TATITRY NY FILAN-KEVITRY NY MINISITRA

Alarobia 26 aprily 2023 – Lapam-panjakana Iavoloha 

Notanterahina androany ny Filan-kevitry ny Minisitra izay notarihin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ary nahitana ny Praiminisitra sy ireo Minisitra isan-tokony.

  • I- FAMPITANA AM-BAVA

    MINISITERAN’NY RAHARAHAM-BAHINY

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny handraisan’i Madagasikara ny Filan-kevitry ny Minisitry ny firenena mpikambana ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI) andiany faha-37. Izany dia hatao eto Antananarivo ny 17 May 2023 ho avy izao, noho ny mbola iantsorohan’i Madagasikara ny fiadidiana ny COI, nanomboka ny taona 2022. Hifarana amin’io daty io indrindra ny fitantanantsika ny COI ka hisy ny famindram-pahefana hatao amin’ny Nosy Maorisy izay hiantsoroka indray ny fiadidiana ny COI mandritra ny herintaona manaraka. Ho avy hanatrika ity Filan-kevitry ny Minisitry ny COI ity ireo minisitry ny raharahambahinin’i France izay misy an’i La Réunion, ny Nosy Maurice, Comores, Seychelles ary ny sekretaria jeneralin’ny COI. Ny minisitry ny raharaham-bahiny malagasy kosa no hitarika ny fivoriana, izay hanaovan’i Madagasikara jery todika ny asa vitany nandritra ny herintaona niadidiany ny COI. Handray anjara amin’ny Fivoriana ihany koa ireo mpiaramiombon’antoka sy mpikambana mpanara-maso ao anatin’ny COI tahaka ny Vondrona Eoropeana, Sampandraharaha Frantsay ho an’ny fampandrosoana (AFD), ny Banky iraisam-pirenena, ny Sampandraharahan’ny Firenena Mikambana, i Chine, Japon ary Inde. Ny Firenena Malagasy no handray an-tanana ny fandaniana amin’ny fikarakarana ny Filan-kevitry ny Minisitry ny COI.

    MINISITERAN’NY FITSARANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny ahafahan’ny Minisitera mampiasa tetibola manokana hanaovana asa vonjy maika hanarenana ny Tribonaly miady amin’ny Fanjakana sy misahana ny ara-bola ao Toliara. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Freddy dia niendaka ny tafo, nihotsaka ny valin-drihana ary simba ny loko ho an’ity trano misy ny Tribonaly ity ka tsy maintsy harenina maika.

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana ny tetibola anatin’ny Minisiteran’ny Fitsarana mba hisy ampahany halefa amin’ny famitàna ny asa fanamboarana ny Fonjan’i Toamasina izay efa natomboka tamin’ny taona 2021.

    MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Ao anatin’ny ezaka manokana hiadiana amin’ny kolikoly izay laharampahamehana ho an’ny Filohan’ny Repoblika, dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana tetibola fanampiny ho an’ny Sampandraharaha mamerina amin’ny Fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna (Agence de Recouvrement des Avoirs Illicites-ARAI) eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Io tetibola fanampiny io dia entina handoavana ny tambin-karama isan-karazany sy hampiodinana ny sampandraharaha. Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa ny fanamboarana ny tetibola anatin’ny ARAI mba hisy ampahany ho entina mividy fiara hanatanterahana ny asa. 

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny tetiandro entina manomana ny lalàna fototra mifehy ny tetibola taona 2024 (LFI 2024). Ny hanombohana azy dia ny famaritana ny lasitra ara-toekarena sy ara-bola antonona ezaka, izay hofaranana amin’ny 2 may 2023 ho avy izao. Hanomboka ny 28 aprily 2023 kosa ny fikaonandoha ara-bola isam-paritra hakana ny soso-kevitra avy any ifotony ary any Tolagnaro, Faritra Anosy no hanombohana azy. Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika dia omena fotoana mihitsy ny mpisehatra any ifotony hilaza ny tena hetahetany mba havadika ho drafitr’asa hampidirina anaty tetibolampanjakana. Izany hoe izay tena marary ny vahoaka any ifotony rehetra any, ohatra ny lalana, toha-drano, angovo, rano fisotro madio, sy izay fotodrafitrasa rehetra tena mifandraika amin’ny fiainan’ny vahoaka andavanandro no hangonina ka hofaritana ao anatin’ny tetibola ny fanatanterahana azy. Rehefa voahangona daholo ny hevitry ny mponina eny ifotony dia ny samy fokonolona ihany no miara-manapaka ny tetikasa izay heveriny ho tena laharam-pahamehana, satria tsy ho hary ho tafiditra ao anaty tetibola indray mandeha daholo ny hevitry ny vahoaka rehetra. Ny volana May iray manontolo kosa no fanaovana ny tomban’ezaka antsasa-dalana amin’ny fanatanterahana ny tetibola amin’ity taona 2023 ity, izay anisan’ny fototra iaingana amin’ny famolavolana ny tetibola ho an’ny taona manaraka. Ny 20 jona 2023 no hanomboka ny fikaonandoha ara-bola aty amin’ny foibe, izay handraisan’ny teknisian’ny Minisitera misahana ny fitantanam-bola sy ny tompon’andraikitra isaky ny andrimpanjakana sy minisitera isan-tsokajiny, izay hotohizana amin’ny fanomanana ny fanelanelanana ara-bola (arbitrage budgétaire). Ny volana Aogositra no hirosoana izay fanelanelanana izay, izay ny Praiminisitra lehiben’ny Governamanta no hitarika azy, ary hamaritana ireo tondrozotra lehibe hitondrana ny tetibola ho an’ny taona ho avy. Mialohan’ny faran’ny Aogositra 2023 no hivoaka ho fantatry ny besinimaro ny « lettre de cadrage budgétaire » mba ho fanajana ny mangarahara. Ny volana septambra 2023 no hiditra amin’ny fandrafetana ireo antontan-taratasy hirakitra ny tetibola amin’izay ny avy eo anivon’ny Minisitera misahana ny fitantanam-bola, arahin’ny fankatoavan’ny Filankevitry ny Minisitra any amin’ny fiandohan’ny volana Oktobra 2023. Araka ny lalàna manan-kery dia tsy maintsy tonga eny anivon’ny Antenimieram-pirenena ny volavolandalàna fototra mifehy ny tetibola 2024 farafahatarany ny 30 Oktobra 2023.

    Ny 10 ka hatramin’ny 16 aprily 2023 lasa teo no notontosaina tany Washington DC Etazonia ny fivoriana lohataona (spring meeting) izay fanaon’ny Banky iraisampirenena sy ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena isan-taona. Voasolo tena tamin’izany i Madagasikara ka fivoriana miisa 26 no nandraisantsika anjara. Ireto no teboka tena nisongadina tamin’ny tatitra nataon’ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanambola mikasika ireo fivoriana samihafa ireo, izay nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra:

    • FFRD (Fonds Fudiciaire pour la Résilience et la Durabilité - FFRD) avy amin’ny FMI : izay natao hamatsiana ireo fanavaozana mila hatao mba ahafahan’ny firenena manana fahafaha-miatrika bebe kokoa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro sy ny fisian’ny valan’aretina. Nanao fangatahana ampahibemaso ho afaka misitraka an’io famatsiam-bola io i Madagasikara, ary fantatra fa voasokajy isika ho isan’ny firenena afaka misitraka (éligible) noho ny efa fananantsika ny antsoina hoe lasitra ara-toekarena mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro (CMAP), sy ny mbola ananantsika fandaharanasa mandeha miaraka amin’ny FMI dia ny “FEC”. Hofaritana miaraka amin’ny FMI amin’ny fivoriana tombana andiany faha-4 (4e revue) ny fanavaozana hirosoana ka hampidirina ao anatin’io famatsiam-bola io. Ny 03 ka hatramin’ny 12 May 2023 izao no hatao io fivoriana tombana andiany faha-4 io, ka ny 08 May 2023 no ho avy eto Madagasikara ny Talem-paritry ny FMI hihaona amin’ny Filohan’ny Repoblika handinihana ny dingana samihafa izay hatao. Mitentina hatrany amin’ny 500 tapitrisa USD ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara hositrahana ao anatin’io tahirimbola FFRD io. 
    • Mikasika manokana ny fivoriana tombana andiany faha-4 (4e revue) dia anisan’ny hodinihana ny fomba fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana (exécution budgétaire) indrindra ny fomba fiasan’ny Birao fanarahamaso sy fanaovana tombana ny fandaniam-bolam-panjakana (BSE) izay napetraka eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, sy ny fijerena ny fampidiram-bolam-panjakana, indrindra mikasika ireo vola avy amin’ny mpandraharahan’ny solika. Ny lafiny ara-drafitra kosa dia hojerena ny mikasika ny fomba fanatanterahana ny fitantanana ny fampiasam-bolam-panjakana (manuel de gestion des investissements publics) sy ny fanarahana ny tolo-kevitra nentin’ny fitsarana misahana ny volam-panjakana tamin’ny tatitra momba ny fandaniam-bola nandritra ny COVID. Efa samy vitan’i Madagasikara daholo moa ireo teboka roa ireo.
    • Mikasika ny fanampiana ara-bola (appui budgétaire) avy amin’ny Banky iraisam-pirenena kosa dia fantatra fa nekena omaly 25 aprily 2023 ny antontan-taratasin’i Madagasikara, taorian’ireo asa mialoha niarahana tamin’ny Banky iraisam-pirenena hitondrana ny fanavaozana samihafa amin’ny lafiny ara-toekarena eto Madagasikara. Rehefa neken’ny Komitimparitry ny Banky Iraisam-pirenena io antotan-taratasin’i Madagasikara io omaly, dia efa nanomboka ny fifampiraharahana mikasika ny fandrafetana ny fifanaraham-pamatsiam-bola. Ny 02 may 2023 ho avy izao no handalo ny filan-kevipitantanan’ny Banky Iraisam-pirenena ny fifanaraham-pamatsiam-bola ary ny 30 may 2023 no hivoaka ny fankatoavana. Aorian’izay dia tsy maintsy hisy ny fanaovana volavolan-dalàna entina hankatoavan’ny Parlemanta an'ity fifanarahampamatsiam-bola ity,araka ny voalazan’ny lalàmpanorenan’i Madagasikara. Ny 05 jona 2023 kosa no heverina hirosoana ny pitsopitsony ahafahan’ny Banky Iraisam-pirenena mamoaka ny vola. Mitentina 100 tapitrisa USD io fanampiana ara-bola io izay tsy vola averina akory.

    MINISITERAN’NY FILAMINAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fandraisan’ny Fanjakana Malagasy an-tanana ny hetra sy ny haban-tseranana amin’ny fampidirana entana avy any ivelany, mikasika ireo fitaovana « I-24/7 » ilaina amin’ny fampitam-baovaon’ny « Interpol Madagascar ». Fampitaovana izay natolotry ny firenena Sinoa, araka ny fifanaraham-piarahamiasa vita sonia tamin’ny taona 2021 teo amin’i Madagasikara sy Chine. Amin’ny 03 May 2023 no tokony ho tonga any amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina ireo fampitaovana ireo.

    MINISITERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana ny tetibola anatin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka mba hisy ampahany amin’ny fampiasam-bola halefa amin’ny fividianana kojakojam-pitsaboana sy fanafody hampiasaina amin’ny fitsaboana manakaiky vahoaka sy ny rodorodon’ny fahasalamana na « caravane médicale » amin’ny distrika 119.

    MINISITERAN’NY FAMBOLENA SY NY FIOMPIANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanamboarana ny tetibola anatin’ny Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana mba hisy ampahany halefa amin’ny asa fambolena sy fiompiana izay misy fiantraikany goavana amin’ny lafiny sosialy. Araka ny toromarika nomen’ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Rajoelina tamin’ny Filan-kevitry ny Minisitra tamin’ny 09 martsa 2023 dia tsy maintsy atao miompana amin’ny fanohanana ny mpamboly sy mpiompy eo amin’ny lafiny sosialy, amin’izao vanim-potoana sarotra izao ny asa laharam-pahamehana ataon’ny Minisitera. Noho izany dia halefa amina sehatra miisa 4 ny ampaham-bola asiam-panamboarana ity, ny « titre vert social », ny « titre vert-volet agriculture », ny « infrastructures bovidés aux normes » ary ny « titre vert-volet élevage ». Ny Faritra 23 dia samy hisitraka an’ireo sehatr’asa ireo avokoa.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO

    Ho fanatanterahana ny veliranon’ny Filohan’ny Repoblika laharana faha-2, mikasika ny « Angovo sy ny rano fisotro madio ho an’ny rehetra » dia natomboka teo anivon’ny Minisiteran’ny Angovo sy Akoran’afo ny fanamboarana tobim-pamokarana angovo azo avy amin’ny masoandro (parcs solaires) miisa 37 amin’ireo renivohitry ny distrika miisa 37. Efa nisy ny tolo-bidy natao amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy, saingy nandamoka izany. Noho izany dia tsy maintsy averina ny pitsopitsony arapanjakana mikasika izay, kanefa mba ho fanajana ny fe-potoana nofaritana hamitàna ny asa dia nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanaovana tolo-bidy voafetra (appel d’offres restreint) araka ny alalana omen’ny lalàna manan-kery, dia ny andininy faha-38 ao anatin’ny fehezan-dalàna lf : 2016-055 tamin’ny 25 janoary 2017 mifehy ny tsenan’asam-panjakana. Misy mason-tsivana izay nofaritan’ny Filankevitry ny Minisitra mikasika ireo orinasa ho afaka handray anjara amin’ny tolo-bidy voafetra, ka tsy maintsy ireo orinasa mpanamboatra mivantana aloha, ary mila manana traikefa efa mipetraka tsara, efa fanta-daza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny asa nataony, no ho voakasika.

    MINISITERAN’NY ANGOVO SY NY AKORAN’AFO + MINISITERAN’NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanomezana sarany manokana (tarifs préférentiels) amin’ny fanjifana herinaratra amin’ny orinasa JIRAMA, ho an’ireo orinasa indostrialy lehibe ara-stratejika misahana ny famokarana lamba, ny famokarana simenitra, ny fanodinana vy ary ny famokarana sy fanodinana akora simika. Araka ny lisitra nomen’ny Vondron’orinasa Gem sy SIM ny GEFP ary ny SEBTP dia miisa 19 izy ireo. Raha tsiahivina dia ny 03 Aogositra 2022 no nampiharina ny sarany vaovao ao anatin’ny “Optima business” ho an’ireo sokajina orinasa indostrialy efa voafaritra mialoha, efa mihatra 100% izy io ankehitriny. Fa ho an’ireo orinasa indostrialy ara-stratejika lehibe miisa 19 ireo izany dia eo amin’ny 40% aloha ny fiakarana, izay fepetra manokana entina manohana ireo orinasa ireo noho ny anjara toerana lehibe tanan’izy ireo eo amin’ny fampandehanana ny toekarena malagasy. Fepetra manokana voafetra ho 12 volana ihany izany fampiharana sarany manokana ho an’ireo orinasa 19 ireo izany, ary mihatra manomboka amin’izao volana aprily 2023 izao fa tsy mihatra amin’ny fandaniana teo aloha (non rétroactivité).

    MINISITERAN’NY RANO, NY FANADIOVANA SY NY FIDIOVANA

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny fanomezan-dalana hanomboka ny asa fametrahana fatson-drano (tuyaux) ao anatin’ny tetikasa fanamafisana ny fampidirana rano fisotro madio (Adduction d’Eau potable) ao an-tampon-tananan’i Toliara. Tetikasa izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena vola. Raha tsiahivina dia efa nisy ny dingana voalohany tamin’io tetikasa io, izay ny PIC (Pôle Intégré de Croissance) no nitantana ny fanatanterahana azy. Miditra amin’ny dingana faharoa ny tetikasa nanomboka ny taona 2021 izay ankoatra ny famatsian-drano madio ho an’ny kaominina ambonivohitr’i Toliara dia hihitatra amin’ny Kaominina manodidina tahaka an’i Miary, Mitsinjo Betanimena, ary Betsinjaka ihany koa. Tokantrano mpampiasa rano hatrany amin’ny 70.000 no tokony hisitraka an’io famatsiana rano fisotro madio io. Nisedra olana anefa ny fanatanterahana ny tetikasa teo aloha satria misy fantson-drano tsy maintsy mandalo lalana na lalan-kely na sisin-dalana izay vita rarivato na tara namboarina tao anatin’ny tetikasa PADEVE vatsian’ny Sampandraharaha Frantsay ho an’ny Fampandrosoana (AFD) ka ny orinasa COLAS no nanao azy. Ka nomena alalana araka izany ny fametrahana ny fantson-drano fa kosa tsy maintsy averin’ny orinasa nahazo ny tsenan’asam-panjakana amin’ny laoniny ny lalana na ny lalan-kely izay tsy maintsy hokitihina amin’ny asa fametrahana fantson-drano. Ny ampahan-dalana na ny sisindalana izay tsy maintsy hokitihina dia hesorina tsy ho tafiditra ao anatin’ny antoka nomen’ny orinasa COLAS mikasika ny lalana intsony, mitoetra kosa anefa ny antoka amin’ny ampahan-dalana sy sisin-dalana tsy voakasiky ny fametrahana ny fantsondrano.

    MINISITERAN’NY FAMPIROBOROBOANA SY NY FANOVANA NY HAITAO ARA-KAJY MIRINDRA, NY PAOSITRA SY NY FIFANDRAISAN-DAVITR

    Nankatoavin’ny Filan-kevitry ny Minisitra ny hanatanterahana ny fivoriambe mikasika ny fanovana ny haitao ara-kajy mirindra aty Afrika (Assises de la Transformation Digitale en Afrique-ATDA) andiany faha-12 eto Antananarivo, ny 19 sy 20 May 2023 ho avy izao. Tamin’ny volana Desambra 2022 no nanapahan’ny ATDA andiany faha-11 natao tany Genève ny hanomezana an’i Madagasikara ny fandraisana ity fivoriambe ATDA faha-12 ity. Ireo minisitra afrikana misahana ny haitao ara-kajy mirindra no tena handray anjara, hisy ny Filan-kevitry ny Minisitra afrikana mikasika ny haitao ara-kajy mirindra, izay iarahana amin’ny « Alliance Smart Africa ». Fa omena vahana manokana kosa ireo tanora izay tena mpisehatra eo amin’ny haitao ara-kajy mirindra. « Capital humain : catalyseur d’un écosystème numérique africain performant » no lohahevitra hitondrana ny fivoriambe, izany hoe ny olona izay harena voalohany amin’ny fivoaran’ny haitao ara-kajy mirindra no tena omen-danja.

  • II- FANENDRENA MPIASAM-PANJAKANA AMBONY

    MINISITERAN'NY FIAROVAM-PIRENENA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 637 tamin'ny 24 jona 2020 ary manendry ny Général de Brigade RAZAFIMAHATRATRA Hery, ho "Directeur du Bureau Finance et Budget" ny Etamazaorin'ireo Tafika.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2020- 639 ny 24 jona 2020 ary manendry ny Général de Brigade RASOLONDRAIBE Jean Yves , ho "Directeur du Centre des Opérations Interarmées" ny Etamazaorin'ireo Tafika.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 870 ny 01 septambra 2021 ary manendry ny Colonel RANDRIANASOLO François, ho "Directeur du Bureau Contrôle et Audit" ny Etamazaorin'ireo Tafika.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 873 tamin'ny 01 septambra 2021 ary manendry ny Colonel RANDRIANARISONA Elizea Lalaina Ratiarison, ho "Directeur Interarmées du Renseignement Militaire" ny Etamazaorin'ireo Tafika.

    MINISITERAN'NY FANAJARIANA NY TANY SY NY FANANAN-TANY

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa M. BAOHITA Robert, ho Talem-paritry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao Atsimo Andrefana.
    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa ZARA Olivier, ho Talemparitry ny fanajariana ny tany sy ny fananan-tany ao Ihorombe.
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2014- 1710 tamin'ny 07 novambra 2014 ary manendry an'Andriamatoa RAKOTONIAINA RABENORO Barry, ho "Directeur Administratif et Financier” ny FoibenTaosarintanin’i Madagasikara (FTM).
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2011- 314 tamin'ny 15 jona 2011 ary manendry an'Andriamatoa RANDRIAMANANA MALALA Fidèle, ho "Directeur des Relations Publiques et Institutionnelles" ny Foiben-Taosarintanin’i Madagasikara (FTM).

    MINISITERAN'NY TOEKARENA SY NY FITANTANAM-BOLA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 1177 tamin'ny 27 oktobra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAZAFIMANDIMBY Patrick Naivoharinjaka, ho "Directeur de la Coordination du Suivi des Réformes".

    MINISITERAN'NY FAMPIROBOROBOANA NY INDOSTRIA, NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an-dRamatoa SOLOFONIRINA FANOMEZANTSOA Eliane Marie, ho "Directeur des Ressources Humaines"

    MINISITERAN'NY ASA, NY FAMPANANANA ASA, ASAM-PANJAKANA ARY NY LALANA SOSIALY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 2043 tamin'ny 30 oktobra 2019 ary manendry an-dRamatoa SOANARIMALALA Holinirina, ho Talem-paritry ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy ao Melaky.

    MINISITERAN'NY ASA VAVENTY

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 929 tamin'ny 15 septambra 2021 ary manendry ny Chef d’Escadron RAZANAPARANY Félix, ho "Directeur des Ressources Humaines".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 539 tamin'ny 27 martsa 2019 ary manendry an'Andriamatoa RAZEFASON Ando Malala, ho "Directeur de l’Entretien Routier".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2021- 928 tamin'ny 15 septambra 2021 ary manendry an'Andriamatoa RAJAONALISON Rija Harilala, ho "Directeur d’Appui aux Urgences".
    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2023- 368 tamin'ny 05 aprilu 2023 nanendry an-dRamatoa RASOLONDRAIBE Elza Hantasoa Malalarivelo, ho "Coordonnateur de la Cellule de la Coordination des Projets".

    MINISITERAN'NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2019- 790 tamin'ny 18 septambra 2019 ary manendry an'Andriamatoa ANDRIAMASY Hery Mamonjy, ho Talen'ny "Ecole de Formation de Technicien Agricole"(EFTA) Iboaka-Lalangina.

    MINISITERAN'NY ANGOVO SY AKORAN’AFO

    • Noraisina ny didim-panjakana manafoana ny didim-panjakana laharana faha 2022- 1107 tamin'ny 27 jolay 2022 ary manendry an'Andriamatoa RABOANA Harijaona, ho "Coordonnateur de l’Unité de Gestion des Projets Emergents".

    MINISITERAN'NY HARENA AN-KIBON'NY TANY SY LOHARANON-KARENA STRATEJIKA

    • Noraisina ny didim-panjakana manendry an'Andriamatoa RANIRINARIVAO Rindraniaina Sergio Ken, ho Talem-paritry ny harena an-kibon'ny tany sy ny loharanon-karena stratejika ao Vakinankaratra

 

Natao ny 26 aprily 2023

Ny Mpitondra Tenin’ny Governemanta

Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina

Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO

Ny Mpitondra Tenin’ny Filoham-pirenena,

Talen’ny Serasera sy ny Fifandraisana amin’ny Daholobe

Ny Fiadidiana ny Repoblika

Lova Hasinirina RANOROMARO