany ary dia vonona izy ny hiantoka ny fividianana ny 98% ny vidin’ny vaksiny fanefitry ny kitrotro izay ilaina amin’ny taona 2024, ary vinavinaina ho 2 362 633,63 dolara izany fanampiana izany. Anjaran’I Madagasikara kosa ny mandoa ny 2% ambiny ka mitentina 36 202,79 dolara izany. Ny tetibolan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no hiantoka ny fandoavana izany fandraisana anjara izany.

    MINISTERAN’NY ASA VAVENTY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny sora-bola hanatanterahana ireo asa fanamboaran-dalana izay voasokajy ho asa maika eo anivon’ny lalam-pirenena fahafito (RN7).

    Ireto avy ny asa voakasik’izany :

    - fanorenana batery na “mur de soutènement” eo amin’ny lalana PK 246+100;

    - fanarenana ny simba ao amin’ny tetezana ao amin’ny PK 246+130 ;

    - Fanotofana ireo lavaka ao amin’ny PK 246+600.

    Isan’ny nahasimba io ampahan-dalana io ny fahabetsahan’ny rotsak’orana sy ny tsy fahampian’ny fikojakojàna azy. Noho izany, mba hisorohana ny mety ho fahatapahan’ny lalana ary mba hiantohana ny fitohizan’ny fivezivezena eo anelanelan’I Fianarantsoa sy Toliara, dia hirosoana maika ny fanatontosana ireto asa voatsiahy etsy ambony ireto.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny sora-bola entina hanatanterahana ireo asa fanamboaran-dalana eo amin’ny lalam-pirenena RNT 3A eo anelanelan’ny PK 79+300 sy PK 81+600 ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tanambe ao amin’ny Faritra Alaotra Mangoro.

    Ny Kaominina Ambanivohitra Tanambe dia malaza amin’ny famokaram-bary eto Madagasikara, ahiana anefa ny hampitoka-monina azy noho ny fahasimban’ny lalana. Mba hisorohana an’izany indrindra no hanaovana an’ity asa fanamboaran-dalana ity.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fampiasana ny sora-bola entina hanatanterahana ireo asa fikojakojana ireo Baka (bacs) miisa roa (02) ao amin’ny Faritra Vatovavy.

    Ny bakan’Antanihady ao amin’ny lalam-pirenena RNS11, PK 92+200 sy ny bakan’I Nosy Varika ao amin’ny RNT11, PK 101+500 no hasiam-panamboarana. Voasokajy ho asa maika ihany koa ireto asa ireto mba hisorohana ny fitokana-monin’i Distrikan’i Nosy Varika sy Mananjary.

    MINISTERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA+MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana an-tanana ny fandoavana ny hetra sy haban-tseranana amin’ny fanafarana ireo fitaovana ho an’ny « laboratoire » izay fanomezana avy amin’ny “Agence Internationale de l’Energie Atomique” na AIEA ho an’ny « Laboratoire National de Diagnostic Vétérinaire » na LNDV eo anivon’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.

    MINISTERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY FANOVÀNA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fikarakarana ny fifaninanana ara-panjakana na « concours administratif » handraisana “Inspecteurs Principaux des Postes” miisa roapolo (20), « Réalisateurs Adjoints » miisa roapolo (20) ary « Agents d’Exploitation » miisa 60.

    Ny sokajy « Inspecteurs Principaux des Postes » dia mitaky ny fananana diplaoma « Maîtrise » na koa fahavitàna fianarana nandritry ny efatra (04) taona taorian’ny bakalorea, ka ny dimy ambifolo (15) amin’izy ireo no horaisina amin’ny alàlan’ny fifaninanana mivantana ary ny dimy (05) kosa dia horaisina amin’ny alàlan’ny fifaninanana ho an’ny efa mpandraharaha (concours professionnel). Ho an’ny sokajy « Réalisateurs Adjoints » kosa, dia mitaky ny fahavitàna fianarana nandritry ny roa (02) taona taorian’ny bakalorea, ka ny dimy ambifolo dia horaisina amin’ny alalan’ny fifaninanana mivantana ihany koa ary ny dimy ambiny dia horaisina amin’ny fifaninanana ho an’ny efa mpandraharaha (concours professionnel). Ary farany, ho an’ny sokajy « Agents d’exploitation » kosa dia ny dimy amby efapolo (45) no horaisina amin’ny fifaninanana mivantana ary ny dimy ambifolo (15) kosa dia horaisina amin’ny fifaninanana ho an’ny efa mpandraharaha (concours professionnel ). Ny Paositra Malagasy no hiantoka ny fikarakaràna ny fifaninanana.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy naroso tao anatin’ny Tsenambaro-panjakana ho fanajariana ny tanàna vaovao na « nouveaux pôles urbains » izay voasoratra ao anatin’ny tetibolan’ny Ministera.

    Ireto avy ny asa voakasik’izany:

    - Asa fanamboarana ny tohatra mirefy 355 metatra ao Ambatomena Fianarantsoa, izay miainga avy ao amin’ny Tranom-boky Md Paoly mankeny amin’ny Point de vue ;

    - Asa fanajariana ny toerana antsoina hoe “Place Centrale” teo amin’ny nisy ny hotely Libanona taloha, ao Faradofay;

    - Asa fanajariana ny tanàna vaovao ao Ankadivoribe.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy naroso tao anatin’ny Tsenambaro-panjakana ho fanorenana tranobe miisa valo (08) ao amin’ny Tanàna vaovao TANA-MASOANDRO sy ao Ivato.

    Misokajy roa ireo tranobe (immeubles) izay haorina ka ny voalohany dia tranobe miisa efatra (04) izay ahitana trano fonenana na “appartements” miisa dimy ambifolo (15) ao anatiny. Ny orinasa POLYPUS CORPORATION S.A no hanao azy ao amin'ny TANA-MASOANDRO. Ny sokajy faharoa kosa dia tranobe miisa efatra (04) ahitàna trano fonenana miisa 20 eny Ivato ary ny orinasa BATIPRO no hanorina azy

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy tao anatin’ny Tsenambaro-panjakana ho fanajariana ireo tany natao hanaovana ireo fanorenana trano tafiditra ao anatin’ny tetikasa « One Title One Housing » (OTOH) ao Faradofay.

    Ao anatin’ny tetikasan’ny Ministera ihany koa, ankoatry ny fanaovana tanàna vaovao ny fanamoràna ny fananan’ny mponina trano fonenana, ka isan’izany ny fivarotana aminy tany efa voajary mba ahafahany manorina. Izany tetikasa izany dia hatao ao Faradofay ka ny velaran-tany izay hohajariana dia hahitana lalana, zaridaina na « espace vert » ary hampidirana rano avy hatrany. Ny sora-bola handoavana ny dimampolo isan-jaton’ny asa no hampiasaina amin’ity taona 2023 ity.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy tao anatin’ny Tsenambaro-panjakana ho fanajariana ny velaran-tany hanorenana ireo trano fonenana miisa valopolo (80) ao Nosy-Be.

    Ny sora-bola handoavana ny dimampolo isan-jaton’ny asa no hampiasaina amin’ity taona 2023 ity.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tolo-bidy tao anatin’ny Tsenambaro-panjakana ho fanorenana tranobe antsoina hoe “Maisons Communautaires » miisa enina (06) ao Manakara, Vohipeno, Vangaindrano sy Nosy Varika sy trano antsoina hoe “Cases Traditionnelles Résistantes aux Aléas Climatiques” (CTRAC) miisa 1200 ao Farafangana, Manakara, Vangaindrano, Mananjary, Anosimparihy, Tsiatosika, Tsaravary ary Kianjavato.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny Didim-panjakana anaovana famindrana vola anatiny (virement des crédits) mitentina 270 315 000 Ariary ao anatin’ny Tetibolan’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola amin’ity taona 2023 ity.

    MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA + MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Noraisina ny Didim-panjakana ankatoavana ny tovana laharana voalohany ao amin’ny fifanarahana fampindramam-bola natao tamin’ny 14 aogositra 2023 lf L340 izay nosoniavina tamin’ny 06 novambra 2023 teo anivon’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola sy ny Orinasa Jiro sy Rano Malagasy.

    MINISTERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO + MINISTERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Noraisina ny Didim-panjakana manambara fa ilain’ny Daholobe ny asa fanitarana sy fanamafisana ny tambajotra antanan-dehibe sy ambanivohitra, « Moyenne Tension » sy « Basse Tension » fizarana herinaratra manerana ny Nosy ao anatin’ny tetikasa LEAD « Least Cost Electricity Access » izay ataon’ny orinasa JIRAMA.

     

 

Natao ny 22 novambra 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta Ifarimbonana,

Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananan-tany

RAMAHOLIMASY Pierre Holder

Ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina mpisolo toerana

RAHANTANIRINA Gabriella