TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 03 may 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

Talohan’ny nirosoana amin’ny laha-dinika voafaritra, dia nandray fitenenana tamin’ny anaran’ny Governemanta Malagasy Andriamatoa Praiminisitra niarahaba an’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika tamin’ny nahavoahosotra azy ho « mpanorina lehibe aty Afrika » ka nahazoany ny loka « Babacar Ndiaye » avy amin’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (BAD) ho an’ny taona 2023. Ny Filoha Andry RAJOELINA no Filoham-pirenena afrikana faha-8 nahazo an’ity loka ity. Reharehan’ny firenena Malagasy iray manontolo izany satria loka iraisam-pirenena, tsapa manerana ny kaontinanta afrikana ny maha-mpanorina lehibe an’Andriamatoa Filoha, nisy ny fanadihadiana matotra sy ifotony nataon’ny BAD mialohan’ny nanapahany hevitra. Ankoatra ireo fanamboaran-dalana lehibe mampifandray ny firenena iray manontolo, tahaka ny RN5A, RN44, RN13, RN31, RN10, izay na efa vita na an-dalam-panamboarana dia nisongadina tamin’ny ezaka nataon’Andriamatoa Filoha ko any fampifandraisana ny any ambanivohitra, tamin’ny fanajariana sy fanamboarana ny lalana any amin’ny faritra ambanivohitra ka nanomezana ireo fitaovana fanamboaran-dalana isam-paritra. Fa ivelan’ny lalana dia fotodrafitrasa maro tsy hary voatanisa no natsangan’Andriamatoa Filoha tao anatin’izay 4 taona mahery nitantanany ny firenena izay, tahaka ny kianja Barea Mahamasina, ny tetikasa teleferika izay efa an-dalam-panatanterahana ankehitriny, ny toby miaramila sy zandary entina miady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, ny biraon’ny polisim-pirenena isam-paritra sy ny kaomisaria isaky ny tanàn-dehibe, ny toeram-ponenana (logements sociaux), ny kianja manara-penitra isam-paritra, ny hopitaly manara-penitra, ny sekoly maro, ny tobim-pialan-tsasatra eny amin’ny lalam-pirenena, ny toeram-piseharana ara-kolontsaina sy ny sisa maro. Voamarina tsara araka izany ny fanorenana rehetra nataon’Andriamatoa Filoha ka mampitombona ny fanosorana azy ho “mpanorina lehibe aty Afrika”.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY FIAROVAM-PIRENENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fandraisana tanora zazavao miisa 4.000 hilatsaka an-tsitrapo ao anatin’ny Tafika Malagasy amin’ny taona 2023 ity, ary hanao fifanarahana mandritra ny 2 taona manomboka ny 01 Aogositra 2023. Izany dia noho ny tanjona apetraka amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana, araka ny didim-panjakana lf: 73-039 tamin’ny 23 Febroary 1973 nofenoin’ny didim-panjakana 2013-538 tamin’ny 16 Jolay 2013 mikasika ny fampidirana miaramila amin’ny Tafika an-tanety, an-dranomasina ary an’habakabaka, amin’ny sampan-draharaha maha-olom-pirenena ary ny sekoly miaramila. Araka ny voalazan’io didim-panjakana io dia afaka manao fifanarahana hiditra zazavao anatin’ny Tafika Malagasy ny olom-pirenena rehetra anatina fe-potoana voafetra. Tsy mandray karama izy ireo fa iantohana sakafo sy fampiantranoana feno mandritra ny fotoana hanaovany fifanarahana amin’ny Tafika Malagasy.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handefasana manamboninahitra miaramila miisa 2 hanao fiofanana mikasika ny fikojakojana ny angidimbin’ny Foloalindahy Malagasy vaovao H130. Araka ny fifanarahana ara-barotra tamin’ny nividianana io angidimby io dia misy fiofanana teknika amin’ny fanamboarana sy fikojakojana azy omen’ny orinasa Airbus (airframe and engine training). Ny 08 may ka hatramin’ny 09 jona 2023 ho avy izao no hatao ny fiofanana, ny Airbus no miantoka ny lany rehetra amin’ny fampiofanana, fa ny Fanjakana Malagasy kosa no hiantoka ny saran-dalana sy ny fiantranoan’ireo manamboninahitra 2 ireo any France. Ny Lieutenant Andrianarivelo Mandimby Patrick sy ny Lieutenant Randrianirina Tyanah Tom Manjato (Escadron technique aéronautique- Etat-major de l’Armée de l’air) no handeha hanao ity fampiofanana ity.

    MINISITERAN’NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana manokana hanototra ny tany izay hanaovana fiantsonan’ny taxi-be eny Amoronakona PK0+00 amin’ny lalambe « Rocade Iarivo » (parcelle T699-B sy T6152 BAV). Izany dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa fampanarahana ny toetrandro sy famadihana ho matihanina ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo, izay vatsian’ny Sampan-draharaha Frantsay ho an’ny Fampandrosoana (AFD), Banky Eoropeana ho an’ny Fampiasam-bola (BEI) ary ny Vondrona Eoropeana (UE) sy ny Governemanta Malagasy. Zotra andrana amin’ny lalambe Rocade Iarivo moa no hanombohana ny tetikasa ka izay no ilana ity toeram-piantsonan’ny taxi-be ity, ny orinasa SOGEA SATOM no nahazo ny tsenan’asam-panjakana hanamboatra ny fotodrafitrasa ilaina amin’izany, saingy tsy maintsy miato aloha ny asa mandra-pahazoana ny alalana hanototra ny tany hananganana ny fotodrafitrasa.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandoavana ny faktioran’ny mpandraharaha amin’ny fifaindraisan-davitra Airtel Madagascar, tamin’ny fametrahana sy ny fampiasana ny laharana antso maitso 913, izay nampiasaina nandritra ny valan’aretina COVID 19. Alaina ao amin’ny tahirim-bolan’ny COVID io tetibola io.

    MINISITERAN’NY ATI-TANY SY NY FITSINJARAM-PAHEFANA

    Ho fanatanterahana ny Veliranon’ny Filohan’ny Repoblika mikasika ny fanomezana andraikitra ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana eny ifotony, dia hirosoana ny andiany faharoa amin’ny Fandaharanasa fampandrosoana ny Kaominina sy fitsinjaram-pahefana (PDCID II) amin’ny alalan’ny Tahirim-bola ho an’ny Fampandrosoana Ifotony (FDL), izay vatsian’ny Banky alemana KFW vola tsy averina. Faritra miisa 2, dia i Boeny sy DIANA no hanaovana ny fandaharanasa andiany faharoa. Haharitra 4 taona izy io, izay mitentina 16,6 tapitrisa euros. Araka ny fifanarahan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy ny Banky KFW dia anjaran’ny Fanjakana Malagasy ny mandoa ny hetra TVA sy ny antsoina hoe « fonds de contrepartie » izay mitentina 830.000 euros. Efa nisy ampahany voalohany, nitentina 200.000 euros naloa tamin’ny taona 2020 ka ny ambiny entina mandoa ny 11,6% ny asa goavana fanamboarana lalan-tany, biraon’ny kaominina sy sekoly, any anaty kaominina samihafa any no tokony horaisina an-tanana izao. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana an’io anjaran’ny Fanjakana io. Ho avy eto Madagasikara tsy ho ela ny delegasiona avy amin’ny Banky Alemana KFW mba ho fanamafisana ny fanohizana izay fiarahamiasa izay.

    MINISITERAN’NY FAMPIANARANA AMBARATONGA AMBONY SY NY FIKAROHANA ARA-TSIANSA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezana alalana ny Minisitera tompon’andraikitra hamerina ny dingana ara-panjakana rehetra amin’ny fanaovana tolo-bidy amin’ny tsenan’asam-panjakana mikasika ny fanamboarana ny Oniversité Antsirabe Vakinankaratra sy Tolagnaro Anosy. Raha tsiahivina dia ny volana Jona 2020 sy Jolay 2021 no nahazo ny taratasy hanombohana ny asa ny orinasa izay nahazo ny tsenan’asam-panjakana (ordre de service) saingy tsy nety vita mihitsy izany asa izany, na dia nandefasana taratasy fanairana (lettre de mise en demeure) indroa aza ilay orinasa. Ny 20 Febroary 2023 dia nandefa taratasy fialana an-daharana (lettre de désistement) ny orinasa noho ny olana manokana mahazo azy. Tsy maintsy notapahina araka izany ny fifanarahana tamin’ny orinasa teo aloha, mba ahafahana manao tolo-bidy vaovao hamitana ny asa, araka ny toromarika nomen’Atoa Filohan’ny Repoblika.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoan’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny fanaovana ny dingana ara-panjakana sy ara-bola amin’ny fanamboarana ny Hopitaly manara-penitra any Mananara Avaratra, Faritra Analanjirofo.

    MINISITERAN’NY JONO SY NY TOEKARENA MANGA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hirosoana amin’ny fitokanana ireo fotodrafitrasa ho an’ny fampandrosoana ny rojom-pamokarana eo amin’ny sehatry ny jono, sy ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny sambo haingam-pandeha entina manara-maso ny jono any amin’ny Nosy Mitsio distrikan’Ambilobe, Faritra DIANA. Izy ity dia famatsiam-bola avy amin’ny Governemanta Japoney ary iaraha-miasa amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena momba ny Sakafo sy ny Fambolena. Ny 2 sy ny 5 jona 2023 ho avy izao no hatao izay lanonana fitokanana sy fanolorana sambo haingam-pandeha izay.

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA ARY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo vondrom-pitaovana fitiliana rano (kits d’analyse d’eau) anatina fonosan’entana miisa 13 hampiasain’ny Minisiteran’ny Rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana. Izany dia fanomezana avy amin’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny zaza (UNICEF).

    MINISITERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHAN-TENA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tatitra mikasika ny fanomanana ny fandraisan’i Madagasikara ny Lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana, andiany faha-11 amin’ny 25 Aogositra ka hatramin’ny 03 Septambra 2023. Firenena 07 no handray anjara amin’ny Lalao: Madagascar, Nosy Maurice, Nosy La Réunion, Nosy Maldives, Nosy Comores, Nosy Seychelles ary Nosy Mayotte.

    Manana fotodrafitrasa afaka mandray tsara ny Lalaon’ny Nosy isika, fa ekena kosa fa ilaina fanamboarana sy fanarenana ny sasany mba hamaly ny fenitra takiana. Araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, dia mila mampitombo avo roa heny ny ezaka rehetra ireo tompon’andraikitra misahana ny fanomanana, ary notakiana tetiandro mazava ny avy eo anivon’ny Minisitera misahana ny fanatanjahan-tena.

    Ny sabotsy lasa teo dia nitsidika ireo fotodrafitrasa handray ny Lalao ny Filohan’ny Repoblika sy ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, ary taorian’izay no nisy ny famaritana ireo asa mbola mila hatao.

    Mizara 5 lehibe ny vondron’asa mila hatao :

    1) Fahatongavan’ny Vaomiera Iraisam-pirenena misahana ny Lalao (CIJ)

    2) Fampanaraham-penitra ny fotodrafitrasa, na ny kianja na ny toerana hipetrahan’ny atleta sy ny delegasiona ofisialy rehetra avy amin’ny firenena mpandray anjara.

    3) Fampitaovana ilaina amin’ny fanazaran-tena sy fifaninanana rehetra

    4) Fikarakarana ny lalao sy ny fampandehanana ny COJI (Vaomiera fikarakarana ny Lalaon’ny Nosy).

    5) Fanomanana ireo atleta malagasy

    - Fahatongavan’ny vaomiera iraisam-pirenena misahana ny lalao (CIJ)

    Ny 16 May ho avy izao no ho avy eto Madagasikara ny Vaomiera Iraisam-pirenena misahana ny Lalao na CIJ, hanatanteraka fivoriana andiany faharoa ao anatin’ny fanomanana ny Lalao.

    Ny 18 ka hatramin’ny 21 May 2023 no hatao ny fivorian’ny CIJ, anisan’ny anton-diany ny hijery ny fanatanterahana ny toromarika natao tamin’ny diany voalohany tamin’ny volana Desambra. Ireto avy ny teboka ho voakasik’izany :

    - fampahafantarana ny sary famantarana “logo” sy ny “mascotte” ary ny hira famantarana ny Lalaon’ny Nosy.

    - fitsirihana ireo toerana hanaovana ny fanazaran-tena sy ny lalao tahaka ny Complexe sportif Vontovorona, Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahan-tena, Kianjan’Alarobia, Kianja Barea Mahamasina, Kianja mitafo Ankorondrano sy Mahamasina, Analamanga Park, Kianja Maki Andohatapenaka sy ny sisa.

    - Fampanaraham-penitra ny fotodrafitrasa, na ny kianja na ny toerana hipetrahan’ny atleta sy ny delegasiona ofisialy rehetra avy amin’ny firenena mpandray anjara.

    -Mikasika ny toerana hipetrahan’ny mpilalao sy ny delegasiona ofisialy avy amin’ny firenena rehetra mpandray anjara dia efa neken’ny CIJ fa tsy hisy ny “village des jeux” noho ny fisorohana ny valan’aretina Covid 19, fa kosa hiparitaka amin’ny trano fandraisam-bahiny samihafa eto an-drenivohitra. Ampy ireo trano fandraisam-bahiny ireo ary efa miomana amin’izany.

    -Mikasika ireo kianja samihafa hanaovana fanazaran-tena sy hilalaovana dia efa voafaritra daholo ny asa tokony hatao. Ankoatra ny asa fanarenana sy fanavaozana dia anisan’ny goavana ny fametrahana ny “piste tartan” ho an’ny atletisma amin’ireo kianja samihafa handray izany, ny fanarenana ny dobo filomanosana eny Vontovorona, ny fanatsarana ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahan-tena izay fiaraha-miasa miaraka amin’ny Masoivoho sinoa eto Madagasikara, ary ny fanamboarana ny bozaka eo amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka.

    - Fampitaovana ilaina amin’ny fanazaran-tena sy fifaninanana rehetra

    Efa misy ny fitaovana tonga amin’izao fotoana izao, izay vokatry ny fiaraha-miasan’ny firenena Malagasy amin’ny firenena sinoa. Misy kosa ireo fitaovana mbola hafarana. Nanome toromarika Andriamatoa Filohan’ny Repoblika mba hatambatambatra ny fitaovana hovidiana mba hampihena ny sarany (achat groupé).

    - Fikarakarana ny lalao sy ny fampiodinana ny vaomiera fikarakarana ny lalaon’ny nosy (COJI)

    Anisan’ny goavana ao anatin’ity vondron’asa ity ny fanomanana ny lanonam-panokafana sy ny lanonam-pamaranana, ary ny lanonana famindrana ny afon’ny Lalao.

    Marihana fa ny fitaterana sy ny fampiantranoana ary ny fiantohana ny fiarovana an’ireo mpikambana rehetra ao anatin’ny CIJ sy COJI mandritra ny fanomanana sy ny Lalao dia raisin’i Madagasikara an-tanana avokoa. Ankoatra ny fivoriana faharoa amin’ity volana May ity, dia mbola misy koa ny fivoriana fahatelo amin’ny volana Jona ho avy izao. Torak’izany koa ny manam-pahaizana iraisam-pirenena isan-tsokajiny avy izay hivezivezy eto Madagasikara na aloha na mandritra ny Lalao. Ny fitaterana ireo delegasiona avy any ivelany mandritra ny famindrana ny afon’ny Lalao (flamme des jeux) dia raisin’i Madagasikara an-tanana ihany koa.

    Ny lafiny fitsaboana mandritra ny Lalao dia hotanterahina amin’ny alalan’ny Vaomiera ara-pitsaboana apetraky ny COJI, miara-miasa amin’ny Croix-Rouge eto Madagasikara. Madagasikara no handray ny fiadidiana ity Vaomiera ara-pitsaboana ity. Ankoatra ny mpitsabo dia hisy koa ny mpanotra sy ny “kinésithérapeutes” isaky ny delegasiona.

    Ny fitiliana ireo atleta amin’ny mety ho fandraisana zava-mahadomelina (contrôle anti-dopage) kosa dia ny ONAD (Organisation Nationale Anti-dopage) eto Madagasikara sy ny ORAD eto amin’ny Ranomasimbe Indiana (Organisation Régionale Anti-dopage de l’Océan Indien) no hiandraikitra izany mivantana.

    - Fanomanana ny atleta malagasy

    Mikasika ny fanomanana ireo atletantsika Malagasy dia efa nanomboka efa fotoana vitsivitsy izay ho an’ny taranja sasany. Misy ireo fampiofanana fanazaran-tena izay atao any ivelany, tahaka ny atletisma any Kénya, badminton sy tennis table ary ny fibatana fonjamby any Chine, ny tolona any Bulgarie, ny lomano any Thaîlande, ny judo any France, ny tennis any Etazonia, ny basket-ball any France sy Egypte, ny hand-ball any France, sy ny sisa hafa. Hisy koa ny fampivondronana eto an-toerana ho an’ny taranja samihafa hanomboka amin’ny herinandro ambony io. Ary rehefa akaiky ny lalao dia hisy ny fampivondronana farany ho an’ny taranja rehetra eto Antananarivo. Araka ny toromarika nomen’Andriamatoa Filoha, dia hisy fitsinjarana andraikitra amin’ireo minisitra rehetra mpikambana ao anaty Governemanta, ka hiahy sy hisahana taranja tsirairay avy izy ireo, hanaraka ny fanomanan-tenan’ireo atleta Malagasy izay handray anjara amin’ny Lalao.

    Marihana fa noho ny hamehana dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hampiasana ny fombafomba manokana fanomezana tsenan’asam-panjakana (procédures dérogatoires) amin’ny asa rehetra izay ilaina ao anatin’ny fanomanana ny Lalaon’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indiana. Izany dia mifanaraka amin’ny fehezan-dalàna amin’ny tsenan’asam-panjakana, ny andininy faha-38 sy faha-39 amin’ny lalàna lf : 2016-055 tamin’ny 25 janoary 2017.

    SEKRETARIAM-PANJAKANA MIADIDY NY TANANA VAOVAO SY NY TOERAM-PONENANA EO ANIVON’NY FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Nankatoavin’ny filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fanafarana entana avy any ivelany, mikasika ireo fampitaovana sy kojakoja manokana ilaina amin’ny andrimby lehibe izay hampiasaina eo anelanelan’Anosy sy Soarano, sy amin’ny ampahana fotodrafitrasa mekanika eo amin’ny fiantsonana eo Anosy, ao anatin’ny tetikasa fitaterana teleferika (TPC) ho an’ny zotra volom-boasary (ligne orange) mampitohy an’Anosy sy Ambatobe. Efa tonga any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo fampitaovana sy kojakoja ireo.

  • II- FANKATOAVANA DIDIM-PANJAKANA

    FIADIDIANA NY REPOBLIKA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana mifehy ny ratsam-pandaminan-draharaha anatiny (organigramme) eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, izay manova ny didim-panjakana teo aloha lf : 2019-027 tamin’ny 24 janoary 2019.

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manangana sy mamaritra ny fandaminana sy ny fampandehanana ny Komitin’ny Lavanila eto Madagasikara (CVM). Natao indrindra hanatanteraka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika mikasika ny fanarenana ny sehatry ny lavanila, sy ny firosoana miandalana amin’ny fanalalahana ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara. Natao koa handinika sy hankatoa ny fangatahana fahazoan-dalana manondrana lavanila. Izay fangatahana nahazo fankatoavana mialoha avy amin’ny Komity ihany araka izany no omen’ny Minisitera misahana ny Varotra ny fahazoan-dalana (certificats d’agrément), ary ao anatin’ny 48 ora no faharetany. Mandray ny mety ho fitarainana manodidina ny fanomezana ny fahazoan-dalana .

    Ireto avy no handrafitra ny Komity:

    - Solotena 2 avy amin’ny Filohan’ny Repoblika

    - Solotena 1 avy amin’ny Praiminisitra

    - Solotena 1 avy amin’ny Minisitera misahana ny fitantanam-bola

    - Solotena 1 avy amin’ny Minisitera misahana ny Fitsinjaram-pahefana

    - Solotena 1 avy amin’ny Minisitera misahana ny varotra

    - Solotena 1 avy amin’ny Filan-kevim-pirenen’ny lavanila (CNV) izay fidian’ny mpikambana ao anatiny

    - Solotena 1 avy amin’ny Filan-kevim-paritry ny lavanila (CRV) izay fidian’ny mpikambana ao anatiny.

    Tendrena amin’ny alalan’ny didim-pitondrana raisin’ny Filohan’ny Repoblika ireo mpikambana ireo rehefa vita ny fifidianana na ny fanolorana avy amin’ireo sampan-draharaha samihafa manana solotena ao anatin’ny Komitin’ny Lavanila eto Madagasikara. Ny avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika no misahana ny fiadidiana ny Komity. Maimaimpoana fa tsy andraisana karama ny asan’ireo mpikambana ao anatin’ny Komity.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nolanian’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny didim-panjakana manendry an’Andriamatoa RASOLONDRAIBE Tsiresy ho Filohan’ny Filan-kevim-pitantanana ny « Fonds souverain Malagasy » (FSM).

    Manana traikefa 20 taona mahery mikasika ny lafiny ara-bola (conseil financier, montage de financement), ny paikady sy ny fitantanana ara-bola izy. Manana ny mari-pahaizana “Master of science in Business Administration-option Finance” tany amin’ny Oniversite “Penn State University, state college” tany Pennsylvanie Etazonia (1998-1999). Manana mari-pahaizana amin’ny taotrano “architecte DPLG” tany amin’ny Sekoly ambony momba ny taotrano tany Toulouse France. Manao ny asana “consultant financier” eto an-toerana sy iraisam-pirenena sy nisahana andraikitra maro tamin’ny orinasa samihafa tany ivelany koa izy (Crédit Agricole Paris France, SMIP Madagascar, Henri Fraise Group, American School of Antananarivo, CBRE Bourdais Paris France, OGER International Paris France, SIB Pornichet France, NIGETIP Niamey Niger), efa nisehatra tamin’ny fananganana ny FSM rahateo izy, namolavola ny paikady ho an’ny fampandrosoana ny faritra Atsimon’ny Nosy niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany. Efa nanampy tamin’ny famolavolana ny “Plan Emergence Madagascar” ihany koa.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna mifehy ny orinasa kaoperativa eto Madagasikara. Miisa 2.700 ny koperativa voasoratra anarana eo anivon’ny Minisitera tompon’andraikitra ka ny 60% amin’izy ireo dia misehatra eo amin’ny fambolena avokoa. Efa nilaozan’ny toetrandro ny lalàna lf : 99-004 tamin’ny 21 avrily 1999 mifehy ny kaoperativa teo aloha, ka izany no antony nanavaozana azy. Anisan’ny fanovana goavana ao anatiny ny fampifanarahana ny lalàna eto an-toerana amin’ny zavamisy any ivelany, araka ny famaritana nataon’ny « Alliance des Coopératives Internationales » sy ny torolalana lf 193 avy amin’ny Fikambanana Iraisam-pirenena momba ny Asa (OIT). Mbola haroso hodinihana sy holaniana eny anivon’ny parlemanta ity volavolan-drijatenin-dalàna ity.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA ARY NY FANJIFANA + MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Noraisin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny volavolan-drijatenin-dalàna manome alalana ny fankatoavana ny fifanaraham-piaraha-miasa ara-toekarena eo amin’i Repoblikan’i Madagasikara sy ny Royaume-Uni. Araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana ao amin’ny andininy faha-137 amin’ny maha-fifanarahana (traité international) iraisam-pirenena azy, dia mbola mila ampandalovin’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana aloha ity volavolan-drijan-tenin-dalàna ity, hotsirihana raha mifanaraka na tsia amin’ny lalàmpanorenana. Tsy maintsy voamarina fa mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana vao azo hakana fankatoavana eny amin’ny parlemanta.

     

  • III- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 911 tamin'ny 15 jona 2022 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFINDRIANARIVO Henri Jacob, ho "Directeur des Infrastructures"
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1236 tamin'ny 10 novambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RASELISON Mbolatiana Arsène, ho Talem-paritry asa vaventy ao Vakinankaratra.

    MINISITERAN'NY FITATERANA SY NY FAMANTARANA NY TOETRANDRO

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa RASOAMANALINA Oelisoa, ho Tale iraisam-paritry Itasy-Bongolava ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro.

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA SY FAMPIVOARANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITRA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RAHAINGONJATOVO Nirina, ho Sekretera Mpanatanteraka ny Unité de Gouvernance Digitale (UGD)
  • IV- FANAFOANANA

    MINISITERAN'NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022-1656 tamin'ny 21 desambra 2022 nanendry ny Talen'ny Serasera.

 

Natao ny 03 may 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO